Fandidiana Tsy Ampiasana Ra — Manjary Ekena fa Misy Mahatsara Azy
TAMIN’NY 1996, dia namoaka bokikely iray antsoina hoe Code of Practice for the Surgical Management of Jehovah’s Witnesses (Fehezan-dalàna Momba ny Fandidiana ny Vavolombelon’i Jehovah) ny Royal College of Surgeons (fikambanan’ny mpandidy) any Angletera. Izao no fanamarihan’ireo mpandidy, ao amin’io bokikely io: “Noho ny loza entin’ny fampidiran-dra, dia manjary tsara kokoa ny mihevitra fomba fitsaboana hafa, isaky ny azo atao izany.”
Ilay gazetiboky hoe AHA NEWS, navoakan’ny Fikambanan’ireo Hôpitaly Amerikanina, koa dia nanao tatitra momba ny antony nanjary nanekena fa misy mahatsara ny fandidiana tsy ampiasana ra. “Manjary fomba fitsaboana tian’ny olona kokoa sy teknôlôjia lasa lavitra ankehitriny ilay zavatra inoana ara-pivavahana tany am-boalohany”, hoy ny fanamarihan’ilay gazetiboky mpiseho isan-kerinandro. “Anisan’ny nahatonga ny fitsaboana sy ny fandidiana tsy ampiasana ra ny foto-pinoan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy mijanona eo amin’ny hoe zavatra ilain’io fitambaran’olona fatra-panaja ny zava-masina io fotsiny izany fampiasana zavatra tsy misy ra izany, fa tena nampiharina hatrany amin’ny efitra fandidiana manerana ilay firenena mihitsy.”
Nasongadina tao amin’ny takelaka fanampiny tamin’ny gazetiboky Time, fanontana tamin’ny fararanon’ny 1997, ny antony ampirisihan’ny dokotera maro ny handidiana tsy misy fampiasana ra. “Antony iray monja ny tahotra ny SIDA”, hoy ilay lahatsoratra. Nisy fitsaboana natao tao amin’ny Ivon-toeran’ny Hôpitaly Englewood, any New Jersey, momba ny fampandrosoana ny fitsaboana sy ny fandidiana tsy ampiasana ra. Ary izany fitsaboana tao izany indrindra no nifotoran’ilay tatitra nataon’ilay lahatsoratra.
Izao no fanamarihan’ny Time: “Ilay ivon-toerana no loha laharana amin’ireo hôpitaly miisa 50 mahery eto Etazonia, izay manao fandidiana tsy ampiasana ra. Tsy mila mpanome ra mihitsy izy ireo, fa manolotra fomba fandidiana maro samihafa, izay tokony ho nanaovana fampidiran-dra, raha araka ny mahazatra, ary koa fomba fandidiana ampiasana teknika izay mampihena be, na saika manafoana tanteraka mihitsy, ny fahaverezan-dra.”
Mandaitra ary tsy ahitan-doza
Ny zavatra niainan’i Henry Jackson no nasongadin’ny teny fampidirana ilay lahatsoratry ny Time. Voan’ny lotsi-dra anaty mafy dia mafy izy, ka very ny 90 isan-jaton’ny rany, ary dia nidina be ho 1,7 grama isaky ny desilitatra ny fatran’ny hemôglôbininy, ka nahatandindomin-doza ny ainy. Nentina tany amin’ny Hôpitaly Englewood i Jackson, avy tany amin’ny hôpitaly hafa iray tany New Jersey, izay tsy nanaiky hitsabo azy raha tsy nisy fampidiran-dra.
Tany amin’ny hôpitalin’i Englewood, teo ambany fikarakaran’ny Dr. Aryeh Shander, i Jackson dia nomena “fanafody mandaitra be namboarina tamin’ny fanampim-by sy vitamina, sy ‘fatra be dia be’ tamin’ny hôrmônina sentetika érythropoïétine, izay fanafody mampitombo ny fatran’ny ra sy mandrisika ny tsoka hamokatra liomena. Ary farany, dia nampidirana ranoka tamin’ny lalan-dra izy mba hanosika ny ra kely sisa nikoriana tao anatiny”.
Nanao tatitra ny Time fa andro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia “niantso ry zareo tany amin’ilay hôpitaly nisy azy teo aloha, mba hanontany raha maty i Jackson. Tsy nanafina ny fahafaham-pony i Shander rehefa namaly hoe: ‘Tsy vitan’ny hoe tsy maty izy, fa efa tsara ka azo alefa mody, ary tsy ho ela dia ho afaka hanao ny raharahany mahazatra’ ”.
Nadinadinina tao amin’ny televiziona ny Dr. Edwin Deitch, talen’ny programa momba ny tsy fampiasana ra, ao amin’ny Oniversite Hôpitaly, any Newark, New Jersey, tamin’ny 28 Novambra 1997. Nohazavainy ny fomba nivoaran’ny fikarohana momba ny fandidiana tsy ampiasana ra: “Nanao ezaka be dia be (...) ny Vavolombelon’i Jehovah mba hitadiavana olona izay hanaiky handidy tsy misy fampiasana ra. Ny sasany tamin’ny vokatr’ireo fandinihana ireo dia nampiseho fa salama kokoa tsy araka ny nanampoizana azy ny Vavolombelon’i Jehovah, tsara kokoa [noho ny] olona nahazo ra.”
Nanampy teny toy izao ny Dr. Deitch: “Ny ra dia afaka mampahalemy ny rafi-kery fanefitra ka miteraka olana raha sendra misy fahazoana otrikaretina aorian’ny fandidiana; mora iverenan’ny kansera koa ny olona nampidiran-dra. Koa, na dia mahasoa aza ny ra amin’ny tarehin-javatra sasany, dia misy lafy ratsiny.” Izao no fanatsoahan-kevitry ny Dr. Deitch, momba ny fandidiana tsy ampiasana ra: “Hita mazava fa manatsara ny fahasitranan’ilay marary izy io, satria tsy misy fahasarotana firy aorian’ilay fandidiana, no sady tsy andaniam-bola firy [izy io]. Ary, noho izany, dia tena misy tombony tokoa izy io amin’ny tarehin-javatra rehetra.”
Araka izany, dia “mihabetsaka ny marary mitaky amim-pitabatabana zavatra hafa tsy ahitan-doza kokoa sy mandaitra kokoa, ankoatra ny fampidiran-dra”, araka ny voalazan’ny Time. Nanao izao tatitra izao koa ilay gazetiboky: “Araka ny fanombanana sasany, dia tsy nilaina natao akory ny 25 isan-jaton’ny fampidiran-dra teto Etazonia. Hita koa fa misy marary tsy mahazaka fatrana hemôglôbinina ambony araka ny noeritreretina teo aloha, ary ny tanora indrindra indrindra dia manana tahirin-dra voajanahary. (...) Miaiky [i Shander] fa mety handaitra sady ho tsara kokoa ny ifidianan’ny ankamaroan’ireo marary ny tsy handray ra.”
Na dia loza lehibe aza ny fahazoana aretina amin’ny alalan’ny fampidiran-dra, dia misy loza hafa koa. “Tsy afaka mitondra ôksizena, toy ny ataon’ny ra vaovao, ny ra efa avy nampangatsiahina sy notahirizina tany amin’ny bankin-dra”, hoy ny fanazavan’ny Dr. Shander. “Izao vao manomboka takatsika izay tena mitranga marina rehefa mampanao fampidiran-dra isika.”
“Ny filamatra”
Namarana ny teniny toy izao ny Time: “Farany, dia eo koa ny vidiny: 500 dolara eo ho eo isaky ny fampidiran-dra, miampy ny vola fanampiny ho an’ny fitantanan-draharaha, ka mahatratra eo anelanelan’ny arivo tapitrisa sy roa arivo tapitrisa dolara ny totalin’ny faktiora, isan-taona. Be loatra izany ka tokony handrisika ny olona hihevitra zavatra hafa azo asolo ny fampidiran-dra.” Ankehitriny, dia toa antony lehibe mahatonga ny fandidiana tsy ampiasana ra ho be mpangataka ny fidangan’ny vidin’ny fampidiran-dra.
Nilaza toy izao i Sharon Vernon, talen’ny Foibe Momba ny Fitsaboana sy ny Fandidiana Tsy Ampiasana Ra, ao amin’ny Hôpitaly Md. Vincent, any Cleveland, Ohio, momba ny fitsaboana tsy ampiasana ra: “Mihaeken’ny olona izy io, satria miaiky ireo dokotera fa ny fitsaboana tsy ampiasana ra no filamatra raha te hitsitsy vola. Noho ny andrana nataonay dia mandefa olona atỳ aminay, na dia kompaniam-piantohana izay tsy mifampiraharaha aminay aza, raha ny ara-dalàna, satria ahafahan’izy ireo mitsitsy vola izany.”
Hita mazava fa mihabetsaka ireo dokotera manaiky ny fandidiana tsy ampiasana ra, ary izany dia noho ny antony maromaro.
[Efajoro, pejy 17]
Didim-pitsarana vao Haingana
Mendri-komarihina ny momba ny didim-pitsarana roa navoaka tao amin’ny fanjakan’i Illinois, Etazonia, tamin’ny Novambra sy Desambra 1997. Tamin’ilay voalohany, dia nahazo onitra 150 000 dolara i Mary Jones, Vavolombelon’i Jehovah, noho ny nampidiran-dra roa tavoahangy taminy, tamin’ny 1993, na dia nanohitra mazava an’io fomba fitsaboana io aza izy. Io no vola betsaka indrindra azon’ny Vavolombelona iray noho ny ratra ara-pihetseham-po vokatry ny fampidiran-dra tsy nirina.
Ny raharaha faharoa dia ny an’ilay Vavolombelona antsoina hoe Darlene Brown. Bevohoka izy tamin’izany fotoana izany, ary noterena hampidiran-dra ho fitsinjovana ilay tsaika 34 herinandro. Tamin’ny 31 Desambra 1997, dia nanazava ny anton’ny didim-pitsarana navoakany ny Fitsarana Ambony tany Illinois tamin’ny filazana fa “ny fampidiran-dra dia fomba fitsaboana misy fanaovana an-keriny, izay manitsakitsaka ny mahiray tsy misy azo anombinana, ny vatan’ny olon-dehibe vory saina iray”. Namintina ny didy navoakany ny Fitsarana Ambony tamin’ny filazana fa “eo ambanin’ny lalàn’itỳ Fanjakana itỳ, (...) dia tsy afaka manery vehivavy iray bevohoka hanaiky fomba fitsaboana misy fanaovana an-keriny amin’ny vatany, isika”.
Tamin’ny 9 Febroary 1998, ny Fitsarana Ambony any Tokyo, dia nanafoana ny didy navoakan’ny fitsarana ambany kokoa, izay nanamarina ny nanaovan’ny dokotera iray fampidiran-dra tamin’i Misae Takeda, nandritra ny fandidiana iray tamin’ny 1992. Nanambara ilay Fitsarana Ambony fa “tokony ho nohajaina ny zon’ny marary hifidy fitsaboana. Mifanohitra amin’ny lalàna ny fampidiran-dra”. Nahazo onitra 550 000 yens (22 500 000 FMG) i Misae Takeda.