Indray mitopy maso amin’ny vaovao
Ilaina ve ny hijerena indray ny sasin-tenin’ny Baiboly?
Amin’ny fanandramana manazava hoe nahoana ny Today’s English Version no manolo amin’ny anaram-boninahitra hoe Tompo ny anarana manokan’Andriamanitra hoe Jehovah, dia manambara toy izao ny sasintenin’io fandikan-teny io: “Ao amin’ny fandikan-teny tranainy iray mivantana, natomboka tamin’ny fandikana voalohany ny Soratra hebreo (ny Septante) (...), ny anarana amin’ny teny hebreo mampiavaka an’Andriamanitra (anarana soratana mandrakariva hoe Jehovah na Iaveh) dia adika hoe ‘TOMPO’ ato amin’ity fandikan-teny ity.”
Nefa, ny Fikambanana momba ny Baiboly amerikana nanonta an’io fandikan-teny io dia nifanandrina vao haingana tamin’ireo fanatsoahan-kevitry ny fandinihana skolastika nampiseho fa “ny fandikana voalohany ny Soratra hebreo (ny Septante)” dia tena nirakitra tokoa ny Tetragrama, ary tsy nisy fanombohana nanolo ny anarana manokan’Andriamanitra tamin’ny teny hoe Kurios (Tompo) talohan’ny fiandohan’ny taonjato II amin’ny fanisan-taona iraisana. ‘Raha namaly ny Vavolombelon’i Jehovah iray ny sampan-draharaha momba ny fikarohan’ny Fikambanan’ny Baiboly amerikana dia niaiky toy izao: “Nisy tahirin-kevitra hita vao haingana nampiharihary fa ny Tetragrama (...) dia nampiasaina tao amin’ny soratra grika sasany (...). Araka ny fanazavan’ny fanipazan-kevitra nataonareo, dia hahafaly anay ny hijery indray ny fanamarihana hita ao amin’ny sasinteninay raha ny amin’ny fomba fandikana ny hoe Iaveh ao amin’ny Testamenta Taloha. Araka ny ahitana azy amin’izao fotoana izao, ny soratra nataonay dia tsy milaza akory fa ny soratanana tranainy rehetra amin’ny Septante dia mampiasa ny teny hoe Kurios. Nefa, araka ny fahazavan’ireo fahitana soratanana sy fandinihana vao haingana, dia mety hisy hilana fanovana sasany.”
Ireo izay maneho fanajana lalina ny anarana manokan’Andriamanitra ka maniry hahita azy mitana ny toerana tandrifina azy ao amin’ny Baiboly dia handinika amim-pahalianana izany fanovana izany rehefa hiseho izy ao amin’ny fanontana manaraka amin’ny Today’s English Version.
Fianarana fanetren-tena
Talohan’ny hanombohana hisotro ronono indrindra, Robert Kibbee efa maty, lehiben’ny oniversiten’ny tanànan’i New York, dia nanoro hevitra an’ireo mpianatra tao amin’ny kolejin’i Brooklyn izay handray ny diplaomany, mba hiseho hanetry tena sy hangoraka ka “hanalefaka ny fitsarany amin’ny fetran’ny fahalalan’izy ireo”. Nanampy teny toy izao izy: “Ny nampianarin’ny fiainana ahy dia hoe be fiavonavonana sy fahabadoana ary tsy firaikana loatra eto amin’izao tontolo izao. Ny fiarovana amin’ireo loza telo manimba ireo dia ny fanetren-tena, ny fahatsapana fahasarotan-javatra sy ny fangorahana.”
Torohevitra tsara tokoa izany, tsy ho an’ireny mpianatra ireny tamin’ny andro nizarana diplaoma ihany, fa ho an’ny olona samy hafa taona koa! Izany no miharihary indrindra amin’ireo torohevitra maro karazana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izay manipika ny hasarobidin’ny fanetren-tena. Ny kristiana koa dia anarina mba ‘hifamindra fo, hanetry tena’. (I Petera 3:8.) Ambonin’izany, ao amin’ny Ohabolana 29:23, dia izao no vakintsika: “Ny fiavonavonan’ny olona no hampietry azy; fa hahazo voninahitra kosa ny manetry tena.”