FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g98 8/9 p. 18-19
  • Tokony Homen-tsiny ve i Satana Noho ny Fahotantsika?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tokony Homen-tsiny ve i Satana Noho ny Fahotantsika?
  • Mifohaza!—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Manohera ny Devoly
  • Ny fomba ‘hanoherana ny Devoly’
  • Ny ady anaty ataontsika
  • Ekeo fa tompon’andraikitra ianao
  • Ilay fahavalon’ny fiainana mandrakizay
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Tahafo i Jesosy ka ‘Tohero ny Devoly’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Tohero i Satana, dia Handositra Izy!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Tena Mino ve Ianao fa Misy ny Devoly?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Hijery Hafa
Mifohaza!—1998
g98 8/9 p. 18-19

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Tokony Homen-tsiny ve i Satana Noho ny Fahotantsika?

NOMEN-TSINY i Satana noho ny fahotan’ny olombelona voalohany. “Ny menarana no namitaka ahy, ka dia nihinana aho”, hoy i Eva. (Genesisy 3:13). Nanomboka tamin’izay, dia nanohy nanakorontana ny taranak’olombelona “ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana”, ka ‘manajamba ny sain’ny’ olona sy “mamitaka izao tontolo izao”. (Apokalypsy 12:9; 2 Korintiana 4:4). Tsy misy olona afa-miala amin’ny fanereny; midika ve anefa izany fa tsy afaka manohitra ny hery fitaomany isika? Ary azy foana ve ny fahadisoana rehefa manota isika?

Hazavain’ny Baiboly fa namitaka an’i Eva tokoa i Satana. (1 Timoty 2:14). Voafitaka i Eva hino fa ho afaka hahatratra fahaiza-mahataka-javatra sy fahaleovan-tena toy ny an’Andriamanitra izy, raha nandika ny didin’Andriamanitra. (Genesisy 3:4, 5). Natosik’izany fiheverana izany izy, ka nanota. Na dia izany aza, dia noraisin’Andriamanitra ho tompon’andraikitra izy, ary nomelohiny ho faty. Fa nahoana? Satria, na dia nandainga taminy aza i Satana, dia mbola nahalala tsara ny didin’Andriamanitra izy. Tsy voatery tsy hankato velively izy; mifanohitra amin’izany kosa aza, fa mbola afaka nifehy tsara ny fihetsiny izy, ka afaka nanohitra tsara ny fitaoman’i Satana.

Manohera ny Devoly

Azontsika olombelona atao ny manohitra ny Devoly. Ao amin’ny Efesiana 6:12, dia ilazana isika fa ‘mitolona amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra isika’. Mazava àry, fa antenain’Andriamanitra ny hiadiantsika amin’ny hery fitaoman’i Satana. Ahoana anefa no ahafahan’ny olombelona mifanandrina amin’ny herin’i Satana sy ireo demoniany, izay ambony noho ny an’olombelona? Adin’ny hery tsy mitovy ve no asaina ataontsika, ka azo antoka fa ho resy isika? Tsia, satria Andriamanitra tsy milaza amintsika mba hiady amin’ny Devoly amin’ny herin’ny tenantsika. Omeny fomba maro samihafa isika hahafahantsika hanohitra ny fanangolen’ny Devoly, ka hivoaka ho mpandresy. Lazain’ny Baiboly amintsika hoe iza moa ny Devoly, ahoana no fomba fiasany, ary ahoana no azontsika iarovan-tena. — Jaona 8:44; 2 Korintiana 2:11; 11:14.

Ny fomba ‘hanoherana ny Devoly’

Misy dingana roa tokony hatao rehefa manohitra ny Devoly, araka ny atoron’ny Soratra Masina. Izao no fananarana omena antsika: “Ka dia maneke an’Andriamanitra hianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.” (Jakoba 4:7). Anisan’ny dingana voalohany amin’ny fanekena an’Andriamanitra ny fankatoavana ny didiny. Hanome antsika hery hanoherana an’i Satana ny fahafantarantsika foana ny fisian’Andriamanitra, ny hatsaram-pony, ny heriny sy ny fahefany mahatahotra, ary ny foto-pitsipiny ambony. Zava-dehibe koa ny fikirizana mivavaka amin’Andriamanitra. — Efesiana 6:18.

Eritrereto ange ny amin’ny nakan’ny Devoly fanahy an’i Jesosy e! Azo antoka fa ny fahatsiarovana sy ny fanononana didy maro samihafa avy tamin’Andriamanitra dia nanampy an’i Jesosy hahatohitra. Nandao an’i Jesosy i Satana, rehefa tsy nahavita nitaona azy hanota. Nanome fampaherezana fanampiny an’i Jesosy i Jehovah, tamin’ny alalan’ny anjeliny, taorian’iny fakam-panahy mafy iny. (Matio 4:1-11). Noho izany, dia feno toky i Jesosy rehefa nampirisika ireo mpianany mba hangataka an’Andriamanitra ‘hanafaka azy ireo amin’ilay ratsy’. — Matio 6:13.

Ny fanafahan’Andriamanitra antsika anefa dia tsy midika fa manisy ampinga fiarovana manodidina antsika izy. Mifanohitra amin’izany kosa, fa milaza amintsika izy mba hikatsaka toetra araka an’Andriamanitra, toy ny fahamarinana, ny fahitsiana, ny fiadanana, ary ny finoana. ‘Fiadiana’ ahafahantsika ‘mifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly’ ireo toetra ireo. (Efesiana 6:11, 13-18). Koa azo atao àry ny mampandamòka ireo fakam-panahy avy amin’ny Devoly, noho ny fanampian’Andriamanitra.

Ny dingana faharoa anoroana hevitra antsika, ao amin’ny Jakoba 4:7, dia ny ‘fanoherana ny Devoly’. Tafiditra ao amin’izany ny fanaovan-javatra amim-pahatapahan-kevitra, izany hoe fandosirana hiala amin’ny fitaomany manimba. Tsy maintsy manalavitra ny ho eo ambany heriny mamitaka ny olona iray, sy mandà ny filôzôfia miahy fatratra ny zavatra ara-nofo sy miharo fahalotoam-pitondran-tena izay miely patrana erỳ eo amin’ny tontolo amin’izao andro izao. Izany fomba fanoherana ny Devoly izany sy ny fananantsika fiainana natokana hampifaliana an’Andriamanitra dia tena sarobidy eo amin’ny ady ataontsika amin’i Satana. Vokatry ny fitaomana mivantana avy amin’ny Devoly ve anefa ny fahotana rehetra?

Ny ady anaty ataontsika

Manazava toy izao i Jakoba, mpanoratra ao amin’ny Baiboly: “Samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin’ny filany sy fitahiny izy. Ary ny filana, rehefa torontoronina, dia miteraka ota”. (Jakoba 1:14, 15). Mampalahelo fa tsy afaka mandresy tanteraka ny fahalemena sy ny tsy fahalavorariana raiki-tampisaka ao amintsika isika. (Romana 5:12). “Tsy misy olona marina ambonin’ny tany izay manao tsara ka tsy manota”, hoy ny Baiboly. — Mpitoriteny 7:20.

Tsy midika anefa izany hoe tsy azontsika fehezina avokoa ny fahotana rehetra. Amin’ny toe-javatra sasany, dia ny tenantsika ihany no mitondra antsika ho amin’ny fakam-panahy, noho ny nanaovantsika safidy ratsy. Mety ho avy amin’ny tsy fahalavorariantsika manokana, avy amin’ny hery fitaoman’i Satana ny fanirian-dratsy iray. Na izany aza anefa, dia miankina tanteraka amintsika ny hoe hanolokolo na hanilika azy io. Mifanaraka amin’izany, dia izao no nosoratan’ny apostoly Paoly: “Izay afafin’ny olona no hojinjany.” — Galatiana 6:7.

Ekeo fa tompon’andraikitra ianao

Sarotra amin’ny olombelona matetika ny miaiky ny fahalemen’ny tenany, ny tsy fahombiazany sy ny fahadisoany, eny ny fahotany. (Salamo 36:2). Tsy mitaky fahalavorariana avy amintsika Andriamanitra amin’izao fotoana izao. Ny fahalalana izany àry dia zavatra iray afaka manampy antsika mba hanaiky ny mahatompon’andraikitra antsika amin’ny fahotantsika. “Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy, na mamaly antsika araka ny helotsika”, hoy i Davida, mpanao salamo. (Salamo 103:10). Na dia mamela heloka aza Andriamanitra, dia mbola manantena ny hiadiantsika mafy ihany izy, ny hifehezantsika ny tenantsika, eo anoloan’ny fanangolen’ny Devoly sy ny fironan’ny tenantsika hanota. — 1 Korintiana 9:27.

Tsy maintsy takatsika fa na dia eken’Andriamanitra aza ny hoe mety hanan-kery eo amin’ny zavatra ataontsika ny Devoly, no sady tompon’andraikitra bebe kokoa amin’ny maha mpanota ny olombelona, dia tsy manafaka antsika tsy hampamoahin’Andriamanitra akory izany. Araka izany, dia hoy ny Romana 14:12: “Samy hampamoahin’Andriamanitra ny amin’ny tenany avy isika rehetra.”

Raha ‘mankahala ny ratsy’ sy ‘mifikitra amin’ny tsara’ anefa isika, dia afaka ny handresy ny ratsy. (Romana 12:9, 21). Tsy nanao izany i Eva, ilay vehivavy voalohany, ka nomelohina noho ny tsy nankatoavany; afaka nanohitra mantsy izy ho fankatoavana an’Andriamanitra. (Genesisy 3:16). Tsy nodian’Andriamanitra tsy hita anefa ny anjara asan’ny Devoly tamin’ny famitahana an’i Eva. Nozonina àry ny Devoly, ary nomelohina haringana amin’ny farany. (Genesisy 3:14, 15; Romana 16:20; Hebreo 2:14). Kely sisa dia tsy ho voatery hiady amin’ny fitaoman-dratsiny intsony isika. — Apokalypsy 20:1-3, 10.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 18]

Erich Lessing/Art Resource, NY

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara