Topy Maso Eran-tany
“Fanandevozana” Maoderina
“Toy ny andevo mihitsy no itondrana ireo tantsambo an’aliny maro any anatin’ireo sambo mpanao varotra”, hoy ny gazety iray any Paris. Lazain’ny Vaomiera Iraisam-pirenena Momba ny Fandefasana Entana Amin’ny Sambo, fa “mijaly” ireny tantsambo ireny. “Miasa andro aman’alina izy ireo, ny karamany tsy voaloa, ny sakafony tapa-kibo ary vetavetaina sy kapohina koa izy.” Raha misy mba mitaraina na mitady fanampiana amin’ny sendikàn’ny mpiasa, dia mety hoheverina ho anisan’ireo ahiahina, na atsipy any anaty rano mihitsy aza. Ireo avy any amin’ny tany mahantra no tena iharan’io “fanandevozana maoderina” io. Tsy mahita fomba hafa itadiavam-bola mantsy ny ankamaroan’izy ireo, satria sahirana ara-toe-karena ny taniny. Lazain’ny mpanoratra an’ilay tatitra fa manjary “tsy misy mpiaro” intsony izy ireo amin’ny farany, ka “ambakaina sy robaina.”
Very ny “Tsiambaratelon’ny Natiora”
Nolazain’ny Vaovaon’ny BBC fa “hatramin’ny 90 isan-jaton’ny fiteny maneran-tany no mety hanjavona mandritra ny taonjato manaraka, araka ny vinavinan’ny ONU, ary hanjavona miaraka amin’izany koa ny fahalalana sarobidy maro be momba ny natiora.” Ny fiteny matetika no mitahiry ny fanaon-drazana sy ny hira ary ny tantara, miampita amin’ireo taranaka mifandimby. Izany no mampita ny fianarana sarobidy momba ny tontolo iainana eo an-toerana, sy ny fiaimpiainan’ny biby ao. Efa hatramin’ny ela, ohatra, ny mponina turkana, any avaratrandrefan’i Kenya, no nandinika ny fomba fiainan’ny vorona sasany, mba hamantarana ny fotoana hilatsahan’ny orana. Manampy azy ireo hahafantatra ny fotoam-pamafazana izany. Ho very ny fahalalana nangonin’ny taranaka maro, raha manjavona ny fitenin’izy ireo. Fiteny 234 sahady no fantatra fa efa nanjavona, ary mbola misy 2 500 atahorana hanjavona tsy ho ela koa. Lazain’ny ONU fa “mety hanjavona mandrakizay ny tsiambaratelon’ny natiora ao amin’ireo hira, tantara, sy zavakanto ary asa tanan’ireo tera-tany”, ary mety hiharatsy koa ny voly, hoy izy, vokatr’izany.
Mbola Ampiasaina Ihany ny Taratasy
Noheverina fa hihena be ny fampiasana taratasy, 25 taona mahery lasa izay. Ho fitaovana fampiasa any amin’ny birao mantsy ny ordinatera, ary afaka mitahiry fanazavana. Mihamitombo anefa ny fitadiavana taratasy. Lazain’ny gazety Masoandron’i Vancouver (anglisy) fa be kokoa ny taratasy nampiasain’ny Kanadianina tamin’ny milina fanaovana fotokopia sy fax, tamin’ny 1999, tsy toy ny tamin’ny 1992, izany hoe “30 kilao isan-taona isaky ny Kanadianina, anisan’izany ny ankizy.” Nilaza ny mpiasa birao fa natao hijerena fanazavana ny ordinatera tamin’ny voalohany, nefa ta hanao pirinty ny zavatra hitany amin’ny ordinatera foana ny olona. Marina koa izany amin’ireo manana ordinatera any an-tranony, hoy ilay gazety voalaza etsy ambony. Lasa “mpandany taratasy be” ny ankizy, satria tiany hatao pirinty foana izay zavatra rehetra vitany na hitany ao amin’ny ordinatera.
Atahorana ny Fikambanan’ny Mpanao Heloka Bevava
“Ny fikambanan’ny mpanao heloka bevava iraisam-pirenena indray izao no atahoran’ny olona kokoa noho ny ady.” Lazain’ny Masoivohom-baovao Frantsay (AFP), fa izany no nisongadina tamin’ny fihaonam-be natao vao haingana momba ny heloka bevava iraisam-pirenena. Nandray fitenenana tamin’io fihaonam-be tany Tokyo io, i Pino Arlacchi, sekretera jeneraly lefitra ao amin’ny Biraon’ny ONU Miady Amin’ny Zava-mahadomelina sy ny Heloka Bevava. “Mihoatra lavitra noho izay noeritreretin’ny fanjakana sy ny mponina”, hoy izy, “ny hamafin’ny heloka bevava iraisam-pirenena.” Nolazainy fa ny fanondranana olona no mihabetsaka indrindra amin’ny heloka bevava iraisam-pirenena. Ary ahazoana tombony be dia be ny fanondranana an-tsokosoko vehivavy sy ankizy an-tapitrisany, ataon’ireo antokon’olona mpanao heloka bevava. Nilaza i Bunmei Ibuki, lehiben’ny polisy taloha tany Japon, fa “tsy misy mihitsy firenena afaka miady irery amin’ny fikambanana mpanao heloka bevava iraisam-pirenena.” “Koa tena ilaina àry ny hanamafisana ny lalàna isan-tanàna sy maneran-tany.”
Fanariam-pako ny any Ambony Tsy Taka-maso Any
Efapolo taona eo ho eo izay no nahasahian’ny olona nankany ambony tsy taka-maso any, ka nahatonga ny faritra manodidina ny tany ho fanariam-pako. Lazain’ny gazety Ny Vaovao (anglisy) any Mexico, fa bala afomanga efa ho 4 000 izay no nalefa. Nanjary “nisy ‘vaingan-javatra’ 23 000 mahery niforona any ambony any. Lehibe noho ny voasary ny tsirairay avy aminy.” “Fako” ny 6 000 amin’ireny, ary mety hilanja 1 800 taonina ny fitambarany. Potipoti-javatra 100 000 eo ho eo no niparitaka rehefa nifandona ireny vaingan-javatra ireny. Marina fa tsy misy fiantraikany etỳ an-tany izy ireny, nefa mirimorimo mafy ka tena mampidi-doza ho an’ny fifamoivoizana any ambony any. Mahatratra 50 000 kilaometatra isan’ora ny firimorimoan’ny poti-by kely iray. Mety hamaky ny varavarankelin’ny zanabolana izany, na handoaka ny takelaka mandray ny herin’ny masoandro, na handrovitra ny akanjon’ny mpanamory sambon-danitra any ambony any. Milaza ny gazety Ny Vaovao fa “eo am-pamolavolana ny Tetik’asa Orion izao ny NASA, mba hanamboarana ‘kifafa ho an’ny habakabaka’, hanadiovana ny fako eny amin’ny lanitra.” “Eritreretina hoe hopotehina amin’ny lazera ireny fako ireny, ... ka hatosika moramora hiakatra mba tsy hampidi-doza ny fandoroana azy.”
Mihabetsaka ny Tsy Manan-kialofana
Hoy ny Vaovaon’ny BBC: “Nilaza ny ONU nandritra ny Fanambarana Iraisam-pirenena Momba ny Zon’olombelona tamin’ny 1948, fa tena ilaina ny hananana trano ary fomba. Tsy noraharahaina akory anefa izany, 50 taona mahery atỳ aoriana.” Lazain’ny tatitra vao haingana nataon’ny ONU fa olona 100 tapitrisa eo ho eo maneran-tany no tsy manan-kialofana, ary ankizy ny 30 tapitrisa. Marihiny fa mbola miharatsy ny toe-javatra. Lazainy fa ny fanorenana tanàn-dehibe haingana loatra, any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana, no tena nahatonga izany. Olona 600 tapitrisa koa any Azia atsimoatsinanana sy Afrika, no mipetraka amin’ny trano tsizarizary sy feno olona mifanizina, tsy misy fantson-drano maloto sady tsy misy rano akory. Manjo ny tany manankarena koa anefa io olana io. Mahatratra 700 000, any Etazonia, ny olona tsy manan-trano fa mirenireny eny amin’ny arabe. Any amin’ny faritra sasany any Eoropa andrefana, raha misy olona 1 000, dia ny 12 amin’izy ireo no tsy manan-kialofana.
Mihamanjavona ve Ity “Fahaizana” Ity?
“Mihamanjavona ny fahaizana mangarom-paosy any Osaka”, any Japon. “Tsy ta hanatsara ny fahaizany an’io zavatra io intsony mantsy ny tanora”, hoy ny gazety Vaovao Takariva Asahi (anglisy). Milaza ny polisy iray any fa taona maromaro no ilaina mba hahatongavana ho havanana amin’io fomba fangalatra io. Toa aleon’ny tanora mpanao heloka bevava mampiasa fomba fangalatra mora kokoa. Ny sinto-mahery indray izao no manjaka. Tamin’ny taon-dasa, dia olona efa 60 taona na mahery ny ampahatelon’ireo voasambotra fa nahiahina ho nangarom-paosy, tany Osaka. Lehilahy 78 taona ny antitra indrindra. In-12 tamin’izay izy no voasambotra. Tratra teo am-pangalarana tranon-tsolomaso tao anaty poketran’ny vavy antitra iray izy. Nilaza ny mpanao famotorana fa “tsy mahita tsara izy, ka nalainy ilay tranon-tsolomaso satria noheveriny fa poketra kely fasiana vola.”
Modely Amin’ny Fitondrana Fiara
“Tokony ho modely ho an’ireo zanany ny ray aman-dreny, na alohan’ny hahazoan-janany ny fahazoan-dalana hitondra fiara izany, na mandritra ny fotoana hianarany mitondra”, hoy i Susan Ferguson, ao amin’ny Fikambanana Momba ny Aro Lozan’ny Fifamoivoizana. Lazain’ny gazetiboky Mpahay Siansa Vaovao (anglisy) fa nandinika ny firaketana an-tsoratra ny lozam-pifamoivoizana 140 000 teo amin’ny fianakaviana amerikanina i Susan Ferguson sy ny mpiara-miasa aminy. Natao ny fampitahana teo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanany 18 ka hatramin’ny 21 taona. Amin’ny ankizy 100, manan-dray aman-dreny efa tratran’ny lozam-piarakodia intelo na mihoatra tao anatin’ny dimy taona, dia 22 no atahorana hiharan-doza, raha mitaha amin’ny ankizy mbola tsy tratran’ny lozam-piarakodia mihitsy ny ray aman-dreniny. Marina koa izany raha ny amin’ny fandikana ny lalàn’ny fifamoivoizana, toy ny fandehanana mafy loatra, na ny tsy fijanonana amin’ny jiro mena. Amin’ny ankizy 100, manan-dray aman-dreny mandika lalàna, dia 38 no atahorana handika lalàna koa. “Tokony ho ohatra tsara ny ray aman-dreny”, hoy i Jane Eason, ao amin’ny Fikambanana Britanikan’i Londres Momba ny Aro Loza. “Tokony hampianarina ny olona aloha be ny aro lozan’ny fifamoivoizana.”
“Zavamiaina Be Velarana Indrindra eto An-tany”
Lazain’ny gazetiboky Ny Zavamiaina ao Amin’ny Alam-pirenena (anglisy) fa “maniry be any anaty tany, any amin’ny ala maitsoririnina any amin’ny faritra atsinanan’i Oregon, ilay zavamiaina be velarana indrindra eto an-tany. Izany dia ny karazana holatra antsoina hoe Armillaria ostoyae. Velona 2 400 taona, fara fahakeliny, izy io. Mandrakotra toerana maherin’ny 900 hektara, izany hoe toerana mitovy velarana amin’ny kianja filalaovana baolina kitra 1 700 mitambatra, hoy ny mpahay siansa sy ny Sampan-draharaha Amerikanina Mikarakara ny Ala, izay nahita azy io voalohany.” Maniry any anaty tany io holatra io, mitatra tsikelikely ary matetika no mitety fakan-kazo mba hifindrafindrana amin’ny hazo. Misy “maha ratsy” azy io anefa, hoy ny manam-pahaizana momba ny ala. Milaza ilay gazetiboky voalaza etsy ambony fa “mampisy aretina amin’ny fakan-kazo ny Armillaria, ary mety hamono ilay hazo izany amin’ny farany.”