Ny Fiheveran’ny Baiboly
Inona no Maha Ratsy ny Filalaovana Fitia?
“Nahoana isika no mihevitra fa fanararaotana na famitahana na ratsy ny filalaovana fitia? Tsy izany velively izy io! Efa fanao ange izy io e! Ary samy mandray soa avy amin’izy io ny andaniny avy, satria mahatonga ny ankilany ho sambatra ianao.” — Susan Rabin, talen’ny Sekolin’ny Filalaovana Fitia, any New York.
OLONA maro no mihevitra ny filalaovana fitia ho ara-dalàna sy tsy misy tsininy ary tena ilaina mihitsy aza mba hanorenana sy hihazonana fifandraisana amin’ny olona. Any amin’ny tany tandrefana, dia nitombo haingana tato ho ato ny isan’ireo boky sy lahatsoratra an-gazety ary fianarana manokana izay mampianatra ny fihetsehana, ny paozy, ny topy maso, sy ny fomba fibanjina izay tsy misaraka amin’ny “fahaizana milalao fitia”.
Inona moa no atao hoe filalaovana fitia? Misy maro samihafa ny famaritana sy ny fanazavana ny hevitr’izy io. Faritan’ny diksionera iray hoe “fisangiana amin’ny fitiavana na fanairana ny filan’ny nofo” izy io. Faritan’ny diksionera hafa iray hoe “sangisangim-pitia”, ny filalaovana fitia. Araka izany, dia toa eken’ny besinimaro ny fiheverana hoe olona te hiombom-pitia, saingy tsy mikasa velively ny hanambady, ny olona milalao fitia. Tokony hoheverina ho tsy manimba ve ny filalaovana fitia? Ahoana no fiheveran’ny Baiboly ny filalaovana fitia?a
Na dia tsy resahina mivantana ao amin’ny Soratra Masina aza ny filalaovana fitia, dia azontsika fantarina ny fiheveran’Andriamanitra. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fandinihana ireo foto-pitsipika ara-baiboly mahakasika ilay raharaha. Amin’izany no ampitomboantsika ny ‘fahafahantsika manavaka ny tsara sy ny ratsy’. (Hebreo 5:14, NW ). Andeha hodinihintsika aloha raha mety amin’ny olona manambady na tsia ny milalao fitia.
Raha manambady ny tena
Ara-dalàna tokoa raha mifaneho fitiavana ny mpivady rehefa irery tsy eny imason’olona. (Ampitahao amin’ny Genesisy 26:8.) Mifanohitra amin’ny foto-pitsipik’Andriamanitra anefa ny fanehoana izany amin’ny olona tsy vadin’ny tena. Ny hananan’ny mpivady fifandraisana akaiky sy fifampitokiana no fikasan’i Jehovah. (Genesisy 2:24; Efesiana 5:21-33). Firaisana masina sy maharitra ny fanambadiana, araka ny fiheverany. Hoy ny Malakia 2:16 momba an’Andriamanitra: ‘Halany ny fisaoram-bady’.b
Mifanaraka amin’ny fiheveran’Andriamanitra ny fanambadiana ve raha milalao fitia ny olona iray manambady? Raha ny marina aza, ilay olona manambady izay milalao fitia dia maneho tsy fanajana ny fahamasinan’ny fandaharan’Andriamanitra momba ny fanambadiana. Didian’ny Efesiana 5:33 koa ny lehilahy kristianina mba ho “tia ny vadiny tahaka ny tenany”, ary ny vehivavy mba “hanaja ny lahy”. Fanehoam-pitiavana na fanajana ny vadin’ny tena ve ny filalaovana fitia, izay mampipoitra fahasarotam-piaro?
Vao mainka tokony hampieritreritra ny hoe mety hitarika ho amin’ny fanitsakitsaham-bady ny filalaovana fitia, ary fahotana melohin’i Jehovah tsy misy olakolaka sady lazainy fa famitahana, ny fanitsakitsaham-bady. (Eksodosy 20:14; Levitikosy 20:10; Malakia 2:14, 15; Marka 10:17-19). Eny tokoa, tsy heverin’i Jehovah ho vazivazy ny fanitsakitsaham-bady, hany ka avelany hisara-panambadiana ireo nivadihana. (Matio 5:32). Azontsika eritreretina àry ve ny hankasitrahan’i Jehovah ny fanalana andro mampidi-doza tokoa, toy ny filalaovana fitia? Tsy hankasitraka izany mihitsy Andriamanitra, toy ny tsy haneken’ny ray na ny reny be fitiavana ny hilalaovan’ny zanany kely amin’ny antsin-dakozia maranitra.
Mampitandrina toy izao ny Baiboly, mikasika ny fanitsakitsaham-bady: “Mahatondra afo ao an-tratran’akanjony va ny olona, ka tsy ho may ny akanjony? Misy mahadia vain’afo va, ka tsy ho may ny tongony? Dia toy izany izay mankamin’ny vadin’ny namany: tsy maintsy hampijalina izay mikasika azy.” (Ohabolana 6:27-29). Na dia tsy manitsakitsa-bady mihitsy aza anefa ny olona iray manambady izay milalao fitia, dia mitady loza fanampiny — ny hanjary ho tafiditra ao amin’izay antsoina hoe “fangalaram-pitia”.
Fangalaram-pitia
Misy olona namboly fifandraisana any ivelan’ny fanambadiany, dia fifandraisana nivadika ho fitiavana, na dia tsy misy firaisana aza. Nampitandrina toy izao anefa i Jesosy: “Izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady.” (Matio 5:28). Nahoana i Jesosy no nanohitra ny filana izay tsy lasa lavitra fa ao am-po ihany?
Izao no antony iray: “Avy amin’ny fo no ivoahan’ny (...) fakam-badin’olona”. (Matio 15:19). Manimba anefa ny fifandraisana toy izany, na dia tsy tonga hatreo an-tokonan’ny fanitsakitsaham-bady aza. Amin’ny ahoana? Hoy ny fanazavan’ny boky iray mivaofy momba io foto-kevitra io: “Endriny iray amin’ny tsy fahatokiana ny fanaovan-javatra na ny fifandraisana na inona na inona, izay maka fotoana sy hery be loatra avy amin’ny fiainanao miaraka amin’ny vadinao.” Eny, maka ny fotoana sy ny fanehoam-piheverana ary ny firaiketam-po tokony ho an’ny vadin’ny tena ny fangalaram-pitia. Rehefa heverina ny didin’i Jesosy hoe tokony hitondra ny hafa araka izay tiantsika hitondrana antsika isika, dia tena tsara raha manontany tena toy izao ilay olona manambady izay milalao fitia: ‘Inona no ho tsapako, raha manao toy izany miaraka amin’ny hafa ny vadiko?’ — Ohabolana 5:15-23; Matio 7:12.
Raha namboly firaiketam-po tsy mety toy izany ny olona iray, inona no tokony hataony? Toy ny mpamily rendremana eo am-pamiliana, ny olona iray manambady, izay raiki-pitia tsy araka ny tokony ho izy. Ilainy ny mifoha ka mahatakatra tsara ny toe-javatra misy azy ary manao zavatra avy hatrany sy amim-pahatapahan-kevitra, alohan’ny haharavan’ny fanambadiany sy ny fifandraisany amin’Andriamanitra. Nohazavain’i Jesosy tamin’ny ohatra ny ilana hanaovan-javatra hentitra, rehefa nilaza izy fa na dia ny zavatra sarobidy toy ny maso aza dia tokony hesorina, na toy ny tanana dia tokony hotapahina, raha toa ka hanimba ny laza tsaran’ny tena eo anatrehan’Andriamanitra. — Matio 5:29, 30.
Ho fahendrena, araka izany, ny hamerana ny hoe aiza sy impiry no ihaonanao amin’ilay olona. Halaviro ny fitokanana miaraka amin’ilay olona, ary raha any am-piasana, dia fero ny karazan-dresaka hataonareo. Mety ho tena ilaina mihitsy aza angamba ny hanapaka ny fifandraisana rehetra amin’ilay olona. Aorian’izany, dia tsy maintsy mifehy tena tanteraka ianao raha ny amin’izay jerenao, izay eritreretinao, ny amin’ny fihetseham-ponao, sy ny fihetsikao. (Genesisy 39:7-12; Salamo 19:14; Ohabolana 4:23; 1 Tesaloniana 4:4-6). Namela ohatra tsara dia tsara i Joba, izay nanambady, rehefa nilaza hoe: “Efa nampanekeko ny masoko; koa hataoko ahoana indray no fijery virijina?” — Joba 31:1, fanamarihana ambany pejy.
Mazava àry fa mety hampidi-doza sady tsy araka ny Soratra Masina raha milalao fitia ny olona iray manambady. Ahoana anefa no fiheveran’ny Baiboly ny filalaovana fitia eo amin’ny samy mpitovo? Tokony hoheverina ho ara-dalàna, tsy misy tsininy, na tena ilaina ve izy io mba hanorenana fifandraisana amin’ny tsy lahy na tsy vavy tahaka ny tena? Mety hitondra fanimbana tokoa ve izy io?
Ahoana ny amin’ny tsy manambady?
Tsy misy maha ratsy ny hoe maniry hiombom-pitia ny mpitovo roa, raha toa ka mieritreritra ny hivady izy roa, ary manalavitra fitondran-tena maloto. (Galatiana 5:19-21). Mety hitranga eo am-piandohan’ny fiarahany izany faniriana izany, raha mbola tsy azo antoka akory ny hivadiany. Tsy voatery ho tsy mety akory izany, raha mbola tsara fikasa izy roa. Tsy hoe tena filalaovana fitia izany.
Ahoana anefa raha maniry hiombom-pitia ny mpitovo roa, mba ho fialam-boly fotsiny? Mety ho toa tsy manimba izany, satria tsy manambady izy ireo. Hevero anefa ny ratram-po mety ho azo avy amin’izany. Raha raisina ho zava-dehibe kokoa tsy araka ny nokasain’ilay milalao fitia ny fihetsiny, dia mety hiteraka alahelo sy ratram-po mafy izany. Tena marina mihitsy ireto tenin’ny Ohabolana 13:12 ireto: “Ny fanantenana tsy azo vetivety dia mankarary am-bavafo; fa hazon’aina ny faniriana tanteraka”! Mety hilaza ny olona roa fa takany tsara ny hoe tsy misy mihevitra ilay izy ho zava-dehibe izy roa. Na dia izany aza, moa ve ny iray amin’izy roa afaka mahazo antoka ny amin’izay tena eritreretin’ny ankilany na tsapany? Hoy ny valin-tenin’ny Baiboly: “Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina; iza moa no mahafantatra ny aminy?” — Jeremia 17:9; ampitahao amin’ny Filipiana 2:4.
Hevero koa ny mety hahalatsaka ny tena ao amin’ny fijangajangana, miaraka amin’ireo mety ho vokany, dia ny aretina na ny fananana anaka ivelan’ny fanambadiana. Raran’ny Soratra Masina ny fijangajangana, ary tsy hahazo sitraka amin’Andriamanitra izay minia manao izany. Nampitandrina tamim-pahendrena ny Kristianina ny apostoly Paoly fa mba hanoherana ny fakam-panahy, dia tokony ‘hamono ny momba ny tenany izy, dia ny fijangajangana’, sy hanalavitra ny “filan-dratsin’ny nofo”, izay mitarika ho amin’ny fijangajangana. (Kolosiana 3:5; 1 Tesalonisiana 4:3-5, Fandikan-teny Katolika). Manoro hevitra antsika izy ao amin’ny Efesiana 5:3 fa ‘tsy tokony hotononina akory’, izany hoe amin’ny fomba mety hampipoitra fanirian-dratsy, ny fijangajangana. Tsy mifanaraka amin’io torohevitra io ny filalaovana fitia. Raran’Andriamanitra mihitsy aza ny resadresaka tsy mahasoa momba ny maha lahy sy ny maha vavy.
Ahariharin’ny foto-pitsipika ara-baiboly fa tsy fananana antra amin’ny olon-kafa ny filalaovana fitia, ary tsy fanajana an’i Jehovah, ilay Mpamorona ny fanambadiana. Azo antoka fa maneho fitiavana sy fahalalana ny antonona ny fiheveran’ny Baiboly ny filalaovana fitia tsy mety, satria miaro ny olona tsy hahita fahavoazana. Hitan-tena tsy hiditra amin’ny filalaovana fitia tsy araka ny tokony ho izy àry ireo izay tia an’Andriamanitra, ka hitondra ny tsy lahy na tsy vavy tahaka azy amin’ny fahadiovana sy ny fanajana. — 1 Timoty 2:9, 10; 5:1, 2.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tsy tokony hafangaro amin’ny fihetsiky ny olona sariaka na tia mifandray amin’ny olona, izay tsy atosiky ny faniriana hiombom-pitia, ny filalaovana fitia.
b Jereo ilay lahatsoratra hoe “Quel genre de divorce Dieu hait-il?”, ao amin’ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 8 Febroary 1994.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 20]
© The Curtis Publishing Company