FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g98 8/7 p. 18-19
  • Ilangilangy — Esansy avy any Amin’ilay Nosy Manitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ilangilangy — Esansy avy any Amin’ilay Nosy Manitra
  • Mifohaza!—1998
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanontanian’ny mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Zava-manitra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Tsara Tarehy Sady Matsiro!
    Mifohaza!—2004
  • Ny Tantaran’ny Ranomanitra
    Mifohaza!—2002
Hijery Hafa
Mifohaza!—1998
g98 8/7 p. 18-19

Ilangilangy — Esansy avy any Amin’ilay Nosy Manitra

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ATSY MAYOTTE

EFA mba nandre momba azy io ve ianao? Azo inoana fa efa nampiasa azy io ianao. Efa nandre ny fofony ianao, fara faharatsiny! Inona moa izy io? Sady hazo izy io no ranomanitra.

Ny ilangilangy dia hazo mamokatra esansy ampiasaina amin’ny fanaovana ranomanitra lafo vidy be. Misy milaza fa avy atsy amin’ny nosy Madagasikara no niavian’izy io; ny hafa milaza hoe avy any Malezia, izay ambolena azy io koa. Atỳ amin’ireo Nosy Kaomaoro, anelanelan’i Afrika sy i Madagasikara, ary indrindra fa eto amin’ny nosy Mayotte anefa, ny toetr’andro dia ao amin’ny ilana azy indrindra ho amin’ny famokarana esansy manitra tsara dia tsara, izay lazain’ny sasany fa ny tsara indrindra eto an-tany.

I Mayotte, izay antsoina indraindray hoe ilay nosy manitra, no loharanon’ny ankabeazan’ny vokatra eran-tany amin’io esansin’ilangilangy sarobidy io. Mandrakotra ireo saha sy tehezan-kavoana misolampy eto amin’itỳ nosy tsara tarehy itỳ ny voly ilangilangy. Izao anefa no zavatra voalohany voamariky ny tena: hafahafa ny bikan’ireo hazo, toy ny hoe nisy olona goavana iray nampilefitra ireo sampany, ka namoritra azy ireo hanodidina ireo vatan-kazo mivolombatolalaka be tonony. Tsy voajanahary anefa izany bikany izany. Vokatry ny fikarakarana azy izany.

Raha vantany vao mahatratra ny haavon’ny sorok’olombelona ny hazo ilangilangy, ka mbola mora takarina ny voniny, dia terena hilefitra ambany ireo sampany. Raha tsy atao izany, dia hisondrotra mahitsy ilay hazo, ary hampiakariny avo loatra ireo voniny sarobidy, hany ka tsy ho voaoty mora foana. Tsy misy ilana azy intsony ilay hazo amin’izay, afa-tsy mba hanaovana hazo fisaka.

Na dia mbola tsy voavakao akory amin’ireo zavamaniry tropikaly manodidina azy aza ny hazo ilangilangy, dia efa manintona ny sainao ny fofony mamerovero erỳ. Na dia tsy miavaka loatra aza ny voniny, dia tsy hay hadinoina ny hanitra mahery avoakany. Raha ny marina, ny mason’ny olona mbola tsy zatra dia tsy hahatsikaritra mora foana ny voniny, satria sarotra avahana amin’ny ravinkazo izy ireo. Rehefa matoy ireo voninkazo vao manopy mavo tanora. Ary rehefa mitranga izany, dia tonga ny fotoana hiotazana azy.

Manomboka mamony ny hazo ilangilangy eo amin’ny faharoa na fahatelo taonany, eto amin’itỳ nosinay tropikaly itỳ. Ohatra mahatalanjona ny amin’ny fahalalahan-tanan’ny Mpamorona ny fahatondrahan’ny vonin’izy io! Eo anelanelan’ny May sy Desambra, dia mioty voniny iray ka hatramin’ny roa kilaograma isaky ny hazo tsirairay isaky ny tapa-bolana ny mpioty. Mamony koa ny ilangilangy manomboka amin’ny Janoary ka hatramin’ny Aprily, saingy simban’ny orana tropikaly ireo voniny.

Rehefa voangona ireo voninkazo, dia manampy avokoa ny rehetra ao amin’ny fianakaviana, indrindra fa ny zaza amam-behivavy. Mora ny asa fiotazana, satria ambany ireo sampan-kazo. Angonina ao anatin’ny kangas — teny eto an-toerana iantsoana ny sobika vita amin’ny ravim-boaniho voarary — ireo voninkazo. Azonao alaina sary an-tsaina ve ny ankizy iray miloloha kangas mora milefitra, izay feno voninkazo? Toa sarona tanteraka ny loha keliny ao anatin’ilay antontam-boninkazo milanja 20 na 30 kilaograma, rehefa iny izy sy ny ankizy hafa mitanjozotra amin’ny lalana mankany amin’ny toerana hanasitiliana ny esansin’ilangilangy iny.

Manomboka amin’izay izao ny asa mafy maharitra adiny 24 mba hanasitiliana ilay esansy. Misy afo mirehitra tsy an-kiato eo ambanin’ny lalambika, na fitaovam-panasitiliana, goavana iray. Misy voninkazo matoy 200 kilaograma, izay mitsinkafona eo amin’ny rano mangotraka 70 litatra, ao anatin’ilay lalambika. Tsy maintsy ampangatsiahina hahatratra ny maripana araka ny ilana azy indrindra ny fantsona miolikolik’ilay fitaovam-panasitiliana mba hahatonga ilay esansy ho faran’izay tsara. Mety hahazoana esansin’ilangilangy marihitra be hatramin’ny iray litatra ireo voninkazo ireo, saingy miankina amin’ny faritra nakana azy ny fatra tena marina. Mety hahazoana koa, esansy fanampiny tsy dia marihitra loatra io fitanehana io. Amin’ny farany, dia aondrana any Eoropa ilay esansin’ilangilangy mba hampiasaina amin’ny fampifangaroana ranomanitra lafo vidy be.

Angamba takatrao amin’izay izao ny antony iantsoana itỳ nosy Mayotte itỳ hoe ilay nosy manitra. Marina tokoa fa mampitombo ny fankasitrahanay ny asa tanan’ny Mpamorona ny fameroveron’ny ilangilangy eny amin’ny rivotra, eto amin’itỳ nosinay itỳ.

[Sarintany, pejy 18]

(Jereo ny gazety)

AFRIKA

MADAGASIKARA

NOSY KAOMAORO

Kaomaoro Lehibe

Mohéli

Anjouan

Mayotte

[Sary, pejy 18]

Vonin’ny ilangilangy

[Sary, pejy 19]

Voly ilangilangy

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara