Janoary
Alakamisy 1 Janoary
Aoka ianareo ... ho olon-dehibe raha ny amin’ny fahiratan-tsaina.—1 Kor. 14:20.
Tsy omby tratra ny hafalian’ny mpivady rehefa mahazo zaza salama tsara ry zareo. Na tian-dry zareo hoatran’ny inona aza anefa ilay sombinainy, dia tsy tiany ho zaza menavava mandrakizay izy. Hanahy be aza ry zareo raha tsy mitombo ny zanany. Faly hoatr’izany koa i Jehovah rehefa manomboka manara-dia an’i Jesosy isika. Tsy tiany ho hoatran’ny zazakely vao miana-mamindra foana anefa isika eo amin’ny ara-panahy. (1 Kor. 3:1) Ampirisihiny ho lasa “olon-dehibe” kosa isika. Ny teny grika nadika hoe “olon-dehibe” ao amin’ny Baiboly dia mety hidika koa hoe “matotra”, “lavorary”, ary “feno.” (1 Kor. 2:6) Lasa olon-dehibe na matotra isika Kristianina rehefa tsy zaza ara-panahy intsony, fa lasa lehilahy na vehivavy araka ny fanahy. Mazava ho azy fa tokony hiezaka handroso foana isika, na dia tratrantsika aza io tanjona io.—1 Tim. 4:15. w24.04 2 § 1, 3
Zoma 2 Janoary
Ho eo amin’izy ireo ny tranolaiko, ka izaho ho Andriamaniny.—Ezek. 37:27.
Raha misy manontany ianao hoe ahoana no iantsoanao an’i Jehovah, dia inona no havalinao? Mety hiteny ianao hoe: ‘Dadako izy, Andriamanitro, dia Namako.’ Misy fomba hafa na anaram-boninahitra hafa azonao iantsoana azy koa. Efa noeritreretinao koa ve anefa fa azo antsoina hoe Mpampiantrano anao izy? Nampitovin’i Davida Mpanjaka tamin’ny fifandraisan’ny vahiny sy ny mpampiantrano azy ilay hoe i Jehovah minamana amin’ny mpanompony tsy mivadika. Izao no nanontanian’i Davida: “Jehovah ô, iza no afaka mivahiny ao amin’ny tranolainao? Iza no afaka monina ao amin’ny tendrombohitrao masina?” (Sal. 15:1) Hita amin’ireo teny nasain’i Jehovah nosoratany ireo hoe afaka ny ho lasa vahinin’i Jehovah isika, izany hoe ho lasa namany. I Jehovah irery no nisy talohan’ny namoronany ny zava-drehetra. Avy eo anefa izy namorona ny Zanany lahimatoa, dia nampandrosoiny tao amin’ny tranolainy izy io. Io Zanany io no vahininy voalohany. Lasa hoatran’ny hoe Mpampiantrano izy nanomboka teo, dia tiany be ny nanao an’izany. Resahin’ny Baiboly hoe “tena nahafinaritra” an’i Jehovah io Zanany io, dia io vahininy io indray ‘falifaly foana teo anatrehany.’—Ohab. 8:30. w24.06 2 § 1-3
Asabotsy 3 Janoary
Tovolahy matanjaka sady be herim-po [i Zadoka].—1 Tan. 12:28.
Efa vory lanona ny vahoaka! Lehilahy 340 000 mahery no nivory mba hanao an’i Davida ho mpanjakan’ny Israely rehetra. Nankany amin’ireo havoana be vato teny akaikin’i Hebrona ry zareo, ary niaraka tamin’i Davida tany nandritra ny telo andro. Heno nanerana an’ilay toerana ry zareo niresadresaka sy falifaly nanao hira fiderana. (1 Tan. 12:39) Nisy tovolahy atao hoe Zadoka koa tao, ary azo inoana hoe tsy nisy nahamarika akory izy. Nataon’i Jehovah anefa izay hahafantarantsika hoe tao izy. (1 Tan. 12:22, 26-28) Mpisorona niara-niasa akaiky tamin’i Abiatara Mpisoronabe i Zadoka. Mpahita koa izy, izany hoe afaka namantatra ny sitrapon’Andriamanitra sady nataon’i Jehovah lalin-tsaina be. (2 Sam. 15:27) Lehilahy be herim-po i Zadoka. Mihamafy ny fanafihan’i Satana ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao andro farany izao. (1 Pet. 5:8) Mila herim-po àry isika eo am-piandrasana ny fotoana handringanan’i Jehovah an’i Satana sy ny tontolo ratsiny. (Sal. 31:24) Manahaka ny herim-pon’i Zadoka isika raha manao an’izany. w24.07 2 § 1-3
Alahady 4 Janoary
Nahatratra 930 taona ny andro rehetra niainan’i Adama, dia maty izy.—Gen. 5:5.
Tian’i Jehovah ho sambatra ilay lehilahy sy vehivavy voalohany noforoniny. Nomeny fonenana tsara tarehy ry zareo, tokantrano, ary asa mahafinaritra. Nasainy niteraka izy mivady dia hameno ny tany, ary hanova ny tany manontolo ho paradisa hoatran’ny zaridainan’i Edena. Zavatra iray ihany no nandrarany azy ireo. Nampitandremany ry zareo hoe raha tsy mankatò an’io didy io ka manao fanahy iniana manota sy mikomy aminy dia ho faty. Efa haintsika hoe inona no nitranga. Nisy anjely tsy tia an’Andriamanitra sy tsy tia azy mivady niditra an-tsehatra dia nitaona azy ireo hanota. Dia iny tokoa i Adama sy Eva fa nanaiky! Tsy natoky an’ilay Rainy be fitiavana ry zareo dia nanota. Tanteraka ny tenin’i Jehovah. Tsy maintsy nizaka ny vokatry ny nataony i Adama sy Eva nanomboka teo ka nihantitra ary maty tamin’ny farany.—Gen. 1:28, 29; 2:8, 9, 16-18; 3:1-6, 17-19, 24. w24.08 3 § 3
Alatsinainy 5 Janoary
Tokony ho mpankatò ny teny ianareo, fa tsy ho mpihaino fotsiny.—Jak. 1:22.
Tian’i Jehovah sy ny Zanany ho sambatra isika. Izao no lazain’ilay mpanoratra ny Salamo 119:2: “Sambatra izay manaraka ny fampahatsiahivany, dia ireo mitady azy amin’ny fo manontolo.” Nanome toky koa i Jesosy hoe: “Izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mankatò an’izany no sambatra!” (Lioka 11:28) Vahoaka sambatra isika mpanompon’i Jehovah rehefa mamaky ny Tenin’Andriamanitra tsy tapaka, ary miezaka mafy mampihatra an’izay ianarantsika. (Jak. 1:22-25) Tena ilaina izany mba hampifaliana an’i Jehovah. (Mpito. 12:13) Mifandray tsara amin’ny fianakaviantsika isika sady minamana be amin’ny mpiara-manompo amintsika, rehefa mampihatra an’izay vakintsika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Ankoatra izay, dia tsy mahazo antsika ny olana be dia be mpahazo ny olona tsy manaraka ny fitsipik’i Jehovah. Miombon-kevitra amin’i Davida Mpanjaka isika. Niresaka momba ny lalàna sy fitsipika ary didim-pitsaran’i Jehovah izy tao amin’ny hira iray nataony, dia izao no namaranany azy: “Lehibe ny valisoa azon’izay manaraka an’ireny.”—Sal. 19:7-11. w24.09 2 § 1-3
Talata 6 Janoary
Manasitrana an’ireo torotoro fo izy; fonosiny ny ratran’izy ireo.—Sal. 147:3.
Inona no hitan’i Jehovah rehefa mijery ny mpanompony etỳ an-tany izy? Fantany rehefa faly isika na malahelo. (Sal. 37:18) Faly erỳ izy mahita antsika miezaka manompo azy araka izay tsara indrindra vitantsika, na dia misy zavatra manavesatra ny fontsika aza! Tsy izay ihany, fa tena te hanohana sy hampionona antsika izy. Milaza ny Salamo 147:3 fa ‘fonosin’i [Jehovah] ny ratran’ireo torotoro fo.’ Hita avy amin’izany hoe be fitiavana i Jehovah mikarakara an’ireo kivy sy manana fo maratra. Inona no tsy maintsy ataontsika raha tiantsika ny hokarakarainy? Diniho ity ohatra ity: Afaka manampy be ny olona iray maratra ny dokotera mahay. Raha te ho sitrana anefa ilay olona, dia tsy maintsy manaraka tsara ny toromarik’ilay dokotera izy. Miresaka amin’ireo mijaly noho ny ratram-po i Jehovah ao amin’ny Teniny, sady manome torohevitra feno fitiavana. w24.10 6 § 1-2
Alarobia 7 Janoary
Ringana tsy nisy teto ambonin’ny tany daholo ireny.—Gen. 7:23.
Noresahina tao amin’ny bokintsika izay hanjo an’ireo olona heverin’i Jehovah hoe tsy marina. Nilaza isika tamin’izay fa tsy antenaina hitsangana intsony izy ireny. Misy tantara vitsivitsy ao amin’ny Baiboly miresaka ny didim-pitsarana nampiharin’i Jehovah tamin’ny olona tsy marina, anisan’izany ireo olona tsy hita isa maty tamin’ny Safodrano, sy ireo firenena fito tao amin’ny Tany Nampanantenaina izay nasain’i Jehovah noringanin’ny vahoakany. Eo koa ireo miaramila asyrianina 185 000 naripaky ny anjelin’i Jehovah tao anatin’ny indray alina. (Deot. 7:1-3; Isaia 37:36, 37) Ampy ve anefa ny fanazavana omen’ny Baiboly mba hamaritana fa fandringanana mandrakizay no sazy nomen’i Jehovah an’ireo olona ireo, ka tsy antenaina hoe hitsangana intsony ry zareo? Tsia. Tsy fantatsika hoe ahoana no nitsaran’i Jehovah ny olona tsirairay. Tsy haintsika koa raha nanana fahafahana hianatra momba an’i Jehovah sy hibebaka ireny olona ringana ireny na tsia. w24.05 3 § 5-7
Alakamisy 8 Janoary
Reseo amin’ny tsara foana ny ratsy.—Rom. 12:21.
Niresaka momba ny mpitondratena iray i Jesosy tao amin’ny fanoharana nataony. Nangataka tamin’ny mpitsara foana io vehivavy io mba hanome rariny azy. Azo antoka hoe betsaka ny mpianatr’i Jesosy nahazo tsara an’izay tsapan’ilay vehivavy, satria matetika no niharan’ny tsy rariny ny sarambabem-bahoaka tamin’izany. (Lioka 18:1-5) Azontsika tsara koa izay tsapan’ilay mpitondratena satria efa samy niharan’ny tsy rariny daholo isika. Fahita ny fitsarana an-tendrony sy ny tsy fitovian’ny farim-piainana ary ny fampahoriana amin’izao. (Mpito. 5:8) Tsy gaga àry isika raha iharan’ny tsy rariny. Mety ho tsy ampoizintsika anefa raha rahalahy na anabavy no diso hevitra momba antsika. Mety hitranga anefa izany. Mazava ho azy fa tsy hoe mpanohitra ny fahamarinana akory ny mpiara-manompo amintsika. Tsy lavorary fotsiny ry zareo. Be dia be ny azontsika ianarana avy amin’i Jesosy, rehefa nanao ny tsy rariny taminy ny mpanohitra ratsy fanahy. Raha ny mpanohitra aza anehoantsika faharetana, tsy mainka ve fa ny mpiara-manompo amintsika! w24.11 2 § 1-2
Zoma 9 Janoary
Aiza isika no hividy mofo hohanin’ireo olona ireo?—Jaona 6:5.
Mofo no foto-tsakafon’ny olona maro taloha. (Gen. 14:18; Lioka 4:4) Mampiasa ny teny hoe “mofo” ny Baiboly indraindray mba hilazana ny sakafo amin’ny ankapobeny, satria efa mahazatra be ilay izy. (Mat. 6:11, f.a.p.) Nisongadina tao amin’ny fahagagana roa be mpahafantatra nataon’i Jesosy koa ny mofo. (Mat. 16:9, 10) Ao amin’ny Jaona toko faha-6 ny iray. Reraka avy nitory ny apostoly, indray,dia nentin’i Jesosy nandeha sambo niampita ny Ranomasin’i Galilia mba haka aina. (Mar. 6:7, 30-32; Lioka 9:10) Nankany amin’ny toerana mitokana tany amin’ny faritr’i Betsaida ry zareo. Vetivety anefa dia nisy vahoaka be tonga teo. Tsy nanilikilika an’ilay vahoaka i Jesosy. Tsara fanahy kosa izy dia nampianatra azy ireo momba an’ilay Fanjakana sy nanasitrana ny marary. Lasa saina ny mpianatra rehefa nihariva ny andro hoe ahoana ny sakafon’ireo vahoaka ireo. Mety ho nitondra sakafo kely ihany ny sasany, nefa nila nankany an-tanàna mba hividy sakafo ny ankamaroany.—Mat. 14:15. w24.12 2 § 1-2
Asabotsy 10 Janoary
Fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Kristy Jesosy Tompontsika ... no fanomezana omen’Andriamanitra.—Rom. 6:23.
Lavorary sy niaina tao amin’ny Paradisa tsara tarehy i Adama sy Eva, ray aman-drenintsika voalohany. (Gen. 1:27; 2:7-9) Afaka ny ho sambatra mandrakizay izy mivady, ary azo oharina amin’ny harena izany. Nitsimbadika anefa ny zava-drehetra. Nafoin-dry zareo ilay Paradisa, ary tsy afaka nanantena ny hiaina mandrakizay intsony ry zareo. Dia inona no lova nampitainy tamin’ny taranany? Hoy ny Baiboly: ‘Niditra teo amin’izao tontolo izao ny ota noho ny nataon’ny lehilahy iray [Adama], ary ny ota no nahatonga ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.’ (Rom. 5:12) Ny ota no lova nampitain’i Adama tamintsika ka fahafatesana no vokany. Hoatran’ny trosa be io ota nolovantsika io, ka tsy misy olona mahavita mandoa an’izany. (Sal. 49:8) Noharin’i Jesosy tamin’ny “trosa” ny ota. (Mat. 6:12, f.a.p.; Lioka 11:4, f.a.p.) Hoatran’ny hoe ananan’i Jehovah trosa àry isika rehefa manota, ka tsy maintsy aloantsika izany. Rehefa maty ihany isika vao ho voaloantsika io trosa io, raha tsy hoe misy manampy angaha isika.—Rom. 6:7. w25.02 2 § 2-3
Alahady 11 Janoary
Efa nampahafantariko ... ny anaranao.—Jaona 17:26.
Tombontsoa be ny miresaka ny fahamarinana momba ny Fanjakan’Andriamanitra, nefa tsy ny rehetra no manana an’izany. Tamin’i Jesosy tetỳ an-tany, ohatra, dia tsy navelany hitory momba azy ny fanahy ratsy. (Lioka 4:41) Tsy maintsy mahafeno fepetra koa ny olona iray amin’izao, vao afaka manompo miaraka amin’ny vahoakan’i Jehovah. Asehontsika hoe mankasitraka an’ilay voninahitra hitory isika, rehefa manararaotra manao an’izany na aiza na aiza, ary na rahoviana na rahoviana. Ny hamboly sy hanondraka ny voan’ilay Fanjakana ao am-pon’ny olona no tanjontsika, hoatran’ny nataon’i Jesosy ihany. (Mat. 13:3, 23; 1 Kor. 3:6) Manahaka ny modelin’i Jesosy ny fandaminan’i Jehovah, ka mikely aina mampahafantatra ny olona ny anaran’Andriamanitra. Nandray anjara be tamin’izany ny famoahana Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Naverina tao amin’ny toerana tokony hisy azy mantsy ny anaran’Andriamanitra ao. Misy amin’ny fiteny 270 mahery izao io Baiboly io na ny ampahany aminy. w24.04 9 § 8-9
Alatsinainy 12 Janoary
Mitsangana ... ny vadiny, ka midera azy.—Ohab. 31:28.
Inona ny fahazarana ananan’ny rahalahy sasany sambatra am-panambadiana? Manao zavatra ry zareo isan’andro mba hampisehoana amin’ny vadiny hoe tiany izy. (1 Jaona 3:18) Na dia amin’ny zavatra kely aza dia afaka mampiseho fitiavana ny vadiny ny lehilahy, ohatra hoe mitantana azy na mamihina azy. Azony atao koa ny mandefa hafatra kely hoe: “Malahelo an-drỳ aho!”, na hoe: “Tiako indrỳ!” Mety koa indraindray ny manoratra karta kely misy teny mamy, na mba mitondra azy mandehandeha. Manome voninahitra ny vadiny ny lehilahy rehefa manao hoatr’izany, sady manamafy orina ny tokantranony. Mampahery ny vadiny sy manampy azy hatoky tena ny lehilahy rehefa manome voninahitra azy. Tsy hadinony, ohatra, ny misaotra ny vadiny noho izay rehetra ataony mba hanohanana azy. (Kol. 3:15) Rehefa manao teny fiderana amin’ny fony ny lehilahy iray, dia manohina ny fon’ny vadiny izany, ka mahatsapa hoe voaro sy tiana ary omena voninahitra izy. w25.01 11 § 15; 13 § 16
Talata 13 Janoary
Izaho Jehovah no Andriamanitrao, ... Ilay mitarika anao any amin’izay lalana tokony halehanao.—Isaia 48:17.
Mifarana amin’izao fampanantenana izao ny Salamo faha-15: “Tsy hangozohozo mihitsy izay manao an’izany rehetra izany.” Hazavain’ny mpanao salamo eo hoe inona no tena antony nanomezan’Andriamanitra an’ireny fepetra ireny. Tian’i Jehovah ho sambatra isika! Omeny an’ireny tari-dalana ireny àry isika, amin’izay mahazo fitahiana sy voaro. Afaka miandrandra hoavy mahafinaritra izay eken’i Jehovah ho vahininy. Hiditra ao amin’ireo “fonenana be dia be” nomanin’i Jesosy ho azy ireo any an-danitra, ireo voahosotra tsy mivadika. (Jaona 14:2) Efa tsy andrin’ireo manantena hiaina eto an-tany kosa ny hahatanterahan’ny Apokalypsy 21:3. Tena voninahitra lehibe ho antsika rehetra ilay hoe nasain’i Jehovah ho namany, izany hoe hivahiny mandrakizay ao amin’ny tranolainy!—Sal. 15:1-5. w24.06 13 § 19-20
Alarobia 14 Janoary
Omeo voninahitra i Jehovah fa mendrika an’izany ny anarany.—Sal. 96:8.
Inona no atao hoe voninahitra? Ny teny hoe “voninahitra” ao amin’ny Baiboly dia ilazana an’izay zavatra mahatonga ny olona iray hanan-danja. Nampiseho ny voninahiny tamin’ny fomba miavaka i Jehovah, taoriana kelin’ny nanafahany ny Israelita tsy ho andevo tany Ejipta. Saintsaino ange izay nitranga tamin’izay e! Israelita an-tapitrisany no nivory teo am-pototry ny Tendrombohitra Sinay mba hihaona tamin’ny Andriamanitr’izy ireo. Rakotra rahona matevina ny tampon’ilay tendrombohitra. Nihovotrovotra tampoka ny tany satria nisy horohoron-tany nahery be ary hoatran’ny hoe hisy volkano hipoaka. Nisy tselatra sy kotroka ary feon’anjombona nankarenin-tsofina koa tamin’izay. (Eks. 19:16-18; 24:17; Sal. 68:8) Azo antoka fa tena talanjona ireo Israelita ireo rehefa nampiseho ny voninahiny tamin’ny fomba miavaka i Jehovah. Ary isika? Ahoana no hanomezantsika voninahitra an’i Jehovah? Manao an’izany isika rehefa miresaka amin’ny hafa momba ny heriny mahatalanjona sy ny toetrany tena tsara. Manome voninahitra azy koa isika raha midera azy rehefa mahavita zavatra noho ny fanampiany.—Isaia 26:12. w25.01 2 § 2-3
Alakamisy 15 Janoary
I Jehovah no naniraka ahy.—Nom. 16:28.
Nandritra an’ilay dia nataon’ny Israelita ho any amin’ny Tany Nampanantenaina, dia nisy olona ambony nanohitra an’i Mosesy sy ny andraikitra nankinin’i Jehovah taminy. Izao no nolazain-dry zareo: “Masina daholo ange ny vahoaka manontolo e [fa tsy i Mosesy irery], dia i Jehovah no eo aminy.” (Nom. 16:1-3) Marina aloha hoe masina “ny vahoaka manontolo” tamin’i Jehovah. I Mosesy anefa no nofidiny hitarika an’io vahoakany io. Rehefa nanakiana an’i Mosesy àry ireo mpikomy ireo, dia i Jehovah, raha ny marina, no nokianiny. Tsy nifantoka tamin’izay tian’i Jehovah ry zareo fa tamin’izay tiany, izany hoe ny hahazo fahefana sy haja bebe kokoa. Novonoin’Andriamanitra àry ny mpitarika an’ilay fikomiana sy ny olona an’arivony niandany tamin-dry zareo. (Nom. 16:30-35, 41, 49) Afaka matoky koa isika amin’izao hoe tsy ankasitrahan’i Jehovah izay tsy manaraka ny lamina apetraky ny fandaminana. w24.07 11 § 11
Zoma 16 Janoary
Mbola amin’ny fotoana voatondro vao ho tanteraka ilay fahitana.—Hab. 2:3.
Tsy miraharaha ny fampitandreman’ny Baiboly momba ny faran’izao tontolo izao ny ankamaroan’ny olona amin’izao, ary misy aza maneso antsika mihitsy. (2 Pet. 3:3, 4) Mbola betsaka koa ny zavatra tsy fantatsika. Tsy maintsy mino mafy anefa isika hoe ho tonga ara-potoana ny faran’izao tontolo izao ary hikarakara antsika i Jehovah. Vao mainka isika tokony hino amin’izao hoe mampiasa ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” i Jehovah mba hitarihana antsika. (Mat. 24:45) Mety hahazo toromarika voafaritra tsara sady mamonjy aina isika rehefa manomboka ny fahoriana lehibe. Izao mihitsy isika no mila matoky kokoa ny toromarika omen’izay mitarika eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah. Sarotra inoana hoe ho vitantsika ny hankatò sy hatoky ny toromarika omen-dry zareo mandritra ny fahoriana lehibe, raha izao isika dia efa tsy mora mankatò. w24.09 11 § 11-12
Asabotsy 17 Janoary
[Fantaro] tsara ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sy tena mety ary tonga lafatra.—Rom. 12:2.
Fantatry ny ray aman-dreny hoe tsy zavatra lovana izany mino an’Andriamanitra izany. Mety hanontany tena àry ny ankizy rehefa mandeha ny fotoana hoe: ‘Ahoana no hahafantarako hoe misy Andriamanitra? Tena marina ve izay lazain’ny Baiboly?’ Raha ny marina, dia ny Baiboly mihitsy no mampirisika antsika mba ‘hampiasa tsara ny saintsika’ sy ‘hanamarina tsara ny zava-drehetra.’ (Rom. 12:1; 1 Tes. 5:21) Ahoana anefa no azonao anampiana ny zanakao hanatanjaka ny finoany? Ampirisiho hitady porofo ny zanakao mba ho resy lahatra amin’ny fahamarinana. Rehefa mametraka fanontaniana izy dia hararaoty izany mba hampianarana azy hanao fikarohana, ohatra hoe ao amin’ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah, na ao amin’ny Fitaovana Fikarohana ho An’ny Vavolombelon’i Jehovah. Azony jerena ao amin’ny Fitaovana Fikarohana, ohatra, ilay foto-kevitra hoe “Baiboly”, dia eo ambanin’ilay hoe “Avy Amin’Andriamanitra”, mba hahitana porofo hoe tsy boky nosoratan’olona fotsiny ny Baiboly fa “tenin’Andriamanitra.”—1 Tes. 2:13. w24.12 15 § 4-5
Alahady 18 Janoary
Izay henonao ... dia ampitao amin’ireo lehilahy mendri-pitokisana, izay hahay hampianatra ny hafa kosa avy eo.—2 Tim. 2:2.
Ahoana no anahafan’ny anti-panahy an’i Jesosy? Tsy maintsy manampy sy mampiofana rahalahy ry zareo, anisan’izany ireo mbola tanora, mba hahafeno fepetra hiantsoroka andraikitra lehibe kokoa. Tsy manantena ny anti-panahy hoe ho tonga lafatra ny olona ampiofaniny. Tokony hanome torohevitra feno fitiavana ry zareo, amin’izay ny rahalahy tanora hahazo traikefa dia hahita hoe tena ilaina ny manetry tena sy mendri-pitokisana ary vonona hanompo ny hafa. (1 Tim. 3:1; 1 Pet. 5:5) Tsy ny hitory ihany ny andraikitra nankinin’i Jesosy tamin’ny mpianany, fa ny hampianatra ihany koa. Mety ho nahatsapa hoe tsy nahafeno fepetra hanao an’izany ireo mpianatra ireo. Nahazo antoka anefa i Jesosy hoe ho vitan’ny mpianany ilay asa. Noresahiny an-dry zareo mihitsy izany. Natoky tanteraka an-dry zareo i Jesosy dia nilaza hoe: “Naniraka ahy ny Ray, dia izaho koa maniraka anareo.”—Jaona 20:21. w24.10 16 § 15; 17 § 17
Alatsinainy 19 Janoary
Lehilahy sitraky ny foko [i Davida].—Asa. 13:22.
Mpanjaka niavaka i Davida. Mpahay mozika koa izy, poety, mpiady, ary mpaminany. Betsaka ny olana natrehiny. Nialona azy, ohatra, i Saoly Mpanjaka dia tsy maintsy nandositra izy nandritra ny taona maro. Rehefa lasa mpanjaka koa izy dia tsy maintsy nandositra indray satria nitady hanongam-panjakana i Absaloma zanany. Tsy nivadika tamin’Andriamanitra mihitsy anefa izy mandra-pahafatiny, na teo aza ireny olana ireny sy ny fahadisoana nataony. Nilaza i Jehovah hoe ‘lehilahy sitraky ny fony’ i Davida. Tena hahasoa antsika àry ny torohevitra nomeny. (1 Mpanj. 15:5) Eritrereto, ohatra, ny torohevitra nomen’i Davida an’i Solomona zanany, izay ho mpanjaka handimby azy. Nifidy an’io tovolahy io i Jehovah mba hanorina tempoly hanome voninahitra azy, sy hampirisika ny olona hanaraka ny fivavahana madio foana. (1 Tan. 22:5) Hiatrika olana maro i Solomona. Dia inona no holazain’i Davida aminy? Nanafatrafatra an’ilay zanany lahy i Davida hoe hahomby izy amin’izay ataony raha mankatò an’i Jehovah.—1 Mpanj. 2:2, 3. w24.11 10 § 9-11
Talata 20 Janoary
Ankino amin’i Jehovah ny lalanao; miantehera aminy, dia hanampy anao izy.—Sal. 37:5.
Inona no mila ataon’ny lehilahy mampijaly na manevateva ny vadiny, raha te hifandray tsara amin’i Jehovah sy amin’ny vadiny indray izy? Voalohany, miaiky izy hoe manana olana be. Tsy azony afenina izany satria tsy misy na inona na inona miafina eo imason’i Jehovah. (Sal. 44:21; Mpito. 12:14; Heb. 4:13) Faharoa, tsy mampijaly na manevateva ny vadiny intsony izy dia miova. (Ohab. 28:13) Fahatelo, mifona amin’ny vadiny sy amin’i Jehovah izy, dia mangataka famelan-keloka amin-dry zareo. (Asa. 3:19) Tokony hitalaho amin’i Jehovah koa izy mba hanampy azy haniry hiova, sy hifehy ny eritreriny, ny teniny, ary ny zavatra ataony. (Sal. 51:10-12; 2 Kor. 10:5; Fil. 2:13) Fahefatra, manao zavatra mifanaraka amin’ny vavaka ataony izy, ka mianatra mankahala ny karazana herisetra sy ny fanevatevana rehetra. (Sal. 97:10) Fahadimy, mitady haingana ny fanampian’ny mpiandry be fitiavana ao amin’ny fiangonana izy. (Jak. 5:14-16) Fahenina, eritreretiny mialoha izay azony atao mba tsy hamerenany intsony ny fahadisoany. w25.01 11 § 14
Alarobia 21 Janoary
Inona no andrasanao? Mitsangàna, ary aoka hatao batisa ianao.—Asa. 22:16.
Tianao ve i Jehovah Andriamanitra, ilay nanome anao ny fanomezana tsara rehetra, anisan’izany ny ainao? Raha manokan-tena ho azy sy atao batisa ianao, dia izany no fomba tsara indrindra hanaporofoanao hoe tianao izy. Ho lasa anisan’ny fianakavian’i Jehovah ianao amin’izay. Hitarika anao sy hikarakara anao ilay Rainao sady Namanao, satria efa lasa fananany ianao. (Sal. 73:24; Isaia 43:1, 2) Ho afaka hanantena ny hankafy fiainana mandrakizay koa ianao rehefa avy nanokan-tena sy natao batisa. (1 Pet. 3:21) Misy zavatra misakana anao tsy hatao batisa ve? Tsy ianao irery no hoatr’izany. Olona an-tapitrisany no tsy maintsy nanova ny fitondran-tenany sy ny fomba fisainany mba hahafeno fepetra hatao batisa. Faly manompo an’i Jehovah anefa ry zareo izao sady mafana fo. w25.03 2 § 1-2
Alakamisy 22 Janoary
Ao aminao ny tena famelan-keloka.—Sal. 130:4.
Matetika no oharin’ny Baiboly amin’ny enta-mavesatra ny fahotana. Izao no nolazain’i Davida Mpanjaka momba ny fahotany: “Efa mihoatra ny lohako ny fahadisoako; toy ny enta-mavesatra ireny ka tsy zakako.” (Sal. 38:4) Mamela ny fahotan’ny mpanota mibebaka anefa i Jehovah. (Sal. 25:18; 32:5) Midika hoe “manainga” na “mitondra” ilay teny hebreo nadika hoe “mamela.” Azo oharina amin’ny lehilahy matanjaka be i Jehovah, dia hoatran’ny hoe ingainy miala eo amin’ny sorotsika ilay fahotana manavesatra antsika, dia entiny lavitra antsika. Hatraiza no itondran’i Jehovah ny fahotantsika? Mampiasa an’izao sarin-teny izao ny Salamo 103:12: “Toy ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana, no anesorany ny fahotantsika ho lavitra antsika.” Ny atsinanana no faritra lavitra indrindra amin’ny andrefana, ary tsy hihaona mihitsy ireo. Inona no dikan’izany? Entin’i Jehovah any amin’izay farany lavitra indrindra azontsika eritreretina ny fahotantsika. Manome toky antsika izany hoe mamela heloka tanteraka izy! w25.02 9 § 5-6
Zoma 23 Janoary
Rehefa manome zavatra mba hiantrana ny mahantra ianao, dia aza mitsoka trompetra eo alohanao.—Mat. 6:2.
Taorian’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra dia nanao fahagagana ny apostoly Petera, ka nanasitrana lehilahy iray nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny. (Asa. 1:8, 9; 3:2, 6-8) Ara-dalàna raha nitangorona teo amin’izy ireo ny olona. (Asa. 3:11) Olona tia sehoseho sy te hoderaina ny nanodidina an’i Petera hatramin’izy mbola kely. Dia nirehareha be ve izy rehefa nahavita an’ilay fahagagana? Tsy izany mihitsy! Nanetry tena izy dia i Jehovah sy Jesosy no nasainy noderain’ny olona. Hoy izy: “Tamin’ny alalan’ny [anaran’i Jesosy] sy ny finoanay ny anarany no nampahatanjaka an’io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io.” (Asa. 3:12-16) Afaka mianatra ny hanetry tena hoatran’i Petera isika. Manao zavatra ho an’ny hafa isika satria tia an’i Jehovah sady tia olona, fa tsy hoe te hoderaina. Hita hoe manetry tena isika raha mahafaly antsika ny manao an’izay azontsika atao mba hanompoana an’i Jehovah sy hanampiana ny mpiara-manompo, na misy mahita ny ezaka ataontsika na tsia.—Mat. 6:1-4. w25.03 10 § 11-12
Asabotsy 24 Janoary
Tandremo tsara foana ny tenanao sy izay zavatra ampianarinao.—1 Tim. 4:16.
Vao mainka hafana fo hitory isika, rehefa mifantoka amin’ny fitiavantsika an’i Jehovah sy ny namantsika. (Mat. 22:37-39) Eritrereto ny hafalian’i Jehovah mahita antsika manao an’io asa io, sy ny hafalian’ny olona rehefa manomboka mianatra Baiboly. Tadidio koa fa ho voavonjy izay manaiky an’ilay hafatra entintsika. (Jaona 6:40) Misy zavatra mahazo anao ve anefa ka tsy afaka mivoaka ny trano ianao? Raha izany, dia mifantoha amin’izay azonao atao mba hampisehoana hoe tia an’i Jehovah sy ny namanao ianao. Tsy maintsy nihiboka tao an-trano, ohatra, i Samuel sy Dania, nandritra ny valanaretina COVID-19. Inona no nataon’izy mivady nandritra an’izany fotoan-tsarotra izany? Nitory tsy tapaka an-telefaonina sy an-taratasy ry zareo, ary nampianatra Baiboly tamin’ny Zoom. Marina hoe voafetra ny azon’i Samuel sy Dania natao, noho izay nanjo an-dry zareo. Faly anefa izy roa satria nanao izay vitany. w24.04 18-19 § 15-16
Alahady 25 Janoary
Iza no nahita vady tsara? Sarobidy lavitra noho ny haran-dranomasina izany vehivavy izany.—Ohab. 31:10.
Marina hoe tsy voatery manambady vao sambatra. Betsaka anefa ny Kristianina mpitovo, na antitra na tanora, no maniry mafy hanana olon-tiana. Mazava ho azy fa tokony ho efa vonona ho amin’ny fanambadiana ianao, izay vao manomboka miaraka amin’olona. Inona no dikan’izany? Tokony ho efa minamana be amin’i Jehovah sy ho mato-tsaina ianao ary hahavita hamelona ny ankohonanao. (1 Kor. 7:36) Alohan’ny hiarahanao amin’olona koa anefa, dia tsara raha fantarinao hoe inona no toetra tianao hananan’izay ho vadinao. Raha tsy izany mantsy, dia mety hisy olona mety ho azonao alaina ho vady nefa tsy tsikaritrao akory, na ianao mbola manohy miaraka amin’olona efa hita hoe tsy mifanentana aminao. Mazava ho azy fa tokony ho Kristianina vita batisa ny olona eritreretinao halaina ho vady. (1 Kor. 7:39) Tsy hoe izay vita batisa rehetra anefa dia afaka ny ho vady tsara ho anao daholo. Eritrereto àry izao: ‘Inona avy ny tanjoko eo amin’ny fiainana? Inona avy ny toetra hitako hoe tena ilain’izay ho vadiko? Tsy mitaky be loatra ve aho amin’izany?’ w24.05 20 § 1; 21 § 3
Alatsinainy 26 Janoary
Miezaha ... ho tsara fanahy amin’ny namanareo avy.—Efes. 4:32.
Ahoana no handaminana olana mandritra ny fiarahanareo roa? Ahoana raha tsy mifanaraka ianareo indraindray? Midika ve izany hoe tsy mifanentana ianareo? Tsy voatery! Mety tsy hitovy hevitra mantsy indraindray ny olon-droa, na efa mpivady na tsia. Mafy orina ny tokantrano, rehefa samy miezaka ny mpivady mba hifandefitra sy hifanaja na dia tsy mitovy aza. Hita amin’ny fomba andaminanareo olana amin’izao àry hoe ho sambatra ve ny tokantranonareo. Azonareo eritreretina izao: ‘Tony tsara sy mifanaja ve izahay rehefa mifampiresaka? Vonona ny hiaiky ve izahay rehefa diso, dia miezaka hiova? Mora mandefitra sy miala tsiny ary mamela heloka ve izahay?’ (Efes. 4:31) Izao anefa: Raha tsy mitovy hevitra sy mifamaly foana ianareo mandritra ny fiarahanareo, dia azo inoana hoe tsy hihatsara izany rehefa lasa mpivady ianareo. Raha hitanao àry hoe tsy mety aminao izy, dia tapaho ilay fiarahana. Izay angamba no fanapahan-kevitra tsara indrindra ho anareo roa. w24.05 29 § 12
Talata 27 Janoary
Hoderaina anie i Jehovah, ilay Vatolampiko, izay mampiofana ny tanako hamely.—Sal. 144:1.
Ho modely isika raha tsy azo hozongozonina fa manao ny tsara foana, ary ataontsika mifanaraka amin’ny tari-dalan’ny Baiboly ny fanapahan-kevitsika. Vao mainka isika tsy hiala amin’ny fahamarinana, rehefa mitombo ny finoantsika sy ny fahalalantsika. Tsy hisalasala isika, dia tsy hiovaova, na ho mora voatariky ny fampianaran-diso sy ny fomba fisainan’izao tontolo izao. (Efes. 4:14; Jak. 1:6-8) Ho afaka hanampy an’izay miatrika olana koa isika. (1 Tes. 3:2, 3) Ampirisihina ny anti-panahy mba hahay handanjalanja amin’izay zavatra fanaony, hisaina tsara, ho tia filaminana, ary handefitra. Hanampy ny fiangonana mba tsy hiovaova ry zareo raha “manaraka tsara an’ilay teny azo antoka.” (Tit. 1:9; 1 Tim. 3:1-3) Manome modely ry zareo sady mitsidika ny ondry, dia izany no manampy ny mpitory hivory sy hanompo ary hianatra samirery tsy tapaka. Ahoana indray raha miatrika olana mampiady saina ny rahalahy sy anabavy? Azon’ny anti-panahy ampiana ry zareo mba hatoky an’i Jehovah sy ny fampanantenany foana. w24.06 31 § 16-18
Alarobia 28 Janoary
Mibebaha fa efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra.—Mat. 4:17.
Nampianatra ny olona i Jesosy, nandritra ny fanompoany, hoe mpamela heloka ny Rainy. Eritrereto ange ilay fanoharana momba an’ilay zanaka adala e! Naditra be ilay tovolahy nandritra ny fotoana kelikely. “Tonga saina” anefa izy dia nody. Dia ahoana no nataon’ny dadany? Nilaza i Jesosy hoe “mbola lavitra” ilay zanany lahy “dia efa tazan’ny rainy. ... Nihazakazaka [izy] ary namihina azy sady nanoroka azy tamim-pitiavana.” Saika hangataka tamin’ilay dadany io zanany io raha mba azo atao anisan’ny mpanompo ao an-tranony. Niantso azy hoe “zanako” anefa ilay rainy dia nekeny ho anisan’ny fianakaviany indray izy. Izao no nolazain’ilay dadany: ‘Efa very izy nefa hita indray.’ (Lioka 15:11-32) Azo antoka fa efa nahita an’ilay Rainy nangoraka mpanota be dia be nibebaka hoatr’izany i Jesosy, talohan’ny nankanesany tetỳ an-tany. Tena mampahery ilay fanoharana nataony sady manome toky antsika hoe be famindram-po i Jehovah, ilay Raintsika! w24.08 11 § 11-12
Alakamisy 29 Janoary
Aoka ... ianareo hisaina tsara.—1 Pet. 4:7.
Manao an’izay azony atao ny Kristianina misaina tsara mba ho hita eo amin’ny fanapahan-kevitra raisiny hoe manana ny fomba fisainan’i Jehovah izy. Fantany hoe ny fifandraisany amin’i Jehovah no zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainany. Tsy manambony tena loatra izy fa miaiky hoe misy zavatra tsy hainy. Asehony koa hoe matoky an’Andriamanitra izy ka mivavaka amim-panetren-tena matetika. Miaiky isika hoe mila mivavaka amin’i Jehovah foana, na inona na inona fahaizana ananantsika. Rehefa misy fanapahan-kevitra lehibe mila raisina dia vao mainka isika mivavaka mba hahazo ny tari-dalan’i Jehovah, ary matoky hoe izy no mahafantatra an’izay mety indrindra amintsika. Velom-pisaorana an’i Jehovah isika satria nataony afaka manahaka ny toetrany. (Gen. 1:26) Marina hoe tsy ho vitantsika ny hanahaka azy tanteraka.—Isaia 55:9. w25.03 11 § 13; 13 § 17-18
Zoma 30 Janoary
[Ny fitiavana] manantena ny zava-drehetra, ary miaritra ny zava-drehetra.—1 Kor. 13:7.
Aza miahiahy ny hafa. Raha misy olona tsy miteny amintsika hoe ankasitrahany ny zavatra nataontsika, dia afaka mieritreritra isika hoe: ‘Tena tsy mahay mankasitraka ve izy? Sa hadinony fotsiny ny nisaotra?’ Mety ho nisy antony hafa koa matoa izy tsy nankasitraka antsika araka ny nantenaintsika. Mety hankasitraka lalina ihany ny sasany, saingy sarotra amin-dry zareo ny mampiseho an’izany. Sadaikatra angamba ry zareo hoe nampiana, indrindra raha ry zareo foana no nanampy hatramin’izay. Tiantsika foana anefa ny mpiara-manompo na ahoana na ahoana, ka tsy hanana eritreri-dratsy momba an-dry zareo isika sady ho faly foana manome. (Efes. 4:2) Manàna faharetana. Izao no nosoratan’i Solomona Mpanjaka hendry momba ny fahalalahan-tanana: “Atsipazo eny ambony rano ny mofonao, fa ho hitanao indray ilay izy rehefa afaka andro maro.” (Mpito. 11:1) Mety ho “afaka andro maro” àry, izany hoe ela be atỳ aoriana, vao hankasitraka an’izay nataontsika taminy ny olona sasany. w24.09 30 § 18-19
Asabotsy 31 Janoary
Anaro eo imason’ny rehetra ny olona zatra manota, mba hampitandremana ny sisa.—1 Tim. 5:20.
Mety hampandrenesina indraindray hoe nahazo fananarana ny olona iray. Mbola afaka mifanerasera aminy isika raha izany, satria fantatsika hoe nibebaka izy dia efa tsy manao ny zava-dratsy nataony intsony. Mbola anisan’ny fiangonana izy ary mila ny fampaherezana avy amin’ny mpiara-manompo. (Heb. 10:24, 25) Tsy hoatr’izany anefa ny olona nesorina tsy ho anisan’ny fiangonana. ‘Tsy mifanerasera aminy intsony’ isika, ary tsy ataontsika “na dia ny miara-misakafo amin’ny olona hoatr’izany aza.” (1 Kor. 5:11) Tena tsy raharahiantsika mihitsy ve izany izy? Tsia. Isika aloha tsy hifanerasera aminy e! Afaka mampiasa ny feon’ny fieritreretany efa nampiofanin’ny Baiboly anefa ny Kristianina tsirairay rehefa hanapa-kevitra hoe hanasa azy hivory sa tsia. Mety ho havany ilay olona nesorina, na namany be taloha. w24.08 30 § 13-14