FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 1/4 p. 9-12
  • Aoka isika hifankahalala amin’ireo Kristiana voalohany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aoka isika hifankahalala amin’ireo Kristiana voalohany
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ireo taratasy
  • Ny olona
  • Ohatra tsara
  • Ny apostoly Paoly
  • Korintianina, Taratasy ho An’ny
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-47 — 2 Korintiana
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-46 — 1 Korintiana
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • Ny fomba fanaovana fanapahan-kevitra amim-pahendrena
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 1/4 p. 9-12

Aoka isika hifankahalala amin’ireo Kristiana voalohany

Manoratra ho an’ny Korintiana i Paoly

TIA mandefa sy mandray taratasy ny ankamaroan’olona. Izany dia fomba tsara fifampikasohana hatrany amin’ireo namantsika sy olo-malalantsika any lavitra. Ny taratasin’ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany kosa anefa dia mahaliana tsy toy ny fahita. Amin’izany tokoa dia azontsika atao ny mahatazana izao tontolo izao niainan’izy ireo sy ny fanerena nihatra taminy. Ny famakiana izany àry dia fomba tsara dia tsara hifankahalalana amin’ireo kristiana voalohany.

Ohatra, ny taratasy roa nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’ireo kristiana tany Korinto, any Grisia, taratasy voatahiry ao amin’ny Baibolintsika, dia mampiharihary amintsika izao tontolo izao mahavariana, voaforon’ny olona maro be sy zava-manahirana isan-karazany. Afa-tsy izany koa, dia manampy antsika izany hifankahalala misimisy kokoa amin’ny apostoly Paoly, io kristiana niavaka io izay anankiray tamin’ireo voalohany nampiely ny “vaovao tsara” tany amin’ny faritra maro amin’ny Empira romana.

Tonga tany Korinto i Paoly tamin’ny taona 50, izany hoe fito ambin’ny folo taona monja taorian’ny nahafatesan’i Jesosy. Tamin’izany fotoana izany ilay tànana dia toho-tantely nisamonimoninan’ny asa. Noho izy toeram-pamaharana, izany dia foibe ara-barotra nanan-karena izay nanintona toy ny andriamby ny mponina samy hafa firenena sy maro loko.

Foibe fanaovana fanatanjahan-tena koa i Korinto. Ireo lalao Istimika natao tao isaky ny roa taona dia lazaina fa tsy nisy nihoatra azy afa-tsy ny lalao Olimpika. Tanàna fatra-panaraka fivavahana koa izy io. Nanjary nalaza indrindra i Korinto noho ny fifikirany tamin’ny fivavahana tamin’ilay andriamanibavy grika atao hoe Afrodito sy noho ny fahalotoam-pitondrantena nifamatotra tamin’ny fanompoam-pivavahany. Tetsy ny fitenenana hoe “manao fiainana korintiana” tokoa dia nanjary nanana heviny hoe “miaina ao anatin’ny filibana”.

Ireo taratasy

Ny fitorian’i Paoly tany Korinto dia nanapoaka ny fankahalana nahazatra an’ireo Jiosy tsy tia fanovana. Noho ny nahitany olona nandray tsara tao anefa, dia tapa-kevitra i Paoly ny hanalava ny fivahiniany tao. Rehefa nandao ny tanàna izy, herintaona sy tapany taty aoriana, dia namela kongregasionan’olona kristiana niorina tsara. Tokony ho telo taona taorian’ny niaingany no nanoratan’i Paoly ny taratasy antsointsika amin’izao andro izao hoe ny voalohany ho an’ny Korintiana.

Nahoana ilay apostoly no nanoratra an’io epistily i? Voalohany indrindra dia satria ny Korintiana nametraka an-tsoratra taminy fanontaniana maromaro nila valiny. Ny mbola zava-dehibe kokoa ihany anefa dia ny naharaisany vaovao nampalahelo avy any Korinto. Ny tsy fifanarahana, ny fampianarana mamitaka, ny fahalotoana ary olona nieboebo nahatandindomin-doza ny fahasalamana ara-panahin’ilay kongregasiona tanora. Koa nanoratra an’io epistily nahery nefa feno hafanana io i Paoly mba hanarenana ny tarehin-javatra. Nandray tsara izany fitarihan-javatra izany ve ny Korintiana? Eny, tamin’ny lafiny sasany. tsy ampy herintaona taty aoriana tokoa i Paoly dia nanoratra ny taratasiny faharoa ho an’ny Korintiana, dia taratasy niderany azy noho ny nanarahany fihetsika tsaratsara kokoa.

Koa satria ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ireo taratasy roa ireo dia tsy lany andro velively. Ireo fotopoto-pitsipika raketiny dia nitana ny hasarobidiny rehetra. Araka izany, raha irinao ny hahatakatra ireo fepetra kristiana ny amin’ny fanambadiana, ny fomba tsara fandaminana an’ireo fivoriana natokana ho amin’ny fanompoam-pivavahana marina, ny fotopoto-pitsipika ny amin’ny fahefana kristiana ara-drariny sy ny ilàn’ny rehetra “hiray saina sy hevitra”, dia vakio amim-pitandremana ireo taratasy ireo (I Korintiana 1:10). Malaza koa ny voalohany noho ny filazalazany lalina dia lalina ny amin’ny fitiavana mbamin’ny filazany mazava sy ny fanamarinany amin’ny fomba hentitra ny fanantenana fananganana ny maty (I Korintiana toko 13 sy 15). Nefa, araka ny efa nasainay nomarihina, ireo taratasy roa ireo dia manampy antsika koa hifankahalala bebe kokoa amin’ireo kristiana voalohany.

Ny olona

Karazan’olona nanao ahoana moa ireo kristiana tany Korinto? Ny sasany anisan’ny firenena jiosy, sahala amin’i Krispo izay prezidàn’ny synagoga fony Paoly tonga voalohany tao amin’io tanàna io (Asa. 18:8). Nisy tsy Jiosy koa. Tamin’izy ireny, ny sasany, talohan’ny hahatongavana ho kristiana, dia niaina tao anatin’ny filalaovan-dratsy nampahalaza an’i Korinto.​—I Korintiana 6:9-11.

Toa nisy andevo tonga kristiana koa tao Korinto. Ny kongregasiona koa dia nahitana mpitondratena, mpitovo, sy olona nanambady izay ny vadiny dia tsy nanaiky ny vaovao tsara (I Korintiana 7:12-40). Raha lazaina amin’ny teny hafa, amin’ny fanavahana ny fotoana sy ny toerana fampitomboam-pahaizana, ny kongregasiona kristiana tany Korinto dia tsy tokony ho hafa dia hafa noho ireo kongregasiona miorina ao amin’ireo tanàn-dehibe amin’ny andro ankehitriny.

Tamin’ny ankamaroany anefa ireo mpino tany Korinto dia zazavao tamin’ny fivavahana marina, ary hita izany. Navelany hiaraka tamin’izy ireo tokoa ny lehilahy iray na dia nanambady ny vadin-drainy aza. Ninoany angamba fa namela ny hanaovana izany karazam-pitondrantena izany ny fahafahana kristiana. Ambonin’izany, dia tsy niray saina hatrany izy ireo fa nizarazara ho antokony maromaro ka nanaraka olona, nefa tokony hanara-dia an’i Jesosy Kristy izy ireo. Ny fihetsiny ratsy aza dia niseho tamin’ny fankalazana ny Sakafon’ny Tompo, satria nisy tonga hatramin’ny fimamoana tamin’io andro io!​—I Korintiana, toko1 , 5, 11.

Afa-tsy izany koa, ny mpino sasany tany Korinto dia nitarika ireo rahalahiny teo anoloan’ny fitsarana. Ny hafa koa, izay angamba nanaiky ho voataonan’ny filozofia grika, dia nampianatra fa tsy nisy fananganana ny maty. Farany, ny sasany ‘nirehareha’ satria azo inoana fa noho ny antony na inona na inona, dia nihevi-tena ho ambony noho ny kongregasiona.​—I Korintiana 4:18; 3:18; 6:1-8; 15:12.

‘Be zava-nanahirana izy izany!’, hoy angamba ianao. Marina fa nisy izany tokoa. Tsarovy anefa fa tsy nanomboka ny fitoriany tany Korinto i Paoly raha tsy dimy taona talohan’izay. Marina fa nanome fanomezan’ny fanahy masina manokana sasany ho an’ny kongregasiona Jehovah Andriamanitra mba hanatanjahana azy, nefa kosa ny Korintiana dia liana kokoa tamin’ny fahaiza-miteny tsy fantatra, dia famantarana izay marina fa nampitolagaga teo imason’ny tsy kristiana, nefa kely vidy raha ny amin’ny fampandrosoana ny kongregasiona. Izany no antony namporisihan’i Paoly azy ireo hamboly ny fahaiza-maminany izay hanatanjaka azy ireo bebe kokoa ara-panahy.​—I Korintiana 14:1-12.

Tsy ratsy akory ny antony nanosika ny ankamaroan’ny kristiana tany Korinto. Raha nametraka fanontaniana tamin’i Paoly izy ireo dia satria, araka ny azo inoana tokoa, niriny ny hahafantatra ny fomba tsara fanaovan-javatra. Nidera azy ireo tamin’izao teny izao tokoa i Paoly: “Mahatsiaro ahy amin’ny zavatra rehetra hianareo sady mitana tsara ny fampianarana natolotra, araka ny nanolorako azy taminareo.” (I Korintiana 11:2). Etsy andaniny koa, rehefa nanome azy ireo an-tsoratra torohevitra nahery izy, ny ankamaroany dia tsy maintsy ho nanaraka izany an-tsitrapo, satria izy ireo nampalahelovana araka an’Andriamanitra”. (II Korintiana 7:11.) Na dia izany aza, ny sasany dia mbola nanohy ihany nanohitra ny fahefan’i Paoly.​—II Korintiana 10:10; 11:4-6.

Ohatra tsara

Tao anatin’ireo taratasy roa ireo, dia olona isan-karazany no niditra an-tsehatra. Araka izany, Paoly dia niresaka ny amin’ny olona iray natao hoe Sostena izay, talohan’ny nahatongavana ho kristiana, dia angamba Jiosy nanam-pahefana tao Korinto (I Korintiana 1:1; Asa. 18:17). Ireo anisan’ny ankohonan’i Kloa izay Korintiana koa dia nitantara tamin’i Paoly ny tarehin-javatra nampalahelo nitatra tao anatin’ny kongregasiona. Tamin’izany izy ireo dia namela ohatra tsara tamin’ny fanaovana amin-kerim-po izay marina (I Korintiana 1:11). Tetsy andaniny koa, ireo anisan’ny ankohonan’i Stefanasy izay kristiana voalohany tao amin’io toerana io, dia nandany hery tamin’ny fanompoana ny olona masina, ka manome antsika fianarana tsara dia tsara ny amin’ny fampiantranoam-bahiny. Nolazain’i Paoly tamin’ny Korintiana indrindra ny hatsaran-toetran’i Stefanasy sy Fortonato ary Akaiko, tamin’ny filazana tamin’izy ireo hoe: “Ka mba ekeo ny tahaka ireny.”​—I Korintiana 16:15, 17, 18.

Aoka isika hiresaka koa ny amin’i Apolosy, ilay mpandahateny nahay sy nampiaiky. Tena nangataka azy tokoa i Paoly mba ho any Korinto, nefa tsy naniry ny ho any izy tamin’izay fotoana izay. Angamba izy tsy maintsy niantsoroka andraikitra hafa na tsy naniry hamporisika ny hananana toe-tsaina tia fitokotokoana toy ny nampitomboin’ny sasany tamin’ny anarany (I Korintiana 16:12). Titosy nahatoky izay ho solontenan’i Paoly aty aoriana any Kreta, tamin’izay fotoana izay dia irany tany Korinto, ary nampitainy tamin’ilay apostoly ny vaovao tsara ny amin’ny fiovan’ny fihetsik’izy ireo (Titosy 1:5; II Korintiana 7:14, 15; 12:18). Fa raha ny amin’i Timoty, io zazalahy niavaka io dia nivahiny koa tao amin’io tanàna io. Nandray anjara tamin’ny fanombohana ny asa fitoriana ny filazantsara tany Korinto izy, ary nanantena ny hahita azy miverina any tsy ho ela i Paoly (I Korintiana 4:17; 16:10). Eny, ireo taratasy ireo dia mampiharihary amintsika, fitambaran’olona kristiana marisika, dia fandaminan’olona tena nisy izay nitady hanompo an’Andriamanitra sy ireo rahalahiny.

Ny apostoly Paoly

Ny narisika indrindra tamin’ny rehetra dia tena ny tenan’ny apostoly Paoly. Fantatsika fa nitory tamin’ny Korintiana izy tamin’ny “fahalemena sy ny fahatahorana ary ny fangovitana be”, tsy tamin’ny naha-olona nanjombonjombona nirehitra loatra araka ny fiheveran’ny maro (I Korintiana 2:3). Tsapantsika tsara fa tia ny Korintiana i Paoly na dia tao aza ireo zava-manahirana lehibe hitany. Nidera azy ireny araka izay azo natao izy ary nampahafantatra azy ny fifaliana tsapany rehefa nandre fa nandray tsara ny torohevitra nahery nomeny izy ireo.​—I Korintiana 4:14; 11:2; II Korintiana 7:8-13.

Manohina antsika lalina ny fitanisana ireo fitsapana nihatra tamin’i Paoly nandritra ny fanompoany: ny kapoka, ny dia lavitra, ny loza, mbamin’ny “tsilo tamin’ny nofo”, angamba areti-maso mafy (II Korintiana 12:7-10; 11:21-27). Afa-tsy ireo zavatra [fitsapana, MN] ivelany dia mbola misy koa izay mahazo ahy isan-andro, dia ny fiahiana ny fiangonana [kongregasiona, MN] rehetra.” (II Korintiana 11:28). Loholona maro no tsy isalasalana mihitsy fa tsara toerana mba hahatsapa ny fahoriana nahazo azy.

Aoka anefa tsy hieritreritra isika fa nitaraina i Paoly. Raha nanisy fitenenana ny amin’ireny fahasahiranana ireny izy, dia mba hiarovana fotsiny ny fahefany amin’ny famelezan’ireo “Apostoly ambony indrindra”. (II Korintiana 12:11-13.) Raha ny marina, dia faly izy niaritra fitsapana toy izany, satria izany dia nampiseho niharihary fa tsy tamin’ny herin’ny tenany no nanatontosany ny asany, fa noho ny herin’Andriamanitra (II Korintiana 12:9, 10). Ny finoany niasa dia nanao azy ho ohatra tsara hotahafina.

Izao no nolazain’i Paoly tamin’ny Korintiana: “Koa mananatra anareo aho: manahafa ahy hianareo.” (I Korintiana 4:16). Amin’izao andro izao koa, dia tena manana antony tokony hanarahana an’io fananarana io isika. Nefa, mba hahafahana manahaka an’i Paoly, dia tokony hahalala azy isika, hifankazatra amin’ny fiainany feno fahatokiana, ny fihetseham-pony, ny fitondrantenany sy ny fitiavany fivavahana. Ny famakiana an’ireo taratasy roa nosoratany ho an’ny kristiana tany Korinto dia manome antsika fahafahana tsara dia tsara hanao izany. Nahoana no tsy manomboka avy hatrany mamaky izany?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara