FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 1/4 p. 12-15
  • Avereno amin’i Jehovah ny fonao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Avereno amin’i Jehovah ny fonao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fo mirenireny
  • “Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra”
  • Mety hihavao ny fonao
  • Tandremo ny fifaneraseranao
  • ‘Lehibe noho ny fonao Andriamanitra’
  • Hanampy anao Jehovah
  • Aoka ny Fonao Hampifaly An’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Aoka isika ho tapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah amin’ny fo rehetra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Ny Fomba Hanohinana ny Fon’ireo Mpihaino Anao
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
  • Arovy ny Fonao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 1/4 p. 12-15

Avereno amin’i Jehovah ny fonao

Notezain’ny ray aman-dreny Vavolombelon’i Jehovah ve ianao? Moa ve amin’izao andro izao ianao tsy marisika intsony eo amin’ny lalan’ny fahamarinana toy ny taloha? Raha izany no izy, ity lahatsoratra ity dia tokony hahaliana anao indrindra.

FIHETSEHAM-PO mifanipaka maro no manintontsintona ny fon’ny tanora. Ohatra, mety hangetaheta fahaleovantena ianao. Ankoatr’izany, dia hitanao ny fomba fiaina sasany toa manintona, nefa tsy mifanaraka foana amin’ny fitsipika nianaranao. Noho izany, indraindray ny tanora dia mamela ny foto-pisainana narahiny nandritra ny fahazazany. Izany angamba no nitranga taminao, na dia manompo an’i Jehovah aza ny ray aman-dreninao.

Saika hatraiza hatraiza, dia misy tanora maniasia toy izany, lavitra ny kongregasiona kristiana. Raha anankiray amin’izy ireny ianao, dia tsy isalasalana fa ho tsaroanao ny sasany amin’ireo fahalalana azonao ny amin’i Jehovah. Angamba ianao taloha nahatsiaro ho akaiky azy ary nivavaka tsy tapaka taminy. Tsy isalasalana fa nikarakara anao Jehovah, toy ny nikarakarany ny Isiraelita tamin’ny fotoana naha-vahoakany azy ireo. Nanambara toy izao: “Fa Izaho no nampianatra an’i Efraima [izany hoe ny Isiraelita] handeha eny, notrotroiko tamin’ny sandriko aza izy​—(...). Tamin’ny kofehy fitarihana olona no nitarihako azy, dia tamin’ny mahazakan’ny fitiavana”.​—Hosea 11:3, 4.

Sary mampihetsi-po re izany! Zazakely iray mangovi-tongotra ampian’ny rainy na ny reniny amim-pitiavana handeha amin’ny fitarihana azy amin’ny tady! Amin’ny fifikirana amin’izany, dia ho afaka hahatan-tena ilay zazabodo ka hisoroka fianjerana. Moa ve tsy mihevitra amim-pitiavana anao toy izany Jehovah? Marina tokoa fa ny fikarakarana be dia be azonao, na avy tamin’ireo ray aman-dreninao, na avy tamin’olon-kafa tao amin’ny Efitrano Fanjakana, dia nahaforona mariky ny fitiavana nasehon’Andriamanitra taminao. Moa ve izany fiheverana izany tsy azo ampitahaina koa amin’ny ‘mahazakam-pitiavana’ natao hitarihan-dalana anao? Ny ray aman-dreninao sy ireo loholona ao amin’ny kongregasionanao dia niharihary fa naniry hitsimbina anao tamin’ny ratra ara-pihetseham-po, ara-batana sy ara-panahy. Raha lazaina amin’ny teny indraim-bava, dia nirin’izy ireo ny hahita anao hijanona ao amin’ny lalan’ny fahamarinana.​—Jereo III Jaona 2-4.

Ankehitriny anefa izany rehetra izany dia angamba fahatsiarovana nanjavozavo aminao sisa. Raha eritreretinao izany rehefa avy eo, dia tsy isalasalana f aho hitanao ny sasany amin’ny antony nampanalavitra anao ny fahamarinana.

Fo mirenireny

Nahoana fahiny no nisy Isiraelita be dia be nivily niala tamin’ny fanompoam-pivavahana marina? Satria “ny fony tsy niorina” tamin’i Jehovah (Salamo 78:37). Ny fihetseham-po hafa dia mety handroaka tsy ho ao am-pontsika ny fitiavana tsapantsika ho an’Andriamanitra. Araka ny filazan’i Jesosy Kristy, ireo fanahiana eo amin’izao tontolo izao, ny herin’ny harena sy ny “fahafinaretan’izao fiainana izao” dia mety hamono ny tenin’Andriamanitra nambolena tao taloha.​—Lioka 8:14; Marka 4:19.

Mety hanintona aoka izany ny “fahafinaretan’izao fiainana izao” rehefa ampahatsiahivin’ny mpiara-mianatra, ny mpanao dokam-barotra sy ny indostrian’ny fialam-boly. Ohatra, na dia nampianarin’ny ray aman-dreniny ny Tenin’Andriamanitra hatramin’ny fahazazany aza ny zazavavy iray, dia nanalavitra ny fahamarinana teo amin’ny fahasivy ambin’ny folo taonany. “Tiako tamin’ny farany ny hanandrana ny tena fiainana, hoy izy namboraka taminay ny tao am-pony, ka hanao ny sasany tamin’ireo zavatra izay, raha araka ny hevitry ny tanora hafa, dia toa nahafinaritra aoka izany. Koa lasa aho nanorim-ponenana irery tao amin’ny fitambarana efitrano iray . Nanomboka niara-nivoaka tamin’ny zazalahy aho ary nanatrika alim-pandihizana maro, noho ny fahafinaretana fotsiny. Vetivety foana dia nitsahatra tsy nanatrika ireo fivorian’ny kongregasiona aho. Tsy ela dia namela ny fitsipika ara-pitondrantena voalazan’ny Baiboly aho.”

Mazava ho azy fa izay rehetra mihataka amin’ny fahamarinana dia tsy manaram-po amin’ny fahotana akory. Ny sasany dia tsy maniry fotsiny intsony hanompo an’i Jehovah. Mety tsy ho tena nanaraka tamin’ny fomba feno ny fahamarinana mihitsy izy. Angamba ny ohatra ratsy na ny fanaovan’ny ray aman-dreniny tsirambina dia nahatonga azy ireo tsy hihevitra izany ho zava-dehibe. Izao ny fony dia mety hovesaran’ny zava-manahirana ara-pianakaviana, ny fanahiana ny hamelon-tena na ny faniriana mafy hahomby amin’ny raharahany.

Nefa, afaka ny ho sambatra tanteraka ve ianao raha tsy mihevitra firy ny Mpanao anao? Raha manaraka ny fanirian’ny fonao ianao, moa ve izany hitarika anao ho amin’ny fahasambarana tsy misy fangarony?

“Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra”

Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina; iza moa no mahafantatra ny aminy?” (Jeremia 17:9). Eny, mety hampaniasia anao ny fonao ka hanimba anao. Izany no nitranga tamin’ilay zazavavy notononinay eo ambony. “Tamin’ny voalohany, hoy ny fiaikeny, dia nahafinaritra ahy ny nanao izay rehetra nandalo tao an-tsaiko. Nefa rehefa afaka elaela, na dia mbola nahatsiaro harevoana toy izany aza aho, dia tsapako fa tsy nanana fifaliana anaty na dia kely akory aza aho. Toa nisy zavatra tsy ampy tamiko. Namboamboarina fotsiny àry ny fahasambarako, ka tamin’izany aho dia nahatsiaro ho ory tokoa.”

Tanora maro izay nanalavitra ny fahamarinana no niaiky koa fa nahita izany ‘fahasambarana namboamboarina’ izany. Nefa, noho ny fanaintainana lalina sy ny fahatsapana fahabangana taminy noho ny nanarahana ny haitraitran’ny fony, dia fantatr’izy ireny izao fa ny fo dia “mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra”.​—Baibolin’i Darby.

Rehefa mamakafaka ny fiainanao ianao, moa ve mitovy fihetseham-po amin’izany ianao? Moa ve ireo zavatra nahafinaritra ny fonao taloha nitondra fahafahampo ho anao? Moa ve ny fomba fiainanao nitondra fiadanan-tsaina sy fanajan-tena ho anao?

Raha tsy mihavana amin’ny tenanao ianao dia tsy hahita fahasambarana na oviana na oviana. Raha “ory” ny fonao, dia tsy amin’ny fihomehezana no hanasitrananao azy (Ohabolana 14:13). Araka izany, teo amin’ny fahavalo ambin’ny folo taonany, ny zazavavy hafa iray dia niala tamin’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly nianarany hatramin’ny nahaterahany. Nefa, raha mbola nanana “fiainana tsy nisy fanahiana sy naharevo” izy dia izao no tsapany: “Nanomboka nieritreritra ny ho avy aho. Inona no hiafarako rehefa afaka dimy taona raha maharitra amin’izao lalana izao aho? Tsy afaka nanohy nino mafy ny tenako ho nanana hasambarana aho. Tsy nanana fanantenana aho ka nahatsapa kosa fa ny zazavavy ory indrindra teto amin’izao tontolo izao!”

Koa raha niala tamin’ny lalan’ny fahamarinana koa ianao, inona no azonao atao mba hahitana indray ny tena fahasambarana? Manome tapan’ny valiny ho antsika Davida mpanao salamo ao amin’ny hataka nataony tamin’Andriamanitra tamin’izao teny izao: “Ampianaro ny làlanao aho, Jehovah ô, dia handeha amin’ny fahamarinanao aho. Ampiraiso ny foko hatahotra ny anaranao.” (Salamo 86:11). Fantatr’i Davida fa ny fo voazarazara eo amin’ny fihetsehany dia loza lehibe. Tsy maintsy ‘ahitsinao’ àry ny fonao mba hahatonga ny fahaizany rehetra hifantoka eo amin’ny foto-javatra mahaliana iray ihany, dia: ny “fanompoana masina” sy ny tokony ho fankamasinantsika an’Andriamanitra amin’ny fontsika rehetra (Romana 12:1, 2). Nefa ahoana no azo ampitomboina izany toe-po tsara izany?

Mety hihavao ny fonao

Tokony hekenao voalohany indrindra fa ny fo, ny fonao, dia afaka miova? Momba ny vahoakany tsy azo nofehezina, dia nanambara toy izao Jehovah: “Dia homeko fo iray [fo miray] izy, ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo; ary hesoriko amin’ny nofony ny fo vato, ka homeko fo nofo izy, mba handehanany araka ny didiko sy hitandremany ny fitsipiko ka hanarahany izany, ary izy dia ho oloko [tokoa, MN], ary Izaho no Andriamaniny.” (Ezekiela 11:19, 20). Endrey izany hatsaram-po mahagaga nasehon’Andriamanitra! Ary eritrereto kely ange: Ny fo tsy mihontsina toy ny vato dia hanjary halefaka, hety handray, ho vonona ny handray soritra ara-panahy.

Nefa mitondra izany fiovana izany amim-pahagagana ve Jehovah? Sa misy anjara raisinao amin’izany heviny izany? Tokony hisahirana ianao ‘handahatra’ na hanangona ao am-ponao ireo fanazavana tsaroanao ny amin’i Jehovah (Ohabolana 16:1). Saintsaino izany fahalalana izany ary ampitomboy. Hatramin’ny fotoana toy inona ianao no tsy nanokatra Baiboly na boky fianarana Baiboly avy amin’ny fandaminan’i Jehovah intsony? Tsy isalasalana fa manana boky toy izany ianao ao an-tranonao, raha tsy izany dia fantatrao ny hoe aiza no mety hahazoanao izany. Nahoana raha manomboka mamaky izany amim-pahatsorana tanteraka? Amin’ny fanarahana ny fahalalana ny Baiboly, dia ho azonao atao ny hanitsy ny fonao sy ny fiainanao.​—Ohabolana 2:10-14.

Raha ny amin’ny famakiana ny Baiboly, dia tsy isalasalana fa ho voamarikao fa mampahery indrindra ny Salamo 25. Saintsaino izao fitalahoana manaraka izao, atao amin’i Jehovah: “Aza ny fahotan’ny fahatanorako (...) no tsarovanao”, ary: “Mamelà ny heloko, fa lehibe izany.” Moa ve tsy mampionona ny mahafantatra fa “ny fisainan’i [fifankazarana amin’i, MN] Jehovah asehony amin’izay matahotra Azy”!​—Salamo 25:7, 11, 14.

Tsy tokony hianina amin’ny fianarana ny Baiboly anefa isika mba hitehirizana fahalalana. Tokony harahintsika kosa ny fihetsiky ny mpanao salamo izay nanambara toy izao: “Ato am-poko no iraketako ny teninao [ny an’i Jehovah], mba tsy hanotako aminao.” (Salamo 119:11). Ahoana no azonao ‘iraketana’ ny Tenin’i Jehovah? Rehefa avy namaky tapany amin’ny Baiboly na bokin’ny “mpanompo mahatoky sy malina” mifandray amin’izany ianao, dia manontania tena hoe: “Inona marina moa no vidin’izany torohevitra izany? Afaka manampy ahy hahazo sitraka amin’i Jehovah sy hitsimbina ny tenako tsy ho azon’alahelo tsy amin’ny antony ve izany? Ahoana no azoko ampiharana azy? Moa ve izany torohevitra azo ampiharina izany tsy mampiseho fa fantatry ny Raiko any an-danitra izay tena ilaiko tokoa?​—Matio 24:45-47.

Raha ampidirinao ao am-ponao ny lalàn’Andriamanitra, dia “tsy mba ho solafaka” ny dianao. (Salamo 37:31.) Nefa, mba hahafahana mamerina ny fonao amin’i Jehovah, dia azo inoana fa hilainao ny fanampiana feno fitiavana avy amin’ny Vavolombelon’i Jehovah matotra iray. Eny, ilainao angamba ny hisian’ny olona hampianatra anao “ny abidim-pianaran’ny tenin’Andriamanitra”, ary izany dia “manomboka amin’ny voalohany”. (Hebreo 5:12, MN.) Hahafaly an’ireo loholona ao amin’ny kongregasiona ny hanolotra anao ny fanampiany amin’izany lafiny izany. Nahoana no tsy manatona azy ireny?

Tandremo ny fifaneraseranao

Ny olona ifaneraseranao dia mety ‘hampivily ny fonao’ mora foana, na ho amin’ny tsara, na ho amin’ny ratsy (jereo I Mpanjaka 11:3, 4). Mety ho ny fitondrantena tsy voafehy sy ny hadedahan’ireo namanao rahateo no nitarika anao hanalavitra ny fahamarinana. Hihiaka toy izao angamba ireny olona ireny: “Tsy misy olona afaka mibaiko ahy mihitsy! Nahoana no dia masiaka loatra amin’ny tenanao? Nefa moa ve tena afaka tokoa izy ireny? Moa ve izy ireny kosa tsy andevozin’ny fanao tsy kristiana sasany kosa aza (jereo II Petera 2:18, 19)? Afa-tsy izany koa, moa ve ireny olona ireny manosika anao hanao zavatra mba hitondra soa maharitra ho anao? Mifanohitra amin’izany kosa aza fa manandrana misakana anao tsy hanao izany izy. Koa manafaha tena amin’ireny naman-dratsy ireny ary mitadiava kosa fikambanana amin’olona matotra izay “hendry” eo imason’Andriamanitra.​—Ohabolana 13:20; I Korintiana 15:33.

‘Lehibe noho ny fonao Andriamanitra’

Ny zazalahy iray izay nanaram-po tamin’ny fanao tsy kristiana teo amin’ny fahavalo ambin’ny folo taonany dia niaiky toy izao: “Matoa sarotra dia sarotra tamiko ny niverina tamin’ny fahamarinana, dia satria indrindra nahatsiaro ho tsy mendrika aho. Nihevitra aho fa nanao zavatra ratsy aoka izany, hany ka tsy ho afaka hamela ahy intsony mihitsy Jehovah na handray ahy indray.” Na dia nanameloka azy aza ny fony, rehefa ela ny ela dia takany ny tena atao hoe famindrampon’Andriamanitra. Amin’ny toe-javatra miseho toy izany, toy inona moa ny fampaherezana hoentin’ny teny sahala amin’ny voasoratra ao amin’ny I Jaona 3:19, 20! Izao no vakintsika: “Izany no hahafantarantsika fa avy amin’ny marina isika sy hampahatokiantsika ny fontsika eo anatrehany, na amin’inona na amin’inona no anamelohan’ny fontsika antsika, satria Andriamanitra lehibe noho ny fontsika ka mahalala ny zavatra rehetra.”

Marina fa mety hanameloka antsika ny fontsika. Jehovah kosa anefa dia mahay mijery any ambadiky ny fahotantsika. Mahita ny “miafina ao am-po” rehetra izy. (Salamo 44:21.) Lehibe aoka izany ny fahalalany, hany ka afaka mihaino amim-pangorahana ny vavaka amim-pahatsorana ataontsika mba hitalahoana ny famelany isika. Raha miaiky ny fahadisoantsika isika ka miova fitondrantena, dia miseho ho vonona ny hikosoka ny fahotantsika Andriamanitra, na dia ratsy dia ratsy aza izany, noho ny sorom-panavotan’i Jesosy. Rehefa torotoro fo toy izany ny olona iray, izany dia mampiseho fa tsy nanjary tsy azo sitranina izy. Nefa, mba hahazoana vonjy ara-panahy ho amin’ny fanarenana azy, dia tokony hataony koa izay hahazoana ny fanampiana azon’ireo loholona ao amin’ny kongregasiona entina ho azy noho ny Baiboly (Isaia 1:18; I Jaona 2:1, 2; 3:21; Jakoba 5:13-16). Raha naniasia lavitra ny fahamarinana ianao, hanao ny dingana ilaina ve ianao mba ho tafarina indray? Mamporisika mafy anao izahay mba hanao toy izany.

Hanampy anao Jehovah

‘Ampizory amin’ny làlana ny fonao’, fa aza manaiky haviliny lalana. Mambole tahotra mahasoa an’i Jehovah. “Fa raha mbola hisy koa ny farany, hoy ny fampanantenan’ny Baiboly, dia tsy ho foana ny fanantenanao.” (Ohabolana 23:17-19). Ary fanantenana kanto toy inona tokoa izany hoe ho avy tsy hanam-pahataperana ao amin’ny tany vaovao izay homen’ny fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra hasoan’ny paradisa! Ary eritrereto kely: tsy hamely anao intsony ny fironan’ny fo ho amin’ny ota! Etsy an-daniny koa, ny toe-javatra manjaka eo amin’izao tontolo izao dia manaporofo fa efa lasa lavitra dia lavitra isika izao ao anatin’ny andro farany ka tsy ho ela dia hanjary zavatra tena hisy izany fanantenana izany. Mendrika tokoa ny hikelezana aina mba hahatrarana azy izany fanantenana izany!​—Matio 24:7-14, 34; II Timoty 3:1-5; II Petera 3:13; Lioka 23:43, MN; Apokalypsy 21:3, 4.

Noho ny fahafantarana fa Jehovah dia manolotra antsika ho avy tsy manam-paharoa ka manatanjaka antsika izy mba hahafahantsika mandray soa avy amin’izany, dia tokony hahatsiaro ho voasintony isika. Ny fifandraisana manokana asainy tanantsika aminy dia efa valisoa sarobidy. Taorian’ny nahatafarina azy ara-panahy indray, dia nanambara toy izao ny anankiray tamin’ireo zazavavy voatonona eo aloha: ‘Tsapako ho tonga Raiko indray Jehovah.’ Ny fifankazarana amin’i Jehovah dia miteraka fieritreretana tsara, fiadanana anaty sy fanajan-tena. Ambonin’izany, amin’ny fiverenana amin’i Jehovah sy ny fandaminany, dia hahazo namana mendrika izany anarana izany indray ianao.

Mazava ho azy fa tsy zavatra mora akory ny fanovana ny fon’ny tena. Hitahy ny fiezahanao anefa Jehovah. Ny fanahiny dia hanampy anao ‘hatanjaka toe-panahy fatratra’. (Efesiana 3:16.) Arakaraka ny haharetanao amin’ny vavaka sy ny fianarana foto-kevitra ara-panahy, sady mifanerasera amin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy mifehy ny fonao, dia tsy ho mafy loatra ny ady, ho tsapanao izany. Hanomboka haniry fatratra ny tsara ny fonao. Eny, tokony hiverina amin’i Jehovah ianao.

“Aza matahotra hianao, fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy [manampy, MN] anao”. (Isaia 41:10). Izany tokoa no hataon’i Jehovah ho an’izay rehetra tia azy amim-pahatsorana. Raha nanalavitra ny fahamarinana ianao, nefa ny fonao manosika anao hanao ny tsara, dia ‘hanampy anao tokoa’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanahiny masina sy amin’ny alalan’ny kristiana mendrika itokisana. Amin’izany, dia horaisin’ireo loholona ho fifaliana ny hitondra ho anao ny fanampiany ara-panahy (I Tesaloniana 5:12; Hebreo 13:7). Mahaiza manararaotra ny fanampian’izy ireo feno fitiavana. Nahoana no mbola miandry ela ihany?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara