Misionera vaovao namporisihina tamin-kafanam-po hoe: “mijanòna ho mahatoky!”
NY ALAHADY faha-12 Septambra 1982 dia andro nafana sy avy orana tany New York. Zara raha nahamarika izany anefa ny fitambaran’olona iray nisy teo amin’ny roa arivo teo. Izy ireo dia ireo izay, ny marainan’io andro io, dia nandroso ho any amin’ny Efitrano fanaovana fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ny faritanin’i Queens, mba hanatrika ny fizarana diplaoma tamin’ny kilasy fahatelo amby fitopolon’i Gileada, sekoly fianarana Baiboly an’ny Fikambanana Watchtower.
Tamin’ny folo ora maraina dia nisarika ny sain’ny olona ny mpitarika ny fandaharana tamin’io andro io, Leo Greenless, izay mpikambana ao amin’ny Komitin’ny fampianaran’ny Kolejy foibe. Nijanona ny tabataba sy ny resaka, samy nahita ny fitoerana ny tsirairay, ary dia nanomboka tamin’ny hira fiderana an’i Jehovah sy ny vavaka ny fandaharana. Tao amin’ny teny fanokafany dia nampahatsiahivin’ny rahalahy Greenless an’ireo mpianatra fa “’mpanarato olona” izy ireo. (Matio 4:19.) Hatramin’izao, hoy izy, ny ankamaroan’ny fanjonoany dia natao tao amin’ny “rano teo an-toerana” ihany. Fa izao izy ireo dia handeha any amin’ny toerana lavitra mba “hanjono any amin’ny ranomasina lalina”. Nampianatra azy ireo ny fomba fampiasa ilaina amin’io karazam-panjonoana io ny Sekolin’i Gileada.
Avy eo ny rahalahy Greenless dia nampiditra an’i Grant Suiter, mpikambana ao amin’ny Komitin’ny fanontana. Io mpandahateny io dia nanisy fitenenana ny amin’ilay faminaniana mikasika ny fampodiana ao amin’ny Hosea toko faha-2 andininy faha-21 ka hatramin’ny faha-23. Nahazo fitahiana lehibe dia lehibe tokoa ireo mpianatra, hoy izy, niditra tao amin’ny sahan’ny asa misionera amin’ny fotoan’ny famafazana sy fotoan’ny ‘fanomezana valiny’, eo amin’i Jehovah Andriamanitra sy ny vahoakany.
Nanaraka izay, Calvin Chyke, ao amin’ny komitin’ny fanontam-pirinty, dia namporisika ny mpianatra mba hanohy hamboly “toe-panahy araka an’Andriamanitra”. (I Timoty 4:7, 8, 12). “Ny herin’ny toe-panahinareo araka an’Andriamanitra”, hoy izy, “dia hanosika ny hafa haniry hiaraka aminareo amin’ny fanompoana masina”.
Dan Sydlik, solontenan’ny Komitin’ny mpiasa, no nanaraka. Nohazavainy fa ny fifandraisana mafana sy manokana misy eo amin’ny olona dia tsy tonga ho azy. Tsy maintsy manao izay hisiany ianao. “Na dia zavatra kely sy tsy atakalo vola toy ny fitsikiana aza dia mety hanampy”, hoy izy. — Romana 12:13.
Ny Komitin’ny fandaharan-teny an-tsoratra dia nasehon’i Lloyd Barry, izay namporisika ireo misionera vaovao mba tsy hanadino ny hitondra toe-tsaina ara-panahy tsara rehefa hampirina entana mba handehanana any amin’ny tany nanirahana azy izy ireo. Nanome torohevitra azy ireo koa izy tamin’ny alalan’ny tenin’i Hagay mpaminany hoe: “Mahereza (...) ka miasà.” — Hagay 2:4.
Ireo mpampianatra roa ao amin’ny Sekolin’i Gileada dia nasaina àry mba hanome torohevitra farany. Jack Redford, izay misionera taloha, dia nampitandrina ireo mpianatra hoe: “Samy manana fotoam-pifaliana sy fotoan-tsarotra daholo isika rehetra. Na iza na iza dia mahay misetra ireo fotoam-pifaliana. Ny fomba fahaizanao misetra ireo fotoan-tsarotra no hametra ny fahaizanao hiaritra ao amin’ny asa misionera”. Ary i Ulysses Glass, mpandray an-tsoratra ny momba ny Sekoly rehetra, dia namporisika azy ireo mba hiatrika ny zava-manahirana izay mety ho hitany any amin’ny faritaniny, toy ny olon-dehibe matotra.
Ary farany, Frederick Franz, prezidàn’ny Sekoly, dia niresaka tamin’ireo mpianatra mivantana. Io mpandahateny io, izay eo amin’ny faha-90 taonany izao, dia nampahatsiahy azy ireo fa manompo Mpiandry lehibe iray izay sady mpanapaka ny tany koa, izy ireo. Namporisihiny izy ireo mba hitoetra ho iray sy mahatoky eo anivon’ny andian’ondry maneran-tany, ary namarana toy izao izy: “Enga anie Andriamanitra Tsitoha amin’ny alalan’ny Mpiandriny, Jesosy Kristy, ka hitahy anareo ary hampiasa anareo amin’ny fomba lehibe tokoa any amin’ny faritany nanirahana anareo”.
Nomena ny diplaomany ny mpianatra ary nasian’ilay mpitari-draharaha fiatoana ny fandaharana mba hisakafoana. Avy eo, tamin’ny roa sy fahefany hariva, dia nisy fianarana ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana, notarihin’i Don Adams, avy ao amin’ny Komitin’ny Betela, ka ireo mpianatra no nanome ny valiny. Taorian’izay, dia nanolotra fandaharana nahafinaritra nisy mozika sy fitantarana zavatra hita teny am-pitoriana izy ireo, ary tamin’ny farany dia nanao fampisehoana tantara araka ny Baiboly nampihetsi-po sy nampahery.
Nifarana tamin’ny efatra sy sasany hariva ny fandaharana. Avy eo, raha mbola nanakoako tao an-tsofiny ireo teny feno torohevitra tsara ireo, dia niomana ireo mpianatra mba handeha ka ho “mpanarato olona” any amin’ny tany lavitra nanirahana azy amin’ny naha-misionera.