FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g01 8/1 p. 7-8
  • Misy Antony Hananana Fanantenana ve?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Misy Antony Hananana Fanantenana ve?
  • Mifohaza!—2001
  • Mitovitovy Aminy
  • Raha Madiva ho Rava ny Fanambadiana
    Ny Tsiambarantelon’ny Fahasambaram-pianakaviana
  • ‘Aoka ho Mendri-kaja ny Fanambadiana’
    “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
  • Azo Avotana ny Fanambadianao!
    Mifohaza!—2001
  • Ahoana no Hanananao Tokantrano Sambatra?
    Mifohaza!—2008
Hijery Hafa
Mifohaza!—2001
g01 8/1 p. 7-8

Misy Antony Hananana Fanantenana ve?

“Ny olana iray eo amin’ny fanambadiana mandia fahasahiranana lehibe, dia ny fiekena mafy fa tsy hihatsara intsony ny tarehin-javatra. Misakana ny hisian’ny fiovana izany, satria tsy mahatonga anao ho voatosika hanao zavatra tsara na inona na inona.” — DR. AARON T. BECK.

ALAO sary an-tsaina hoe marary ianao ka mandeha hozahan’ny dokotera. Mitebiteby ianao, ary tsy mahagaga izany. Rehefa dinihina tokoa, dia ny fahasalamanao, eny ny ainao mihitsy aza, no mety hotandindomin-doza. Kanefa aoka hatao hoe milaza aminao izao vaovao mahafaly izao ilay dokotera, aorian’ilay fizahana: na dia tsy zavatra kely aza ny aretinao, dia azo tsaboina. Milaza aminao ilay dokotera, raha ny marina, fa raha manaraka akaiky fitandreman-tsakafo sy fampiasan-tena araka ny antonony ianao, dia afaka manantena ny ho sitrana tanteraka. Tsy isalasalana fa hahatsiaro ho maivamaivana erỳ ianao, ary ho faly hanaraka ny toroheviny!

Ampitahao amin’io fitantarana io ilay foto-kevitra dinihintsika eto. “Marary” ve ny fanambadianao? Mazava ho azy, fa samy hisy olana sy tsy fitovian-kevitra ao amin’ny fanambadiana rehetra. Koa raha mandia fotoan-tsarotra àry indraindray ny fifandraisanareo, dia tsy midika akory izany hoe fanambadiana tsy misy fitiavana ny anareo. Ahoana anefa raha maharitra herinandro maro, na volana maro, na taona maro mihitsy aza, ilay aretina? Raha izany no izy, dia ara-dalàna raha velom-panahiana ianao, satria tsy raharaha kely ilay izy. Eny tokoa, mety hisy fiantraikany saika eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainanao sy ny fiainan’ny zanakao ny fiainam-panambadianao. Inoana, ohatra, fa mety ho antony lehibe mahatonga olana toy ny fahaketrahana sy ny tsy famokarana firy eo amin’ny asa ary ny tsy fahombiazan’ny ankizy any an-tsekoly, ny fijaliana ara-panambadiana. Tsy izay ihany anefa. Eken’ny Kristianina koa fa mety hisy fiantraikany eo amin’ny fifandraisany amin’Andriamanitra mihitsy ny fifandraisany amin’ny vadiny. — 1 Petera 3:7.

Ny fisian’ny olana eo aminareo mivady akory tsy midika hoe tsy misy fanantenana intsony ny aminareo. Zava-misy eo anivon’ny fanambadiana ny hoe tsy maintsy hisy zava-tsarotra hosetraina. Ny fahatsinjovana izany dia afaka manampy ny mpivady hahay hijery ny olana araka ny tena maha izy azy, ka hiezaka hitady vahaolana. Hoy ny lehilahy antsoina hoe Isaac: “Tsy noeritreretiko mihitsy fa hay ara-dalàna raha indraindray mitombo ary indraindray mihena ny fahasambaran’ny mpivady mandritra ny fanambadiany. Noheveriko mantsy fa nisy tsy nety teo aminay mivady!”

Na dia niharatsy aza ny fanambadianao ka nanjary tsy nisy fitiavana intsony, dia azo avotana izy io. Marina fa mety ho lalina ny ratram-po ateraky ny fifandraisana mikorontana, indrindra raha efa naharitra an-taonany maro ireo olana. Misy antony lehibe hananana fanantenana anefa. Lafin-javatra iray tena lehibe ny antony manosika. Afaka manao fanatsarana na dia ny olon-droa manana olana ara-panambadiana lehibe aza, raha toa ka samy mihevitra izany ho zava-dehibe izy ireo.a

Koa manontania tena àry hoe: ‘Maniry mafy ny hanana fifandraisana mahafa-po ve aho?’ Vonona ny hiezaka hanatsara ny fanambadianareo ve ianareo mivady? Hoy ny Dr. Beck, voatonona terỳ aloha: “Matetika aho no gaga nahita fa hay azo hatsaraina ny fifandraisana toa ratsy, rehefa samy miezaka ny mpivady mba hanitsy ireo lafiny tsy mety eo amin’ny fanambadiany, ary hanamafy kokoa ireo lafiny mampahatanjaka azy io.” Ahoana anefa raha tsy vonona ny hifarimbona aminao ny vadinao, na koa odiany tsy fantatra ny fisian’ny olana? Very maina ve ny fikelezanao aina hanatsara samirery ny fanambadianareo? Tsia dia tsia! “Raha manao fiovana sasany ianao”, hoy ny Dr. Beck, “izany dia mety hanosika ny vadinao hanao fiovana koa — ary tena mateti-pitranga izany.”

Aza maika ny hanatsoaka hevitra fa tsy hitranga mihitsy amin’ny fanambadianao izany. Ny toe-tsain’ny resy tsy miady toy izany no mety ho ny loza lehibe indrindra mandrahona ny fanambadianao! Mila manao ny dingana voalohany ny iray aminareo. Mety ho ianao ve izany? Raha eo ilay hery manosika, dia mety ho hitan’ny vadinao ny tombontsoa azo avy amin’ny fiaraha-mientana mba hanorenana fanambadiana sambatra kokoa.

Inona àry no azonao atao, na ianao manokana izany na ianareo mivady, mba hanavotana ny fanambadianareo? Fitaovana tena mandaitra afaka manampy mba hamaliana io fanontaniana io ny Baiboly. Andeha hojerentsika hoe amin’ny ahoana.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ekena fa amin’ny toe-javatra sasany efa tafahoatra, dia mety hisy antony marim-pototra mahatonga ny mpivady hisara-toerana. (1 Korintiana 7:10, 11). Fanampin’izany, dia mamela ny hisarahana ny Baiboly, raha noho ny fijangajangana. (Matio 19:9). Ilay vady tsy manan-tsiny no tompon’ny fanapahan-kevitra raha hangataka fisarahana amin’ilay vadiny nanitsakitsaka azy izy na tsia. Tsy tokony hanery azy hisaraka na tsia ny hafa. — Jereo ilay boky hoe Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana, pejy faha-158-161, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara