Aprily
Alarobia 1 Aprily
Ny sitrapon’ny Raiko, dia hoe hahazo fiainana mandrakizay daholo izay manaiky ny Zanaka ka maneho finoana azy.—Jaona 6:40.
Mila maneho finoana ny vidim-panavotana isika raha te handray soa avy amin’ny nofon’i Jesosy sy ny rany. (Efes. 1:7) Tsy mihinana amin’ny mofo sy misotro amin’ny divay izay nantsoin’i Jesosy hoe “ondry hafa”, mandritra ny Sakafo Harivan’ny Tompo isan-taona. (Jaona 10:16) Tsy mahazo manao an’izany ry zareo. Mandray soa avy amin’ny nofon’i Jesosy Kristy sy ny rany ihany anefa ry zareo. Asehony mantsy fa mino ry zareo hoe manan-kery ny sorona nataon’i Jesosy. (Jaona 6:53) Rehefa mihinana ny mofo sy misotro ny divay kosa ireo tokony hanao an’izany dia asehony hoe tafiditra amin’ilay fifanekena vaovao ry zareo, ary manantena fa ho mpanjaka ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra. Na voahosotra àry isika na ondry hafa, dia tena zava-dehibe ny maneho finoana raha te hiaina mandrakizay. w24.12 12 § 14; 13 § 16
Famakiana Baiboly ho amin’ny Fahatsiarovana: (Zava-niseho nandritra ny andro: 12 Nisana) Matio 26:1-5, 14-16; Lioka 22:1-6
ANDRON’NY FAHATSIAROVANA
Aorian’ny Filentehan’ny Masoandro
Alakamisy 2 Aprily
Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny Fanjakana.—Lioka 12:32.
Nanome mofo tsy misy lalivay ho an’ny apostoliny i Jesosy nandritra an’ilay Sakafo Harivan’ny Tompo, ary nilaza izy fa mifanitsy amin’ny vatany ilay mofo. Natolony azy ireo avy eo ny divay, ary niteny izy hoe mifanitsy amin’ny “ran’ny fifanekena” ilay izy. (Mar. 14:22-25; Lioka 22:20; 1 Kor. 11:24) Natao tamin’ny “taranak’Israely” ara-panahy, izay ho “ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra”, ilay fifanekena vaovao. (Heb. 8:6, 10; 9:15) Nihatra tamin’ny “ondry vitsy” ilay tenin’i Jesosy tamin’ny Sakafo Harivan’ny Tompo. Ny apostoliny tsy nivadika niaraka taminy tamin’iny hariva iny no voalohany anisan’io antokon’olona io. Hahazo toerana any an-danitra miaraka amin’i Jesosy ry zareo. w24.12 11 § 9-10
Famakiana Baiboly ho amin’ny Fahatsiarovana: (Zava-niseho nandritra ny andro: 13 Nisana) Matio 26:17-19; Marka 14:12-16; Lioka 22:7-13 (Zava-niseho taorian’ny filentehan’ny masoandro: 14 Nisana) Jaona 13:1-5; 14:1-3
Zoma 3 Aprily
Tena tia an’izao tontolo izao Andriamanitra ka nanome an’ilay Zanany lahitokana, mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hahazo fiainana mandrakizay.—Jaona 3:16.
Nisy namadika i Jesosy, nosamborina, notevatevaina, nendrikendrehina, nomelohina, ary nampijalijalina mihitsy aza. Nentin’ny miaramila teo amin’ilay toerana famonoana olona izy dia nofantsihan’izy ireo teo amin’ny tsato-kazo. Tsy nivadika i Jesosy niaritra an’izany fanaintainana rehetra izany. Mbola niaritra ny mafy kokoa noho izy anefa i Jehovah Andriamanitra. Nifehy tena tsy hampiasa ny heriny tsy manam-petra izy. Fa maninona? Raha tsorina dia noho ny fitiavana. Ny sorona nataon’i Jesosy no porofo lehibe indrindra fa tena tian’i Jehovah ianao. Namoy zavatra be izy sady vonona hiaritra fijaliana faran’izay mafy mba hanafahana anao amin’ny ota sy ny fahafatesana. (1 Jaona 4:9, 10) Tena te hanampy antsika tsirairay izy mba hahavitantsika hiady amin’ny ota sy handresy! w24.08 6 § 13-14
Famakiana Baiboly ho amin’ny Fahatsiarovana: (Zava-niseho nandritra ny andro: 14 Nisana) Jaona 19:1-42
Asabotsy 4 Aprily
Nijaly ho anareo [i Kristy].—1 Pet. 2:21.
Ho azontsika kokoa ny haben’ny fitiavan’i Jehovah antsika, raha saintsainintsika ny zavatra niaretany tamin’izy nanome ny vidim-panavotana. Lazain’i Satana fa hivadika amin’Andriamanitra daholo ny mpanompony rehefa sarotra amin-dry zareo ny mankatò azy. Ahoana no anaporofoan’i Jehovah hoe diso izany? Navelany hijaly i Jesosy talohan’ny hahafatesany. (Joba 2:1-5) Hitan’i Jehovah daholo ny nanesoesoan’ny mpitondra fivavahana an’i Jesosy, ny nikaravasin’ny miaramila azy, ary ny namantsihana azy teo amin’ny hazo fijaliana. Hitany koa hoe nijalijaly be ilay Zanany tena tiany talohan’ny nahafatesany. (Mat. 27:28-31, 39) Manana ny hery hanakanana an’izany rehetra izany i Jehovah. (Mat. 27:42, 43) Raha nanao zavatra anefa Andriamanitra dia tsy ho voaloa ny vidim-panavotana, ary tsy ho nanana fanantenana mihitsy isika. Navelany hijalijaly àry ilay Zanany mandra-pialan’ny fofonainy. w25.01 22 § 7
Famakiana Baiboly ho amin’ny Fahatsiarovana: (Zava-niseho nandritra ny andro: 15 Nisana) Matio 27:62-66 (Zava-niseho taorian’ny filentehan’ny masoandro: 16 Nisana) Jaona 20:1
Alahady 5 Aprily
Hitan’izy ireo nandritra ny 40 andro izy.—Asa. 1:3.
Alao sary an-tsaina izay nitranga tamin’ny 16 Nisana taona 33. Vonton’alahelo ny mpianatr’i Jesosy sady nipararetra noho ny tahotra. Nisy roa tamin-dry zareo niala tao Jerosalema dia nankany Emaosy. Nisy lehilahy nanatona azy roa lahy dia niara-dalana taminy. Notantarain-dry zareo taminy hoe diso fanantenana ry zareo noho izay nanjo an’i Jesosy. Nanomboka niresaka zavatra tsy hohadinoin-dry zareo mihitsy ilay lehilahy avy eo. Nohazavainy “nanomboka hatrany amin’i Mosesy sy ny Mpaminany rehetra” hoe maninona ny Mesia no tsy maintsy nijaly sy maty. Rehefa tonga tany Emaosy izy telo lahy, dia nolazain’ilay lehilahy amin’izay hoe iza izy: I Jesosy natsangana tamin’ny maty! (Lioka 24:13-35) Imbetsaka i Jesosy no niseho tamin’ny mpianany nandritra an’ireo 40 andro farany nijanonany tetỳ an-tany. Inona ny vokatr’izay tamin’ireo mpanara-dia azy nalahelo be sy natahotra? Lasa falifaly, natoky tena, ary be herim-po ry zareo nitory sy nampianatra momba an’ilay Fanjakana. w24.10 12 § 1-3
Famakiana Baiboly ho amin’ny Fahatsiarovana: (Zava-niseho nandritra ny andro: 16 Nisana) Jaona 20:2-18
Alatsinainy 6 Aprily
Hatanjaho ... ny finoanareo masina.—Joda 20.
Mihalehibe ho azy isika rehefa mandeha ny fotoana. Tsy mandeha ho azy hoatr’izany anefa ilay hoe mihamatotra ara-panahy. Nanaiky ny vaovao tsara, ohatra, ny rahalahy sy anabavy tany Korinto, natao batisa, nahazo fanahy masina, ary nandray soa avy tamin’ny fampianaran’ny apostoly Paoly. (Asa. 18:8-11) Betsaka tamin-dry zareo anefa no mbola tsy matotra, taona vitsivitsy taorian’ny batisany. (1 Kor. 3:2) Raha hoe mba ho matotra àry ny tanjontsika, dia isika mihitsy aloha no tsy maintsy maniry an’izany. Tsy handroso mihitsy mantsy izay “mbola te hiadaladala” ka te hijanona ho zaza ara-panahy. (Ohab. 1:22) Tsy tiantsika ny ho toy ny olona iray efa lehibe, nefa mbola miandry ny ray aman-dreniny hanapa-kevitra ho azy foana. Raisintsika kosa ny andraikitsika, ka miezaka mandroso ara-panahy foana isika. Raha mbola miezaka ny hihamatotra ianao, dia mivavaha amin’i Jehovah mba homeny “faniriana sy hery hanaovana zavatra.”—Fil. 2:13. w24.04 4 § 9-10
Talata 7 Aprily
Tsy [tian’i Jehovah] hisy ho ringana ny olona.—2 Pet. 3:9.
Tsara fanahy i Jehovah, dia resahiny amintsika hoe hoatran’ny ahoana ny fihetseham-pony rehefa mitsara olona. (Ezek. 33:11) Tsy maika handringana ny olona mandrakizay i Jehovah. Faran’izay mamindra fo izy, dia mampiseho an’io toetrany io isaky ny misy hirika hanaovana an’izany. Ary inona no fantatsika momba an’ireo olona tsy hatsangana amin’ny maty? Ohatra vitsivitsy ihany no resahin’ny Baiboly. Nilaza i Jesosy fa tsy hatsangana i Jodasy Iskariota. (Mar. 14:21; Jaona 17:12) Nanao fanahy iniana nanohitra an’i Jehovah Andriamanitra sy ny Zanany mantsy izy. (Mar. 3:29) Nilaza koa i Jesosy fa tsy hatsangana ny mpitondra fivavahana sasany nanohitra azy. (Mat. 23:33) Ankoatra izay, dia nampitandrina ny apostoly Paoly fa tsy hatsangana ny mpivadi-pinoana tsy mibebaka.—Heb. 6:4-8; 10:29. w24.05 4 § 10-11
Alarobia 8 Aprily
Arovan’i Jehovah ny olona mendri-pitokisana.—Sal. 31:23.
Tsy afaka ny hanisy ratsy antsika maharitra i Satana, raha mbola mifandray akaiky amin’i Jehovah isika. (1 Jaona 3:8) Mbola hiaro ny namany tsy mivadika i Jehovah ao amin’ny tontolo vaovao. Tsy hoe hiaro an-dry zareo amin’izay mety hanimba ny fifandraisany aminy ihany izy, fa hiaro an-dry zareo tsy ho faty koa. (Apok. 21:4) Tena voninahitra be ilay hoe mivahiny ao amin’ny tranolain’i Jehovah, izany hoe mifandray akaiky aminy foana. (Ezek. 37:27) Inona àry izany no tokony hataontsika raha te hivahiny ao aminy foana isika? Raha asain’olona ho any an-tranony ianao, dia tianao ho fantatra hoe inona no takiny aminao. Hoatr’izany koa fa tena tiantsika ho fantatra hoe inona no takin’i Jehovah amin’izay te hivahiny foana ao amin’ny tranolainy. Tia an’i Jehovah isika, dia manao izay fara herintsika mba ‘hampifaliana azy tanteraka.’ (Kol. 1:10) Tokony hanaja lalina azy foana àry isika sady tsy hanadino mihitsy hoe iza izy. Hanampy antsika tsy hanao zavatra mampahatezitra azy izany. Azo antoka hoe te “hanetry tena [isika] rehefa miara-mandeha” amin’ny Andriamanitsika.—Mika 6:8. w24.06 4 § 8-9
Alakamisy 9 Aprily
Nanelanelana [izy] mba hahasoa an’ireo mpandika lalàna.—Isaia 53:12.
Nasain’i Jehovah nanao sorona an’i Isaka zanany i Abrahama. Azo antoka hoe izany no zavatra mafy indrindra nasaina nataony. Vonona hanao an’izany anefa izy. Nosakanan’Andriamanitra izy tamin’ny segondra farany. Inona no zava-dehibe ianaran’ny olona rehetra manam-pinoana avy amin’izany? Hoe vonona hanao sorona an’ilay Zanany malala i Jehovah. Tonga hatramin’izany ny fitiavany ny olombelona. (Gen. 22:1-18) Nomena Lalàna ny firenen’Israely, taonjato maro tatỳ aoriana. Notakin’izy io hoe mila manao sorona be dia be ny vahoakan’Andriamanitra mba handrakofana ny fahotany. (Lev. 4:27-29; 17:11) Nasehon’ireny sorona ireny hoe hisy sorona lehibe kokoa hanafaka tanteraka ny olombelona amin’ny ota. Nasain’Andriamanitra nohazavain’ny mpaminaniny hoe tsy maintsy hijaly sy hovonoina ho faty ilay taranaka nampanantenaina, mba hamonjena ny olombelona ho afaka amin’ny ota sy ny fahafatesana. Anisan’izany ianao. Hita hoe ny Zanak’Andriamanitra tena tiany io taranaka io.—Isaia 53:1-12. w24.08 4 § 7-8
Zoma 10 Aprily
Tiako erỳ ny lalànao, ka saintsainiko tontolo andro!—Sal. 119:97.
Rehefa mamaky Baiboly ianao, dia ataovy azo antoka hoe mitady fomba hampiharana an’ilay izy ianao. Rehefa mamaky ampahany amin’ny Tenin’Andriamanitra ianao, dia eritrereto hoe: ‘Ahoana no azoko ampiharana an’ity fanazavana ity amin’izao na ato ho ato?’ Andeha hatao hoe mamaky Baiboly ianao, dia eo amin’ny 1 Tesalonianina 5:17, 18 ianao izao. Mety hijanona kely ianao rehefa avy mamaky an’ireo andininy roa ireo, dia hieritreritra hoe: ‘Impiry aho no mivavaka, dia manao vavaka lalina ve aho?’ Mety hieritreritra an’izay azonao isaorana an’i Jehovah koa ianao. Angamba ianao hanapa-kevitra hoe zavatra telo voafaritra tsara no isaoranao azy. Na dia minitra vitsivitsy hoatr’izay fotsiny aza ianao no misaintsaina, dia efa azo lazaina hoe mpihaino sy mpankatò ny Tenin’Andriamanitra. Eritrereto tokoa ange ny soa ho azonao raha manao hoatr’izany isan’andro ianao rehefa mamaky ampahany ao amin’ny Baiboly e! Vao mainka ianao ho lasa mpankatò ny Tenin’Andriamanitra. w24.09 4-5 § 9-10
Asabotsy 11 Aprily
Tandremo sao lasa very maina ny vokatry ny ezaka nataonay, fa ataovy kosa izay hahazoanareo ny valisoa rehetra.—2 Jaona 8.
Miavaka ny fomba namoronan’i Jehovah antsika. Marina hoe faly isika rehefa mahazo zavatra, nefa mahasambatra kokoa antsika ny manome ho an’ny hafa. Afa-po isika rehefa afaka manampy mpiara-manompo. Sambatra koa isika rehefa maneho ny fankasitrahany ry zareo. Na misaotra anefa ilay olona na tsia, dia faly isika satria nanao an’izay tokony hatao. Tsarovy foana hoe na inona na inona omenao dia “afaka manome anao mihoatra lavitra noho izany i Jehovah.” (2 Tan. 25:9) Tsy hahavita hanome mihoatra noho izay omen’i Jehovah mihitsy isika! Tsy misy mahafaly kokoa noho ny hoe i Jehovah mihitsy no mamaly soa antsika. Aoka àry isika ho tapa-kevitra ny halala-tanana foana, hoatran’ilay Raintsika any an-danitra. w24.09 31 § 20-21
Alahady 12 Aprily
Midera anao amin’ny foko manontolo aho, Jehovah Andriamanitro ô, ary homeko voninahitra mandrakizay ny anaranao.—Sal. 86:12.
Mamindra fo sy mangoraka i Jehovah. (Sal. 103:13; Isaia 49:15) Miombom-pihetseham-po amintsika koa izy ary malahelo rehefa malahelo isika. (Zak. 2:8) Ataony koa izay hahatonga antsika ho lasa Namany. (Sal. 25:14; Asa. 17:27) Manetry tena koa i Jehovah. “Miondrika izy mba hijery ny any an-danitra sy ny etỳ an-tany, ka atsangany hiala amin’ny vovoka ny olona ambany.” (Sal. 113:6, 7) Iza no tsy te hanome voninahitra Andriamanitra hoatr’izany? Manome voninahitra an’i Jehovah isika satria tiantsika hahafantatra azy ny olona. Betsaka no tsy mahafantatra ny marina momba an’i Jehovah. Manaparitaka lainga mahatsiravina momba an’i Jehovah mantsy i Satana mba hanajambana ny sain’ny olona. (2 Kor. 4:4) Nataony izay hahatonga ny olona hino hoe tia mamaly faty i Jehovah, tsy miraharaha antsika, ary izy no mahatonga antsika hijaly. Fantatsika tsara anefa ilay Andriamanitsika! Tombontsoa ho antsika ny milaza ny marina momba azy amin’izay izy mahazo voninahitra.—Isaia 43:10. w25.01 3 § 6-7
Alatsinainy 13 Aprily
Mamitaka ny tany manontolo [i Satana].—Apok. 12:9.
Lavorary sy mpanao fahagagana ny Zanak’Andriamanitra, nefa nisesisesy ny lainga nolazain’ny mpanohana an’i Satana momba azy, tamin’ny taonjato voalohany. Nilaza tamin’ny olona, ohatra, ny mpitondra fivavahana fa “ny lehiben’ny demonia” no nahafahan’i Jesosy namoaka demonia. (Mar. 3:22) Rehefa notsaraina i Jesosy, dia niampanga azy ho nanevateva an’Andriamanitra ireo mpitondra fivavahana ireo, sady nampirisika ny vahoaka hitaky ny hamonoana azy. (Mat. 27:20) Ary ahoana indray rehefa nitory ny vaovao tsara ny mpanara-dia an’i Kristy, tatỳ aoriana? “Nampirisika sy nitaona ny olona” hanenjika an’ireo Kristianina ireo ny mpanohitra. (Asa. 14:2, 19) Izao no nohazavain’ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 1998 momba ny Asan’ny Apostoly 14:2: “Tsy nianina fotsiny tamin’ny fandavana ilay hafatra ireo Jiosy mpanohitra fa nanomboka nampiely fanendrikendrehana koa, ka nataony izay hahatonga ny Jentilisa hitsara an-tendrony ny Kristianina.” Mbola “mamitaka ny tany manontolo” i Satana amin’izao. w24.04 11 § 15-16
Talata 14 Aprily
Tsy hanao ny rariny ve ny Mpitsara ny tany manontolo?—Gen. 18:25.
Tsy miankina amin’ny fotoana ahafatesan’ny olona iray ny hoaviny mandrakizay. Mpitsara lavorary i Jehovah, ka araka ny rariny sy ny hitsiny ny didim-pitsarany. (Sal. 33:4, 5) Afaka matoky isika fa hanao ny rariny ilay “Mpitsara ny tany manontolo.” Ara-dalàna koa raha mieritreritra isika fa tsy miankina amin’ny toerana ipetrahan’ny olona iray ny hoaviny mandrakizay. Misy olona an-tapitrisany, ohatra, mipetraka any amin’ny tany mbola tsy nahafahan-dry zareo naheno ny hafatra momba ilay Fanjakana mihitsy. Sarotra inoana àry hoe tonga dia hosokajin’i Jehovah hoe “osy” izy ireny. (Mat. 25:46) Manao ny rariny mantsy ilay Mpitsara ny tany manontolo, dia mbola mihoatra lavitra noho ny antsika ny fiahiany azy ireny. Tsy haintsika hoe ahoana no hitarihan’i Jehovah ny zava-mitranga mandritra ny fahoriana lehibe. Ho afaka hianatra momba an’i Jehovah sy haneho finoana azy ary hiandany aminy angamba ny sasany amin’izy ireny, rehefa manamasina ny tenany eo anatrehan’ny firenena rehetra i Jehovah.—Ezek. 38:16. w24.05 12 § 14-15
Alarobia 15 Aprily
Mifankatiava ianareo.—Jaona 15:12.
Tia mifanampy ny vahoakan’i Jehovah. (2 Kor. 8:4) Mitaky herim-po anefa izany indraindray. Rehefa mipoaka, ohatra, ny ady dia hitan’ny anti-panahy eo an-toerana hoe mila ampaherezina sy tohanana ny rahalahy sy anabaviny. Hitany koa fa mila omena boky sy gazety angamba ry zareo na zavatra hafa toy ny sakafo. Tia an’ireo ondry ny anti-panahy, dia manao vivery ny ainy mba hanomezana an’izay ilain’izy ireny. Tena zava-dehibe ny miray saina foana rehefa hoatr’izany. Araho ny tari-dalana omen’ny biraon’ny sampana eo an-toerana. (Heb. 13:17) Tokony haverin’ny anti-panahy dinihina matetika koa hoe ahoana no hiomanana ho amin’ny loza, ary inona ny toromariky ny fandaminana momba an’izay tokony hatao rehefa misy loza mananontanona. (1 Kor. 14:33, 40) Miezaha ho be herim-po sy ho mailo foana. (Ohab. 22:3) Mieritrereta tsara aloha vao manao zavatra, dia aza misangy loza. Miantehera amin’i Jehovah. Afaka manampy anao hiaro ny mpiara-manompo izy. w24.07 4 § 8; 5 § 11
Alakamisy 16 Aprily
Tao anatin’ny sarotra aho no niantso an’i Jehovah. ... Ary ren’ny sofiny ny antso vonjy nataoko.—Sal. 18:6.
Nahafantatra an’i Jehovah i Davida Mpanjaka sady niantehitra taminy. Rehefa nanenjika azy ny fahavalony, anisan’izany i Saoly Mpanjaka, dia niantso vonjy tamin’i Jehovah izy. Namaly ny vavaka nataony Andriamanitra dia namonjy azy. Hoy i Davida avy eo: “Velona i Jehovah!” (Sal. 18:46) Inona no tiany hotenenina? Tsy niaiky fotsiny izy hoe misy Andriamanitra. Resahin’ny boky iray momba ny Baiboly fa natoky i Davida hoe “andriamanitra velona” i Jehovah, dia “manampy ny vahoakany foana.” Hitan’i Davida avy tamin’ny zavatra niainany fa velona ny Andriamaniny, dia vao mainka izy tapa-kevitra ny hanompo sy hidera azy. (Sal. 18:28, 29, 49) Hazoto hanompo an’i Jehovah isika raha resy lahatra hoe Andriamanitra velona izy. Hanana hery hiaretana fitsapana isika, ary vao mainka te hiasa mafy ho azy. Ho tapa-kevitra ny hifandray akaiky foana amin’i Jehovah koa isika. w24.06 20-21 § 3-4
Zoma 17 Aprily
Aza avela hisy hamitaka anareo mihitsy.—2 Tes. 2:3.
Inona no ianarantsika avy amin’ny tenin’ny apostoly Paoly ho an’ny Tesalonianina? Mila mahay manavaka isika rehefa maheno zavatra tsy mifanaraka amin’izay nianarantsika tao amin’ny Baiboly, na maheno tantara sarotra inoana. Nandefa taratasy tany amin’ireo rahalahintsika, ohatra, ny fahavalontsika tany amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha. Nolazaina fa avy tany amin’ny foibe mihitsy ilay izy, ary nampirisika ny rahalahy sasany hanangana fandaminana hafa mahaleo tena. Hoatran’ny tena nitombina ny zavatra noresahin’ilay taratasy. Tsy voafitaka anefa ireo rahalahy tsy nivadika. Tonga saina ry zareo hoe tsy nifanaraka tamin’ny zavatra nianarany izay noresahin’ilay taratasy. Hoatr’izany koa amin’izao. Mampiasa ny teknolojia indraindray ny fahavalon’ny fahamarinana, mba hanakorontanana ny saintsika sy hampisara-bazana antsika. Tsy “mora mikorontan-tsaina” isika sady voaro, rehefa mieritreritra tsara raha mifanaraka amin’ny fahamarinana efa nianarantsika ny zavatra henontsika na vakintsika.—2 Tes. 2:2; 1 Jaona 4:1. w24.07 12 § 14-15
Asabotsy 18 Aprily
Raha misy olona sendra manota ..., dia manana mpanampy [isika].—1 Jaona 2:1.
Ny fanapahan-kevitra hoe hanokan-tena ho an’i Jehovah sy ho anisan’ny fianakaviany no fanapahan-kevitra lehibe indrindra ataon’ny olona iray. Tian’i Jehovah hanao an’izany ny olon-drehetra. Tiany mantsy ny olona ary mitady ny tsara indrindra ho azy ireo izy. Tiany hinamana aminy sy hiaina mandrakizay daholo isika. (Deot. 30:19, 20; Gal. 6:7, 8) Tsy manery an’iza na iza hanompo azy anefa i Jehovah fa ny tsirairay no avelany hanapa-kevitra. Ahoana àry raha misy Kristianina vita batisa mandika ny lalàn’Andriamanitra ka manao fahotana lehibe? Tsy maintsy esorina tsy ho anisan’ny fiangonana izy raha tsy mibebaka. (1 Kor. 5:13) Na izany aza, dia mbola manantena mafy i Jehovah hoe hiverina aminy ilay olona nanota. Izay mihitsy, raha ny marina, no antony nanomezany ny vidim-panavotana: Mba hahafahany mamela ny heloky ny mpanota mibebaka. Manambitamby ny mpanota ilay Andriamanitsika be fitiavana ary miangavy azy ireo hibebaka.—Zak. 1:3; Rom. 2:4; Jak. 4:8. w24.08 14 § 1-2
Alahady 19 Aprily
Raha manana fo hendry ianao, anaka, dia ho faly ny foko.—Ohab. 23:15.
Nisy olona efa nanaparitaka fampianaran-diso sy nampisaratsaraka ny Kristianina, tamin’ny fotoana nanoratan’ny apostoly Jaona an’ilay taratasiny fahatelo. Mbola nisy ‘nanaraka ny fahamarinana’ foana anefa. Nankatò an’i Jehovah ry zareo sady ‘nankatò ny didiny.’ (2 Jaona 4, 6) Tsy i Jaona ihany no faly rehefa tsy nivadika ireny Kristianina ireny fa i Jehovah koa. (Ohab. 27:11) Inona no lesona ho antsika? Mahafaly ny hoe tsy mivadika. (1 Jaona 5:3) Faly, ohatra, isika rehefa mahafantatra hoe mampifaly an’i Jehovah. Faly i Jehovah rehefa tsy manaiky ho resin’ny fakam-panahy isika ary manaiky ny fahamarinana. Faly koa ny anjely any an-danitra. (Lioka 15:10) Faly koa isika rehefa mahita ny olon-kafa tsy mivadika. (2 Tes. 1:4) Ho afa-po àry isika rehefa rava izao tontolo izao, satria fantatsika hoe nahavita tsy nivadika tamin’i Jehovah isika teo amin’ny tontolo nanjakan’i Satana. w24.11 12 § 17-18
Alatsinainy 20 Aprily
Aoka ny tsirairay hitady foana an’izay hahasoa ny hafa, fa tsy izay hahasoa ny tenany.—1 Kor. 10:24.
Hafiriana ianao no tokony handinika olona iray, alohan’ny hilazanao aminy hoe mahaliana anao izy? Raha miresaka aminy aloha loatra ianao, dia mety hieritreritra izy hoe taitaitra fotsiny ianao. (Ohab. 29:20) Raha miandry ela loatra indray anefa ianao, dia mety hihevitra izy hoe tsy tena tapa-kevitra ianao, indrindra raha hitany hoe taratara aminy. (Mpito. 11:4) Alohan’ny hiresahanao aminy dia tadidio hoe tsy voatery ho resy lahatra ianao hoe hanambady azy. Tokony ho resy lahatra kosa ianao hoe efa vonona ny hanambady, ary mety ho vady tsara ho anao ilay olona. Ahoana anefa raha misy olona hitanao hoe liana aminao? Raha tsy tia azy ianao, dia ataovy hita mazava tsara amin’ny fihetsikao izany. Tsy tsara fanahy ianao raha ataonao izay hahatonga azy hieritreritra hoe mety hiaraka aminy ihany ianao nefa tsy izany akory no izy.—Efes. 4:25. w24.05 23 § 9-10
Talata 21 Aprily
Ho avy indray [aho] ka handray anareo any amiko.—Jaona 14:3.
Izay tena voahosotra sy mendri-pitokisana ihany no “hoentina”, izany hoe horaisin’i Jesosy ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra. Tsy hangonina miaraka amin’ny ‘olom-boafidy’ izay voahosotra tsy manohy miambina. (Mat. 24:31) Raha ny marina, dia mila manaraka an’ilay fampitandreman’i Jesosy hoe tsy maintsy miambina foana sy tsy mivadika mihitsy ny vahoakan’Andriamanitra rehetra, na inona na inona fanantenany. Matoky ny didim-pitsaran’i Jehovah isika satria efa fantatsika tsara izy. Tsy manahy àry isika raha misy olona tsy mivadika nofidin’i Jehovah ho lasa voahosotra, tato ho ato. Tsaroantsika mantsy izay nolazain’i Jesosy momba an’ireo mpiasa nasaina hiasa tamin’ny ora faha-11, tao amin’ilay fanoharana momba ny tanimboaloboka. (Mat. 20:1-16) Nitovy tamin’ny karama azon’ireo niasa taloha kokoa ny karama azon-dry zareo. Hahazo valisoa any an-danitra koa ny voahosotra, na oviana na oviana izy no nofidina, raha hita hoe tsy mivadika rehefa tsaraina. w24.09 24 § 15-17
Alarobia 22 Aprily
Nijaly ho anareo [i Kristy], ka nanome modely ho anareo mba hanarahanareo akaiky ny diany.—1 Pet. 2:21.
Modely tonga lafatra amin’ny fomba iaretana ny tsy rariny i Jesosy. Nanao ny tsy rariny taminy, na ny fianakaviany na ny olon-kafa. Eritrereto ange izany e! Tsy nino azy ny havany dia nilaza fa lasa adala izy. Ny mpitondra fivavahana koa niampanga azy hoe mpiara-miasa tamin’ny demonia. Ny miaramila romanina indray naneso azy sy nampijalijaly azy ary namono azy ho faty mihitsy. (Mar. 3:21, 22; 14:55; 15:16-20, 35-37) Niaritra an’izany tsy rariny rehetra izany i Jesosy nefa tsy namaly faty. Inona no ianarantsika avy aminy? (1 Pet. 2:21-23) Nanome modely lavorary ho antsika i Jesosy ny amin’izay tokony hatao rehefa iharan’ny tsy rariny. Fantany hoe rahoviana izy no tokony hangina dia rahoviana no tokony hiteny. (Mat. 26:62-64) Tsy hoe namaly foana izy isaky ny nisy nanendrikendrika. (Mat. 11:19) Rehefa niteny indray izy, dia tsy nanambanimbany an’ireo mpanenjika azy, na nandrahona azy ireo. w24.11 4-5 § 9-10
Alakamisy 23 Aprily
Tonga teto amin’izao tontolo izao i Kristy Jesosy mba hamonjy ny mpanota.—1 Tim. 1:15.
