FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • es26 p. 26-36
  • Martsa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Martsa
  • Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2026
  • Lohatenikely
  • Alahady 1 Martsa
  • Alatsinainy 2 Martsa
  • Talata 3 Martsa
  • Alarobia 4 Martsa
  • Alakamisy 5 Martsa
  • Zoma 6 Martsa
  • Asabotsy 7 Martsa
  • Alahady 8 Martsa
  • Alatsinainy 9 Martsa
  • Talata 10 Martsa
  • Alarobia 11 Martsa
  • Alakamisy 12 Martsa
  • Zoma 13 Martsa
  • Asabotsy 14 Martsa
  • Alahady 15 Martsa
  • Alatsinainy 16 Martsa
  • Talata 17 Martsa
  • Alarobia 18 Martsa
  • Alakamisy 19 Martsa
  • Zoma 20 Martsa
  • Asabotsy 21 Martsa
  • Alahady 22 Martsa
  • Alatsinainy 23 Martsa
  • Talata 24 Martsa
  • Alarobia 25 Martsa
  • Alakamisy 26 Martsa
  • Zoma 27 Martsa
  • Asabotsy 28 Martsa
  • Alahady 29 Martsa
  • Alatsinainy 30 Martsa
  • Talata 31 Martsa
Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2026
es26 p. 26-36

Martsa

Alahady 1 Martsa

Izay maty dia afaka madiodio amin’ny fahotany.​—Rom. 6:7.

Resahin’ny Baiboly hoe nisy olo-marina lasa tsy olo-marina. Anisan’izany i Solomona Mpanjaka. Nampianarina tsara ny lalan’Andriamanitra izy ary tena notahin’i Jehovah. Lasa nanompo andriamani-diso anefa izy. Nahatezitra be an’i Jehovah ireny fahotany ireny, ka naharitra an-jatony taona ny voka-dratsin’izany. Marina fa milaza ny Soratra Masina hoe “nodimandry any amin’ny razambeny” i Solomona, ary anisan’ireny razambeny ireny ny olona tsy nivadika hoatran’i Davida Mpanjaka. (1 Mpanj. 11:5-9, 43; 2 Mpanj. 23:13) Midika ve izany hoe hatsangana izy? Tsy mamaly an’izany ny Baiboly. Fanomezana avy amin’ilay Andriamanitra be fitiavana ny fananganana amin’ny maty. Izay olona tiany hanompo azy mandrakizay no omeny an’izany. (Joba 14:13, 14; Jaona 6:44) Hahazo an’io fanomezana io ve i Solomona? I Jehovah no mahalala an’izany, fa tsy isika. Fantatsika anefa hoe hanao ny rariny izy. w24.05 4 § 9

Alatsinainy 2 Martsa

Hivahiny ao an-tranolainao mandrakizay aho.​—Sal. 61:4.

Rehefa nanokan-tena ho an’i Jehovah isika, dia lasa mivahiny ao amin’ny tranolainy. Mankafy sakafo ara-panahy be dia be isika sady afaka minamana amin’ireo efa vahinin’i Jehovah. Tsy hoe amin’ny toerana iray fotsiny no misy ny tranolainy. Misy tranolain’i Jehovah na aiza na aiza misy mpanompony mankatò azy. (Apok. 21:3) Ary ahoana ny amin’ireo mpanompony tsy mivadika efa maty? Mbola azo lazaina hoe vahiny ao amin’ny tranolain’i Jehovah ve izy ireny? Izany mihitsy! Nahoana? Satria tadidin’i Jehovah foana ireny olona ireny, ka velona ry zareo aminy. Izao no nohazavain’i Jesosy: “Na i Mosesy aza nampahafantatra hoe hatsangana ny maty, tao amin’ny fitantarana momba an’ilay voarointsilo, rehefa niantso an’i Jehovah hoe ‘Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba.’ Tsy mba Andriamanitry ny maty izy, fa an’ny velona satria aminy dia velona daholo izy rehetra ireo.”​—Lioka 20:37, 38. w24.06 3 § 6-7

Talata 3 Martsa

I Jehovah no heriko sy ampingako.​—Sal. 28:7.

Nankany Hebrona i Zadoka. Nitondra fitaovam-piadiana izy sady vonona hiady. (1 Tan. 12:38) Vonona handeha hiady miaraka amin’i Davida izy, sy hiaro ny Israely amin’ny fahavalony. Marina hoe mety ho miaramila tsy za-draharaha i Zadoka. Nanonitra an’izany anefa ilay izy be herim-po. Ahoana no nahatonga ny mpisorona hoatran’i Zadoka ho lasa be herim-po? Satria natanjaka sy be herim-po ny lehilahy nanodidina azy, dia azo antoka hoe nianatra avy tamin’izy ireo izy. Be herim-po, ohatra, i Davida “nitarika ny Israely rehefa nisy ady.” Izany no nandrisika ny Israelita rehetra hanohana azy tamin’ny fony manontolo. (1 Tan. 11:1, 2) Niantehitra tamin’i Jehovah foana i Davida rehefa niady tamin’ny fahavalony. (Sal. 138:3) Nisy lehilahy hafa niara-niaina tamin’i Zadoka koa azony notahafina. Anisan’izany i Joiada sy Benaia zanany, izay miaramila mpiady, ary ireo lehibem-poko 22 niandany tamin’i Davida.​—1 Tan. 11:22-25; 12:26-28. w24.07 3 § 5-6

Alarobia 4 Martsa

Tian’Andriamanitra hibebaka ianao matoa tsara fanahy aminao izy.​—Rom. 2:4.

Nanenjika mafy ny mpanara-dia an’i Kristy i Saoly avy any Tarsosy. Nieritreritra angamba ny ankamaroan’ny Kristianina tamin’izany hoe tsy hibebaka mihitsy izy, dia tsy misy antenaina intsony ny aminy. Tsy mitovy amin’ny fomba fisainan’ny olona tsy lavorary hoatr’izany ny an’i Jesosy. Hitan’izy sy ny Rainy ny toetra tsaran’i Saoly. Izao no lazain’i Jesosy: “Fanaka nofidiko izany lehilahy izany.” (Asa. 9:15) Nanao fahagagana mihitsy aza izy mba hanampiana an’i Saoly hibebaka. (Asa. 7:58–8:3; 9:1-9, 17-20) Lasa Kristianina i Saoly ary nantsoina hoe apostoly Paoly tatỳ aoriana. Matetika izy no nilaza fa tena nankasitrahany ny hatsaram-panahy sy famindram-po naseho taminy. (1 Tim. 1:12-15) Henon’i Paoly, indray mandeha, hoe nisy olona ratsy fitondran-tena be tao amin’ny fiangonana tao Korinto. Ahoana no nandaminany an’ilay izy? Hita tamin’izay nolazainy fa be fitiavana i Jehovah rehefa manasazy ary zava-dehibe ny famindram-po. w24.08 13 § 15-16

Alakamisy 5 Martsa

Izao ... ny antony nampisehoana ny Zanak’Andriamanitra: Ny handrava ny asan’ny Devoly.​—1 Jaona 3:8.

Nataon’i Jehovah nazava tsikelikely hoe ahoana no hahafahan’ny olombelona mpanota mifandray aminy. I Abela, ilay zanakalahy faharoa an’i Adama sy Eva, no olombelona voalohany nino an’i Jehovah taorian’ilay fikomiana tany Edena. Nanolotra sorona ho an’i Jehovah izy satria tia azy sy te hampifaly azy ary te hifandray aminy. Mpiandry ondry i Abela dia nitondra zanak’ondry vitsivitsy mba hatao sorona ho an’i Jehovah. Ahoana no fahitan’i Jehovah an’ilay izy? “Nankasitrahan’i Jehovah i Abela sy ny fanatiny.” (Gen. 4:4) Nasehon’i Jehovah koa hoe nankasitrahany ny sorona mitovitovy amin’izany, izay nataon’ireo olona tia sy natoky azy, ohatra hoe i Noa. (Gen. 8:20, 21) Rehefa nankasitraka an’ireny sorona ireny izy dia nasehony hoe afaka ny hahazo sitraka sy hifandray aminy ny olombelona mpanota. w24.08 3 § 5-6

Zoma 6 Martsa

Saika nivily lalana [aho]; saika nibolisatra ny tongotro.​—Sal. 73:2.

Mety handratra ny fontsika sy hampiady saina antsika ny tsy rariny. (Mpito. 7:7) Izany no tsapan’ny mpanompon’i Jehovah tsy nivadika hoatran’i Joba sy Habakoka. (Joba 6:2, 3; Hab. 1:1-3) Ara-dalàna ny fihetseham-po hoatr’izany, nefa tokony hitandrina isika amin’izay ataontsika sao dia hanaonao foana sady vao mainka hampitatra an’ilay olana. Rehefa hoatran’ny hoe afa-maina ireo manao ny tsy rariny, dia mety hisalasala isika raha tena mahasoa ny manao ny marina. Eritrereto ny mpanao salamo iray. Hitany hoe nampijalin’ny ratsy fanahy ny olo-marina, nefa hoatran’ny hoe mbola nankafy fiainana ihany ireo ratsy fanahy ireo. Hoy izy: “Hoatr’izany ny ratsy fanahy! Mandeha tsara foana ny fiainany.” (Sal. 73:12) Very hevitra tanteraka izy nahita ny tsy rariny ka efa saika tsy nino intsony hoe mahasoa ny manompo an’i Jehovah. Izao no nolazainy: “Rehefa niezaka hahatakatra an’izany aho, dia nikorontana ny saiko.”​—Sal. 73:14, 16. w24.11 3 § 5-7

Asabotsy 7 Martsa

Omeo an’i Jehovah izay tokony homena azy, ry foko eo amin’ireo firenena. Omeo an’i Jehovah izay tokony homena azy, satria be voninahitra sady matanjaka izy.​—Sal. 96:7.

Manome voninahitra an’i Jehovah isika satria manaja lalina azy. Betsaka ny antony hanajantsika azy. Mahery Indrindra izy ary tsy misy fetra ny heriny. (Sal. 96:4-7) Hita amin’ny zavatra ataony hoe tena hendry izy. Izy no manome aina antsika sy manome an’izay ilaina mba hahavelona antsika. (Apok. 4:11) Tsy mivadika koa izy. (Apok. 15:4) Mety daholo izay ataony sady manatanteraka ny fampanantenany foana izy. (Jos. 23:14) Tsy mahagaga raha nilaza hoatr’izao momba an’i Jehovah i Jeremia mpaminany: “Tsy misy toa anao mihitsy eo amin’ny olon-kendry rehetra eo amin’ireo firenena sy eo amin’ny fanjakany rehetra.” (Jer. 10:6, 7) Tena tokony hanaja an’ilay Raintsika any an-danitra àry isika. Tsy hoe mendrika ny hohajaina fotsiny anefa i Jehovah fa mahatehotia koa. Manome voninahitra an’i Jehovah isika satria tena tia azy. w25.01 3 § 5-6

Alahady 8 Martsa

Esory tsy ho eo aminareo ilay mpanao ratsy.​—1 Kor. 5:13.

Mitady fomba hanaratsiana ny zavatra tsara ataon’ny fandaminana ny fahavalon’Andriamanitra. Ianarantsika ao amin’ny Soratra Masina, ohatra, hoe tian’i Jehovah ny mpanompony raha madio, tsara fitondran-tena, ary manompo azy araka ny itiavany azy. Asainy esorina tsy ho anisan’ny fiangonana àry izay manohy manao ratsy nefa tsy mibebaka. (1 Kor. 5:11, 12; 6:9, 10) Manaraka an’izany didy ao amin’ny Soratra Masina izany isika. Avadiky ny mpanohitra anefa izany, dia lazainy fa isika indray no tsy misy antra sy tia mitsaratsara ary tsy manam-pitiavana. Mila fantarintsika hoe iza no tena ao ambadik’ireny fanaratsiana ireny. I Satana Devoly no mpanely tsaho. Izy no “rain’ny lainga.” (Jaona 8:44; Gen. 3:1-5) Efa tokony hampoizintsika àry hoe hampiasa ny mpanohana azy izy mba hanelezana tsaho momba ny fandaminan’i Jehovah. w24.04 10 § 13-14

Alatsinainy 9 Martsa

Tsy maintsy ho tanteraka [izany].​—Ezek. 33:33.

Na dia rehefa manomboka aza ny fahoriana lehibe, dia mety hisy amin’ireo olona hahita ny fandringanana an’i “Babylona Lehibe” hahatadidy hoe efa ela ny Vavolombelon’i Jehovah no niresaka momba an’izany. Mety hisy amin’izy ireny ve hiova fo? (Apok. 17:5) Raha izay, dia hitovitovy amin’izay nitranga tany Ejipta tamin’ny andron’i Mosesy izany. Tadidio fa nisy “olona maro avy amin’ny firenen-kafa” niaraka tamin’ny Israelita niala tany Ejipta. Mety ho nanomboka nino an’i Jehovah ny sasany tamin’izy ireny, rehefa nahita hoe tanteraka izay nolazain’i Mosesy momba ny Loza Folo. (Eks. 12:38) Inona no ho tsapantsika raha misy hoatr’izany mitranga aorian’ny handravana an’i Babylona Lehibe? Ho sorena ve isika, raha lasa misy olona afaka miaraka amintsika aloha kelin’ny hahatongavan’ny farany? Mazava ho azy fa tsia! Tiantsika kosa ny hanahaka ny toetran’ilay Raintsika any an-danitra. Izy mantsy “Andriamanitra mamindra fo sy mangoraka, tsy mora tezitra, tena be fitiavana sy tsy mivadika sady tena tia fahamarinana.”​—Eks. 34:6. w24.05 11 § 12-13

Talata 10 Martsa

Aza ialana mihitsy ny modelin’ny teny mahasoa.​—2 Tim. 1:13.

Inona no mety hitranga raha miala amin’ilay “modelin’ny teny mahasoa” isika? Diniho ity ohatra ity. Nisy Kristianina nanely tsaho tamin’ny taonjato voalohany hoe efa tonga ny andron’i Jehovah. Nisy taratasy nolazaina hoe nosoratan’ny apostoly Paoly angamba, hono, nilaza an’izany. Tsy naka fotoana hanamarinana ny tena zava-nisy ny Kristianina sasany tany Tesalonika, fa tonga dia nino an’ilay tsaho sady nanaparitaka an’izany mihitsy aza. Tsy ho voafitaka anefa ry zareo raha nitadidy an’izay nampianarin’i Paoly tamin’izy mbola teo amin-dry zareo. (2 Tes. 2:1-5) Nanome torohevitra ny mpiara-manompo taminy i Paoly mba tsy hino an’izay rehetra henony. Mba hanampiana an-dry zareo amin’ny hoavy koa, dia izao no namaranany ny taratasiny faharoa ho an’ny Tesalonianina: “Ity no veloma nosoratan’ny tanako, izaho Paoly, sady amantarana ny taratasiko rehetra. Io no sora-tanako.”​—2 Tes. 3:17. w24.07 12 § 13-14

Alarobia 11 Martsa

Mila miaritra ianareo.​—Heb. 10:36.

Tsy maintsy hiaritra ny Kristianina hebreo satria hotsapaina ny finoany rehefa miharatsy ny fiainana ao Jodia. Marina hoe efa niatrika fanenjehana mafy ny sasany tamin’izy ireo, nefa betsaka no lasa Kristianina tamin’ny fotoana tsy dia nisian’ny fanenjehana. Nilaza ny apostoly Paoly hoe na dia efa niaritra ny mafy aza ry zareo, dia mbola tsy nisy hoe tonga hatramin’ny fahafatesana, hoatran’ny nahazo an’i Jesosy. (Heb. 12:4) Rehefa niely anefa ny Fivavahana Kristianina dia vao mainka nasiaka sy nafana fo be ny mpanohitra. Jiosy 40 mahery, taona vitsivitsy talohan’ny nanoratan’i Paoly ho an’ny Hebreo, no ‘niozona fa tsy hihinana na hisotro raha tsy efa matiny izy.’ (Asa. 22:22; 23:12-14) Na dia nankahalaina sy nenjehina hoatr’izany aza ireo Kristianina ireo, dia tsy maintsy mbola hivory sy hitory ny vaovao tsara, ary hiezaka hanana finoana matanjaka foana. w24.09 12 § 15

Alakamisy 12 Martsa

Hoy [i Jesosy] tamin-dreniny: “Ravehivavy, io ny zanakao!”​—Jaona 19:26.

Apostoly tena tian’i Jesosy Kristy i Jaona. (Mat. 10:2) Niaraka tamin’i Jesosy izy nandritra ny fanompoany, nahita ny fahagagana nataony, ary tsy nandao azy izy na dia tao anatin’ny sarotra aza i Jesosy. Teo izy rehefa novonoina ho faty i Jesosy, ary hitany izy taorian’ny nananganana azy tamin’ny maty. Hitany koa ny nielezan’ny Fivavahana Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Olona tsy mivadika vitsivitsy no nanaraka azy io tany am-boalohany, ary mbola velona izy rehefa “notorina tamin’ny zavaboary rehetra etỳ ambanin’ny lanitra” ny vaovao tsara. (Kol. 1:23) Nanana tombontsoa hanoratra boky ao amin’ny Tenin’Andriamanitra i Jaona rehefa tena antitra be. Izy no nanoratra ny zavatra mahagaga “nahariharin’i Jesosy Kristy.” (Apok. 1:1) Nanoratra an’ilay Filazantsara mitondra ny anarany koa izy, dia nanoratra taratasy telo. Nosoratany ho an’ny Kristianina iray tsy mivadika antsoina hoe Gaio ilay taratasy fahatelo. Tena tian’i Jaona hoatran’ny zanany mihitsy i Gaio. (3 Jaona 1) Mbola mampahery ny mpanara-dia an’i Jesosy hatramin’izao ny zavatra nosoratan’io be taona tsy nivadika io. w24.11 12 § 15-16

Zoma 13 Martsa

Omeo voninahitra ny [vadinareo].​—1 Pet. 3:7.

Mihevitra ny vadiny ho sarobidy ny lehilahy tia ny vadiny. (Ohab. 18:22; 31:10) Fanomezana tsara be avy amin’i Jehovah no fiheverany azy. Tsara fanahy aminy àry izy sady manaja azy na dia rehefa manao firaisana aza ry zareo. Tsy hanery ny vadiny hanao zavatra tsy mampahazo aina azy, na manambany azy, na tsy mety amin’ny feon’ny fieritreretany ilay lehilahy rehefa manao firaisana ry zareo. Hiezaka mafy koa ilay lehilahy mba hanana feon’ny fieritreretana madio foana eo anatrehan’i Jehovah. (Asa. 24:16) Ry lehilahy, matokia fa hitan’i Jehovah sy ankasitrahany ny ezaka ataonareo mba hanomezana voninahitra ny vadinareo amin’izay rehetra ataonareo. Aoka àry ianao ho tapa-kevitra ny hanome voninahitra ny vadinao, ka hanalavitra an’ireo fanao tsy manome voninahitra azy, ho tsara fanahy, hanaja, ary hampiseho fitiavana. Asehonao amin’izany hoe mamin’ny fonao izy sady sarobidy aminao. Raha manome voninahitra ny vadinao ianao, dia hiaro ny fifandraisanao amin’i Jehovah, ary izany no zava-dehibe indrindra.​—Sal. 25:14. w25.01 13 § 17-18

Asabotsy 14 Martsa

Nanolotra ny tenany ho antsika izy mba hanafahana antsika ... sy mba hanadiovana firenena iray ho fananany manokana, dia firenena mazoto manao asa tsara.​—Tit. 2:14.

Anisan’ny mampiavaka ny mpanompon’i Jehovah amin’ny olon-kafa milaza ho Kristianina ilay ry zareo mafana fo amin’ny fanompoana. Fantatsika koa hoe arakaraka ny hanatonan’ny farany dia vao mainka tsy ho tian’ny olona ny hafatra torintsika. Inona izany no hanampy antsika hafana fo hitory foana, na hampitombo ny hafanam-pontsika mihitsy aza? Mampianatra antsika hafana fo hitory ny ohatr’i Jesosy. Tsy nihena mihitsy ny hafanam-pony nandritra ny fanompoany tetỳ an-tany. Vao mainka aza izy niasa mafy rehefa nandeha ny fotoana. Mitovy amin’ny mpikarakara tanimboaloboka tao amin’ny fanoharana iray i Jesosy. Nandritra ny telo taona ilay lehilahy no nikarakara an’ilay aviavy tsy namoa. Telo taona teo ho eo koa i Jesosy no nitory tamin’ny Jiosy nefa tsy nihaino azy ny ankamaroany. Nitory tamin-dry zareo foana anefa izy ary tsy nihena mihitsy ny hafanam-pony, hoatran’ilay mpikarakara tanimboaloboka tsy kivy tamin’ilay aviavy mihitsy. (Lioka 13:6-9) Hafana fo foana koa isika raha mandinika ny zavatra nampianariny sy manahaka azy. w25.03 14-15 § 1-4

Alahady 15 Martsa

Miezaka hahalala ny zava-drehetra ny olona malina vao manao zavatra.​—Ohab. 13:16.

Ahoana raha hitanao hoe misy olona hoatran’ny mety aminao? Tonga dia holazainao aminy ve hoe mahaliana anao izy? Milaza ny Baiboly fa miezaka hahalala ny zava-drehetra ny olona hendry vao manao zavatra. Hendry àry ianao raha mandinika azy mandritra ny fotoana kelikely aloha, nefa aza atao hita be. Ahoana no hanaovana an’izany? Rehefa mivory na miara-mikorana, dia mety hahatsikaritra zavatra momba ny fifandraisany amin’i Jehovah sy ny toetrany ary ny fitondran-tenany ianao. Iza no namany? Dia inona no zavatra resahiny? (Lioka 6:45) Mifanaraka amin’ny tanjonao ve ny azy? Mety hiresaka amin’ny anti-panahy ao amin’ny fiangonany koa ianao, na amin’ny Kristianina matotra hafa mahafantatra azy tsara. (Ohab. 20:18) Angamba ianao hanontany momba ny lazany sy ny toetrany. (Rota 2:11) Rehefa mandinika azy ianao, dia tandremo sao manao izay tsy hampahazo aina azy. Hajao ny fihetseham-pony, dia aza midikiditra be amin’ny fiainany, ary aza arahina etsy sy eroa izy. w24.05 22 § 7-8

Alatsinainy 16 Martsa

Niaiky ny fahotako teo anatrehanao aho tamin’ny farany.​—Sal. 32:5.

