Nahoana no Mihalefy ny Fitiavana?
“Toa mora lavitra ny ho raiki-pitia fa sarotra kosa ny hampahateza ny fitiavana.” — PR. KAREN KAYSER.
ANGAMBA tsy mahagaga ny fitomboan’ny fanambadiana tsy misy fitiavana. Fifandraisana sarotra eo amin’ny samy olombelona mantsy ny fanambadiana, ary maro no miditra amin’izy io nefa tsy niomana firy. “Takina ny hampisehoantsika fahaizana mba hahazoan-dalana hamily fiarakodia”, hoy ny nomarihin’ny Dr. Dean S. Edell, “fa azo amin’ny alalan’ny sonia fotsiny kosa ny fahazoan-dalana hanambady.”
Noho izany, na dia fanambadiana maro aza no mahomby sy tena sambatra, dia maro koa no ao anatin’ny fihenjanana. Nanantena zavatra betsaka angamba ny iray, na izy mivady, fony niditra tao amin’ny fanambadiana, nefa tsy ananany ny fahaizana ilaina mba hampaharitra ilay fifandraisana. “Raha vao manjary mifandray akaiky ny olon-droa”, hoy ny nohazavain’ny Pr. Harry Reis, “dia tena mifampatoky tsy misy toy izany.” Mihevitra izy fa ilay vadiny no “hany olona eto an-tany mitovy fomba fihevitra aminy. Mihalefy anefa io fiheverana io indraindray, ka amin’izay, dia mety hisy vokany ratsy eo amin’ilay fanambadiana”.
Soa ihany fa tsy tonga hatramin’izany ny ankamaroan’ny fanambadiana. Andeha anefa hodinihintsika kely ny sasantsasany amin’ireo antony mety hahatonga ny fitiavana hihalefy, amin’ny toe-javatra sasany.
Fahadisoam-panantenana — “Tsy nampoiziko izao”
“Fony aho nanambady an’i Jim”, hoy i Rose, “dia nihevitra aho fa ho tahaka ilay zanakavavin’ny mpanjaka sy ilay printsy mambabo fo ao amin’ny angano izahay, ka hifaneho fitiavana sy fiheverana foana.” Rehefa afaka fotoana kelikely anefa, dia toa tsy nambabo ny fon’i Rose intsony ilay “printsy”. “Nanjary diso fanantenana tanteraka taminy aho tamin’ny farany”, hoy i Rose.
Tsy mampiseho ny fitiavana araka ny tena zava-misy ny ankamaroan’ireo sarimihetsika sy boky ary hira be mpitia. Mandritra ny fiarahan’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray alohan’ny fanambadiana, dia mihevitra izy ireo fa tanteraka ny nofinofiny; taona vitsivitsy aorian’ilay fanambadiana anefa, dia manatsoaka hevitra izy ireo fa hay nofy fotsiny tokoa ilay izy! Mety ho toa tsy mahomby mihitsy ny fahitana ny fanambadiana iray afaka ny hahomby, raha tsy mahatanteraka ireo nofinofim-pitiavana voalazan’ny angano.
Mazava ho azy, fa rariny tanteraka ny anantenana zavatra sasany avy amin’ny fanambadiana. Mety tokoa, ohatra, ny hanantenana fitiavana, fanehoam-piheverana, ary fanohanana, avy amin’ny vadin’ny tena. Mety tsy ho tanteraka anefa na dia ireo faniriana ireo aza. “Toy ny tsy manambady ny fahatsapako ny tenako”, hoy i Meena, tanora iray vao nampakarina, mipetraka any Inde. “Mahatsiaro ho manirery sy tsy raharahaina aho.”
Toetra tsy mifanentana — “Tsy hitako mihitsy izay mba itovizanay”
“Saika amin’ny zavatra rehetra, dia mifanipaka ohatra ny atsimo sy avaratra ny fomba fijerinay mivady”, hoy ny vehivavy iray. “Raha mbola misy masoandro mihiratra koa, dia manenina mafy aho noho ny nanambadiako azy. Tena tsy mifanentana tsotra izao izahay.”
Tsy ela mazàna dia tsikaritry ny mpivady fa hay izy ireo samy hafa be amin’ilay toa nahitana azy ireo nandritra ny fiarahana talohan’ny fanambadiana. “Matetika ny fanambadiana no mampibaribary lafin-toetra izay tsy tsapan’ny mpivady akory hoe nananany fony izy ireo mpitovo”, hoy ny nosoratan’ny Pr. Nina S. Fields.
Vokatr’izany, dia mety hanatsoaka hevitra ny mpivady sasany, aorian’ny fanambadiana, fa tsy mifanentana velively ry zareo. “Na eo aza ny fitoviana sasany eo amin’ny fitiavan-javatra manokana sy ny toetra, dia misy fahasamihafana lehibe kosa ny fomba sy ny fahazarana ary ny toe-tsain’ny ankamaroan’ny olona miditra ao amin’ny fanambadiana”, hoy ny Dr. Aaron T. Beck. Mpivady maro no tsy mahay mandravona ireny fahasamihafana ireny.
Ady — “Mifanditra foana izahay”
“Gaga izahay nahatsapa fa niady lava izahay, nivazavaza mihitsy aza, ary ny tena ratsy aza, dia samy tezitra izahay ka tsy nifampiteny nandritra ny andro maromaro”, hoy i Cindy, nisaintsaina ny amin’ireo andro voalohandohan’ny nanambadiany.
Tsy ilaozan’izay tsy fifanarahana ny fanambadiana. Ahoana kosa anefa no tokony handaminana azy ireny? “Ao amin’ny fanambadiana iray mandeha tsara”, hoy ny nosoratan’ny Pr. Daniel Goleman, “dia tsy misalasala milaza ny zavatra itarainany izy mivady. Matetika tokoa anefa ireny fitarainana ireny no lazaina amin’ny fomba mandrava rehefa mirehitra ny fahatezerana, ka toy ny hoe atao hamelezana ny toetran’ilay vady ilay izy.”
Rehefa mitranga izany, dia manjary ady ny resaka, ka ao no anaovana di-doha iarovana ny fomba fihevitry ny tena, ary manjary fitaovam-piadiana ny teny amin’izay, fa tsy fitaovana fampitan-kevitra intsony. Hoy ny ekipana manam-pahaizana iray: “Ny iray amin’ireo zavatra manimba indrindra eo amin’ny fifandirana, izay mihamafy ka tsy voafehy, dia ity: Milaza zavatra mety handrahona ny ain’ny fanambadiany mihitsy izy mivady.”
Tsy firaharahana — “Navelanay tamin’izao fotsiny sisa”
“Tsy nanandrana ny hampandeha ny fanambadianay intsony aho fa navelako tamin’izao fotsiny”, hoy ny fieken’ny vehivavy iray taorian’ny dimy taona nanambadiana. “Fantatro izao fa tsy handeha intsony mihitsy ny anay. Ny zanakay ihany sisa no hany mampiasa ny lohako.”
Ny tsy firaharahana, hono, no tena mifanohitra amin’ny fitiavana, fa tsy ny fankahalana akory. Eny tokoa, ny tsy firaharahana dia afaka manimba tsotra izao ny fanambadiana, toy ny fankahalana ihany.
Mampalahelo anefa fa zatra loatra ny fanambadiana tsy misy fitiavana ny mpivady sasany, hany ka tsy manantena fiovana na inona na inona intsony. Nilaza, ohatra, ny lehilahy iray 23 taona nanambadiana, fa nitovy tamin’ny ‘fanaovana asa iray tsy tian’ny tena’ ilay izy. Hoy koa izy: “Manao ny fara herinao ianao ao anatin’ilay toe-javatra misy anao.” Toy izany koa ny amin’ny vehivavy iray antsoina hoe Wendy, izay tsy nanantena intsony ny hihatsaran’ny fifandraisany tamin’ny vadiny efa hatramin’ny fito taona. “Efa imbetsaka aho no nanandrana”, hoy izy, “fa nandiso fanantenana ahy foana izy. Ketraka aho tamin’ny farany. Tsy te hiverina amin’ilay izy intsony aho. Raha be fanantenana eo aho, dia ratram-po fotsiny no ho azoko. Aleoko tsy manantena na inona na inona. Marina fa tsy ho finaritra amin’izany aho, kanefa mba tsy ho ketraka ahay, aloha, fara faharatsiny.”
Ny fahadisoam-panantenana, ny toetra tsy mifanentana, ny fifandonana, ary ny tsy firaharahana, dia antony vitsivitsy monja mety hahatonga fanambadiana tsy misy fitiavana. Mazava ho azy fa mbola misy antony hafa, izay hita ao amin’ilay faritra voafefy eo amin’ny pejy faha-5 ny sasantsasany aminy. Na inona na inona antony, moa ve misy fanantenana ho an’ireo mpivady izay toa voafandrika ao anatin’ny fanambadiana tsy misy fitiavana?
[Efajoro/Sary, pejy 5]
FANAMBADIANA TSY MISY FITIAVANA — ANTONY SASANY MAHATONGA IZANY
• Vola: “Mety hieritreritra ny olona iray fa ho anisan’ny hampiray ny mpivady ny fanaovana teti-bola, satria tsy maintsy miara-miasa izy ireo, manambatra ny volany mba hisahanana ny zavatra fototra ilaina eo amin’ny fiainana, ary finaritra amin’ny vokatry ny asa mafy ataony. Eto indray koa anefa, dia matetika no lasa mampisaraka ny mpivady ilay zavatra afaka mampiray azy ireo.” — Dr. Aaron T. Beck.
• Rehefa miteraka: “Hitanay fa ny 67 isan-jaton’ny mpivady no mahatsapa fa mihena be ny fahafaham-pony amin’ny fanambadiana, rehefa teraka ny zanany voalohany, ary mitombo avo valo heny amin’izay ny ady. Ny antony iray anisan’ny mahatonga izany dia satria vizana ireo ray aman-dreny ka tsy manam-potoana firy ho azy mivady intsony.” — Pr. John Gottman.
• Famitahana: “Misy famitahana tafiditra, mazàna, rehefa mivadika ny iray amin’ny mpivady, ary ny famitahana dia fivadihana tsotra izao tamin’ny fitokisana. Koa satria fantatra fa miankina be dia be amin’ny fitokisana ny hampaharitra sy ny hahavanona ny fanambadiana, moa ve mahagaga raha afaka manapotika ny fifandraisan’ny mpivady ny famitahana?” — Pr. Nina S. Fields.
• Firaisan’ny lahy sy ny vavy: “Amin’ny fotoana ampidiran’ny olona ny fangatahana hisara-panambadiana, dia tena mampalahelo fa efa an-taonany maro, mazàna, ny ankamaroany no tsy nanao firaisana intsony. Ho an’ny sasany, dia tsy nisy intsony mihitsy ny firaisana ara-nofo, ary ho an’ny hafa kosa, dia natao tamim-pahazarana fotsiny izany, ho fanomezana fahafaham-po fotsiny ny filan’ny vadin’ny tena.” — Judith S. Wallerstein, psikology.
[Efajoro/Sary, pejy 6]
INONA NO FIANTRAIKANY EO AMIN’NY ANKIZY?
Mety hisy fiantraikany eo amin’ny zanakao ve ny fiainam-panambadianao? Eny ny valiny, raha araka ny filazan’ny Pr. John Gottman, izay nanao fikarohana momba ny mpivady, tao anatin’ny 20 taona teo ho eo. “Tamin’ny fanadihadiana roa nataonay, izay naharitra folo taona avy”, hoy izy, “dia hitanay fa haingana kokoa ny fitepon’ny fon’ireo zazakely zanaky ny ray aman-dreny tsy sambatra, rehefa miara-milalao amin’ny hafa izy ireny, ary sarotra aminy ny ho tony. Rehefa ela ny ela, dia mampihena ny zava-bitan’ny ankizy any an-tsekoly ny adin’ny mpivady, na toy inona na toy inona fahiratan-tsain’izy ireny.” Mifanohitra amin’izany kosa, hoy ny Pr. Gottman, fa ny zanak’ireo mpivady mifanara-tsaina tsara, dia “mahita fahombiazana bebe kokoa na any am-pianarana izany, na eo amin’ny fiaraha-monina, satria nasehon’ireo ray aman-dreniny azy ny fomba hitondrana ny hafa amim-panajana, sy handaminana ireo fikorontanana ara-pihetseham-po”.