Voafandrika ao Anatin’ny Fanambadiana Tsy Misy Fitiavana
“Ao amin’ny fiaraha-monina isian’ny fisaraham-panambadiana be dia be, dia azo inoana fa hihamaro ireo fanambadiana tsy sambatra hiafara amin’ny fisaraham-panambadiana, ary tsy vitan’izany ihany fa azo inoana koa hihamaro ireo fanambadiana hanjary tsy ho sambatra.” — FILAN-KEVITRA AMERIKANINA MISAHANA NY FIANAKAVIANA.
VOALAZA fa ny ankabeazan’ny fahasambarana sy ny fahoriana hita eo amin’ny fiainana dia avy amin’ny loharano iray ihany, dia ny fanambadiana. Vitsy tokoa eo amin’ny fiainana ny zavatra afaka mitondra fifaliana be, na fahoriana be, toy ny fanambadiana. Araka ny asehon’ilay faritra voafefy miaraka amin’ity lahatsoratra ity, dia mpivady maro no mahita fahoriana mafy tsy misy toy izany.
Ampahany kely monja amin’ilay olana anefa no ahariharin’ireo antontan’isa momba ny fisaraham-panambadiana. Raha iray ny fanambadiana rendrika, dia fanambadiana maro tsy tambo isaina kosa no mbola mitsinkafona nefa mikatso ao anaty rano mihandrona. Niaiky toy izao ny vehivavy iray efa maherin’ny 30 taona nanambadiana: “Tokantrano sambatra ny anay teo aloha, nefa nahatsiravina ireo 12 taona farany.” “Tsy miraharaha ny fihetseham-poko ny vadiko. Izy no tena fahavalo ratsy indrindra mandratra ny fihetseham-poko.” Nitaraina toy izao koa ny lehilahy iray efa ho 25 taona nanambadiana: “Nilaza tamiko ny vadiko fa tsy tia ahy intsony izy. Azo leferina ilay izy, hoy izy tamiko, raha miaina toy ny mpiray trano fotsiny, hono, izahay, ka samy manao araka izay tiany, rehefa manam-potoana malalaka.”
Mazava ho azy fa mamarana ny fanambadiany ny sasany izay ao anatin’ny fahoriana mangidy toy izany. Ho an’ny ankamaroany anefa, dia tsy azo eritreretina kely akory izany hoe hisara-panambadiana izany. Nahoana? Araka ny tenin’ny Pr. Karen Kayser, dia eo ny ankizy, ny henatra olona, ny vola, ny havana aman-tsakaiza, ary ireo zavatra inoana ara-pivavahana. Mety hihazona ny mpivady mbola hiaraka ihany ireo lafin-javatra ireo, na dia tsy misy fitiavana intsony aza. “Koa satria tsy azo eritreretina hisara-panambadiana ara-dalàna ireny mpivady ireny”, hoy izy, “dia aleony miara-mitoetra amin’olona efa misaraka aminy ara-pihetseham-po.”
Voatery mionona amin’ny fiainana tsy ahitany fahafaham-po ve ny mpivady, izay manana fifandraisana nihamangatsiaka? Ny fanambadiana tsy misy fitiavana ve no hany azo asolo ny fisaraham-panambadiana? Porofoin’ny zava-misy fa azo avotana ny ankamaroan’ny fanambadiana mikorontana, eny, azo avotana amin’ny ngidin’ny faharavan’ny fanambadiana sy ny fahoriana ateraky ny tsy fisian’ny fitiavana.
[Efajoro, pejy 3]
FISARAHAM-PANAMBADIANA MANERAN-TANY
• Aostralia: Nitombo efa ho avo efatra heny ny fisaraham-panambadiana, nanomboka teo am-piandohan’ireo taona 1960.
• Etazonia: Nanomboka tamin’ny 1970, dia 50 isan-jato monja ny fahafahana mety hampiara-dalana hatrany ny olon-droa nivady.
• Grande-Bretagne: Araka ny tombana natao, dia fanambadiana 4 ao anatin’ny 10 no hiafara amin’ny fisarahana.
• Kanada sy Japon: Ny ampahatelon’ny fanambadiana eo ho eo no miafara amin’ny fisarahana.
• Zimbabwe: Mamarana fanambadiana 2 ao anatin’ny 5 eo ho eo ny fisarahana.