Tanàn-dehibe Afrikanina Ihaonan’ny Atsinanana sy ny Andrefana
AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ATSY AFRIKA ATSIMO
FENO loko isan-karazany ny araben’i Durban! Ho hitanao fa maro, indrindra ny tanora, no manaraka ny fomba fitafy tandrefana. Mariho koa anefa ireo vehivavy lehibe zoloa manao akanjo maotina lavabe sy saron-doha mareva-doko. Eo koa ny vehivavy karàna manao akanjo saris na pendjabi sy pataloa. Hahita lehilahy zoloa manao fitafiana be pitsiny, mitarika posiposy, ianao, arakaraka ny anatonanao ny moron-dranomasina. Marina tokoa fa tanàn-dehibe afrikanina hafakely ihaonan’ny Atsinanana sy ny Andrefana i Durban. Inona no tantaran’io tanàn-dehibe mahafinaritra io?
Roanjato taona latsaka izay no nisian’ny mponina teto Durban, tanàn-dehiben’i Afrika Atsimo. Nisy mpanjana-tany Eoropeanina 40 teo ho eo nanorim-ponenana teto tamin’ny 1824. Tany avaratr’i Durban no foiben’ny fanjakana matanjak’ireo Zoloa notarihin’i Shaka, mpanjaka mpiadin’izy ireo, tamin’izany. Nozanahin’i Grande-Bretagne i Durban sy ireo faritra manodidina azy, 20 taona tatỳ aoriana. Nisy ady maromaro nifanaovan’ireo mpanjanaka vaovao sy ireo Zoloa, nandritra ny taonjato faha-19.
Hitan’ireo mpanorim-ponenana anglisy koa tamin’izany fa maniry tsara any amoron-tsiraka ny fary fanaovana siramamy. Nanafatra mpiasa avy tany Inde, zanatany britanika hafa iray teo aloha, izy ireo, mba hiasa tany amin’ny fambolena fary. Karàna maherin’ny 150 000 àry no tonga teto Durban teo anelanelan’ny 1860 sy 1911. Maherin’ny telo tapitrisa ankehitriny ny mponin’ny renivohitr’i Durban, ka avy amin’ny faritra telo samy hafa amin’ny tany izy ireo: Zoloa tompon-tany, Aziatika avy any Inde, ary Britanika sy taranaka Eoropeanina tandrefana.
Misy lafiny hafa koa mampiavaka an’io tanàna io. Misy seranan-tsambo voajanahary ao aminy, araka ny hita eto amin’ny sary. Manasaraka azy io sy ny Oseana Indianina ny tany lavalava antsoina hoe Bluff. Mirefy 90 metatra ny haavon’io tany lavalava tsara tarehy sy rakotry ny zavamaniry io. Misy sambo lehibe mandalo eo amin’io seranan-tsambo voaro amin’ny fomba voajanahary io isan’andro. Manazava ny boky Tari-dalana Momba ny Famantarana An’i Afrika Atsimo (anglisy) fa ny seranan-tsambon’i Durban no “lehibe sy be mpivezivezy indrindra atỳ Afrika, ary fahasivy maneran-tany.” Tian’ny mpanao vakansy ny torapasika tsara tarehy sy ny rano mafanan’i Durban. Ahitana toerana tsara hilalaovana rano sy hilomanosana any, ary tsy misy ahina satria misy harato natao hisakanana ny antsantsa.
Misy antony hafa mahatonga an’ireo tia ny Baiboly ho liana amin’io tanàna io. Nanorina biraon’ny sampana teto tamin’ny 1910 ny Mpianatra ny Baiboly, araka ny nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany. Natao teto Durban tamin’ny Aprily 1914 koa ny fivoriamben’ny vondrom-paritra voalohany nataon’ireo Mpianatra ny Baiboly tatỳ Afrika. Nisy 50 teo ho eo ny mpanatrika, anisan’izany ny solontena avy tamin’ny faritra lavitra teto Afrika Atsimo. Nisy 16 ny mpanompon’i Jehovah vaovao natao batisa tamin’io fivoriambe nanan-tantara io. Maro tamin’ny mpanatrika no voahosotra nahatoky hatramin’ny fahafatesana. Anisan’izany i William Johnston, izay voalohany niandraikitra ny iray tamin’ireo biraon’ny sampana tatỳ Afrika.
Nanao fivoriambe hafa teto Durban koa ny Vavolombelon’i Jehovah, nanomboka tamin’ny 1914. Tokony ho 14 848 no nanatrika ireo fivoriambe roa “Mpankatò ny Tenin’Andriamanitra”, natao teto tamin’ny Desambra 2000, ary olona vaovao 278 no natao batisa. Indro misy tantaran’ny iray tamin’ireo fianakaviana karàna tonga nanatrika. Nahafantatra ny fahamarinana ara-baiboly tamin’ny alalan’i Somashini zanany vavy, i Alan, folo taona lasa izay. Vao afaka tamin’ny toaka i Alan ka nitady zava-kendrena teo amin’ny fiainana. Nitondra boky iray hitany tany amin’ny mpifanila trano taminy ho an-drainy i Somashini, izay vao telo taona monja tamin’izay. Nanintona an’i Alan avy hatrany ny lohatenin’ilay izy hoe Ahoana no Hahitanao ny Tena Fiadanana sy Filaminana? (frantsay). Tiany izay novakiny ary nanomboka niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Nosoratan’i Alan ara-dalàna ny fanambadian’izy sy i Rani, rehefa fantany izay nolazain’ny Baiboly momba izany. Liana koa i Rani tsy ela taorian’izay, ary nanomboka nanatrika ireo fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Niara-nipetraka tamin’ny ray aman-drenin’i Rani, izay mpivavaka any amin’ny fiangonan’ny Kristianisma Anarana, izy ireo tamin’izany. Tsy tia an’ilay fivavahana vaovaon’izy ireo ny ray aman-dreniny ka nampitandrina hoe: “Izay tianareo na tsy hiaraka amin’ny Vavolombelona intsony ianareo, na hiala ato an-tranonay!”
Nanapa-kevitra ny hiala tao i Alan sy i Rani, na dia sarotra aza ny nahita trano. Nanampy azy ireo hahita trano ny Vavolombelon’i Jehovah namany. Natao batisa, ka lasa Vavolombelon’i Jehovah, i Alan sy i Rani, tamin’ny 1992. Nandroso hatrany izy ireo, ary anti-panahy ao amin’ny fiangonana kristianina i Alan ankehitriny.
Misy fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 50 izao eto an-drenivohitr’i Durban. Zoloa ny ankamaroan’ny mpikambana ao amin’izy ireo. Na izany aza, dia misy Zoloa sy Karàna ary Eoropeanina ny fiangonana sasany, indrindra fa ireo any akaikin’ny afovoan-tanàna. Tsy ny Atsinanana mihaona amin’ny Andrefana ihany anefa no ho hitanao any amin’ireny fivoriana ireny. Mety ho Vavolombelona afrikanina miakanjo tsara, na karàna, na eoropeanina no mitarika ilay fivoriana. Izao anefa no azo antoka: Ho hitanao mazava avy amin’ireo mpanatrika fa manan-kery hampiraisana olona avy amin’ny firenena rehetra, mba ho mpinamana maharitra sy mifankatia tokoa, ny Baiboly.
[Sary, pejy 26]
Mampiray olona samy hafa firazanana ny fivoriana kristianina
[Sary, pejy 26]
Alan sy Rani ary ny zanany
[Sary, pejy 26]
Lapan’ny tanànan’i Durban
[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]
Sary: Courtesy Gonsul Pillay