Ny toe-tsaina tia fanompoana kristiana
“Aoka ianareo harehitry ny fanahy. Manompoa an’i Jehovah amin’ny maha-mpanompo.”—ROMANA 12:11, [MN].
1.Ahoana no anaporofoana fa minisitra kristiana ny tena?
TSY misy afa-tsy fomba iray no hanaporofoana fa minisitra kristiana ny tena: amin’ny asa. Izany no asehon’ny hevitry ny teny mihitsy hoe diakonos nadika tamin’ny hoe “minisitra”. Ny manam-pahaizana manokana momba ny teny grika anankiray dia nanoratra hoe: “Ny hoe diakonos dia manondro ny mpanompo eo am-panatanterahana ny asa (...). Ilay teny dia manondro ny mpanompo eo am-panatanterahana ny asa (...). Ilay teny dia manondro izay manatanteraka ireo baikon’ny olon-kafa iray, ary indrindra indrindra ny an’ny tompo.” (Studies in the Vocabulary of the Greek New Testament nataon’i Kenneth Wuest). Io mpanoratra io dia nanipika tsara fa ny hoe minisitra dia tsy hoe fitanana toerana loatra fa filofosana amin’ny fanaovana zavatra kosa.
2. Inona no manaporofo fa Paoly sy Timoty dia tena minisitr’Andriamanitra?
2 OHatra, ny apostoly Paoly dia nanoratra momba an’i Timoty hoe: “Izy kosa dia fantatrareo fa lehilahy voazaha toetra, fa efa naira-nanompo tamiko teo amin’ny filazantsara, tahaka ny zanaka manompo ny rainy (Filipiana 2:22). Nilofo fatratra tamin’ny asa fanompoana i Timoty. Tsy nisy tamin’ireo nandinika ny asany tsy nisy fitadiavana tombony no afaka nisalasala ny amin’ny naha-tena minisitr’Andriamanitra azy. Nanoratra ho an’ny kristiana tany Korinto koa i Paoly hoe: “Hianareo no episitilinay [milaza anay], voasoratra ato am-ponay sady fantatra sy vakin’ny olona rehetra; eny, aseho ho epistilin’i Kristy izay entinay hianareo, tsy nosoratana tamin’ny ranomainty anefa fa tamin’ny Fanahin’Andriamanitra velona.” (II Korintiana 3:2, 3). Iza, raha nahita io kongregasiona niroborobo io sady nahalala fa Andriamanitra no nahatonga azy hisy noho ny asa fanompoan’i Paoly no afaka hisalasala ny amin’ny maha-minisitr’Andriamanitra an’i Paoly?
3. Lazalazao ny toe-tsain’ny tena minisitra kristiana.
3 Aza hadinoina anefa fa ny hoe minisitra dia tsy anarany fotsiny. Tsy maintsy ambolena ny toe-tsaina tia fanompoana kristiana. Timoty dia ‘nanompo tamin’ny naha-mpanompo’ teo anilan’i Paoly, ary ny tenan’ilay apostoly dia nanambara hoe: “Lozako, raha tsy mitory ny filazantsara aho!” (I Korintiana 9:16.) Nanoratra ihany kao izy hoe: “Fa tsy manao izay mahatafintohina izahay na amin’inona na amin’inona, mba tsy omen-tsiny ny fanompoana; fa amin’ny zavatra rehetra dia mampiseho ny tenanay ho mpanompon’Andriamanitra [minisitra, MN] izahay, dia amin’ny faharetana be, amin’ny fahoriana, amin’ny fahaterena, amin’ny fahantrana.” Eny, Paoly dia niseho ho be fandavan-tena, be zotom-po, mailaka sy vonona ny hanao izay rehetra ilaina, eny, hanaiky ‘ny famoizana ny zavatra rehetra’ mba hanaovana ny fanompoany kristiana (II Korintiana 6:3-10; Filipiana 3:8). Ireo tena minisitra kristiana rehetra dia tokony hanana toe-tsaina toy izany. — Lioka 9:23, 24.
4. Ahoana no hetezana ho minisitra kristiana na dia tsy maintsy mandany ny ankamaroan’ny fotoanan’ny tena amin’ny fiantsorohana andraikitra hafa aza?
4 Tahaka ny tamin’ny andron’ireo apostoly, ny sasany amin’ireo minisitra kristiana ankehitriny dia ray sy renim-pianakaviana manana asa ivelan’ny fivavahana. Ny hafa dia mbola mpianatra. Ahoana àry no ahafahan’izy ireo milaza tena ho minisitra? Izany hoe, miantsoroka ireo andraikiny hafa koa izy ireo ary mankamamy fotoana voalanjalanja aza amin’ny fialam-boly, nefa tsy ambany noho ireo zavatra hafa ireo akory ny fanompoany. Tsy hoe manao izany fotsiny araka izay tsara azony atao arakaraka ny ananany fotoana malalaka izy ireo ary tsy hoe manokana fotoana kely isam-bolana anarany fotsiny amin’izany izy. Tsia, ‘tsy mitsahatra mikatsaka ny fanjakana sy ny fahamarinany aloha izy ireo’. — Matio 6:33.
Ny asan’ny mpitory maharitra sy ny fanompoana kristiana
5. Amin’ny fomba tsara indrindra ahoana no azo anehoana ny toe-tsain’ny fanompoana kristiana?
5 Ireo izay maneho toe-tsaina toy izany dia tena minisitra kristiana na dia miantsoroka andraikitra ara-pianakaviana sy ivelan’ny fivavahana aza. Ny sasany anefa dia afaka maneho toe-tsaina tia fanompoana amin’ny fomba izay tokony ilàna izany indrindra. Ahoana izany? Amin’ny fanompoana amin’ny maha-mpitory maharitra (izany hoe mpitory manontolo andro), na mandritra ny fotoana voafetra amin’ny maha-mpitory maharitra mpanampy, na mandritra ny fotoana elaela kokoa. Angamba aza izy ireo ho afaka hiasa any amin’ny anankiray amin’ireo sampan’ny Fikambanana Watchtower, hanompo amin’ny maha-misionera na koa amin’ny maha-minisitra mpitety faritany, mitsidika sy mampiorina mafy ireo kongregasiona.
6 Inona no sasantsasany amin’ny antony izay tokony hahatongavana ho mpitory maharitra ho an’izay afaka manao izany (Lioka 6:46-49)?
6 Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah maro no manompo amin’ny maha-mpitory maharitra kanefa izy ireo raha nanokana fotoana kelikely kokoa amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, dia ho afaka hanamora ny fiainana kokoa? Satria izy ireo te-hidera an’i Jehovah sy hampahafantatra ny fikasany amin’ireo namany. Ankoatr’izany dia fantatr’izy ireo fa “mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” (I Jaona 2:17). Amin’ny finoana tanteraka izany sy ireo fampanantenan’Andriamanitra dia irin’izy ireo ny handany fotoana faran’izay betsaka azo atao amin’ny fitoriana ny vaovao tsara amin’ny hafa, mba hahafahan’ireo izay manaiky izany hanao koa ny sitrapon’Andriamanitra sy hahazo ny fiainana mandrakizay. Ambonin’izany, fantatr’izy ireo fa isika ankehitriny dia miaina amin’ny fotoana izay ‘itoriana ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity amin’ny tany onenana manontolo ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra; ary dia vao ho tonga ny farany’. (Matio 24:14, MN.) Tadidin’izy ireo fa nilaza tamin’ireo mpianany Jesosy hoe: “Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’izany mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.” (Matio 9:37, 38). Takany fa io vavaka io dia mbola amin’ny ilàna azy kokoa noho ny tamin’ny andron’i Jesosy amin’izao fotoana izao. Koa ahoana àry no hahafahan’izy ireo manao vavaka amim-pahatsorana toy izany raha toa ny tenan’izy ireo miahotrahotra amin’ny fandraisana anjara faran’izay betsaka azo atao amin’ny fanompoana kristiana?
7. Fanontaniana inona no tokony hapetraky ny minisitra kristiana tsirairay avy amin’ny tenany?
7 Raha ny tena izy, izay rehetra mety ho minisitra kristiana dia tokony hanontany tena ao amin’ny vavaka raha toa izy afaka na tsia hanompo amin’ny maha-mpitory maharitra. Ny mpivady tany Afrika Atsimo izay manao io asa io hatramin’ny dimy ambin’ny folo taona dia nanambara hoe: “Nahoana izahay no mpitory maharitra? Moa ve izahay hanana antony azo ekena haseho an’Andriamanitra raha tsy nanao izany?” Kristiana maro izay tsy mpitory maharitra no tokony hametraka tsara fanontaniana amin’ny tenany karazan’izao: “Raha tsy mpitory maharitra aho, afaka manome antony azo ekena an’Andriamanitra ve aho?”
Aoka isika hampiasa ireo fahaizantsika
8. Tahaka ny ohatr’i Timoty, nahoana no misy tanora maro be afaka ny ho tonga mpitory maharitra?
8 Timoty dia naharay fanomezana ara-panahy manokana izay azony nampiasaina tamin’ny fomba tsara tokoa tamin’ny fanompoany (II Timoty 1:6). Amin’izao fotoana izao isika dia tsy mahazo fanomezana manokana avy amin’ny fanahy, nefa manana hafa izay matetika manome fahafahana antsika ho tonga mpitory maharitra isika. Ohatra, ireo zatovo izay mahavita ny fianarany dia manana fahaizana. Nianatra izy ireo. Tahaka an’i Timoty dia tanora izy ireo; manana ny fahasalamana sy ny tanjaka àry izy ireo, ary koa toe-tsaina tanora sy misokatra. Nefa ny fanomezana lehibe indrindra ananan’izy ireo angamba dia ny fotoana, satria izy ireo mazàna tsy vesaran’ny andraikitra maro. Ny fahatanorana àry no fotoana tsara hiheverana ny asan’ny mpitory maharitra. — Mpitoriteny 12:1.
9. Inona avy ireo fanontaniana mety hamela an’ireo kristiana efa be taona kokoa sy ny hafa ho tonga mpitory maharitra?
9 Ireo olona be taona kokoa dia manana fanomezana hafa. Ny mpivady efa misotro ronono izay efa lehibe anaka dia afaka manam-potoana ilaina koa ho an’ny asan’ny mpitory maharitra. Matetika tokoa ny kristiana toy izany dia ao anatin’ny tarehin-javatra ara-bola azo antoka; nahazo fanandraman-javatra sarobidy izy ireo ary manana taona maro nanaovana fanompoana tamim-pahatokiana eo aoriany (Ohabolana 16:31. Izany rehetra izany dia mety ho azo ampiasaina tsara amin’ny asan’ny mpitory maharitra. Ny kristiana hafa dia afaka koa mahazo fanomezana sasany. Araka izany, nisy mpikarakara tokantrano nahay nandamin-javatra ka izany dia namela azy ireo hiantsoroka ny andraikiny ara-pianakaviana ary ambonin’izany dia ho tonga mpitory maharitra. Nisy filoham-pianakaviana nanana fanomezana karazan’izany, afaka ny ho tonga mpitory maharitra sady miahy ny amin’izay ilain’ny fianakaviany amin’ny ara-nofo sy ara-panahy. Moa ve ianao manana talenta amin’ny firesahana, ny fampianarana na manorina fifandraisana amin’ny olona? Hevero fa azonao atao ny mampiasa ireny fanomezana ireny amin’ny fomba betsaka kokoa raha toa mpitory maharitra ianao.
10. a) Nahoana ny sasany no misalasala ny ho tonga mpitory maharitra, ary tamin’ny fomba ahoana no niatrehan’ny mpivady tanora iray io raharaha io? b) Amin’ny ahoana moa ny asan’ny mpitory maharitra no afaka manampy kristiana iray izay mahita ny fitoriana ho sarotra?
10 Ny sasany dia miahotra ny ho tonga mpitory maharitra satria matahotra ny tsy ho tafavoaka amin’ny lafiny ara-bola. Nidinika ny amin’izany fanahiana izany ny mpifamofo roa. “Nifanaraka izahay, hoy ny famaranan-kevitra fa tsy fahampiam-pinoana ny fahefan’Andriamanitra hiahy ny amin’izay ilaintsika izany. Rehefa avy nijery indray izahay, ny Matio 6:25-33, izay ampianarin’i Jesosy fa raha mikatsaka voalohany indrindra ny Fanjakana isika, ny zavatra rehetra dia homena antsika, dia nametraka ho zava-kendrena ny ho tonga mpitory maharitra tsotra izahay.” Fotoana fohy taorian’izay dia nivady izy ireo, niala tamin’ny asa tsara karama ary tonga mpitory maharitra. Ny hafa dia nahita fa ny fitoriana mihitsy no sarotra. Raha toy izany ny aminao, ny asan’ny mpitory maharitra dia mety hanampy anao. Raha ny tena izy, ny fomba tsara indrindra hahatsiarovana ho finaritra amin’ny asa isan-trano, dia ny manao ny asan’ny mpitory maharitra mandritra ny fotoana kelikely. Ny minisitra kristiana iray hafa nandray anjara tamin’ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy dia nanambara hoe: “Nisy fitahiana hafa. Tony kokoa aho amin’ny asa isam-baravarana. Tsy natahotra fatratra ny varavarana tsirairay aho fa nanomboka naniry hiresaka amin’ny olona kosa.” — Jereo Filipiana 4:13.
Ny asan’ny mpitory maharitra raharaham-pianakaviana
11. Tamin’ny fomba ahoana no nitahiana an’i Timoty noho ny fampianarana azony “hatry ny fony vao zaza”?
11 Timoty dia nomanina miandalana ho amin’ny fanompoana “hatry ny fony vao zaza”. (II Timoty 3:14, 15). Niharihary fa ny reniny sy ny renibeny dia nanana toe-tsaina tia fanompoana kristiana ary namboly izany tao aminy. Rehefa tonga tany Lystra i Paoly, Timoty izay tsy nisy na inona na inona nanakana azy dia vonona ny hiaraka amin’ilay apostoly tamin’ny asa fitoriana manontolo andro. — Asa. 16:1-5.
12. Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’ny ray aman-dreny maro fa nanana toe-tsaina tia fanompoana kristiana izy ireo?
12 Amin’izao androntsika izao, dia kristiana maro no faly noho ireo ray aman-dreniny naneho toe-tsaina sahala amin’izany. Alice, izay minisitra kristiana any Ghana dia nilaza hoe: “Saika ireo Vavolombelona rehetra nampiantranoinay dia mpitory manontolo andro daholo. (...) Tombontsoa manao ahoana moa ny ahy nitombo tao amin’ny tokantrano teokratika toy izany! Ny raiko dia namboly tao amin’ireo zanany rehetra ny faniriana ho tonga mpitory manontolo andro. Tamin’izany dia nanonona anadahy sy rahavavy manao io asa io izy ho ohatra. Ara-drariny aoka izany àry rehefa vita ny fianarako, ny nahatongavako ho mpitory maharitra tsotra.” Ed, minisitra tanora any Etazonia dia nanambara hoe: “Mino aho fa izay nanampy ahy betsaka dia noho ireo ray aman-dreniko izay, rehefa avy mpitory maharitra, dia nanompo tamin’ny naha-misionera tany Amerika Atsimo nandritra ny roa ambin’ny folo taona. Nataony foana izay hahitako ireo fifaliana sy tombontsoa arotsak’i Jehovah amin’ireo mpitory maharitra. (...) Izany no tokony hataon’ny ray aman-dreny rehetra satria nanampy ahy marina tokoa izany. Azon’izy ireo atao ny mamporisika an’ireo tanora hanompo an’i Jehovah amin’ny fanahiny rehetra ary araka izay farany azony atao.”
13. Ahoana no anampiana ireo mpitory maharitra handresy ireo fahasahiranana?
13 Mba hahatongavana ho mpitory maharitra dia ilaina angamba ny maneho fahafoizan-tena, nefa ireo minisitra kristiana marina dia vonona ny hanao izany noho ny fitiavany an’i Jehovah. Ankoatr’izany, lehibe ny valisoa. Izany no nambaran’i Michael sy Theresa, mpivady iray any Etazonia tamin’ny filazana hoe: “Raha te-ho tonga matanjaka ara-panahy, dia ao no tokony hisy ny tena: ao amin’ny asan’ny mpitory maharitra. Mianatra ny mitoky bebe kokoa amin’i Jehovah fa tsy amin’ny tena manokana ao. Marina aloha fa nanana zava-manahirana ara-bola izahay teo amin’ny asan’ny mpitory maharitra, nefa Jehovah dia nanome izay nilainay foana. Io no toerana azo antoka indrindra.
14, 15. a) Amin’ny heviny ahoana moa ireo ray aman-drenin’ny mpitory maharitra no tokony haneho fahafoizan-tena indraindray? b) Ohatra ao amin’ny Baiboly inona no ananantsika raha ny amin’io lafiny io? d) Ahoana no ahafahan’ireo ray aman-dreny kristiana maneho toe-tsaina tia fanompoana kristiana ankehitriny?
14 Ny ray aman-drenin’ireo mpitory maharitra dia tokony hanaiky hanao sorona indraindray. Angamba sarotra amin’izy ireo ny mahita ireo zanany “mandao ny akany” mba ho mpitory maharitra any amin’ny faritra hafa, eny, any an-tany hafa aza. Amin’ny lafiny sasantsasany dia manahaka an’i Hana sy Elkana izay nandefa an’i Samoela, zanany lahimatoa, tany Silo mba hanompo ao amin’ny tabernakelin’i Jehovah izy ireo (I Samoela 1:1-3, 24-28). Azo atao koa ny mampitaha azy ireny amin’i Jefta izay nanome ny zanany avy tokana ho an’i Jehovah, ho amin’ny fanompoana azy, tamin’ny famoizana izay rehetra nety ho fanantenana ny hahazo zafikely any aoriana any (Mpitsara 11:36-40). Tsy misy isalasalana fa Jehovah dia mahatsiaro ny tsy fitadiavana tombontsoa ho an’ny tena ananan’ny ray aman-dreny toy izany ka hamaly soa azy ireny.
15 Mety hilaza famoizana eo amin’ny lafiny ara-bola avy amin’ny ray aman-dreny aza angamba izany indraindray. Marina tokoa fa any amin’ny tany sasany, ireo ray aman-dreny dia miantehitra amin’ireo zanany mba hikarakara azy rehefa eo amin’ny fahanterana. Kanefa ireo ray aman-dreny izay manana marina ny toe-tsaina tia fanompoana kristiana dia tsy isalasalana hamporisika ireo zanany ho tonga mpitory maharitra. Rehefa maniry ho tonga mpitory maharitra ny Ghaneana tanora iray antsoina hoe Justice dia niandany taminy ny reniny ary nanaiky ny hitoky amin’i Jehovah raha ny amin’ny zavatra ilaina eo amin’ny fiainana. Taty aoriana, dia nitantara tamin’ilay zanany lahy izy fa hatramin’ny nandraisany io fanapahan-kevitra io, Jehovah dia niahy tsara dia tsara ny amin’izay nilainy. Izany dia fomba ihany koa ‘hikatsahana aloha ny fanjakan’Andriamanitra’, ary Jehovah dia tsy mahafoy ireo izay manao toy izany. — Matio 6:33, 34.
16. Nahoana moa ireo kristiana izay ao amin’ny asa manontolo andro no tokony hamporisihana hijanona amin’izany raha mbola mamela izany koa ny tarehin-javatra?
16 Mampalahelo indraindray ny mandre ray aman-dreny manandrana mitaona ireo zanany mba hampijanona ny asany amin’ny maha-mpitory maharitra, tsy hoe satria mila ny fanampiany izy ireo fa heverin’izy ireo fa ela loatra izy ireny tany amin’ny faritaniny ka efa tonga ny fotoana tokony hodiany, hanorenany fianakaviana ary hananany fiainana “ara-dalàna”. Nefa tsy miaina amin’ny fotoana ara-dalàna isika ary arakaraka ny hanakekezantsika ny faran’ny fandehan-javatra ankehitriny, dia vao mainka ho tonga tsy ara-dalàna ny fiainan’ny tsirairay. Ireo mpitory maharitra, ireo mpianakavin’ny Betela, ireo minisitra mpitety faritany ary ireo misionera dia tokony hamporisihana kosa aza haharitra amin’ny asany.— Titosy 2:12.
Aoka isika haneho toe-tsaina tia fanompoana
17. a) Inona no tombontsoa entin’ny asan’ny mpitory maharitra sy ny mpanompo hafa manontolo andro ho an’ny kongregasiona? b) Ahoana no ahafahan’ny rehetra mampiseho fa manana ny toe-tsaina tia fanompoana kristiana izy ireo (Hebreo 13:15, 16)?
17 Nanoratra ny apostoly Paoly hoe: “Izy (Andriamanitra) no nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelisitra, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, ho fanatanterahana ny olona masina ho amin’ny asan’ny fanompoana amin’ny fiangonana, ho amin’ny fampandrosoana ny tenan’i Kristy.” (Efesiana 4:11, 12). Ankehitriny, ireo minisitra mpitety faritany, ireo mpitory maharitra ary ireo misionera dia manokana ny tapany lehibe indrindra amin’ny fotoanany ho amin’ny ‘fitoriana ny filazantsara’. Ao koa ireo mpianakavin’ny Betela izay ny asa fanompoany dia ny manompo ireo kongregasiona amin’ny fomba hafa ihany koa. Izany rehetra izany dia mandray anjara amin’ny fampiorenana kongregasiona (jereo Asa. 16:4, 5). Noho izany, ny minisitra kristiana rehetra dia tokony ho liana amin’ny asa manontolo andro. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fahatongavana ho mpitory maharitra raha manana izany fahafahana izany izy ireo, na koa raha tsy azony atao izany, dia amin’ny famporisihana ireo afaka ny ho tonga toy izany. — Romana 12:11.
18. Nahoana moa no zava-dehibe aoka izany ny fanompoana kristiana ankehitriny?
18 Ilaina betsaka tokoa ny vavolombelona nanolo-tena ho an’i Jehovah maneho toe-tsaina sahala amin’izany. Olona an’arivony maro no mbola mandray tsara ny vaovao tsara, na dia any amin’ireo faritra izay misy mponina nahazo matetika tokoa ny fanambarana nandritra ny taona maro aza. Koa satria izy ireo naka fotoana hitsidihana azy ireny sy hampahafantarana azy ireo fikasan’Andriamanitra, dia nisy minisitra kristiana nanolotra ho an’ny olona ny fahafahana hahazo ny fiainana mandrakizay (Romana 10:13, 14; I Timoty 4:16). Mbola olon-kafa firy no miandry minisitra kristiana iray hampandre azy ireo ny hafatra? Na ho afaka handray anjara amin’ny asan’ny mpitory maharitra isika na tsia, dia aoka hahatsapa ny fotoana fanapahan-kevitra iainantsika ary hamboly toe-tsaina feno fahafoizan-tena. Enga anie isika ho vonona handray anjara amin-jotom-po amin’ny fanompoana kristiana! — Galatiana 6:10.
Azonao tsara ve ...
◻ ny dikan’ny hoe manana toe-tsaina tia fanompoana kristiana?
◻ Ny hoe fanompoana “anarany fotsiny” ary amin’ny ahoana izany no tsy tsara?
◻ nahoana ny minisitra kristiana rehetra no tokony ho liana amin’ny asan’ny mpitory maharitra?
◻ amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny Vavolombelona nanolo-tena ho an’Andriamanitra rehetra haneho toe-tsaina tian y asan’ny mpitory maharitra?
◻ nahoana no zava-dehibe indrindra ny fanompoana kristiana amin’izao andro izao?
[Sary, pejy 22]
Ny tena minisitra kristiana rehetra dia manana toe-tsaina toy ny an’i Paoly sy Timoty.