Indray mitopy maso amin’ny vaovao
Manety ny andian’ondry izy ireo
“Manerana an’i Etazonia, ireo trano fivavahana dia mampitombo ny fiezahanay mba hakam-bola bebe kokoa amin’ireo mpiangona ao aminy”, hoy ny nambaran’ny gazety Money.
Inona no fomba ampiasain’izy ireo? Ny Fiangonana katolika dia mitady ny famonjeny ara-bola amin’ny fampianarana ireo pretrany ny fahaizana mitady vola, hoy ny nohazavain’ilay lahatsoratra. Ny amin’ny fanomezana betsaka kokoa, ireo pretra dia miankina amin’ireo mpiangona ao aminy mpanankarena — indraindray (...) amin’ny fikendrena ireo ondry mania ao amin’ny andian’izy ireo” sy amin’ny fitaomana azy ireo hampiasa “tsara” ny vola azony tamin’ny fomba ratsy. Indraindray koa, hono, dia toa “manao izay mahasanganehana ireo mpikambana mpanankarena izy ireo mba hitaomana azy hanome bebe kokoa.”
“Ireo Jiosy dia mahita zava-manahirana ara-bola mitovitovy amin’izany, hoy ilay gazety. Mba hanangonana vola fanampiny, ireo synagoga dia mampanofa indraindray dabilio ireo mpikambana ao aminy amin’ny vola miovaova eo amin’ny 200 ka hatramin’ny 2000 dôlara isan-taona. Asainy andoavana 50 ka hatramin’ny 500 dôlara ireo karatra fidirana amin’ny fankalazana fety lehiben’ny fararano” ary mangataka fanatitra fanalam-boady fanampiny izy ireo amin’ny andro Fanavotana, rehefa mandamina fankalazana fahatsiarovana ho an’ny maty.” Araka ny filazan’ny mpiasam-panjakana iray, ireny fisehoan-javatra manaitra ny fihetseham-po ireny dia mahaforona ny fotoana tsara indrindra mba hangataham-bola, “satria ireo olona dia mahatsiaro lozan-tany fa diso.” Nitantara ilay revio fa ny synagoga iray aza dia nampiasa ny tribonaly mba “hahazoana indray fanatitra fanalam-boady telo tsy voaloa “natokana ho amin’ny vata fitoeram-bola ho an’ny fanorenana”.
Ny Fisiana tampony izay heverina hoe homena ireny “fanomezana” ireny dia milaza mazava tsara fomba fihevitra mifanohitra indrindra amin’ny “fanangonan-drakitra” ao amin’ny Teniny voasoratra. Izao no vakintsika: “Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian’ny fony avy, tsy amin’alahelo, na amin’ny faneriterena, fa ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra.” — II Korintiana 9:7.
Eo am-pikatsahana fitondram-panjakana maneran-tany iray
Ireo firenena dia tokony hivondrona ho fitondram-panjakana tokana izay ho afaka hiadidy ny fitaovam-piadiana sy hisakana ny ady.” Izany no nambaran’ny mpanoratra atao hoe Ben Bova tao amin’ny revio Omni. “Nefa, hoy ny fanontaniany, ahoana no hahatongavana amin’izany?”
Mba hanomezana valiny, dia nampahatsiahy ny amin’ny fanafody natolotry ny Fihetsiketsehana amerikana ho an’ny fitondram-panjakana maneran-tany izy, fihetsiketsehana izay ny tanjona dia: “Izao tontolo izao tokana na tsy misy izao tontolo izao mihitsy” ary ny zava-kendrena dia ny “hiasa ho an’ny fanorenana io ‘izao tontolo izao tokana’ io mba hisorohana ny loza aman’antambo noklehera.” Araka ny filazany, io fandaminana io dia manampo “fihoaran-dranon’ny” hevitry ny vahoaka, izay hiteraka fikambanan’ny fizaran-tany maneran-tany” ka eo anivony ny firenena tsirairay avy dia hiaro ny heriny amin’ny maha-fitambaran’olona sy ny fanapahany manokana ao anatin’ny sisin-taniny (...). Ho fepetra takina alohan’ny fanekena, ny herim-panjakana ara-tafika rehetra ao amin’ny firenena dia tokony hafindra any amin’ny fitondram-panjakana maneran-tany ho fikendrena ny fiarovana iombonana.” Ny mpikambana ao amin’io fandaminana io dia mino fa ny firenena rehetra dia hitambatra amin’ny farany ary “izao tontolo izao dia ho afaka amin’ny loza mandrahon’ny ady noklehera sy izay rehetra mety ho ady amin’ny farany”.
Nanao famaranan-kevitra toy izao ilay mpanoratra: “Ny ankamaroan’ny olona dia mijery izany fitondram-panjakana maneran-tany izany ho toy ny hevi-dravina, toy ny nofinofin’ny siansa foronin’ny saina fotsiny izay tsy ho afaka ny ho tanteraka na oviana na oviana. Tena nofy tokoa izany nefa, rehefa heverina ny nofy ratsin’ny (...) ady noklehera, dia mety mihitsy ny mino izany sy miasa ho amin’ny fanatanterahana azy.”
Kanefa ireo izay mianatra ny Tenin’Andriamanitra dia mahafantatra fa ny fitondram-panjakana iray maneran-tany dia tsy avy amin’ny nofy fa zavatra tena misy. Kanefa tsy ny olombelona akory no hanambatra ireo firenena ankehitriny ho fikambanan’ny fizaran-tany maneran-tany amin’ny fiezahany manokana. Andriamanitra kosa no hanorina fanapahana manerana izao rehetra izao, amin’ny alalan’ny Fanjakana izay nampanantenainy. Milaza marimarina amintsika ny Baiboly fa tsy ho ela io Fanjakana io dia ‘hanorotoro sy handevona ireo fanjakana rehetra ireo [ny an’ny olombelona], fa izy kosa hitoetra mandrakizay. — Daniela 2:44.
Truman sy ireo faminaniana
Araka ny lahatsoratra iray tao amin’ny New York Times, i Harry Truman, prezidan’i Etazonia taloha dia naneho ny tahony hahita “izao tontolo izao hanjavona tsy ho ela ao amin’ny sorona noklehera”.
Nefa ny fandravana izay asian’ny Baiboly fitenenana ao amin’ny II Petera 3:5-13 sy ao amin’ny Apokalypsy 16:14, 16, dia ny adin’Andriamanitra, ny “andron’i Jehovah”, izay hanalany amin’ny tany ny ratsy rehetra. Tsy hisy herim-panjakana ho afaka hanohitra an’izany. — Apokalypsy 11:18; 21:5.