Tsy maika hanatsoaka hevitra ny anti-panahy hoe tsy hibebaka ny olona iray nanota. Mety ho tonga dia hibebaka ny sasany mandritra ny fihaonana voalohany amin’ilay komity, fa ny hafa indray mety hila fotoana fanampiny. Azon’ny anti-panahy atao àry ny mihaona amin’ilay olona mihoatra ny indray mandeha. Mety hanomboka hisaintsaina lalina momba an’izay noresahina taminy ilay Kristianina nanota, aorian’ilay fihaonana voalohany. Hanetry tena angamba izy ary hivavaka amin’i Jehovah. (Sal. 38:18) Mety hiova àry ny toe-tsainy rehefa mihaona amin’ilay komity indray izy. Asehon’ny anti-panahy hoe mangoraka sy tsara fanahy ry zareo mba hanampiana an’ilay mpanota hibebaka. Manantena ry zareo sady mivavaka hoe hotahin’i Jehovah ny ezaka ataon-dry zareo, ary ho tonga saina ilay olona ka hibebaka.​—2 Tim. 2:25, 26. w24.08 22-23 § 12-13

Talata 17 Martsa

“Tsy sitrako mihitsy ny hahafatesan’ny olona, na iza izany na iza”, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony. “Koa aza manao ratsy intsony mba ho velona ianareo!”​—Ezek. 18:32.

Tsy tian’i Jehovah hisy ho ringana na iza na iza. Tiany hihavana aminy ny mpanota. (2 Kor. 5:20) Izany no nahatonga azy namerimberina nampirisika ny vahoakany tsy nankatò mba hibebaka sy hiverina aminy. Tsy ny vahoakany ihany no nataony an’izany hatramin’izay fa ny olona tsirairay koa. Manana tombontsoa hiara-miasa amin’i Jehovah ny anti-panahy rehefa miezaka manampy ny mpanao ratsy hibebaka. (Rom. 2:4; 1 Kor. 3:9) Eritrereto ange ny fifalian’ny any an-danitra rehefa misy mpanota mibebaka e! Tena faly be i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra, isaky ny misy ondry very miverina amin’ny fiangonana. Vao mainka isika tia an’i Jehovah rehefa misaintsaina hoe mangoraka sy mamindra fo izy, ary miavaka ny hatsaram-panahiny.​—Lioka 1:78. w24.08 31 § 16-17

Alarobia 18 Martsa

Fantatr’i Jesosy fa efa ho avy izy ireo haka azy an-keriny mba hatao mpanjaka. Dia niala teo izy ka nandeha nitokana tany an-tendrombohitra indray.​—Jaona 6:15.

Lasa nandray anjara tamin’ny politikan’ny Jiosy, izay teo ambany fahefan’ny Romanina, i Jesosy raha namela ny olona hanao azy ho mpanjaka. Niala teo anefa izy ka ‘nandeha tany an-tendrombohitra.’ Na teo aza ny faneren’ny hafa dia tsy nanaiky hiditra tamin’ny politika mihitsy i Jesosy. Tena ohatra tsara ho antsika izy. Ny olona aloha tsy hangataka antsika hanao fahagagana mba hampitombo mofo na hanasitrana ny marary e! Tsy hanao antsika ho mpanjaka na mpitondra firenena koa ry zareo. Mety hampirisika antsika hanao politika ihany anefa ny olona, ka hasainy hifidy isika, na hanohana olona iray eritreretin-dry zareo hoe hitondra fanovana. Mazava anefa ny tian’i Jesosy hataontsika. Tsy nety nanao politika izy, ary nilaza mihitsy aza izy tatỳ aoriana hoe: “Tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako.” (Jaona 17:14; 18:36) Tokony hanahaka ny fomba fisainan’i Jesosy sy ny nataony isika Kristianina. Manohana an’ilay Fanjakana isika sady mitory momba azy io ary mivavaka mba ho tonga ilay izy.​—Mat. 6:10. w24.12 3-4 § 5-6

Alakamisy 19 Martsa

Izay manaiky ny didiko ka mankatò an’izany, dia izy no tia ahy. Ary izay tia ahy dia ho tian’ny Raiko. Ho tia azy aho, ka hataoko izay hahafantarany tsara ahy.​—Jaona 14:21.

Mitadiava fomba hampiharana an’izay ianaranao. Manaova, ohatra, ny rariny hoatran’i Jehovah ka aza manavakavaka. I Jesosy koa izao tia ny Rainy sy ny olon-kafa. Afaka manahaka azy ve ianao ka vonona hijaly ho an’ny anaran’i Jehovah sy hahafoy tena ho an’ny mpiara-manompo? Tahafo koa i Jesosy ka mitoria, amin’izay ny olon-kafa afaka mahazo an’ilay fanomezana sarobidy avy amin’i Jehovah. Vao mainka isika ho tia an’i Jehovah sy ny Zanany, arakaraka ny hianarantsika sy hankasitrahantsika ny vidim-panavotana. Hitombo koa ny fitiavan-dry zareo antsika amin’izay. (Jak. 4:8) Ampiasao daholo àry izay omen’i Jehovah mba hianarana momba ny vidim-panavotana foana. w25.01 25 § 16-17

Zoma 20 Martsa

Narianao any an-damosinao daholo ny fahotako.​—Isaia 38:17.

Azo adika hoatr’izao io andinin-teny androany io: “Nesorinao mba tsy ho hitanao daholo ny fahotako.” Asehon’io sarin-teny io fa alain’i Jehovah ny fahotan’ny olona iray mibebaka dia ariany mba tsy ho hita intsony. Azo adika hoatr’izao koa io andininy io: “Nataonao toy ny tsy nisy [ny fahotako].” Mbola manasongadina an’izany hevitra izany ny Baiboly rehefa nampiasa sarin-teny hafa ao amin’ny Mika 7:18, 19. Resahiny ao hoe atsipin’i Jehovah any anaty ranomasina lalina ny fahotantsika. Tsy vitan’ny olona intsony, tamin’izany, ny naka zavatra iray natsipy tany anaty ranomasina lalina. Hitantsika avy amin’ireo sarin-teny ireo hoe rehefa mamela antsika i Jehovah, dia esoriny ny fahotana manavesatra antsika ka lasa maivamaivana isika. Marina mihitsy ilay noresahin’i Davida hoe: “Sambatra izay voavela ny helony, ary voasarona ny fahotany.” (Rom. 4:7) Izany ka tena famelan-keloka! w25.02 9 § 7-8

Asabotsy 21 Martsa

Miravoravoa sy mifalia mandrakizay ... noho ny amin’izay hoforoniko.​—Isaia 65:18.

Misy paradisa iray izay eto an-tany amin’izao, ary an-tapitrisany ny olona ao. Variana manao zavatra tsara ry zareo sady tena mihavana. Tapa-kevitra ny tsy hiala ao amin’ilay paradisa mihitsy ny olona efa ao. Miavaka izy io, ary tian-dry zareo raha betsaka araka izay azo atao ny olona ho tonga ao. Io ilay antsoina hoe paradisa ara-panahy! Mahavariana hoe namorona paradisa milamina hoatr’izany i Jehovah eto amin’ity tontolo ratsy sy mampidi-doza nofenoin’i Satana fankahalana ity. (1 Jaona 5:19; Apok. 12:12) Hitan’ilay Andriamanitsika be fitiavana ny voka-dratsin’izao tontolo izao eo amintsika, ka ataony izay hahatonga antsika ho voaro, amin’izay isika faly manompo azy foana. Resahin’ny Teniny fa toy ny “fialofana” azo antoka sy “tanimboly azon-drano tsara” ilay paradisa ara-panahy. (Isaia 4:6; 58:11) Mahatsiaro sambatra sy voaro àry izay mipetraka ao amin’izao andro farany efa sarotra izao, satria tahin’i Jehovah.​—Isaia 54:14; 2 Tim. 3:1. w24.04 20 § 1-2

Alahady 22 Martsa

Ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo.​—Fil. 4:6.

Raha te hahazo vady ianao, dia azo antoka fa efa nivavaka momba an’izany. I Jehovah aloha tsy mampanantena an’iza na iza hoe hanome vady ho azy. Manome an’izay ilainao anefa izy sady mitsinjo ny fihetseham-ponao, ary afaka manampy anao hahita vady. Resaho aminy foana àry ny fanirianao sy ny fihetseham-ponao. (Sal. 62:8) Mivavaha mba hanam-paharetana sy ho hendry. (Jak. 1:5) Na dia tsy tonga dia mahita olona mahaliana aza ianao izao, dia mampanantena i Jehovah hoe hanome an’izay ilainao foana izy, ary hitsinjo ny fihetseham-ponao. (Sal. 55:22) Tandremo anefa sao ilay hoe mitady vady indray no lasa mibahana be eo amin’ny fiainanao. (Fil. 1:10) Tsy miankina amin’ny hoe manambady na tsia mantsy ianao vao tena ho sambatra, fa miankina amin’ny fifandraisanao amin’i Jehovah. (Mat. 5:3) Tsy izay ihany, fa afaka mampitombo fanompoana ianao amin’izao mpitovo izao. (1 Kor. 7:32, 33) Ampiasao tsara io fotoana io! w24.05 21 § 4; 22 § 6

Alatsinainy 23 Martsa

Aza mitady izay hahasoa ny tenanareo fotsiny, fa izay hahasoa ny hafa koa.​—Fil. 2:4.

Hafiriana ianareo roa no tokony hiaraka? Matetika no ratsy ny vokany raha maimaika hanapa-kevitra ianao. (Ohab. 21:5) Tokony ho ampy tsara mba hahafantaranao bebe kokoa an’ilay olona àry ny fotoana iarahanareo. Tsy tokony hotohizina lava be anefa ilay izy, raha tsy misy antony tokony hanaovana an’izany. Hoy koa ny Baiboly: “Marary ny fo raha ela be vao tanteraka ny zavatra antenaina.” (Ohab. 13:12) Ary raha mahafantatra olona roa miaraka ianao, dia ahoana no azonao anampiana an-dry zareo? Asao hiara-misakafo aminao ry zareo, na hiara-manao fotoam-pivavahan’ny fianakaviana, na hiara-miala voly. (Rom. 12:13) Mila olona fanintelony ve ry zareo, sa mila olona hanatitra azy, sa ve toerana ahafahany miresaka mitokana? Raha izany, dia maninona raha ampiana ry zareo? (Gal. 6:10) Maninona raha raisina ho tombontsoa ilay hoe misy mpifankatia mangataka aminao mba hiaraka aminy? Mitandrema anefa mba tsy hamela an-dry zareo ho irery tanteraka, nefa diniho tsara koa hoe rahoviana ry zareo no mila fotoana sy toerana hiresahana manokana. w24.05 30 § 13-14

Talata 24 Martsa

Nomeko fotoana hibebahana izy.​—Apok. 2:21.

Miezaka mamantatra ny anti-panahy hoe inona no nahatonga ny olona iray hanota. Nihanalemy ara-panahy ve, ohatra, izy satria tsy dia nianatra samirery sy tsy dia nanompo? Lasa tsy nivavaka matetika ve izy, na tsy mivavaka amin’ny fony intsony? Tsy niezaka niady tamin’ny fanirian-dratsiny intsony ve izy? Tsy nahay nifidy namana sy fialam-boly ve izy? Dia inona no vokatr’izany tamin’ny toe-tsainy sy ny faniriany? Miaiky ve izy hoe nisy vokany tamin’i Jehovah Rainy ny fanapahan-keviny sy ny zavatra nataony tato ho ato? Tsara fanahy ny anti-panahy raha mametraka fanontaniana mety tsara, nefa tsy midikiditra be loatra amin’ny fiainan’ilay olona. Hanampy azy hamoaka ny any am-pony sy hisaintsaina ny zavatra nataony ry zareo amin’izay. (Ohab. 20:5) Mety hampiasa fanoharana koa ry zareo, mba hampisaintsainana an’ilay olona sy hahatonga saina azy hoe ratsy ny nataony. Mety hanomboka halahelo be noho ny zava-dratsy nataony ilay olona, mandritra an’ilay fihaonana voalohany. Mety hibebaka mihitsy aza izy. w24.08 22 § 9-11

Alarobia 25 Martsa

Tsy maintsy mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tanàna hafa koa aho, fa izany no nanirahana ahy.​—Lioka 4:43.

Nafana fo nitory ‘ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana’ i Jesosy, satria fantany hoe izay no asa tian’Andriamanitra hataony. Ny fitoriana no zava-dehibe indrindra tamin’i Jesosy. “Nitety tanàna sy vohitra” izy mba hampianarana olona, na dia tamin’ny faramparan’ny fanompoany tetỳ an-tany aza. (Lioka 13:22) Nampiofana mpianatra hafa hitory koa izy mba hiara-miasa aminy. (Lioka 10:1) Ny fitoriana ny vaovao tsara koa no asa lehibe indrindra tian’i Jehovah sy Jesosy hataontsika amin’izao. (Mat. 24:14; 28:19, 20) Hafana fo kokoa hitory isika raha mitovy amin’ny an’i Jehovah ny fahitantsika ny olona. Tiany ho betsaka araka izay azo atao ny olona haheno ny vaovao tsara sy hanaiky azy io. (1 Tim. 2:3, 4) Ahoana no hahavitana an’izany? Ampiofaniny isika mba hahomby kokoa rehefa miresaka an’ilay hafatra mamonjy aina. Na dia misy olona tsy mihaino antsika aza amin’izao dia mbola afaka miova ry zareo alohan’ny faran’ny fahoriana lehibe. w25.03 15-16 § 5-7

Alakamisy 26 Martsa

Manohana ny ratsy ataony ... izay miarahaba azy.​—2 Jaona 11.

Mila mampiasa ny feon’ny fieritreretany efa nampiofanin’ny Baiboly ny Kristianina tsirairay rehefa mifandray amin’olona nesorina tsy ho anisan’ny fiangonana. Mety tsy hampaninona ny sasany ny miarahaba an’ilay olona na ny milaza aminy hoe tonga soa raha manatrika fivoriana izy. Tsy hotohizintsika lava be anefa ilay resaka ary tsy hifanerasera aminy isika. Mety hisy ho lasa saina anefa hoe ‘angaha moa ny Baiboly tsy milaza fa raha miarahaba olona hoatr’izany ny Kristianina iray dia lasa manohana ny ratsy ataony?’ (2 Jaona 9-11) Hita amin’ny teny manodidina an’io andinin-teny io hoe mihatra amin’ny mpivadi-pinoana sy izay olona mampirisika ny hafa hanao ratsy io toromarika io. (Apok. 2:20) Raha misy mampiely ny fampianaran’ny mpivadi-pinoana àry, na mampirisika ny hafa hanao ratsy dia tsy hitsidika azy ny anti-panahy. Mazava ho azy fa manantena foana isika hoe ho tonga saina ilay olona. Tsy hiarahaba ny olona hoatr’izany anefa isika sady tsy hanasa azy hivory raha mbola tsy miova izy. w24.08 30-31 § 14-15

Zoma 27 Martsa

Mbola donto ny fony ka tsy nahazo ny dikan’izany.​—Mar. 6:52.

Rehefa avy nanome sakafo vahoaka i Jesosy, dia nasainy nandeha sambo niverina tany Kapernaomy ny apostoly. Izy kosa niala an’ilay vahoaka te hanao azy ho mpanjaka, dia nankany an-tendrombohitra. (Jaona 6:16-20) Rehefa teny afovoan’ny rano ny apostoly dia nisy tafio-drivotra ka lasa nanonja be ny ranomasina. Nandeha teny ambonin’ny rano nanatona azy ireo i Jesosy avy eo dia nasainy nandeha teny ambony rano koa ny apostoly Petera. (Mat. 14:22-31) Nitsahatra ilay tafio-drivotra rehefa tafakatra tao amin’ilay sambo i Jesosy. Niaiky ny mpianatra tamin’izay hoe: “Zanak’Andriamanitra tokoa ianao.” (Mat. 14:33) Tsy hitan-dry zareo anefa hoe mifandray io fahagagana io sy ilay nataon’i Jesosy tamin’ilay vahoaka talohan’izay. Mariho ity tsipiriany nosoratan’i Marka ity: “Gaga be [ny apostoly], satria tsy takany ny dikan’ilay fahagagana natao tamin’ireo mofo, fa mbola donto ny fony ka tsy nahazo ny dikan’izany.” (Mar. 6:50-52) Tsy takatr’izy ireo mihitsy hoe hoatran’ny ahoana ny hery nomen’i Jehovah an’i Jesosy mba hanaovany fahagagana. w24.12 5 § 7

Asabotsy 28 Martsa

Sitrapon’Andriamanitra ny hamonjena ny karazan’olona rehetra sy ny hahalalan’izy ireo tsara ny fahamarinana.​—1 Tim. 2:4.

Azontsika hararaotina izao vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana izao mba hampisehoana amin’i Jehovah hoe mankasitraka ny vidim-panavotana isika. Ianao aloha efa hiomana hanatrika Fahatsiarovana e! Azonao asaina koa anefa ny hafa. Hazavao amin-dry zareo izay hitranga any. Azonao aseho an-dry zareo ilay video ao amin’ny jw.org hoe Inona no Antony Nahafatesan’i Jesosy? sy ilay hoe Tsarovy ny Nahafatesan’i Jesosy. Tsy tokony ho hadinon’ny anti-panahy koa ny manasa an’ireo tsy mitory intsony. Eritrereto ny hafalian’ny any an-danitra sy ny etỳ an-tany rehefa misy ondrin’i Jehovah te hiverina ao amin’ny andiany! (Lioka 15:4-7) Ataovy tanjona ny hiarahaba ny mpiara-manompo aminao amin’ny andron’ny Fahatsiarovana, fa indrindra koa ireo vaovao sy izay efa ela tsy nanatrika an’ilay izy. Tiantsika raha mahatsapa ry zareo hoe raisina tsara.​—Rom. 12:13. w25.01 29 § 15

Alahady 29 Martsa

Tia antsika [Andriamanitra] ka naniraka ny Zanany ho sorona fampihavanana noho ny fahotantsika.​—1 Jaona 4:10.

Marina hoe manampy antsika hahatakatra ny fanaovan’i Jehovah ny rariny ny vidim-panavotana. Ny haben’ny fitiavany antsika anefa no tena asongadin’izy io. (Jaona 3:16; 1 Jaona 4:9, 10) Hita amin’ny fampianarana momba ny vidim-panavotana hoe tian’i Jehovah hiaina mandrakizay isika sady tiany ho anisan’ny fianakaviany. Eritrereto izao: Rehefa nanota i Adama dia noroahin’i Jehovah tsy ho anisan’ny fianakaviany. Rehefa teraka àry isika dia tsy anisan’ny fianakavian’Andriamanitra. Noho ny vidim-panavotana anefa dia mamela ny helotsika i Jehovah, ary hampidiriny ao amin’ny fianakaviany indray ny olona rehetra mino sy mankatò azy. Amin’izao aza isika dia efa afaka ny hifandray tsara amin’i Jehovah sy amin’ny mpiara-manompo. Tena tia antsika tokoa i Jehovah!​—Rom. 5:10, 11. w25.01 21 § 6

Famakiana Baiboly ho amin’ny Fahatsiarovana: (Zava-niseho nandritra ny andro: 9 Nisana) Jaona 12:12-19; Marka 11:1-11

Alatsinainy 30 Martsa

Izao no nampisehoana ny fitiavan’Andriamanitra.​—1 Jaona 4:9.

Miaiky isika rehetra hoe fanomezana sarobidy ny vidim-panavotana. (2 Kor. 9:15) Afaka mifandray akaiky amin’i Jehovah Andriamanitra ianao satria nanome ny ainy i Jesosy. Afaka manantena koa ianao hoe hiaina mandrakizay. Tena mety àry raha asehontsika hoe mankasitraka ny vidim-panavotana isika! Mety koa raha mankasitraka an’i Jehovah isika satria tia antsika izy matoa nanome ny vidim-panavotana! (Rom. 5:8) Nasain’i Jesosy nankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesany isika isan-taona, mba hanampiana antsika hankasitraka foana sy tsy hanao tsinontsinona ny vidim-panavotana mihitsy. (Lioka 22:19, 20) Amin’ny alakamisy 2 Aprily 2026 ny Fahatsiarovana amin’ity taona ity. Azo antoka hoe efa miomankomana ho amin’izany daholo isika. Handray soa be dia be isika raha manokana fotoana hisaintsainana an’izay nataon’i Jehovah sy ny Zanany ho antsika, mandritra ny vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana. w25.01 20 § 1-2

Famakiana Baiboly ho amin’ny Fahatsiarovana: (Zava-niseho nandritra ny andro: 10 Nisana) Jaona 12:20-50

Talata 31 Martsa

Ny anatra omeko no raiso, fa tsy ny volafotsy, ary ny fahalalana, fa tsy ny volamena faran’izay tsara.​—Ohab. 8:10.

Hiana-javatra momba ny fitiavan’i Jehovah Andriamanitra sy Kristy Jesosy antsika foana isika, arakaraka ny hisaintsainantsika momba an’izany. Afaka mandinika Filazantsara iray na maromaro, ohatra, ianao amin’ny vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana amin’ity taona ity. Aza atao be loatra no indray ianarana fa ataovy tsikelikely, dia mitadiava antony fanampiny itiavanao an’i Jehovah sy Jesosy. Efa ela ve ianao no tao amin’ny fahamarinana? Mety hieritreritra ianao hoe tsy hahita zava-baovao intsony amin’ny foto-kevitra efa mahazatra, ohatra hoe ny fanaovan’i Jehovah ny rariny, ny fitiavany, na ny vidim-panavotana. Tsy misy farany anefa ny zavatra azontsika ianarana momba an’ireo sy ny foto-kevitra hafa. Hararaoty àry ny fanazavana be dia be omen’ny boky sy gazetintsika. w25.01 24-25 § 13-15

Famakiana Baiboly ho amin’ny Fahatsiarovana: (Zava-niseho nandritra ny andro: 11 Nisana) Lioka 21:1-36

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara