FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • es26 p. 17-26
  • Febroary

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Febroary
  • Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2026
  • Lohatenikely
  • Alahady 1 Febroary
  • Alatsinainy 2 Febroary
  • Talata 3 Febroary
  • Alarobia 4 Febroary
  • Alakamisy 5 Febroary
  • Zoma 6 Febroary
  • Asabotsy 7 Febroary
  • Alahady 8 Febroary
  • Alatsinainy 9 Febroary
  • Talata 10 Febroary
  • Alarobia 11 Febroary
  • Alakamisy 12 Febroary
  • Zoma 13 Febroary
  • Asabotsy 14 Febroary
  • Alahady 15 Febroary
  • Alatsinainy 16 Febroary
  • Talata 17 Febroary
  • Alarobia 18 Febroary
  • Alakamisy 19 Febroary
  • Zoma 20 Febroary
  • Asabotsy 21 Febroary
  • Alahady 22 Febroary
  • Alatsinainy 23 Febroary
  • Talata 24 Febroary
  • Alarobia 25 Febroary
  • Alakamisy 26 Febroary
  • Zoma 27 Febroary
  • Asabotsy 28 Febroary
Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2026
es26 p. 17-26

Febroary

Alahady 1 Febroary

Voninahitra ho an’ny olona ny mifehy tena tsy hifamaly, fa ny tsisy saina rehetra kosa miditra amin’ilay fifamaliana.​—Ohab. 20:3.

Tena ilain’ny fiangonana ny rahalahy manana toetra tsara. Mampisy fihavanana, ohatra, ny “mpandefitra.” Raha tianao hoe mpandefitra no hahafantarana anao, dia henoy ny hafa ary miezaha hahatakatra ny fomba fiheviny. Eritrereto hoe miara-mivory amin’ny anti-panahy hafa ianao. Vonona hanohana ny fanapahan-kevitry ny ankamaroany ve ianao raha tsy misy lalàna na torolalan’ny Baiboly voadika? Aza misisika hoe ny hevitrao foana no arahina rehefa misy zavatra atao. Ekeo hoe ilaina ny mpanoro hevitra be dia be. (Gen. 13:8, 9; Ohab. 15:22) Miezaha ho tsara fanahy sy mahay mandanjalanja ianao fa aza masiaka na mila vaniny. Tia fihavanana ianao ka manao ny dingana voalohany mba hihavanana amin’olona, na dia rehefa mihenjana aza ny tady. (Jak. 3:17, 18) Mety hihatony ny olona tezitra, anisan’izany ny mpanohitra antsika, raha tsara fanahy ianao rehefa miresaka aminy.​—Mpits. 8:1-3; Ohab. 25:15; Mat. 5:23, 24. w24.11 23 § 13

Alatsinainy 2 Febroary

Hirahiny ny anjely ka hangonin’izy ireo avy any amin’ny vazan-tany efatra ny olom-boafidiny, hatrany amin’ny faran’ny tany ka hatrany amin’ny faravodilanitra.​—Mar. 13:27.

Marina hoe maty “indray mandeha fotsiny” i Kristy, nefa mbola manao sorona ho antsika foana izy. (Rom. 6:10) Ahoana izany? Mbola manokana fotoana sy hery ho antsika foana izy mba handraisantsika soa avy amin’ny vidim-panavotana. Eritrereto daholo ange ny asa ataony e! Izy izao no Mpanjakantsika, Mpisoronabe, ary lohan’ny fiangonana. (1 Kor. 15:25; Efes. 5:23; Heb. 2:17) Izy no miandraikitra ny fanangonana ny voahosotra sy ny vahoaka be, ary tokony ho vita alohan’ny faran’ny fahoriana lehibe izany. (Mat. 25:32) Ataony ampy sakafo ara-panahy foana koa ny mpanompony tsy mivadika, amin’izao andro farany izao. (Mat. 24:45) Mbola hanao zavatra ho antsika foana izy mandritra ny Fanjakana Arivo Taona. Tena nomen’i Jehovah ho antsika tokoa ny Zanany! w25.01 24 § 12

Talata 3 Febroary

Fanomezana maimaim-poana ilay hoe nambara hoe olo-marina izy ireo noho ny hatsaram-panahy miavaka asehon’Andriamanitra. Ary nampiseho an’izany hatsaram-panahy izany Andriamanitra rehefa nanome ny vidim-panavotana naloan’i Kristy Jesosy mba hanafahana azy ireo.​—Rom. 3:24.

Rehefa mamela antsika i Jehovah, dia mamela tanteraka ary afaka matoky isika hoe tsy hanasazy antsika intsony izy amin’ny hoavy. Ho afaka hifandray tsara amin’ilay Raintsika any an-danitra isika amin’izay. Mila mitadidy koa isika hoe fanomezana ny tena famelan-keloka. Mampiseho an’izany amin’ny olombelona mpanota i Jehovah, satria tia azy ireo sady maneho hatsaram-panahy miavaka aminy. Tsy hoe zontsika olombelona izany dia takintsika aminy. Tokony ho velom-pankasitrahana an’i Jehovah isika tsirairay noho izy Andriamanitry ny “tena famelan-keloka”! (Sal. 130:4; Rom. 4:8) Misy zava-dehibe tsy maintsy ataontsika anefa vao ho voavela ny helotsika. Izao no nohazavain’i Jesosy: ‘Raha tsy mamela ny heloky ny olona ianareo, dia tsy hamela ny helokareo koa ny Rainareo.’ (Mat. 6:14, 15) Mazava àry fa tena ilaina ny hoe mamela heloka hoatran’i Jehovah. w25.02 13 § 18-19

Alarobia 4 Febroary

Hatsangan’Andriamanitra ny marina sy ny tsy marina.​—Asa. 24:15.

Eritrereto ny olona tany Sodoma sy Gomora. Niara-nipetraka tamin-dry zareo ilay olo-marina atao hoe Lota. Nahavita nitory tamin’izay rehetra tao ve anefa izy? Tsy haintsika izany. Ratsy fanahy aloha ry zareo e! Hain’izy rehetra ve anefa ny nanavaka ny tsara sy ny ratsy? Tadidio fa nisy lehilahy be dia be avy tao amin’io tanàna io nitady hanao firaisana tamin’ny vahinin’i Lota. Milaza ny Baiboly fa tonga daholo “hatramin’ny ankizilahikely ka hatramin’ny lahiantitra.” (Gen. 19:4; 2 Pet. 2:7) Afaka manizingizina ve anefa isika fa nanapa-kevitra ilay Andriamanitra mamindra fo hoe tsy hatsangany amin’ny maty intsony ny tsirairay amin’ireny olona naringany ireny? Marina fa nanome toky an’i Abrahama i Jehovah hoe tsy ampy folo akory ny olo-marina tao amin’io tanàna io. (Gen. 18:32) Olona tsy marina izany ry zareo, dia rariny i Jehovah raha nandringana azy noho ny zavatra nataony. Tena afaka milaza ve anefa isika hoe tsy hisy amin-dry zareo ho anisan’ireo ‘tsy marina hatsangana’? Tsy afaka milaza an’izany isika! w24.05 2 § 3; 3 § 8

Alakamisy 5 Febroary

Katsaho foana ... aloha ilay Fanjakana sy ny fahamarinan’Andriamanitra, dia homena anareo koa izany rehetra izany.​—Mat. 6:33.

Miovaova be ny toe-karena, dia nanaiky hanao asa lavitra ny fianakaviany ny olona sasany. Hita anefa matetika hoe tsy fahendrena izany. Alohan’ny hanekenao asa iray àry, dia aza ny karama fotsiny no eritreretina fa jereo koa ny vokatr’ilay izy amin’ny ara-panahinao sy ny an’ny fianakavianao. (Lioka 14:28) Eritrereto izao: ‘Hanao ahoana ny tokantranoko raha lavitra ny vadiko aho? Ary hanao ahoana ny fivoriana sy ny fanompoako ary ny fifandraisako amin’ny mpiara-manompo?’ Raha manan-janaka ianao dia misy fanontaniana lehibe mila eritreretinao koa ity: ‘Ahoana no hahafahako mitaiza ny zanako “araka izay anatra omen’i Jehovah sy izay atorony” raha lavitra an-dry zareo aho?’ (Efes. 6:4) Ny fomba fisainan’Andriamanitra no avelao hitarika anao fa tsy ny fomba fisainan’ny havana sy namana tsy mankatò ny torolalan’ny Soratra Masina. w25.03 29 § 12

Zoma 6 Febroary

Tsy tokony ho zaza intsony ... isika.​—Efes. 4:14.

Mora ‘fitahina’ sy ‘fetsifetsena’ ny Kristianina tsy mihamatotra, sady mora mino tsaho sy izay lazain’ny mpivadi-pinoana. Mora mialona koa izy, tia miady aman’olona, mora tezitra, na tsy mahatohitra fakam-panahy. (1 Kor. 3:3) Ampitovin’ny Soratra Masina amin’ny ankizy mihalehibe ilay hoe mihamatotra ara-panahy. (Efes. 4:15) Mbola tsy misaina tsara ny ankizy, sady mila arahi-maso. Mety hotantanan’ny mamany, ohatra, ny zanany vavikely rehefa miampita arabe. Rehefa mihalehibe anefa izy, dia mety havelan’ny mamany hiampita irery, nefa mbola ampahatsiahiviny mba hijery ny havia sy havanana aloha. Rehefa lasa olon-dehibe kosa izy, dia izy ihany dia efa mitandrina amin’ireny loza ireny. Hoatr’izany koa fa rehefa lasa matotra ny Kristianina iray, dia mandinika ny torolalan’ny Baiboly izy mba hahalalana ny hevitr’i Jehovah. Manao zavatra mifanaraka amin’izany izy avy eo. w24.04 3 § 5-6

Asabotsy 7 Febroary

Jehovah ô, iza no afaka mivahiny ao amin’ny tranolainao?​—Sal. 15:1.

Nandritra ny fotoana elaela, dia izay niara-nipetraka tamin’Andriamanitra tany an-danitra ihany no afaka ninamana taminy. Nitariny anefa ny tranolainy tatỳ aoriana, ka afaka nankao koa ny olombelona tetỳ an-tany. Anisan’ny nahazo an’izany tombontsoa izany i Enoka, Noa, Abrahama, ary Joba. Nantsoina hoe naman’Andriamanitra ireo mpanompony ireo, na “niara-nandeha tamin’ilay tena Andriamanitra.” (Gen. 5:24; 6:9; Joba 29:4; Isaia 41:8) Mbola nanasa ny namany hivahiny tao aminy foana i Jehovah nandritra ny taonjato maro. (Ezek. 37:26, 27) Ianarantsika ao amin’ny faminanian’i Ezekiela, ohatra, hoe tena tian’Andriamanitra hifandray akaiky aminy ny mpanompony tsy mivadika. Mampanantena izy fa hanao “fifanekem-pihavanana amin’izy ireo.” Rahoviana izany no hitranga? Rehefa lasa “andiany iray” ireo manantena hiaina any an-danitra sy ireo manantena hiaina eto an-tany, ka ho tafaray ao amin’ny tranolainy. (Jaona 10:16) Efa tanteraka amin’izao izany! w24.06 2 § 2, 4; 3 § 5

Alahady 8 Febroary

Nampian’ilay Andriamanitsika ho sahy [izahay].​—1 Tes. 2:2.

Vahoakan’i Jehovah isika, dia manohana amin’ny fo manontolo ny Fanjakan’Andriamanitra. (Mat. 6:33) Ilana herim-po anefa izany matetika. Mila herim-po, ohatra, isika mba hampiharana ny fitsipik’i Jehovah sy hitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana eto amin’izao tontolo ratsy izao. Mitaky herim-po koa matetika ny tsy miandany amin’iza na iza amin’ny resaka politika satria mihamisara-bazana ny olona. (Jaona 18:36) Betsaka amin’ny vahoakan’i Jehovah àry no namoy vola sy fananana, nampijalijalina, na nogadraina noho ry zareo tsy nety nanao politika na raharaha miaramila. Mahazo hery sy lasa be herim-po isika, rehefa mandinika ny modelin’ireo olona be herim-po manohana ny fitondran’i Jehovah. Tsy nanaiky hidikiditra tamin’ny politikan’ny tontolon’i Satana mihitsy, ohatra, i Kristy Jesosy Mpanjakantsika. (Mat. 4:8-11; Jaona 6:14, 15) Niantehitra tamin’ny hery nomen’i Jehovah foana izy. w24.07 3 § 4; 4 § 7

Alatsinainy 9 Febroary

Nakany ... ny voan’ilay [hazo] ka nohaniny. Nomeny koa ny vadiny avy eo rehefa tafaraka taminy, dia nihinana.​—Gen. 3:6.

Nasain’i Jehovah nosoratana ao amin’ny Baiboly io tantara mampalahelo io mba hahasoa antsika. Manampy antsika hahazo izy io hoe maninona no tsy tiany maizina ny ota. Mampisaraka antsika amin’ilay Raintsika ny ota ary mahatonga antsika ho faty. (Isaia 59:2) Izany no mahatonga an’i Satana, ilay fototry ny olana rehetra, ho tia ota sy hampirisika ny olona hanota. Nieritreritra angamba io anjely nikomy io hoe nandresy izy tamin’ilay zava-nitranga tao Edena. Tsy takany anefa ny haben’ny fitiavan’i Jehovah. Tsy novan’Andriamanitra mihitsy ny fikasany ho an’ny taranak’i Adama sy Eva. Tonga izy dia nanome fanantenana ny olombelona rehetra satria tiany ry zareo. (Rom. 8:20, 21) Fantatr’i Jehovah hoe hisy amin’ny taranak’izy mivady hifidy ny ho tia azy sy hitady ny fanampiany mba hiadiana amin’ny ota. Izy no Rain-dry zareo sy Mpamorona azy, dia nitady hevitra izy mba ho afaka amin’ny ota sy hifandray aminy ry zareo. w24.08 3 § 3-4

Talata 10 Febroary

[Fantaro] izay zava-dehibe kokoa.​—Fil. 1:10.

Be atao ny ankamaroan’ny vahoakan’i Jehovah. Miasa, ohatra, ny ankamaroantsika mba hahazoana an’izay ilaintsika sy ny fianakaviantsika. (1 Tim. 5:8) Betsaka koa ny Kristianina mikarakara havana marary na be taona. Isika rehetra mihitsy koa no mila mikarakara ny fahasalamantsika, ary mitaky fotoana izany. Eo koa ny zavatra ampanaovina antsika ao amin’ny fiangonana. Anisan’ny andraikitsika lehibe indrindra ilay hoe mazoto mitory. Anisan’ny “zava-dehibe kokoa” amintsika Kristianina ilay hoe mamaky Baiboly, ka tsy maintsy ataontsika loha laharana. Izao no resahin’ny salamo voalohany momba ny olona lazaina hoe sambatra: “Ny lalàn’i Jehovah no mahafinaritra azy, ary ny lalàny no vakiny sy saintsaininy andro aman’alina.” (Sal. 1:1, 2) Hita amin’izany hoe mila manokana fotoana hamakiana Baiboly isika. Rahoviana anefa ny fotoana mety indrindra hanaovana an’izany? Mety ho samy hafa aloha ny valin-tenintsika tsirairay e! Raha tsorina anefa dia tokony hoe fotoana hahafahanao manao an’ilay izy tsy tapaka no hofidinao. w24.09 3 § 5-6

Alarobia 11 Febroary

Samy hitondra ny entany avy ... ny tsirairay.​—Gal. 6:5.

Mahavita tena ve ny Kristianina matotra? Tsy izany! Mila mangataka fanampiana izy indraindray. Ny olona tsy matotra anefa manantena hoe ny olon-kafa no hilaza aminy an’izay tokony hataony na handray fanapahan-kevitra eo amin’ny toerany. Ny Kristianina matotra kosa mandray lesona avy amin’ny fahendrena sy ny traikefan’ny hafa, sady manaiky hoe tian’i Jehovah “hitondra ny entany” izy. Samy manana ny bikabikany sy ny paoziny ny olon-dehibe. Hoatr’izany koa fa tsy voatery hitovy toetra daholo ny Kristianina matotra. Ny sasany, ohatra, tena hendry, fa ny hafa indray be herim-po. Misy koa malala-tanana, moa ny hafa tena mahay mangoraka. Na dia miatrika zavatra mitovy koa aza ny Kristianina matotra roa, dia mety ho samy hafa ny fomba fahitany an’ilay izy, nefa samy tsy mifanohitra amin’izay voalazan’ny Soratra Masina. Hoatr’izany mihitsy rehefa misy zavatra miankina amin’ny feon’ny fieritreretana. Tsy mifampitsaratsara àry ry zareo, fa miezaka hiray saina foana.​—Rom. 14:10; 1 Kor. 1:10. w24.04 4 § 7-8

Alakamisy 12 Febroary

Rehefa be dia be ny zavatra nampitebiteby ahy, dia nampionona sy nampitony ahy ianao.​—Sal. 94:19.

Ahoana raha misalasala ianao raha tena misy vidiny? Vakio ny andininy ao amin’ny Baiboly manome toky anao hoe sarobidy amin’i Jehovah ianao ary saintsaino izy ireny. Aza masiaka loatra amin’ny tenanao raha nisy tanjona tsy tratranao, na kivy ianao satria tsy mahavita be hoatran’ny hafa. Tsy mitaky zavatra tsy ho vitanao mihitsy i Jehovah. (Sal. 103:13, 14) Raha nisy nampijaly ianao, dia aza manamelo-tena noho ny zavatra nataon’ilay olona. Tsy mendrika ny hampijalina ianao! Tadidio fa ny mpanao ratsy no ampamoahin’i Jehovah fa tsy izay olona nampijalina. (1 Pet. 3:12) Aza misalasala mihitsy hoe afaka mampiasa anao i Jehovah mba hanampiana ny hafa. Nomeny voninahitra ianao hiara-miasa aminy eny amin’ny fanompoana. (1 Kor. 3:9) Azo inoana hoe hahay hipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa ianao noho ny zavatra niainanao ary hahazo tsara an’izay tsapany. Betsaka àry no azonao atao mba hanampiana an-dry zareo. w24.10 7-8 § 6-7

Zoma 13 Febroary

Tsy hataon’Andriamanitra mahazo rariny ... ve ny olom-boafidiny izay mitaraina aminy andro aman’alina, na dia hoe manam-paharetana amin’izy ireo aza izy? Lazaiko aminareo fa hataony haingana izay hanomezana rariny azy ireo.​—Lioka 18:7, 8.

Tena zava-dehibe amin’i Jehovah ny fomba itondran’ny olona antsika. “Tia rariny [mantsy] i Jehovah.” (Sal. 37:28) Manome toky antsika i Jesosy fa hataon’i Jehovah “haingana” izay hampiharana ny rariny amin’ny fotoana mety. Tsy ho ela koa i Jehovah dia hanafoana ny fijaliantsika sy ny tsy rariny rehetra. (Sal. 72:1, 2) Manampy antsika hiaritra ny tsy rariny i Jehovah, eo am-piandrasantsika ny fotoana hanjakan’ny fahamarinana. (2 Pet. 3:13) Ampianariny antsika hoe inona no hanampy antsika tsy hanaonao foana rehefa iharan’ny tsy rariny isika. Nanome ny Zanany izy, ohatra, mba ho modely lavorary ho antsika. Omeny torohevitra azo ampiharina koa isika. w24.11 2-3 § 3-4

Asabotsy 14 Febroary

Omeo zavatra hohanina [ry zareo].​—Mat. 14:16.

Nasain’i Jesosy nomena sakafo ny vahoaka. Sarotra izany satria nisy lehilahy 5 000 teo ho eo tamin’izay, niaraka tamin’ny vehivavy sy ny ankizy. Mety ho nahatratra 15 000 izany ny olona nila nomena sakafo. (Mat. 14:21) Niteny i Andrea avy eo hoe: “Intỳ misy ankizilahikely manana mofo dimy sy trondro madinika roa. Izany anefa ve dia ho ampy an’ireo olona be dia be ireo?” (Jaona 6:9) Fihinan’ny mahantra sy ny olon-kafa ny mofo vita amin’ny vary orza tamin’izany. Mety ho nasiana sira sy nohamainina koa ilay trondro madinika. Tsy ho ampy an’ireo olona be dia be ireo mihitsy ny sakafo tany amin’ilay ankizilahy. Te hikarakara sy hanampy an’ilay vahoaka i Jesosy, dia nasainy naka toerana teo amin’ny bozaka ry zareo ary nasainy nitsitokotoko. (Mar. 6:39, 40; Jaona 6:11-13) Nisaotra ny Rainy izy avy eo tamin’ilay mofo sy ilay trondro. Nety tsara izany satria avy amin’Andriamanitra ny sakafo. Tena ilaina ny manahaka ny ohatr’i Jesosy, izany hoe mivavaka alohan’ny hisakafo. Nasain’i Jesosy nozaraina ilay sakafo avy eo, dia nihinana ilay vahoaka ary voky. w24.12 2-3 § 3-4

Alahady 15 Febroary

Derao i Jehovah Andriamanitrareo.​—1 Tan. 29:20.

Nanao fahagagana be dia be i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany. Nanome voninahitra ny Rainy izy rehefa niaiky hoe Izy no nahavitany an’ireny. (Mar. 5:18-20) Nanome voninahitra an’i Jehovah koa i Jesosy tamin’ny zavatra noresahiny momba an’io Rainy io sy ny fomba nitondrany ny hafa. Nampianatra tao amin’ny synagoga iray, ohatra, i Jesosy indray mandeha. Nisy demonia nandritra ny 18 taona ny vehivavy iray nihaino azy. Nataon’ilay demonia nanjoko be io vehivavy io ka tsy afa-nitraka mihitsy. Nampalahelo be izy! Nangoraka azy i Jesosy dia nanatona azy sady tsara fanahy be niteny hoe: “Ravehivavy, afaka amin’ny aretinao ianao!” Nametra-tanana taminy izy avy eo ary tonga dia nijoro mahitsy ilay vehivavy. Sitrana izy sady tsy afa-baraka intsony ka nanomboka “nanome voninahitra an’Andriamanitra.” (Lioka 13:10-13) Tena nanana antony hanomezana voninahitra an’i Jehovah io vehivavy io, dia hoatr’izany koa isika. w25.01 2-3 § 3-4

Alatsinainy 16 Febroary

Mamelà ny helokay.​—Lioka 11:4.

Mety mbola ho azontsika ve izay rehetra nafoin’i Adama sy Eva? Tsia raha noho ny ezaka ataontsika fotsiny. (Sal. 49:7-9) Tsy afaka ny hanantena isika hoe hiaina mandrakizay na hatsangana amin’ny maty, raha tsy misy manampy. Ho vita hatreo ny amintsika rehefa maty isika, hoatran’ny hahafatesan’ny biby, izay tsy manantena ny hiaina mandrakizay na hatsangana. (Mpito. 3:19; 2 Pet. 2:12) Nanome antsika fanomezana anefa i Jehovah, ilay Raintsika be fitiavana, mba handoavana ny trosantsika na ilay ota nolovantsika avy tamin’i Adama. Izao no nanazavan’i Jesosy an’izany: “Tena tia an’izao tontolo izao Andriamanitra ka nanome an’ilay Zanany lahitokana, mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hahazo fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) Tsy izay ihany, fa ho afaka hifandray tsara amin’i Jehovah koa isika noho io fanomezana io. Afaka mandray soa avy amin’io fanomezana tena miavaka io isika, ka ho voavela ny fahotantsika na ny “trosantsika.” w25.02 2-3 § 3-6

Talata 17 Febroary

Nitsangana [i Saoly] avy eo, ary natao batisa.​—Asa. 9:18.

Inona no nanampy an’i Saoly hatao batisa? Lasa jamba i Saoly rehefa niseho taminy i Jesosy Tompo nomem-boninahitra. (Asa. 9:3-9) Nifady hanina nandritra ny telo andro izy, dia azo antoka hoe nisaintsaina an’ilay zavatra vao avy niainany. Resy lahatra i Saoly hoe tena i Jesosy tokoa no Mesia dia ny mpanara-dia azy no nanaraka ny fivavahana marina. Inona no ianarantsika avy amin’i Saoly? Mety tsy ho nanaiky hatao batisa i Saoly raha be hambom-po na natahotra olona. Tsy navelany hisakana azy anefa izany. Vonona ny ho lasa Kristianina izy na dia fantany aza hoe tsy maintsy henjehina. (Asa. 9:15, 16; 20:22, 23) Mbola niantehitra tamin’i Jehovah foana izy taorian’ny batisany mba hahavitany hiaritra fitsapana isan-karazany. (2 Kor. 4:7-10) Mety hiatrika fitsapam-pinoana na olana koa ianao rehefa lasa Vavolombelon’i Jehovah vita batisa, nefa matokia hoe hanohana anao foana Andriamanitra sy Kristy.​—Fil. 4:13. w25.03 4 § 8-9

Alarobia 18 Febroary

Rehefa mihazakazaka aho, dia tsy mihazakazaka befahatany fotsiny.​—1 Kor. 9:26.

Efa tsara ilay hoe mamaky Baiboly ianao. Misy zavatra hafa mila ataontsika koa anefa raha tena tiantsika ny handray soa rehefa mamaky ny Tenin’Andriamanitra isika. Eritrereto izao: Tena ilain’ny zavamaniry ny orana. Raha be loatra anefa ny orana milatsaka ao anatin’ny fotoana fohy, dia mety ho vonton-drano be loatra ny tany. Tsy mety amin’ilay tany amin’izay raha mbola avy indray ny orana. Mila fotoana hitrohana an’ilay rano mantsy ilay tany mba hampiasain’ny zavamaniry. Hoatr’izany koa, fa tsy tokony ho maimaika isika rehefa mamaky Baiboly. Raha izay mantsy, dia tsy misy ho voaraintsika sy hotadidintsika izay vakintsika sady tsy hisy hampiasaintsika. (Jak. 1:24) Mahatsapa ve anefa ianao indraindray hoe mirotoroto be rehefa mamaky Baiboly? Inona no tokony hataonao? Aza maika fa vakio miadana ilay izy, dia miezaha hieritreritra an’izay vakinao na izay avy novakinao. Na angamba ianao mety hifidy hamaky andininy vitsivitsy kokoa, dia ny ambin’ny fotoana ampiasainao mba hisaintsainana an’izay novakinao. w24.09 4 § 7-9

Alakamisy 19 Febroary

Ankatoavy ... ireo mitarika eo aminareo.​—Heb. 13:17.

Vakin’ny anti-panahy tsara izay toromarika azony, dia miezaka araka izay tratra izy mba hampihatra an’izany. Mahazo tari-dalana ry zareo hoe ahoana no hatao rehefa mitarika fivoriana sy rehefa misolo tena ny fiangonana amin’ny vavaka. Atoro an-dry zareo koa ny fomba ikarakarana ny ondrin’i Kristy. Rehefa manaraka ny toromarika omen’ny fandaminana ny anti-panahy, dia mahatsiaro ho voaro sy tiana ny olona iandraiketany. Rehefa manome toromarika antsika ny anti-panahy, dia tokony ho vonona hanaraka an’izany isika. Ho mora kokoa amin’ireo mitarika amin’izay ny hanao ny asany. Mampirisika antsika mantsy ny Baiboly mba hankatò sy hanaiky an-dry zareo. (Heb. 13:7) Sarotra anefa izany indraindray. Fa maninona? Satria tsy lavorary ireo lehilahy ireo. Lasa manampy ny fahavalontsika anefa isika, raha ny marina, rehefa mifantoka amin’izay tsy metimety amin’ny toetran’ny anti-panahy fa tsy amin’ny toetra tsarany. Nahoana isika no milaza an’izany? Satria hihena ny fatokisantsika ny fandaminan’Andriamanitra. w24.04 10 § 11-12

Zoma 20 Febroary

Hanavaka ny olona izy.​—Mat. 25:32.

Ho ringana mandrakizay ve izay rehetra ho faty mandritra ny fahoriana lehibe, ka tsy antenaina hoe hitsangana intsony? Milaza mazava ny Soratra Masina fa tsy hatsangana ny mpanohitra haringan’i Jehovah sy ny tafiny ao Aramagedona. (2 Tes. 1:6-10) Fa ahoana indray ny amin’ireo olona maty, satria, ohatra hoe narary, antitra, tratran’ny loza, na nisy namono? (Mpito. 9:11; Zak. 14:13) Mety hisy amin’izy ireny ve ho anisan’ireo olona “tsy marina” hatsangana ao amin’ny tontolo vaovao? (Asa. 24:15) Tsy haintsika izany. Misy zavatra vitsivitsy fantatsika anefa momba ny hoavy. Fantatsika, ohatra, hoe arakaraka izay ataon’ny olona amin’ny rahalahin’i Kristy no hitsarana azy amin’ny Aramagedona. (Mat. 25:40) Ho hita hoe ondry izay efa mampiseho hoe manohana ny voahosotra sy Kristy.​—Apok. 12:17. w24.05 10-11 § 9-11

Asabotsy 21 Febroary

Velona i Jehovah! Hoderaina anie ilay Vatolampiko! Hasandratra anie ilay Andriamanitra mpamonjy ahy!​—Sal. 18:46.

“Fotoan-tsarotra tsy mora atrehina!” (2 Tim. 3:1) Izany no iantsoan’ny Baiboly ny andro iainantsika. Miatrika olana daholo ny olona rehetra, fa mbola miampy fanenjehana sy fanoherana ny an’ny vahoakan’i Jehovah. Inona no manampy antsika hanompo an’i Jehovah foana na eo aza ireny olana ireny? Anisan’ny tena manampy ilay isika mahafantatra hoe “Andriamanitra velona” i Jehovah. (Jer. 10:10; 2 Tim. 1:12) Tena misy i Jehovah ary manohana antsika izy rehefa miatrika olana isika. Mitady hirika koa izy mba hanampiana antsika. (2 Tan. 16:9; Sal. 23:4) Hahavita hiatrika an’izay fitsapana mahazo antsika isika, raha mitadidy hoe Andriamanitra velona izy. w24.06 20 § 1-2

Alahady 22 Febroary

Ny lalan’ny marina ... toy ny hazavan’ny maraina, izay mihamazava tsikelikely mandra-pahatoandron’ny andro.​—Ohab. 4:18.

Mila matoky ny fandaminan’i Jehovah foana isika. Rehefa hita mazava hoe mila ahitsy ny fahazoantsika ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, na ny fomba andaminana ny asan’ilay Fanjakana, dia tsy misalasala manao ny fanitsiana ilaina ireo mitarika. Ny hampifaly an’i Jehovah mantsy no zava-dehibe indrindra amin-dry zareo. Manao izay tsara indrindra vitany koa ry zareo, mba hifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra ny fanapahan-kevitra raisiny. Ao amin’izy io mantsy no misy ny fenitra tsy maintsy arahin’ny vahoakan’i Jehovah rehetra. Nanoro hevitra antsika ny apostoly Paoly hoe: “Aza ialana mihitsy ny modelin’ny teny mahasoa.” (2 Tim. 1:13) Inona ilay hoe “modelin’ny teny mahasoa”? Ny fampianarana kristianina hita ao amin’ny Baiboly. (Jaona 17:17) Ireny fampianarana ireny no fototry ny zavatra rehetra inoantsika. Nampianarin’ny fandaminan’i Jehovah isika mba hifikitra amin’io modely io. Hotahina isika rehefa manao an’izany. w24.07 11-12 § 12-13

Alatsinainy 23 Febroary

Manam-paharetana aminareo [i Jehovah], satria tsy tiany hisy ho ringana ny olona fa tiany hibebaka daholo.​—2 Pet. 3:9.

Afaka nampianatra ny hafa momba ny atao hoe fibebahana sy famelan-keloka ny apostoly Petera satria izy mihitsy no efa niaina an’izany. Nandaha-teny teo anatrehan’ny Jiosy maro be tsy mpino izy taoriana kelin’ny fetin’ny Pentekosta. Nanazava tamin’izy ireo izy tamin’izay hoe novonoin-dry zareo ho faty ny Mesia. Be fitiavana koa anefa izy nampirisika an’ilay vahoaka hoe: “Koa mibebaha, ary miverena amin’Andriamanitra mba ho voafafa ny fahotanareo. Amin’izay dia hisy fotoana mamelombelona avy amin’i Jehovah.” (Asa. 3:14, 15, 17, 19) Nasehon’i Petera àry hoe te hiverina amin’Andriamanitra ny mpanota iray rehefa mibebaka, izany hoe te hanova ny toe-tsainy sy ny ataony ary te hampifaly an’Andriamanitra. Nilaza koa ilay apostoly fa hofafan’i Jehovah ny fahotan’izy ireo, na ataony hoatran’ny tsy nisy. Tena mahavelom-panantenana an’ireo Kristianina nanao fahotana izany, na dia fahotana lehibe aza no vitany! w24.08 12 § 14

Talata 24 Febroary

Asehoy amin’ny fomba fiainanareo hoe tsy tia vola ianareo.​—Heb. 13:5.

Tsy halaim-panahy hikatsaka vola aman-karena isika raha tena mino hoe efa akaiky ny faran’izao tontolo izao. ‘Hatsipin’ny olona eny an-dalana mantsy ny volafotsiny’ amin’izay, satria ho tonga saina ry zareo hoe “tsy hahavonjy azy na ny volafotsiny na ny volamenany, amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.” (Ezek. 7:19) Tsy hifofotra hanangona vola be àry isika. Tokony ho hita amin’ny fanapahan-kevitra raisintsika kosa hoe te hanana fiainana tsotra isika, nefa tsy mihafy be fa afaka manompo tsara an’i Jehovah. Tafiditra amin’izany ny hoe tsy manaiky halaim-panahy hidi-trosa amin’ny zavatra tsy tena ilaina, na handany fotoana be hikarakara fananana. Mila mitandrina koa isika mba tsy hiraiki-po loatra amin’ny zavatra efa ananantsika. (Mat. 6:19, 24) Eo am-piandrasantsika ny faran’izao tontolo izao, dia mety hotsapaina ny finoantsika hoe ahoana ny fiheverantsika ny vola sy harena ary ny zavatra hafa. w24.09 11 § 13-14

Alarobia 25 Febroary

Izay mihevi-tena ho efa mijoro dia aoka izy hitandrina sao ho lavo.​—1 Kor. 10:12.

Mety ho resintsika tanteraka ny fahalementsika sasany. Misy kosa tsy maintsy iadiantsika eny foana. Diniho izay nitranga tamin’ny apostoly Petera. Natahotra olona izy, dia nanda an’i Jesosy intelo. (Mat. 26:69-75) Hoatran’ny hoe efa nandresy an’izany i Petera, tamin’izy sahy nitory teo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy. (Asa. 5:27-29) Taona vitsivitsy tatỳ aoriana anefa, dia “natahotra ny voafora” izy, ka tsy niara-nisakafo tamin’ny Kristianina hafa firenena nandritra ny fotoana kelikely. (Gal. 2:11, 12) Niverina indray ilay tahotr’i Petera! Angamba tsy resiny tanteraka mihitsy izy io. Mety hahazo antsika koa izany. Ho afaka handresy an’ilay fahalemena iadianao anefa ianao raha manaraka an’ilay torohevitr’i Jesosy hoe: ‘Miambena foana.’ Na dia amin’ilay fotoana eritreretinao hoe matanjaka be iny aza ianao, dia halaviro foana izay toe-javatra mety hitarika anao amin’ny fakam-panahy. Ampiharo foana ny paikady hitanao hoe nahomby.​—2 Pet. 3:14. w24.07 18-19 § 17-19

Alakamisy 26 Febroary

Lehilahy no nataony fanomezana.​—Efes. 4:8.

Mbola tsy nisy olombelona nalala-tanana hoatran’i Jesosy mihitsy. Tsy nitsitsitsitsy izy nampiasa ny heriny mba hanampiana ny hafa tamin’izy tetỳ an-tany. (Lioka 9:12-17) Nanome ny ainy ho antsika izy ary izay no fanomezana lehibe indrindra nataony. (Jaona 15:13) Mbola nalala-tanana foana i Jesosy na dia taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty aza. Araka ny nampanantenainy, dia nangataka tamin’i Jehovah izy handrotsaka ny fanahy masina tamintsika mba hampianarana sy hampiononana antsika. (Jaona 14:16, 17, f.a.p.; 16:13) Mbola manome an’izay ilaintsika i Jesosy amin’izao, amin’ny alalan’ny fivorian’ny fiangonana, mba hampianarantsika ny olona eran-tany ho lasa mpanara-dia azy. (Mat. 28:18-20) Misy fanomezana hafa koa nomen’i Jesosy. Nilaza ny apostoly Paoly hoe rehefa niakatra tany an-danitra i Jesosy dia “lehilahy no nataony fanomezana.” (Efes. 4:7, 8) Nohazavainy hoe nanome azy ireo i Jesosy mba hanohana ny fiangonana amin’ny fomba samihafa. (Efes. 1:22, 23; 4:11-13) Mazava ho azy hoe tsy lavorary ry zareo dia manao fahadisoana. (Jak. 3:2) Ry zareo anefa no ampiasain’i Jesosy Kristy Tompontsika mba hanampy antsika, ary fanomezany ho antsika ireo lehilahy ireo. w24.10 18 § 1-2

Zoma 27 Febroary

Hiaro anao ny fahaiza-mandinika.​—Ohab. 2:11.

Nilaza tamin’i Solomona zananyi Davida hoe rehefa mankatò an’i Jehovah Andriamanitra ihany izy vao hahomby. Nampalahelo fa lasa nanompo andriamani-kafa i Solomona rehefa nihantitra. Tsy nankasitrahan’i Jehovah intsony izy, dia lasa tsy nanana ny fahendrena nilaina mba hampiharana ny rariny sy ny hitsiny tamin’ny vahoaka nentiny. (1 Mpanj. 11:9, 10; 12:4) Inona no lesona ho antsika? Hahomby isika raha mankatò. (Sal. 1:1-3) Marina fa tsy mampanantena i Jehovah hoe hataony manankarena sy malaza hoatran’i Solomona isika. Raha mankatò azy anefa isika dia homeny ny fahendrena ilaina mba hahaizana manapa-kevitra. (Ohab. 2:6, 7; Jak. 1:5) Afaka mitari-dalana antsika ny torolalany, ohatra hoe amin’ny resaka asa, fianarana, fialam-boly, ary vola. Hiaro ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra isika raha manaraka ny toroheviny, sady hahazo fiainana mandrakizay. (Ohab. 2:10, 11) Hahazo namana tsara isika, ary ho sambatra ny fianakaviantsika satria mahazo tari-dalana tsara isika. w24.11 10-11 § 11-12

Asabotsy 28 Febroary

Hamarino tsara daholo ny zava-drehetra, ary aza miala amin’izay tsara mihitsy.​—1 Tes. 5:21.

Betsaka ny azon’ny ray aman-dreny hararaotina mba hiresahana amin’ny zanany momba ny Baiboly sy ny finoana an’Andriamanitra. Mety hitsidika tranombakoka, ohatra, ianareo. Mety ho hitanareo any anaty boky na amin’ny video koa hoe nisy vakoka na zava-nitranga taloha, mifandray amin’ny zavatra tantarain’ny Baiboly. Hanampy ny zanakao ho resy lahatra ireny hoe marina ny Baiboly. Fantatry ny zanakao ve hoe ahitana ny anaran’Andriamanitra ny Vato Moabita? Efa 3 000 taona izay no nisian’io takela-bato io ary azo jerena ao amin’ny Le Louvre, tranombakoka any Paris, any France, ilay izy. Ahitana sarina vakoka, hoatran’ilay Vato Moabita, ao amin’ny Internet sy any amin’ny bokintsika. Misy takela-bato namboarina mba hitovy tanteraka amin’io Vato Moabita io atao fampirantiana ao amin’ilay hoe “Ny Baiboly sy ny Anaran’Andriamanitra”, any amin’ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Warwick, New York. Misoratra eo amin’ilay Vato Moabita hoe nikomy tamin’ny Israely i Mesa mpanjakan’i Moaba. Izany mihitsy no lazain’ny Baiboly. (2 Mpanj. 3:4, 5) Vao mainka hatanjaka ny finoan’ny zanakao raha ny masony mihitsy no mahita porofo hoe marina ny lazain’ny Baiboly. w24.12 15 § 4, 6

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara