Naman’ny Efa Resy eo Amin’ny Ady Amin’ny Heloka Bevava
“HO AZO fehezina haingana dia haingana ny fitomboan’ny heloka bevava, raha toa ka vonona hanao ilay ezaka ny rehetra”, hoy ny lehiben’ny Polisy An-tanàn-dehibe taloha, araka ny voalaza tao amin’ny gazety Liverpool Daily Post any Angletera. Eny tokoa, raha mankatò lalàna ny rehetra, dia hanjavona ny heloka bevava.
Kanefa, mitombo ny heloka bevava, saika any amin’ny toerana rehetra. Mihatra amin’izao androntsika izao ireto teny ireto, notononina an’arivony taona maro lasa izay: “Simba ny tany teo anatrehan’Andriamanitra sady heni-doza”. (Genesisy 6:11). — Jereo ny faritra voafefy etsy amin’ny pejy manaraka.
Manomboka amin’ny zavatra kely ny heloka bevava
Mety ho voavolavola handika lalàna amin’ny zavatra lehibe kokoa ny olona iray, amin’ny fandikany lalàna amin’ny zavatra madinika. Mba handentehana lalina izany zava-misy izany tao an-tsain’ireo mpianany, dia nanazava toy izao ny mpampianatra iray: “Nanomboka tamin’ny fangalarana pensilihazo tany am-pianarana ny mpandroba banky.”
Atỳ aoriana, inona no matetika mitranga any am-piasana? Mijanona any an-trano ny olona fa tsy miasa, satria marary, hono, izy, ary amin’izay dia manaiky handray fanampiana ara-bola tsy tokony ho azony akory. Mahazatra kokoa tsy araka ny iheverana azy io fanao tsy marina io. Any Alemaina, ohatra, amin’ireo andro tsy ahatongavan’ny olona miasa noho ny aretina, ka anaovany tatitra, dia 6 isan-jato no andro alarobia, 10 isan-jato talata, ary 16 isan-jato alakamisy, saingy tsy mampino fa 31 isan-jato no alatsinainy, ary mihoatra noho izany no zoma: 37 isan-jato! Tena marary matetika kokoa ve ny olona ny alatsinainy sy zoma, sa endrika hafa isehoan’ny halatra fotsiny izany?
Iza moa ireo mpanao heloka bevava?
Mazava ho azy fa mazàna no tsy mitovy ny vokatry ny heloka bevava ataon’ny olona eo amin’ny toeram-pahefana sy ny ataon’ny olon-tsotra. Teo am-piandohan’ireo taona 1970, dia voahozongozon’ny heloka bevava ara-politika lehibe aoka izany i Etazonia, hany ka nanjary tafiditra tao amin’ny teny anglisy mihitsy aza ilay anarana nifandray tamin’izy io.
Ny atao hoe “Watergate” dia “raharaha mahafa-baraka, indrindra fa izay mahafaoka fitadiavana hanafina fanazavana mety hanimba, na hanafina fanaovan-javatra tsy araka ny lalàna”, hoy ny rakibolana iray.a Izao no nanampin’izy io avy eo: “Namela soritra lehibe tsy azo kosehina teo amin’ny teny anglisy tamin’ireo taona 1970, ilay raharaha Watergate. Nampipoitra teny vaovao maro samihafa sy ilay tovana hoe ‘-gate’, ampiasaina mba hilazana raharaha mahafa-baraka na fandraisana kolikoly, ilay teny.”
Nanomboka tamin’izay fotoana izay, dia nasehon’ny hamaroan’ny raharaha mahafa-baraka toy ny an’ny Watergate, fa miely patrana ny heloka bevava, na dia eo amin’ireo izay tokony ho modely aza, raha ny amin’ny fanarahan-dalàna. Any Japon, dia nanjary niely patrana aoka izany ny fandraisana kolikoly ara-politika, hany ka nisy lalàna vaovao maro tsy maintsy nolanina teo am-piandohan’ireo taona 1990, mba hiadiana tamin’izy io. Tamin’ny 1992, dia naongana ny prezidàn’i Brezila, satria nampangaina ho nandray kolikoly.
Tsy miharihary ve fa anisan’ny mahatonga ny sarambaben’ny olona hanao heloka bevava ny fahitana ireo eo amin’ny toeram-pahefana manao ratsy, anisan’izany ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra ary ny manam-pahefana mpampihatra lalàna?
Tsy ampy ny hoe tsara fikasa
Eken’ny ankamaroan’ny olona fa maniry hamongotra ny heloka bevava ireo fitondram-panjakana. Kanefa, izao no nomarihin’ny manam-pahefana iray efa misotro ronono, momba ny taniny: “Kely loatra ny zava-bitan’ny fitondram-panjakana mba hampandeha haingana sy hampandaitra ny fomba fiasan’ny fitsarana. Tsy ampy ny mpitsara, koa tototry ny asa ireo vitsivitsy misy eto aminay. Tsy ampy mpiasa sady tsy ampy fitaovana ny ao amin’ny polisy. Tsy mahazo ny karamany ara-potoana ireo polisy indraindray, hany ka alaim-panahy be izy ireo handray kolikoly.”
Mitaraina ny gazetiboky italiana La Civiltà Cattolica hoe “tsy manan-kery ny Fitondrana manoloana ny fikambanan’ny mpanao heloka bevava”, ary izao no nomarihiny avy eo: “Ankasitrahana ny faneken’ireo masoivoho mpampihatra lalàna sy ny fitsarana ny adidiny hiady amin’ny heloka bevava, saingy miharihary fa tsy misy fiantraikany, na dia kely akory aza, eo amin’ny fikambanan’ny mpanao heloka bevava izany; mifanohitra amin’izany kosa fa mitombo ny tanjaka sy ny herin’izy io.”
Mazava fa tsy ampy ny maha-tsara fikasa ny fitondram-panjakana mba hiadiana amin’ny heloka bevava. Ara-drariny raha manao izao fanamarihana izao i Anita Gradin, iraka eoropeana misahana raharaha momba ny fifindra-monina sy raharaham-pitsarana: “Mila fomba fiasa tsara kokoa sy mandaitra kokoa isika mba hiaraha-miasa eo amin’ny ady amin’ny fampidirana zava-mahadomelina an-tsokosoko sy amin’ny fanaovana varo-maizina zava-mahadomelina, ny fampidirana olona an-tsokosoko, ny fifindra-monina tsy araka ny lalàna, ny fikambanan’ny mpanao heloka bevava, ny hosoka, sy ny fandraisana kolikoly.”
Tena manaiky ny adidiny ve ireo manam-pahefana?
Misy olona mametraka fisalasalana ny amin’ny hoe hatraiza no tena aneken’ireo manam-pahefana ny adidiny hiady amin’ny heloka bevava. Nomarihin’ny inspektera jeneralin’ny polisy taloha tao amin’ny tany iray, fa ny rehetra, rehefa eny imason’olona, fara faharatsiny, dia “manameloka ny fandraisana kolikoly sy ny heloka bevava ara-bola”. Kanefa, hoy izy, tsy ny rehetra no manam-paniriana marina hamongotra ny heloka bevava sy ny fandraisana kolikoly. Olona mihamaro hatrany — anisan’izany ireo manam-pahefana — no toa mihevitra ny fandraisana kolikoly sy ny hosoka ary ny halatra ho fomba azo ekena mba hisondrotana.
Koa satria olona maro “izay manao heloka bevava no afa-maina”, araka ny tenin’ny mpiasa ambony iray ao amin’ny ladoàny, dia tsy isalasalana fa antony iray mampitombo ny heloka bevava izany. Ohatra, resahin’ny boky rosiana iray fa “afa-mandositra sazy mora foana ny mpanao heloka bevava”. “Toa manome hevitra ny olom-pirenena tsotra hanao ny heloka bevava faran’izay feno habibiana indrindra” izany, hoy ny nanampin’ilay boky. Izany dia tsy misy hafa amin’izay nolazain’ny mpanoratra ao amin’ny Baiboly, 3 000 taona teo ho eo lasa izay, nanao hoe: “Saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan’ny fon’ny zanak’olombelona amin’ny fanaovan-dratsy.” — Mpitoriteny 8:11.
Tsy fanitarana ny filazana fa naman’ny efa resy ny fitondram-panjakana eo amin’ny ady amin’ny heloka bevava. Hoy ny fanamarihan’ilay gazety alemà hoe Rheinischer Merkur: “Latsa-paka lalina ilay fahatahoran’ny olona ny fitomboan’ny heloka bevava atao amin-kerisetra, ary tsy azo ampitonena izy io, na amin’ny alalan’ny ady lahy politika mahazatra, na amin’ny alalan’ny antontan’isa toa manondro fa tsy dia ratsy araka ny mety hisehoany ny tarehin-javatra.”
Tsy marina ny hoe tsy dia ratsy araka ny mety hisehoany ny heloka bevava. Azo inoana kosa fa ny mifamadika amin’izany no tena izy. Kanefa, misy ny antony mahabe fanantenana. Mihantomotra hatrany ny tontolo iray tsy hisy heloka bevava, ary mety ho velona ianao ka hahita izany. Hampiseho ny antony mahatonga anay hilaza izany ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Nomena anarana hoe Watergate ilay raharaha, satria ny fidirana an-keriny tao amin’ny trano iray mitondra io anarana io no nanala sarona azy io. Nitarika ho amin’ny fialan’ny Prezidà amerikana Richard Nixon teo amin’ny toerany sy ny fampidirana am-ponja ny maromaro tamin’ireo mpanolo-tsainy ambony indrindra, ilay raharaha nahafa-baraka, tamin’ny farany.
[Teny notsongaina, pejy 6]
Olona maro no mihevitra ny heloka bevava ho fomba azo ekena mba hisondrotana
[Efajoro, pejy 5]
Feno Herisetra ny Tany
AFRIKA ATSIMO: “Mandrahona ny tsirairay avy amintsika sy ny zava-drehetra ataontsika ny herisetra tsy voasakana sy mila ho tsy voafehy — ary tsy maintsy manao zavatra faran’izay hentitra isika.” — The Star.
ALEMAINA: “Mihakely hatrany ny hantsana mampisaraka ny fahavononana hampiasa herisetra sy ny toe-javatra mahatonga ny olona iray hanao izany. Koa tsy mahagaga firy àry raha nanjary miseho isan’andro ny herisetra.” — Rheinischer Merkur.
BREZILA: “Ho setrin’ny fitomboan’ny onjan-kerisetra, dia olona ana hetsiny maro no nameno ireo arabe tao amin’ny faritanàna be toeram-piasana [any Rio de Jainero], ka naneho ny tahony sy ny fahatezerany noho ny heloka bevava namabo ny tanànany.” — International Herald Tribune.
ETAZONIA: “I Etazonia no firenena mahery setra indrindra eo amin’ny tontolo be indostria. (...) Tsy misy firenen-kafa be indostria, ka manakaiky azy amin’io lafiny io.” — Time.
GRANDE-BRETAGNE: “Mora mampiasa herisetra kokoa ny olona, ary mitombo ny mety hampiasan’ny mpandika lalàna herisetra avy hatrany.” — The Independent.
IRLANDY: “Nanorim-ponenana tao afovoan-tanànan’i Dublin sy tao amin’ireo faritanàna andrefana mahantra kokoa manamorona azy io, ireo fianakaviamben’ny mpanao heloka bevava mitovy karazana amin’ny Mafia. Mihamirongo fitaovam-piadiana ireo andian-jiolahy.” — The Economist.
MEKSIKA: “Nitombo haingana aoka izany ny heloka bevava, tao anatin’ny fe-potoana fohy dia fohy, hany ka mampahatahotra izany.” — The Wall Street Journal.
NIZERIA: “Tsy nahomby tamin’ny adidiny hisakana ny tanora tsy hanao heloka bevava ny fianakaviana, ny fiangonana, ny mosquées, ny sekoly, sy ny klioba, araka ny nolazain’Atoa Frank Odita, mpitondra tenin’ny polisy.” — Daily Champion.
PHILIPPINES: “Fianakaviana enina ao anatin’ny folo any Philippines no milaza fa tsy mahatsiaro ho voaro izy ireo ao an-tranony, na eny amin’ny arabe.” — Asiaweek.
ROSIA: “Novan’ireo andian-jiolahy mitovy amin’ny Mafia, ho foiben’ny heloka bevava, ny tanàna iray tsy nisy natahorana indrindra teto an-tany tamin’ny andron’ny Komonista. (...) ‘Tao anatin’ny 17 taona nanaovako fisafoana’, hoy ny lietnà Gennadi Groshikov, polisy, ‘dia sady mbola tsy nahita heloka bevava be dia be toy izao mihitsy aho teto Moscou, no mbola tsy nahita zavatra feno halozana toy izao.’ ” — Time.
SINA: “Mipoitra indray ireo jiolahy any Sina, ary toa tsy azo fehezina ny fitomboan’ny heloka bevava lehibe. (...) Lazain’ireo manam-pahaizana sinoa fa mitombo haingana ny isan’ny andian-jiolahy sy ny ‘fikambanana miafina’, hany ka tsy araky ny polisy intsony ny fanisana azy ireny.” — The New York Times.
TAÏWAN: “Any Taïwan, (...) dia nitsofoka tsikelikely teo amin’ny fitambaran’olona ny fandrobana, ny fanafihana, sy ny vonoana olona mihamitombo (...). Eny tokoa, mitombo tsikelikely ny tahan’ny heloka bevava, ary amin’ny toe-javatra sasany, dia mihoatra noho ny any amin’ireo tany tandrefana.” — The New York Times.