Ahoana no Fampiasana An’ity Bokikely Ity?
Misy andinin-teny ho an’ny andro tsirairay ato, ary misy fanazavana eo ambaniny. Marina fa azonao vakina amin’izay fotoana mampahalalaka anao ao anatin’ny andro ilay izy. Maro anefa no mahita fa tsara kokoa raha vao maraina no manao an’izany, amin’izay afaka misaintsaina an’ilay izy mandra-paharivan’ny andro. Tena handray soa koa ny fianakaviana raha miara-mandinika azy ity. Izany no ataon’ny mpianakavin’ny Betela maneran-tany amin’ny fotoanan’ny sakafo maraina.
Hita eny amin’ny faran’ny fanazavana tsirairay ny loharanon-kevitra nakana azy. Hazavaina etsy amin’ny tabilao etsy ambany, ohatra, ny dikan’ny hoe “w24.04 2 § 1, 3.” Afaka mijery fanazavana fanampiny ao amin’ilay lahatsoratra ianao.
w24 |
Taona nivoahan’ilay Tilikambo Fiambenana (2024) |
04 |
Volana nivoahan’ilay Tilikambo Fiambenana (Aprily) |
2 |
Pejy nakana an’ilay fanazavana |
§ 1, 3 |
Fehintsoratra nakana an’ilay fanazavana |