FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g98 8/9 p. 12-15
  • Ho Afa-po Mandrakizay ny Fitiavako ny Tany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ho Afa-po Mandrakizay ny Fitiavako ny Tany
  • Mifohaza!—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fampiofanana sarobidy azoko fony aho mbola kely
  • Nianatra ny fahamarinana ara-baiboly
  • Mpitory tsy nahay taratasy
  • Ny fivoriambe natrehiko voalohany
  • Natao izay hahatsiarovako ho noraisina an-tanan-droa
  • Ilay hany Vavolombelona teto an-tanàna
  • Kôngregasiôna iray vao niforona
  • Fitomboana teo amin’ireo Tompon-tany
  • Nampian’i Jehovah mba Hanome Azy ny Tsara Indrindra Aho
    Tantaram-piainan’ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Fivoriambe Telo Nanova ny Fiainako
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Iza moa Ireo Masoreta?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Manova Olona ny Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
Hijery Hafa
Mifohaza!—1998
g98 8/9 p. 12-15

Ho Afa-po Mandrakizay ny Fitiavako ny Tany

Notantarain’i Dorothy Connelly

Fony aho ankizivavy kely, dia nilazana fa hankany amin’ny afobe aho satria Tompon-tany. Taona maro tatỳ aoriana, tamin’ny 1936, dia nandre lahateny ara-baiboly noraisim-peo aho; namono ny afobe izy io, fa nandrehitra afo tato am-poko kosa. Midedadeda mbola tsy misy toy izany io afo io ankehitriny. Alohan’ny hanazavako ny antony, dia mamelà ahy hilaza aminareo ny mombamomba ahy.

TOKOTOKONY ho tamin’ny taona 1911 aho no teraka. “Tokotokony” hoy aho, satria tamin’izany andro izany, dia tsy niraharaha mihitsy izay daty sy kopian’ny sora-pahaterahana ny Tompon-tany. Olona niasa mafy sy natahotra an’Andriamanitra ny ray aman-dreniko. Tao amin’ny tanàna kelin’i Springsure izahay no nipetraka, eo akaikin’ny Tandavan-tendrombohitra Carnarvon minifintsofa sy kanto, ao afovoan’i Queensland, atỳ Aostralia.

Notezain’ny fianakaviana fotsy hoditra tao amin’ny finoana katolika, ny raiko. Na izany aza, ny ray aman-dreniko, izay Tompon-tany, dia nampiditra tsikelikely tao amiko ny fomba amam-panaon’ny Tompon-tany, izay narahin’izy ireo, sy ny fitiavany ny tany. Nihaza kangoroa, émeux (vorona lehibe mitovy amin’ny aotirisy), sokatra, ary bibilava izahay, ary nisambotra trondro sy Xyleutes leucomochla (fanday lehibe fihinana). Tsy nihinana émeu na oviana na oviana anefa aho. Tao amin’ny fianakavianay, dia izaho irery no tsy nahazo nihinana émeu, satria tôtemako (endrika ampisehoana ny razana) manokana izy io. Araka ny lovantsofin’ny Tompon-tany, na “Vanim-potoan’ny Nofy”, ny olona tsirairay anisan’ny foko dia manana ny tôtemany manokana, ary ny fianakaviana sy ny foko no mitaky ny hifadiany io zavatra io.

Na dia avy amin’ny finoanoam-poana aza no niavian’ny finoana ny tôtema, dia fampahatsiahivana ny mahamasina ny aina no antony hitakiana ny fifadiana azy io. Tsy mamonomono biby fahatany ny Tompon-tany. Tadidiko ny nitezeran’i Dada ahy mafy noho izaho tratrany nanapaka ny tongotry ny valala velona, fony aho ankizivavy kely. “Mahatsiravina izao ataonao izao!”, hoy ny fihiakany. “Tsy fantatrao angaha fa halan’Andriamanitra ny halozana? Ho tianao ve raha hatao toy izao koa ianao?”

Nanana finoanoam-poana maro izahay. Ohatra, raha nivezivezy teo amin’ny tobinay ny triotrio iray, dia nidika izany fa hisy vaovao ratsy; na raha nipetraka teo ambony foto-kazo teo akaiky teo ny vorondolo iray amin’ny antoandro, dia ninoanay fa hisy olona ho faty. Noheverina ho fambara koa ny nofy sasany. Ohatra, ny fahitana ranom-potaka ao amin’ny nofy, dia nilaza fa nisy mpianakavy narary. Fa raha nisy fotaka nandry teo amin’ny fanambanin’ilay rano, dia noheverina ho nisy olona maty. Marina aloha fa Katolika izahay, nefa tsy nanaisotra ny finoanoam-poana rehetran’ny fokonay izany.

Mbola nihazona ny fitenin-drazanay, dia ny fitenin’ny Tompon-tany, koa ny fianakaviako. Ankehitriny anefa io fiteny io dia iray amin’ireo maro izay efa ho faty. Na dia izany aza, dia miteny azy io ihany aho indraindray, rehefa miresaka amin’ny hafa momba ny Baiboly. Amin’ny ankapobeny anefa, dia mampiasa, na ny fiteny anglisy, na ny fiteny pidgin eo an-toerana, aho.

Fampiofanana sarobidy azoko fony aho mbola kely

Fony aho tokotokony ho folo taona, dia niasa tao amin’ny toeram-piompiana omby, tokony ho 30 kilaometatra avy eo Springsure, izahay mianakavy. Nandeha an-tongotra kilaometatra vitsivitsy isan’andro aho, ho any amin’ilay trano fiompiana mba hanao ny asa aman-draharaha tao an-trano. Ronono eran’ny boaty kely sy mofo iray no karamako isan’andro. Trano bongo vita tamin’ny hodi-kazo, fonenana nentim-paharazan’ny Tompon-tany, no nipetrahanay mianakavy. Rehefa avy ny orana, dia tany amin’ny zohy teo akaiky teo no natorianay tamin’ny alina. Mafy tamiko ve izany fomba fiaina tsotra izany? Tsia. Izany no fomba fiainan’ny Tompon-tany hatramin’ny taonjato maro, ary nanaiky izany izahay.

Raha ny marina, dia aleoko aza aho tsy notoloram-potsiny teo amin’ny fiainako, ary faly aho nanana ray aman-dreny be fitiavana, izay nanome lalàm-pifehezana ahy, sy nampiasa ahy mafy, ary nampianatra ahy ny fomba fivelomana avy amin’ny tany. Tamin’ny 1934, fotoana fohy taorian’ny nifindranay tao amin’ny toerana iray natokana ho an’ny Tompon-tany, any akaikin’i Woorabinda, Queensland, no voalohany nandaozako ny tokantranonay. Nankany andrefana aho mba hiasa tao amin’ny toeram-piompiana omby aman’ondry, ho toy ny mpiasa an-trano sy mpanao ireo asa ankapobe tao. Tamin’ny farany, dia nila ravinahitra tany atsinanana aho, tsy dia lavitra loatra an’i Rockhampton, tanàna amoron-tsiraka. Tao no nihaonako tamin’i Martin Connelly, vadiko izay efa maty izao. Zanak’olona irlandey izy. Tamin’ny 1939 izahay no nivady.

Nianatra ny fahamarinana ara-baiboly

Nanana fanajana lalina ny Baiboly foana aho. Fony aho mbola tanora, dia namory anay ankizy — Tompon-tany sy fotsy hoditra — ilay ramatoa tompon’ilay toeram-piompiana omby, ary nitantara taminay momba an’i Jesosy. Indray mandeha, dia nohazavainy ny dikan’ny tenin’i Jesosy hoe: ‘Aza rarana ny zaza tsy hanatona Ahy’. (Matio 19:14). Sambany tamin’izay, hatramin’ny fotoana nilazana tamiko hoe voaheloka ho any amin’ny afobe aho, no nahitako tara-panantenana ho ahy.

Tatỳ aoriana, dia nandre ilay lahateny noraisim-peo momba ny afobe tsy mahamay, voalaza etsy am-piandohana, aho. Na dia nanosika ahy hanomboka hisaintsaina aza izany, dia tsy nitohy ny fifandraisako tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, raha tsy tamin’ny 1949. Tany Emerald izahay no nipetraka tamin’izany fotoana izany, tokony ho 250 kilaometatra, any andrefan’i Rockhampton. Nitsidika anay i R. Bennett Brickell,a ary niresaka taminay momba ny Baiboly. Taorian’izay, dia nanjary tokantranon’i Ben ny tokantranonay isaky ny tonga teo amin’ilay faritra nisy anay izy. Nanaja lalina azy izahay rehetra, anisan’izany i Martin sy ny zanakay efatra. Tsy liana na dia kely akory aza tamin’ny hafatra raketin’ny Baiboly i Martin, na dia tsara fanahy tamin’ny Vavolombelona sy tia nandray azy ireny, indrindra fa i Ben, foana aza izy.

Nomen’i Ben boky betsaka fianarana Baiboly aho, nefa nisy olana iray tena lehibe — tsy nahay namaky teny aho. Noho izany, dia namaky ny Baiboly sy ny zavatra vita an-tsoratra miorina amin’ny Baiboly tamim-paharetana taminay sy ny ankizy, i Ben, ka nanazava izay novakiny, isaky ny avy namaky izy. Endre izany famelombelomana nentiny, nifanohitra tamin’ireo mpitondra fivavahana, izay tsy ho nandany dimy minitra nampianarana anay hamaky teny mihitsy, taorian’ny fombafomba ara-pivavahana! Nasehon’i Ben taminay avy tao amin’ny Baiboly fa avy amin’i Satana sy ireo demoniany ireo finoanoam-poana maro izay namatotra ny taranak’olombelona, anisan’izany ny olona ao amin’ny foko misy ahy. Tena nihanitombo mihitsy ny fankasitrahako ireto tenin’i Jesosy ireto: “Ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo”! — Jaona 8:32.

Nientam-po aho nahafantatra ny fikasan’Andriamanitra, dia ny hanao ny tany ho paradisa ho an’ireo izay mankato azy. Ambonin’ny zavatra rehetra, dia nanjary naniry fatratra ny hananganana ny maty aho; maty tamin’ny 1939 i Neny, ary i Dada, tamin’ny 1951. Tsy andriko erỳ matetika ny andro hahafahako hamihina azy ireo sy handray azy ireo an-tanan-droa eto an-tany, izay nankamamin’izy ireo aoka izany. Ary tena hampientana mihitsy ny hampianatra azy ireo momba an’i Jehovah Andriamanitra sy ny Fanjakany!

Mpitory tsy nahay taratasy

Arakaraka ny nitomboan’ny fahalalako ny Baiboly no naniriako hizara azy io. Niresaka tamin’ny havana aman-tsakaiza aho, nefa avy eo, dia naniry hampitombo ny fanompoako. Koa ny fotoana nanaraka nahatongavan’i Ben tany Emerald, dia nentiko haingana ireo ankizy, ary niara-nitory taminy izahay rehetra. Nampiseho fomba fitory tsotra tamiko izy, ary nampianatra ahy hiantehitra tamin’i Jehovah tamin’ny alalan’ny vavaka. Voatery miaiky aho fa tsy tena tsara ny fomba fitoriko, nefa avy tamin’ny foko ilay izy.

Voalohany aloha, dia niteny tamin’ireo tompon-trano aho fa tsy nahay namaky teny; avy eo, dia nasaiko izy ireo hamaky ireo andalan-teny ao amin’ny Baiboly izay natoroko azy. Notadidiko an-kandrina ireny andalan-teny ireny. Hitako ho gaga ny olona sasany tao amin’io tanàna be fotsy hoditra io, nefa nahalana izy ireo vao nampiseho tsy fahalalam-pomba. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nianatra namaky teny aho. Tena nampitombo ny fatokisako tena sy ny fahasalamako ara-panahy mihitsy izany!

Ny fivoriambe natrehiko voalohany

Tamin’ny Martsa 1951, rehefa avy nanolotra ny fiainako ho an’i Jehovah aho, dia tonga teo amin’ny dingana lehibe roa nanaraka teo amin’ny fiainako: ny batisa anaty rano sy ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah natrehiko voalohany. Nidika anefa izany hoe tsy maintsy nandeha tany Sydney, tanàn-dehibe, aho. Nampahatahotra ny tambanivohi-bavy izany. Ankoatra izany, dia tsy nanam-bola hatao saran-dalana tamin’ny lamasinina aho. Koa inona no azoko natao?

Nanapa-kevitra ny hiloka aho mba hahazoana vola handoavana ny saran-dalana. ‘Ho an’i Jehovah no anaovako izao’, hoy ny fanjohian-kevitro, ‘koa azoko antoka fa hanampy ahy handresy izy.’ Teo amin’ny faran’ny fihodinana vitsivitsy tamin’ny lalao karatra, dia nahatsapa aho hoe nanampy ahy izy, satria nahazo vola ampy aho handoavana ny saran-dalana nandroso sy niverina.

Fantatr’i Ben ny fikasako ho any Sydney, koa ny fotoana nanaraka nitsidihany anay, dia nanontany ahy izy raha nanam-bola ampy aho. “Eny!”, hoy aho namaly. “Nahazo vola handoavana ny saran-dalan’ny lamasinina tamin’ny filokana aho.” Nanjary boramena teo izy, ary fantatro avy hatrany fa niteniteny foana aho. Niaro tena haingana àry aho, ka nanontany hoe: “Fa inona itỳ mahazo anao? Tsy vola nangalariko velively ange io e!”

Rehefa tony indray i Ben, dia nohazavainy tamiko tamin-katsaram-panahy ny antony tsy ilokan’ny Kristianina, ary nanampy teny toy izao izy, mba hanomezana toky ahy indray: “Tsy fahadisoanao anefa izany. Izaho no tsy nilaza taminao.”

Natao izay hahatsiarovako ho noraisina an-tanan-droa

Mbola tsy nifandray tamina Vavolombelona betsaka aoka izany aho, raha tsy tamin’io fivoriambe naharitra efatra andro io, tamin’ny 22-25 Martsa 1951. I Ben sy Vavolombelona vitsy dia vitsy hafa ihany no mba fantatro, hany ka tsy nahazo antoka ny amin’ny fomba handraisan’ny hafa ahy, aho. Koa azonareo an-tsaina ny fientanentanako rehefa nahazo fandraisana mafana avy tamin’ireo ho anadahiko sy ho rahavaviko ara-panahy, aho. Tsy nampiseho na dia soritry ny fitsarana an-tendrony aza izy ireo. Toy ny tany aminay mihitsy no fahatsapako ny tenako, ary tsy nahatsiaro ho sakodiavatra aho.

Mbola velombelona ato an-tsaiko io fivoriambe io, indrindra fa satria anisan’ireo olona 160 natao batisa tao amin’ny Helodranon’i Botany aho. Toa anisan’ny Tompon-tany aostralianina voalohany tonga Vavolombelon’i Jehovah aho. Niseho tao amin’ny gazety mivoaka isan’alahady ny sariko, ary tao amin’ny sarimihetsika filazam-baovao izay nalefa tao amin’ny sinema, koa.

Ilay hany Vavolombelona teto an-tanàna

Nifindra teto Mount Isa, tanàna fitrandrahana atỳ amin’ny faritra avaratrandrefan’i Queensland izahay mianakavy, iray volana taorian’ny niverenako avy tany Sydney. Nipetraka tao amin’ny trano heva iray izahay nandritra ny enin-taona, ary nikarakara tany nidadasika iray teo ivelan’ny tanàna indrindra. Hazo nokapainay avy tamin’ny kirihitr’ala teo akaiky teo no nataonay rindrin’ny tranonay. Novelarinay sy nofisahinay ny barìka efa tonta nisy godorao, ary iny no nataonay tafo. Nahita asa teny amin’ny lalamby i Martin, nefa nanimba ny fahasalamany tamin’ny farany ny fisotroany zava-pisotro misy alkaola be loatra. Avy eo, dia nanjary izaho irery sisa namelona anay mianakavy. Maty izy tamin’ny 1971.

Tany am-boalohany, dia izaho irery no hany Vavolombelona teto Mount Isa. Nitsidika anay isaky ny enim-bolana teo ho eo i Ben, satria tao amin’ny faritany nidadasika nanaovany fitoriana i Mount Isa. Raha sendra teto an-tanàna izy tamin’ny fotoan’ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy Kristy — fisehoan-javatra tena manokana ho an’i Ben, satria nanana fanantenana ny ho any an-danitra izy — dia niara-nankalaza azy io taminay mianakavy izy, indraindray teo am-body hazo.

Tsy nijanona ela i Ben mazàna, koa izahay sy ny ankizy irery no nanao ny ankamaroan’ny asa fitoriana. Marina aloha fa irery izahay; nefa nanatanjaka anay ny fanahin’i Jehovah, sy ny fandaminany be fitiavana. Nitolona tamin’ny hafanana manevokevoka sy ny lalitra, ny vovoka ary ny lalana nikitoantoana be ireo mpiandraikitra mpitety faritany nahatoky sy ny vadiny avy, mba hahatongavana teto Mount Isa, mba hampahery anay, na dia vitsy dia vitsy aza ny olona tao amin’ny fitambara-mpitory nisy anay nandritra ny taona maro. Afa-tsy izany koa, dia nisy Vavolombelona avy tamin’ny kôngregasiôna iray vao niforona, akaiky anay indrindra, tany Darwin, 1 200 kilaometatra mahery avy eto, tonga nitsidika tsindraindray.

Kôngregasiôna iray vao niforona

Tamin’ny Desambra 1953, dia niforona ny kôngregasiôna teto Mount Isa. Voatendry ho mpiandraikitra i Ben, ary izahay sy i Ann, zanako vavy, irery no olona hafa nandray anjara tamin’ny fanompoana tamin’izany fotoana izany. Tsy ela anefa dia nisy Vavolombelona hafa nifindra teto. Nanomboka namokatra mpianatra maro kokoa, anisan’izany ny Tompon-tany maromaro, ny faritaninay, rehefa nandeha ny fotoana.

Nanohy nitombo ilay kôngregasiôna, ary tsy ela dia nanjary niharihary fa nila Efitrano Fanjakana iray izahay, mba hanaovana ireo fivorianay. Tamin’ny May 1960, taorian’ny ezaka mafy, dia vitanay ny fanamboarana ny efitrano vaovao, anay manokana. Efa indroa izy io no nohalehibeazina nandritra ny 15 taona nanaraka. Teo antenatenan’ireo taona 1970 anefa, dia efa 120 teo ho eo sahady izahay no nandray anjara tamin’ny fanompoana ampahibemaso, ka tonga tery loatra indray ilay efitrano. Koa naorina ny Efitrano Fanjakana tsara dia tsara iray nahazaka olona 250, ary notokanana izy io tamin’ny 1981. Nampiasaina nanaovana fivoriana lehibe kokoa antsoina hoe fivoriamben’ny fizaran-tany koa ilay trano, noho izy io mbola nisy toerana betsaka ambiny.

Fitomboana teo amin’ireo Tompon-tany

Nampientam-po ahy erỳ ny fiforonan’ny fitambara-mpitory — nisy Tompon-tany sy Mponina Anosy — nifandray tamin’ny Kôngregasiôna Mount Isa, tamin’ny 1996. Tompon-tany avy any amin’ireo nosy akaikin’i Aostralia ny Mponina Anosy. Ny zava-kendrena voalohan’io fitambara-mpitory io dia ny hanao fanambarana tsara kokoa amin’ny Tompon-tany, satria ny sasany aminy mirona hihafahafa amin’ny olona fotsy hoditra.

Misy fitambara-mpitory hafa tokotokony ho 20 miparitaka manerana an’i Aostralia, ka Tompon-tany no mahaforona azy ireo. Fanampin’izany, dia nisy kôngregasiôn’ny Tompon-tany niforona tany Adélaïde, Cairns, Ipswich, Perth, ary Townsville. Olona tokony ho 500 — anisan’izany ny sasany amin’ireo mpianakaviko — no ao amin’ireny fitambara-mpitory sy kôngregasiôna ireny. Efa ho ny 10 isan-jaton’ny mpitory Tompon-tany no mpisava lalana, na mpitory manontolo andro!

Nanjary voan’ny diabeta aho tamin’ny 1975, ary nanimba ny fahasalamako io aretina io, nandritra ireo taona. Mamely Tompon-tany maro dia maro koa io aretina io. Nanjary nihananahirana ny famakian-teny. Kanefa, manohy manohana sy manome fifaliana ahy i Jehovah.

Velom-pankasitrahana an’ireo mpitory be herim-po izay nanompo anay mianakavy aho. Noho ny zotom-pony tsy nety lefy, sy ny fitiavany, ary ny harena ara-panahy nentiny tamin’ny bisikileta, rehefa namakivaky ireo lalana sy lalan-kely feno vovoka sy tsy nisy olona, any ambanivohitra mitokan’i Queensland, no nahafahanay nianatra ny fahamarinana ara-baiboly. Miandry amim-pitokisana ny fotoana hahafa-po mandrakizay ny fitiavako ny tany aho, ankehitriny.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Nivoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana (frantsay), tamin’ny 15 Desambra 1972, pejy faha-757-760, ny tantaram-piainana miavak’i Ben Brickell.

[Sarintany/Sary, pejy 15]

(Jereo ny gazety)

Perth

Darwin

Cairns

Townsville

Mount Isa

Rockhampton

Emerald

Springsure

Woorabinda

Ipswich

Sydney

Adélaïde

Dorothy amin’izao fotoana izao

[Sary, pejy 13]

Fanazaran-tena teo amin’ny fitoriana niaraka tamin’i Ben, teo antenatenan’ireo taona 1950

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara