Ny “fitomboana fatratra” eo amin’ny asan’ilay Fanjakana any Japana
“TSITAPITAPITR’IZAY dia nisy tselatra nahagaga niparasaka sy nanazava ny valindrihan’ny fonja nisy ahy (...). Avy eo dia nanakoako ny kotroka nahery, naharaiki-tahotra aoka izany ka noheveriko ho nandre ny tendrombohitra rehetra naira-nirodana aho. Tamin’izay fotoana izay koa, dia nisy haizina nikitroka nameno ny fonja nisy ahy. Nasitriko tao ambany kidoro teo akaiky teo ny lohako mba handosirana izay noheveriko ho gaza mainty.”
Vao nipoaka tao Hiroshima ny baomba ataomika, ny 6 aogositra 1945. Ilay lehilahy tsy maty tamin’izany ka manao izao fitantarana izao amintsika dia tany am-ponja tamin’izay noho ny tsy fivadihany. Vavolombelon’i Jehovah izy io.
Taloha sy nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, dia tsy nisy afa-tsy Vavolombelona vitsy no niasa tany Japon. Efa-taona taorian’ny nitsaharan’ny ady, dia tonga tao amin’io tany io ireo misionera voalohany avy amin’ny Sekolin’i Gileada. Tsy ela ireo dia nifandray tamin’ireo Vavolombelona vitsivitsy izay niaritra tamim-pahatokiana ny ady nahatsiravina. Tamin’izany dia nivelatra indray tao amin’ilay tany ny tsimoky ny fahamarinana namirapiratra tsy nisy toy izany mihitsy.
Tamin’ny 1949, ankoatra ny misionera, dia teratany telo monja no nameno rapaoron’ny asa fitoriany. Nandritra ireo efatra ambin’ny folo taona nanaraka, ny trano hazo rihana iray dia nisy ny biraon’ny sampana tany Tokyo. Avy eo, tamin’ny desambra 1962, dia rava io trano io, ary naorina ny trano avo iray nisy rihana enina teo amin’ny toerana nisy azy. Tamin’ny fotoana nitokanana azy, tamin’ny novambra 1963, dia nihoatra ny telo arivo ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana tany Japon.
Nitohy ny fanamarihana fitomboana be dia be, ka izany dia nahatonga hila fividianana trano malalaka kokoa hanontana pirinty ireo boky fianarana Baiboly. Tamin’izany, tamin’ny 1972, tsy ampy folo taona taty aoriana, ny fanorenana lehibe ho amin’ny fanontam-pirinty sy ireo sampan-draharaha samihafa tao amin’ny Betela dia vita tany Numazu, tany amin’ny 120 kilaometatra any atsimo andrefan’i Tokyo. Tamin’io taona io, dia niisa ho 14 000 mahery ny olona nisahirana nidera ilay Fanjakana. Tao anatin’ny dimy taona hafa anefa, dia nila ho avy telo heny io isa io ka nihoatra ny 41 000. Noho izany fitomboana isa tsy nanam-paharoa izany, tsy ela dia tery loatra koa ireo trano vao naorina tany Numazu, na dia efa nohalehibeazina aza izy ireny taoriana kelin’ny nanorenana azy tamin’ny voalohany. Noho izany, tany amin’ny faramparan’ireo taona fitopolo, ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanaiky ny volavolan-kevi-panitarany vaovao.
Fa inona no nahatonga fitomboana isa haingana toy izany? Azo antoka fa anisan’ny nahatonga izany ny isan’ny mpitory manontolo andro any Japana. Hatramin’ny taona vitsivitsy tokoa izao, dia mpitory iray amin’ny telo no miasa manontolo andro!
Trano vaovao
Tamin’ny janoary 1979 no nanomboka ny asa fanorenana. Novidina ny tany fito hektara tany Ebina mba hanorenana izany fitambaran-trano vaovao tanteraka izany. Vita amin’izao andro izao ny fanorenana. Ny fanontam-pirinty, ireo birao, ny Efitrano Fanjakana, ny fonenan’ny fianakavian’ny Betela, ny trano fanampiny, ny garazy sy ny fandrafetana mitambatra dia mitana toerana avy telo heny noho ny an’ireo trano any Numazu.
Ireo izay tonga nitsidika izany trano vaovao izany dia matetika no gaga nahita fa ny asa nilaina rehetra tamin’ny fanamboarana boky, Baiboly sy gazety dia tao anaty trano iray ihany. Any Japana tokoa, ny fanontam-pirinty sy ny fanaovana fonom-boky dia mandrakariva no an’ny fiantohan-draharaha kely izay tsy mitana toerana afa-tsy ny trano fandraisam-bahinin’ny tompony. Takatrareo amin’izany ny mahatonga an’ireo mpitsidika anay ho gaga.
Ny sasany mbola gaga kokoa ihany rehefa mandre fa monina eo an-toerana ny mpiasa ao amin’ny fanontam-pirinty sy ao amin’ny birao. Monina amin’ny fomba tsy mananosarotra eo amin’ny trano akaiky izy. Na dia afaka mandray olona 350 mahery aza io fonenana io, amin’izao fotoana izao ny fianakavian’ny Betela dia tsy miisa afa-tsy eo amin’ny 200. Misy toerana ampy ho amin’ny fanitarana ho avy àry.
Ao amin’ny fanontam-pirinty, ny “photocomposition” dia atao amin’ny fandaharana “informatisé” tena ary fomba. Ny pejy vita toy izany dia alaina sary ary ampiasaina ny “pellicule” mba hanomanana takelaka fanontam-pirinty “offset”. Tamin’izany fomba izany no nanafoanana tanteraka ny fampiasana firaka nitsonika. Ny fandaharana “ordinateur” nahatonga ho afaka hanolo fomba “monotype” nampiasana firaka nitsonika, dia noforonin’ny Vavolombelon’i Jehovah ary mazava ho azy fa nampifanarahina tamin’izay nety tamin’ireo bokin’ny Fikambanana Watch Tower. Raha nilaina ny ora maro mba hanaovana pejy iray tamin’ny boky vaovao, araka ny fomba taloha, amin’ny “ordinateur” izany dia vita ao anatin’ny minitra vitsivitsy monja.
Tokony ho roa taona teo ho eo izay, ny “rotative offset” misy loko efatra dia naorina mba hanoloana an’ireo fanontam-pirinty “typographique”. Tao anatin’ny herintaona sy tapany, dia nitombo 33 isan-jato ny fanafarana gazety. Ny fanontam-pirinty “offset” dia manonta isam-bolana gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! roa tapitrisa mahery. Ambonin’izany, dia mamoaka boky sy Baiboly maherin’ny 200 000 isam-bolana koa izy io, tsy isaina intsony ny trakitra mbamin’ny soratra pirinty hafa. Vao haingana anefa dia nisy fananganana “rotative offset” hafa iray koa misy loko efatra natao hanatrehana ny fitomboan’ny fangatahana boky momba ny Baiboly.
Rehefa nivoaka avy amin’ny fanontam-pirinty ireo Baiboly sy boky dia nofonosina tao amin’ny trano fiasana ary fomba. Faly aoka izany izahay nanana ny asa famonosam-bokinay tao anatin’izao roa taona faramparany izao. Mandrakariva tokoa izahay dia nandray ny Annuaire des Témoins de Jéhovah amin’ny teny japone, natao tany Brooklyn, tamin’ny febroary na tamin’ny martsa. Nefa hatramin’ny anomananay azy eto, dia tonga eo an-tanan’ny Vavolombelona japone alohan’ny fiandohan’ny taona mihitsy aza ny Annuaire. Nanananay koa ny tombontsoa lehibe nanonta pirinty sy namono teto ny fandikan-teny japone manontolo amin’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao.
Ny fitokanana
Toy inona moa ny fifaliana nanatrika, ny 15 may lasa teo, ny fitokanana an’ireo tranon’ny sampana vao vita! Tamin’io andro io, dia olona 1 675 no nanatrika, araka ny fanasana manokana, ny fandaharana manokana izay natao tao amin’ireo tranon’ny sampana. Fred Franz sy Lloyd Barry, samy anisan’ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia tonga manokana tamin’io fisehoan-javatra io.
Ny rahalahy Barry dia anisan’ireo misionera tonga teto Japana tamin’ny 1949, ary nijanona teto izy hatreo amin’ny 1975, daty nanasana azy ho tonga anisan’ny Kolejy foibe. Tao anatin’ny fandaharam-pitokanana, ny rahalahy Barry dia nanadinadina mpitory efatra ambin’ny folo, nandray diplaoma toa azy tao amin’ny kilasy faharaika ambin’ny folo amin’ny Sekolin’i Gileada. Nampahery tsy nisy toy izany ny nihaino an’ireo tranainy ireo izay samy nanokana telopolo taona mahery tamin’ny asa misionera teto Japana!
Nanana fifaliana amboniny ireo misionera nahita indray tamin’io fotoana io, olona izay nampahafantariny ny fahamarinana am-polo taonany maromaro talohan’izay. Araka izany, Melba, vadin’ny rahalahy Barry, dia nitantara toy izao: “Fony izaho vao nitory voalohany indrindra teto Japana, tao amin’ny anankiray tamin’ireo trano voalohany nalehako, dia niresaka tamin’ny olona iray izay manatrika eto amin’ny fandaharam-pitokanana aho.” Ilay olona resahina dia mandray anjara amim-pahatokiana amin’ny asa fitoriana hatramin’ny telopolo taona mahery.
Telopolo taona mahery lasa izay, ny anankiray tamin’ireo misionera dia nanomboka fampianarana ny Baiboly niaraka tamin’i Isamu Sugiara, izay anisan’ny komitin’ny sampana eto Japana izao. Ny rahalahy Saguira no nampiditra ny mpandahateny lehibe indrindra tamin’io andro io, dia ny rahalahy Fred Franz, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower. Teo amin’ny faramparan’ny lahateniny, dia nametraka izao fanontaniana izao ny rahalahy Franz: “Inona no tianareo hanaovana an’ireto trano ireto?” Toshio Honma, mpandaha-draharahan’ny sampana eto Japana, dia nanolotra hevitra ny amin’ny tokony hanokanana izany ho an’i Jehovah mba hiasa ho an’ny fikasany.
Ny ampitso, dia natao ny fivoriana manokana iray tao amin’ny kianja fifanalana hazakazak’i Oimachi, nifandray tamin’ny tanàna roapolo hafa teto Japana. Nomarihina fa 68 593 ny tampon’isan’ny mpitory ilay Fanjakana tamin’ny aprily, nefa tamin’ny fitambarany dia 113 633 no isan’ny olona nihaino an’io fandaharana manokana io ny alahady 16 may. Ny fanantenana fitomboana isa amin’ny ho avy dia nisongadina koa tamin’ny isan’ny mpanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny 1982: 173 344, izany hoe nihoatra 28 522 noho ny tamin’ny 1981.
Raha namafy famoizampo sy fandravana ny fipoahan’ny baomba ataomika tamin’ny 1945, tany Hiroshima, ny tena fipoahana nampiavaka ny asa fitoriana nanerana an’i Japana kosa dia voahodidin’ny fahasambarana sy fanantenana. Mivavaka mafy amin’i Jehovah izahay, raha izany no sitrapony, mba hahatrarana ihany, olona an’arivony maro sy hitarihana azy ireny ho amin’ny lalana izay hitarika azy ho amin’ny fiainana mandrakizay atolotr’Andriamanitra azy.
[Kisary, pejy 17]
(Jereo ny gazety)
Ebina: fitokanana ny 15 may 1982
Ireo tranon’ny sampana sy ny tany 7 hektara nanorenana azy
Fonenana
Efitrano Fanjakana
Birao
Fanontam-pirinty
Fandrafetana
Garazy
Trano fanampiny
[Kisary]
Sary fampitahana ireo trano sy tanin’ny sampana any Japana
Numazu 1972-1981
Tokyo 1963-1972
Tokyo 1949-1962
[Tabilao, pejy 19]
(Jereo ny gazety)
Ny fitomboana isa haingana dia haingana teo amin’ny mpitory any Japana
TAONA ISAN’NY MPITORY
1982 68 593
1981 60 267
1979 48 078
1974 22 612
1969 6 861
1959 1 272
1949 9
[Sary, pejy 16, 17]
Fahitana an’ireo trano vaovaon’ny sampana any Ebina. Ireo trano eo ambony ireo no misy ny fonenana sy ny biraon’ny Betela. Hitanao eo ankavanana ny tapany amin’ny fanontam-pirinty.