Eritrereto hoe manome fanomezana sarobidy ho an’ny olona iray tianao ianao. Tsara tarehy ilay izy sady tena ilainy. Ahoana anefa raha ampiriminy fotsiny ilay izy dia tsy raharahiany? Azo antoka hoe halahelo be ianao. Ho faly kosa ianao raha ampiasainy tsara ilay izy sady asehony hoe mankasitraka anao izy. Nanome antsika ny Zanany koa i Jehovah. Tsy maintsy hoe faly be izao i Jehovah mahita antsika mankasitraka an’io fanomezana sarobidy io sy mankasitraka ny fitiavany, izay nahatonga azy hanome ny vidim-panavotana. (Jaona 3:16; Rom. 5:7, 8) Mety hanamaivana ny vidim-panavotana anefa isika rehefa mandeha ny fotoana. Faly isika nahazo an’io fanomezana avy amin’Andriamanitra io, nefa hoatran’ny hoe ampirimintsika fotsiny ilay izy. Ahoana no hatao raha tsy tiantsika hitranga izany? Tsy maintsy misaintsaina matetika an’izay nataon’Andriamanitra sy Kristy ho antsika isika. w25.01 26 § 1-2
Zoma 24 Aprily
Eritrereto tsara ireo zavatra ireo, ary mifantoha tanteraka amin’izany, mba ho hitan’ny olona rehetra ny fandrosoanao.—1 Tim. 4:15.
Tsy zazavao amin’ny finoana ny rahalahy mahafeno fepetra ho anti-panahy. Marina hoe tsy voatery ho vita batisa an-taonany maro ianao, nefa mila fotoana ihany mba ho lasa Kristianina matotra. Alohan’ny hanendrena anao ho anti-panahy, dia tsy maintsy asehonao hoe manetry tena hoatran’i Jesosy ianao, ary vonona hiandry an’i Jehovah mba hanome andraikitra fanampiny anao. (Mat. 20:23; Fil. 2:5-8) Asehonao hoe “tsy mivadika” ianao raha mifikitra amin’i Jehovah sy ny fitsipiny sady manaraka ny toromarika omeny amin’ny alalan’ny fandaminany. Milaza mazava ny Soratra Masina hoe tsy maintsy mahay mampianatra ny mpiandraikitra. Midika ve izany hoe tsy maintsy mahay mandaha-teny be ianao? Tsy izany ka! Betsaka ny anti-panahy mahafeno fepetra tsara, nefa tsy hoe mahay mandaha-teny be. Mahay mampianatra tsara ry zareo rehefa eny amin’ny fanompoana sy rehefa manao fitsidihan’ny mpiandry. w24.11 23-24 § 14-15
Asabotsy 25 Aprily
[Tiako] ny didinao mihoatra noho ny volamena, na dia ny volamena tena tsara aza.—Sal. 119:127.
Rehefa misy hevitra tsy azonao tsara ao amin’ny Baiboly, dia manaova fikarohana. Saintsaino mandritra ny andro avy eo ilay zava-baovao hitanao. Saintsaino koa izay ianaranao momba an’i Jehovah sy ny Zanany ary ny fitiavan-dry zareo anao. (Sal. 119:97) Aza kivy raha tsy mahita zava-baovao na zavatra mahaliana be ianao indraindray rehefa mamaky Baiboly na manao fikarohana. Hoatran’ny olona manasivana volamena mantsy ianao. Manam-paharetana ireny olona ireny ka vonona handany ora maro na andro maro mihitsy mba hahitana volamena, na dia potiny kely aza. Mikiry foana anefa ry zareo satria na volamena kely fotsiny aza dia sarobidy aminy. Mbola sarobidy lavitra noho izany anefa ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly! (Ohab. 8:10) Manàna àry faharetana dia aza tapahina mihitsy ny famakianao Baiboly.—Sal. 1:2. w25.01 25 § 14-15
Alahady 26 Aprily
Namela tanteraka ny helokareo i Jehovah, ka mba manaova hoatr’izany koa ianareo.—Kol. 3:13.
Tian’i Jehovah hamela ny hafa isika. (Sal. 86:5; Lioka 17:4; Efes. 4:32) Mety handratra ny fontsika izay lazain’ny olona na ataony amintsika, indrindra raha namantsika be izy na fianakaviantsika. (Sal. 55:12-14) Marary be ny fontsika indraindray, hoatran’ireny hoe nisy nanatsatoka antsy ireny. (Ohab. 12:18) Mety hokobonintsika fotsiny izay tsapantsika, na isika miezaka tsy hiraharaha an’izany. Hoatran’ny hoe avelantsika ao anaty fery ilay antsy raha izany. Tsy ho tony mihitsy koa ny ao anatintsika ao raha tsy raharahiantsika tsotra izao ny fihetseham-pontsika. Mety ho tonga dia sosotra isika rehefa misy olona manafintohina antsika. Na ny Baiboly aza manaiky hoe mety ho tezitra isika. Mampitandrina antsika anefa izy io mba tsy hanaiky hobaikoin’izany fihetseham-po izany. (Sal. 4:4; Efes. 4:26) Fa maninona? Satria mahalana vao mitondra vokany tsara ny hatezerana. (Jak. 1:20) Tadidio hoe ara-dalàna isika raha tezitra fa safidy ilay hoe ho tezitra eny foana sa tsia. w25.02 15 § 4-6
Alatsinainy 27 Aprily
Miaro ny ain’izay manana azy [ny fahendrena].—Mpito. 7:12.
Nasehon’i Jesosy tamin’ny fanoharana iray fa hadalana ny hoe manangom-bola nefa tsy “manankarena eo imason’Andriamanitra.” (Lioka 12:16-21) Tsy misy mahalala an’izay havoakan’ny ampitso isika. (Ohab. 23:4, 5; Jak. 4:13-15) Misy olana atrehintsika mpanara-dia an’i Kristy koa anefa. Efa nilaza mantsy i Jesosy hoe tsy maintsy vonona ‘hamoy’ ny fananany rehetra izay te ho lasa mpianany. (Lioka 14:33) Nanaiky hamoy fananana hoatr’izany ny Kristianina tany Jodia, tamin’ny taonjato voalohany, nefa mbola faly ihany. (Heb. 10:34) Betsaka koa amin’izao ny mpiara-manompo tsy maintsy namoy vola sy fananana, satria tsy manaiky hiditra ao amin’ny antoko politika. (Apok. 13:16, 17) Inona no nanampy an-dry zareo hahavita an’izany? Natoky tanteraka an’ity fampanantenan’i Jehovah ity izy ireo: “Tsy handao anao mihitsy aho, ary tsy hahafoy anao mihitsy.” (Heb. 13:5) Manao an’izay azo atao isika mba hitsinjovana ny vodiandro ho merika, ary matoky ny fanohanan’i Jehovah rehefa misy zavatra tsy ampoizina. w25.03 29 § 13-14
Talata 28 Aprily
Efa nilaozantsika ny fampianarana fototra momba an’i Kristy. Noho izany, dia andao isika hiezaka handroso haingana mba ho matotra, fa tsy hiverina amin’ny fampianarana fototra indray.—Heb. 6:1.
I Jehovah tsy manantena hoe ho vitantsika irery ny hihamatotra. Efa nampiofanina hanampy antsika ho lasa “olon-dehibe” ara-panahy ny mpiandry sy ny mpampianatra ao amin’ny fiangonana, amin’izay isika “ho lasa matotra tanteraka hoatran’i Kristy.” (Efes. 4:11-13) Manome ny fanahiny masina koa i Jehovah mba hanampiana antsika hanana “ny sain’i Kristy.” (1 Kor. 2:14-16) Tsy izay ihany fa nampanoratra ny Filazantsara efatra izy, mba hahitantsika hoe ahoana no nataon’i Jesosy rehefa nieritreritra sy niteny ary nanao zavatra nandritra ny fanompoany tetỳ. Ho tratranao ilay tanjonao hoe ho matotra, raha manahaka ny fomba fisainan’i Jesosy sy ny fanaovany zavatra ianao. Raha te hihamatotra anefa isika, dia tsy maintsy ‘ilaozantsika [koa] ny fampianarana fototra momba an’i Kristy.’ w24.04 4-5 § 11-12
Alarobia 29 Aprily
Hiambina anao ny fahaiza-misaina, ary hiaro anao ny fahaiza-mandinika.—Ohab. 2:11.
Mandray fanapahan-kevitra foana isika isan’andro. Tsotra ny fanapahan-kevitra sasany, ohatra hoe inona no hatao sakafo maraina, na hoe amin’ny firy no hatory. Sarotra kosa ny fanapahan-kevitra sasany. Mety hisy vokany amin’ny fahasalamantsika mantsy izy ireny, na amin’ny fifaliantsika, na amin’ny olona akaiky antsika, na amin’ny fanompoantsika. Tiantsika raha mahasoa antsika sy ny fianakaviantsika ny fanapahan-kevitsika. Ny tena zava-dehibe anefa dia hoe mampifaly an’i Jehovah ilay izy. (Rom. 12:1, 2) Mila manangona fanazavana aloha isika raha te handray fanapahan-kevitra tsara. Nahoana izany no zava-dehibe? Eritrereto hoe marary mafy ny olona iray dia mankany amin’ny dokotera. Tonga dia hanapa-kevitra ve ilay dokotera hoe izao no fomba hitsaboana an’ilay marary, nefa izy aza mbola tsy nijery na nanontany azy akory? Mazava ho azy fa tsia. Hoatr’izany koa fa hahay hanapa-kevitra kokoa ianao raha manangona fanazavana aloha. w25.01 14 § 1-3
Alakamisy 30 Aprily
Mamela ny fahotanao i Jehovah, ka tsy ho faty ianao.—2 Sam. 12:13.
Inona no fantatsika momba ny famindram-pon’i Jehovah? Ahoana no nampisehoany hoe “tsy tiany hisy ho ringana ny olona”? (2 Pet. 3:9) Diniho ny fomba nanehoany famindram-po tamin’ny olona sasany nanao fahotana lehibe. Nanao fahotana lehibe maromaro, ohatra, i Davida Mpanjaka, anisan’izany ilay hoe nijangajanga sy namono olona. Nibebaka anefa i Davida, dia namindra fo taminy i Jehovah ka namela ny helony. (2 Sam. 12:1-12) Nanao zavatra ratsy be koa i Manase Mpanjaka, efa ho nandritra ny fiainany manontolo. Na faran’izay ratsy aza anefa ny nataony, dia hitan’i Jehovah hoe mendrika ny hahazo famindram-po sy famelan-keloka izy satria nibebaka. (2 Tan. 33:9-16) Mampahatsiahy antsika ireo ohatra ireo fa mamindra fo i Jehovah, isaky ny mahita antony hanaovana an’izany. Hatsangany ny olona hoatr’izany, satria nahatsapa hoe nanao fahotana mahatsiravina dia nibebaka. w24.05 4 § 12