Ny Fizahana Vorona — Fialam-boly Mahavariana ho An’ny Rehetra Ve?
“Mahita zava-mahagaga mifandimby tsy misy farany ny mpizaha vorona, eo amin’ny fiainany.” W. H. Hudson—The Book of a Naturalist.
NANDEHA an-tongotra 22 kilaometatra i Keith sy i Evelyn sy i Jannie ary ny mpitari-dalana azy ireo, mba hijery vorona iray, tany amin’ny Helodrano Kosi, any akaikin’ny sisin-tany mampisaraka an’i Afrika Atsimo sy i Mozambika. Tsy hoe vorona fe vorona fotsiny izy io! Ny voromahery mpihinana voam-palmie — vorona lehibe fotsy sy mainty, ny masony voahodidina hoditra mena — no nokarohin’izy ireo. Mihinana trondro maty sy voam-palmie fakana menaka izy io.
Izao no notantarain’i Keith: “Taorian’ilay dia an-tongotra lavitra, dia niverina nody izahay, diso fanantenana fa tsy nahita afa-tsy iray monja, ary nanidina lavitra koa ilay izy tamin’izay. Rehefa tafaverina tao amin’ilay tobinay izahay, inona no hitanay? Telo tamin’ilay voromahery niteronterona teo amboninay, teo amin’ny hazo palmie iray! Faly erỳ izahay niaraka tamin’izy ireo nandritra ny antsasak’adiny teo ho eo, ary avy eo dia lasa izy ireo, ka nahatalanjona erỳ ny nijery ny elany nivelatra tanteraka. Sambany koa izahay vao nahita vorondolo mpanjonon’i Pel, tamin’io andro io ihany. Eny tokoa, mpisambotra trondro io vorondolo io!”
Mampientanentana ny rehetra
Misy vorona tsara tarehy hozahana sy hohenoina, maneran-tany. Maherin’ny 9 600 ny karazam-borona misy, ka be dia be, noho izany, ny mety ho hitan’ny mpizaha vorona izay mailo. Iza no tsy mientanentana mahita soy na vintsy mareva-doko mitsoriaka haingana? Iza no tsy mijanona rehefa voababon’ny feo mangan’ny oiseau-moqueur, ny rôsiniôla, na ny oiseau-lyre aostralianina tsara tarehy aoka izany, na ny feo mampiavaka ny toloho, na ny fipentsompentsona zary mozika ataon’ny fitatra an’ala any Aostralia?
Fandinihana voron-dia ny fizahana vorona. Mety hitaky hery be ny fanaovana azy io, raha izany no safidinao. Mety tsy haniry hanavatsava heniheny na hananika tendrombohitra ianao mba hahitana vorona tsy fahita firy. Olona maro anefa no mahita fa mahafa-po sy mamelombelona azy ny fizahana vorona ao an-tokotaniny na ao an-jaridainany ihany. Maro ny olona mametraka rano sy fasiana sakafom-borona any alatrano mba hanintonana ny vorona misy eo an-toerana. Mitombo isan-taona ny isan’ny olona mafana fo amin’izy io. Mihamaro ny olona mino fa mendrika ny hanaovana ezaka izy io.
Nahoana no be mpitia izy io?
Araka ny voalazan’ilay boky hoe An America Challenged, nataon’i Steve H. Murdock, dia ampoizina hitombo haingana kokoa noho ny isan’ny mponina any Etazonia ny isan’ny mpizaha vorona, eo anelanelan’ny taona 1990 sy 2050. Nanao tatitra ny gazetiboky New Scientist fa “olona mihamaro hatrany any Inde no mirotsaka amin’ny fizahana vorona”. Ary inoan’i Gordon Holtshausen, mpitari-draharaha ao amin’ny Komitin’ny Boky Momba ny Vorona any Afrika Atsimo, fa “manarakaraka avy hatrany ny Baiboly ny fividianana ny boky [momba ny vorona] (...), eto Afrika Atsimo”.
Raha vantany vao mahay mizaha vorona koa ianao, dia ho tamana! Mora mifindra ny fitiavana mizaha vorona. Mety ho fanarian-dia tsy andaniam-bola izy io, izay mitondra anao hivoaka eny ivelany, ary manaitaitra ny sainao. Manintona toy ny fihazana izy io, saingy tsy misy famonoana vorona akory. Vetivety dia hain’ny ankizy sy ny olon-dehibe izy io. Noho izany, dia azon’ny fianakaviana na ny mpinamana maromaro atao ny miara-mankafy azy io. Azo ankafizina samirery koa aza izy io. Fanalana andro madio sy mahasoa ary mahasalama ny fizahana vorona, ary azo atao mandavantaona, saika na aiza na aiza.
Ireo zavatra fototra ilaina amin’ny fizahana vorona
Moa ve ianao mahita vorona indraindray ka manontany tena hoe inona no anarany? Mahatsapa fahafaham-po ny tena rehefa mahafantatra, tsy ny anaran’ny vorona mahavariana toy ny voromahery sy ny vorombola ary ny gisabe ihany, fa na dia ny an’ny vorona tsy dia voamarika firy toy ny matoriandro sy ny Upucerthia koa aza. Eo koa ireo vorona mitovitovy amin’ny kitanotano, ny fitatra amin’izato volony raha fararano, sy ireo vorona izay eo anelanelany.a
Mba hamantaranao azy ireo, dia hilainao ny boky tari-dalana iray momba ireo vorona ao amin’ny taninao na ny faritra misy anao. Boky fanao am-paosy izy io, misy sary sy filazalazana ny lahy sy ny vavy amin’ny karazam-borona tsirairay. Aseho koa ao anatin’ny boky tari-dalana tsara kokoa ny hoe manao ahoana ny volon’ny vorona mbola kely sy ny volon’ny vorona miova loko arakaraka ny fizaran-taona.
Inona koa no ilain’ny olona vao mianatra mizaha vorona? Toy ny ilan’ny mpanjono haranjono na harato no ilan’ny mpizaha vorona masolavitra tsara. Ho gaga ianao hahita ireo tsipiriany amin’ny vorona eny amin’ny manodidina anao, rehefa mijery azy amin’ny masolavitra. Tsy maintsy ho tsikaritrao foana, ohatra, ny lalomena goavana, atsy Afrika. Raha tsy mampiasa masolavitra anefa ianao, dia mety tsy hahita ilay voronomby kely mena vava, izay mihinana ny katsentsitra eo amin’ny lamosin’ilay lalomena, raha mbola mamahatra mafy eo izy.
Tsy ny masolavitra rehetra akory no natao hizahana vorona, ary tsy misy tsara ohatra ny fampitahana ireo modely samihafa. Modely roa fampiasan’ny mpizaha vorona indrindra ny 7 x 42 sy ny 8 x 40. Ny herin’ny fanita-jery no tondroin’ilay tarehimarika voalohany, ary ilay faharoa, ny refin’ny savaivon’ny fitaratra lehibe amin’ny milimetatra. Hazavain’ny Field Guide to the Birds of North America avoakan’ny National Geographic fa “raha ampahadimin’ny haben’ny fitaratra ny fanita-jery, dia izay no heverina amin’ny ankapobeny ho filamatra mba hanangonana hazavana”. Ho afaka hanavaka loko ianao amin’izany, na dia ao amin’ny faritra tsy dia mazava firy aza. Tsy voatery ho tsara kokoa foana akory, araka izany, ny fanita-jery lehibe kokoa. Ny sary mazava no tena ilainao.
Aiza no manomboka mijery? Eo amin’ny manodidina anao ihany
Ho voaomana tsara lavitra handeha any an-toeran-kafa mba hitady vorona tsy mahazatra na tsy fahita firy, ny olona mahafantatra ireo vorona eny amin’ny manodidina azy. Fantatrao ve hoe karazam-borona inona avy no mipetraka maharitra manodidina ny tranonao? Inona avy ireo vorona miserana haingana izay toa tsy mandia tany mihitsy, angamba hamonjy farihy na honahona eny akaiky? Vorona mpifindra monina inona avy no mandalo eny, amin’ny diany manaraka ny fizaran-taona? Izao no nosoratan’i Christopher Leahy, tao amin’ilay bokiny hoe The Birdwatcher’s Companion: “Atỳ Amerika Avaratra, dia tokony ho ny 80 isan-jaton’ny karazam-borona sahabo ho 645, izay manorina akany eto, no [mpifindra monina].”
Mety hiato eny akaikin’ny tranonao mba haka vatsy sy haka aina ny sasany amin’ireny mpifindra monina ireny. Nisy mpizaha vorona mazoto be any amin’ny faritra sasany, nahafantatra karazam-borona maherin’ny 210 teo an-tokotaniny ihany! Ho hitanao fa mahaliana sy mampiana-javatra ny firaketana an-tsoratra ireo daty nahitanao voalohany sy farany karazam-borona iray isan-taona.
Fomba fizahana vorona
Vonona ianao izao handeha hizaha any ankoatra ny tokotaninao, miaraka amin’ny masolavitra eo am-bozonao sy ny boky tari-dalana ao am-paosinao. Matetika no misy lisitra feno momba ny vorona, any amin’ny zaridainam-panjakana sy ny tahirin-javaboary. Mazàna no tondroin’ireny lisitra ireny ny karazam-borona hita mandritra ny fizaran-taona iray sy ny mety hahitanao azy. Fitaovana hanampy anao hanamarina hoe karazam-borona inona ilay hitanao, ny lisitra iray toy izany. Raha voasokajy hoe tsy fahita firy ilay vorona heverinao fa vao hitanao teo, dia ho tsara ny handinihanao azy akaiky, indrindra fa raha vao mianatra mizaha vorona ianao. (Jereo ilay faritra voafefy hoe “Tari-dalana Fototra Hamantarana Vorona”.) Etsy an-danin’izany, raha voasokajy hoe misy be dia be ilay vorona, dia azo inoana fa ho marina ny famantaranao azy.
Ataovy izay hahazoana mialoha sarintany mampiseho ireo lalan-kely sy karazan’ny faritra onenan’ny vorona ho hitanao. Mazàna no be vorona kokoa ny toerana misy faritra onenany roa na mihoatra. Na mandehandeha ianao na tsy mihetsika amin’ny toerana iray, dia miezaha mba tsy hiavaka be amin’ny manodidina, ary andraso hanatona anao ireo vorona ka mahareta.
Any amin’ny toerana sasany, dia misy nomeraon’ny telefaonina izay azon’ny mafana fo antsoina mba hihainoana tatitra momba ny fahitam-borona nahaliana vao haingana tao amin’ilay faritra.
Mitondra valisoa ny fiomanana mialoha
Mitondra valisoa ny fikendrena hahita vorona voafaritra tsara, kanefa hahazoanao tombony ny famakiana mialoha fanazavana momba ireo vorona tianao ho hita. Raha any Caraïbes ianao, dia ny hahita ny tody (karazana vintsy) angamba no irinao, na ny tody any Cuba izany, na ny any Porto Rico, na ny any Jamaika. Mahafatifaty erỳ ny mahita io voronkely botrefona maitso sy mena marevaka io. Lazain’ny Guide to the Birds of Puerto Rico and the Virgin Islands nataon’i Herbert Raffaele fa “sarotra hita izy io, saingy matetika re”. Fantatra ho tenda an-kanina be sady haingam-pamahana ny zanany ny tody any Cuba. Rehefa avy nilazalaza ny fomba famahanan’ny tody i Raffaele, dia nanome izao torohevitra izao: “Matetika no manintona azy ny fipepehana vato roa.”
Mety hirinao ny hanokana fotoana hijerena karazam-borona iray any amin’ny faritra voajanahary misy azy, mba hahitanao maso ny fisehoan-javatra iray eo amin’ny fiainany, toy ny fanidina manaitra asehon’ny bécasseau eo am-piandohan’ny lohataona. Na koa ireo vorompotsy tsy tambo isaina any Gibraltar na eo amin’i Bosphore, rehefa miomana hanidina ho atsy Afrika amin’ny fararano izy ireo. Na ny fifindra-monin’ny vorona manidina ambonin’i Israely.
Ekena aloha fa tsy mitovy amin’ny fitsidihana toerana malaza ara-tantara izay fantatrao fa ho eo amin’ny toerany foana, ny fiomanana hahita vorona iray manokana. Mifindrafindra toerana tsy an-kijanona mantsy ny vorona. Mihetsiketsika be ry zareo. Ary misy isan-karazany. Ary mampiseho zava-mahagaga. Mendrika ny hanaovana ezaka anefa ny fikarohana sy ny fiandrasana azy!
Izany rehetra izany dia mahatonga ny fizahana vorona hampientanentana. Na dia eo aza ny fiomananao, dia mety tsy ho hitanao any amin’ny toerana halehanao ireo vorona — na fara faharatsiny, mety tsy ho ireo vorona nantenainao no ho hitanao. Tsy misy afaka milaza anefa hoe zavatra hafa tsy ampoizina inona avy no ho hitanao. Izao no azo antoka: Tsy handiso fanantenana anao na oviana na oviana ny vorona. Manàna faharetana fotsiny. Ary mazotoa mizaha vorona! Ary aza hadinoina ilay Mpamolavola azy ireo! — Genesisy 1:20; 2:19; Joba 39:13-18, 27-29.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Zaraina ho sokajy lehibe valo ny vorona, araka ny fisehoany ivelany: 1) ny voronandrano — ny iray tarika amin’ny ganagana, 2) ny vorona mpanidina raindahiny — ny iray tarika amin’ny vorondriaka, 3) ny vorona mpirobo-drano lava fingotra — ny iray tarika amin’ny vano, 4) ny vorona mpirobo-drano izay kely kokoa — ny fandiafasika sy ny kitanotano, 5) ny vorona mitovitovy amin’ny akoho — ny akoholahinala sy ny kibobo, 6) ny vorona mpiremby — ny hitsikitsika sy ny voromahery ary ny vorondolo, 7) ny voronkely mpihira (mpiteronterona), sy 8) ny vorona an-tanety tsy mpihira. — A Field Guide to the Birds East of the Rockies, nataon’i Roger Tory Peterson.
[Efajoro, pejy 26]
Tari-dalana Fototra Hamantarana Vorona
Raha vao voalohany no nahatsinjovanao vorona iray tsy mahazatra, dia mety hanampy anao ny fiezahana hamaly ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:
1. Manao ahoana ny lokon’ilay vorona — ranoray, misoritsoritra, misy pentimpentina lehibe sa madinika?
2. Inona no faritra onenan’ilay vorona — rano, heniheny, honahona, tany rakotra ahitra, sa ala?
3. Manao ahoana ny habeny? Ampitahao amin’ny an’ny vorona mahazatra — tsintsina, ilaimenatenda, voromahailala, na hitsikitsika.
4. Ahoana no ataon’ilay vorona — mitsoriaka mihaza bibikely, misidina ambony, manetsiketsika ny rambony, mandeha amin’ny tany ambany ve izy, sa ataony miakatra na midina foana ny rambony?
5. Manao ahoana ny bikan’ny vavany — fohy sady maranitra, fohy sady matevina, lava, mibiloka sa mifaraingo?
Rehefa mijery ireo “Marika Mampiavaka” ireo sy ny boky tari-dalana fototra momba ny vorona ny olona iray, na dia vao mianatra aza, dia mety hanomboka hahafantatra ireo karazam-borona mahazatra. — Exhibit Guide, Merrill Creek Reservoir, New Jersey, U.S.A.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 23]
Sarim-borona eo amin’ny pejy faha-23-27: The Complete Encyclopedia of Illustration/J. G. Heck
[Sarintany/Sary, pejy 24, 25]
(Jereo ny gazety)
GISAN’NY RANOMANDRY
Amerika Avaratra
SOY
Amerika Avaratra/Afovoany
GEAI MANGA
Amerika Avaratra
BOLOKIBE
Amerika Afovoany/Atsimo
VOROMAHERY FOTSY LOHA
Amerika Avaratra
CARDINAL
Amerika Avaratra/Afovoany
PELIKANA
Ireo Tanin’i Amerika
VOROMAHERY MIVOLONTANY
Afrika, Azia
TOUCAN
Amerika Atsimo
IBISY MENA JAKY
Amerika Atsimo
VAREVAK’I FRANKLIN
Ireo Tanin’i Amerika
VANOFOTSY
Maneran-tany
PINSON
Eoropa, Afrika Avaratra
GANAGANA MANDARIN
Chine
VANO
Eoropa, Afrika, Azia
SAMA
Tropika
GRUE MISATRO-MAINTY
Afrika
DIAMANT DE GOULD
Aostralia
KOOKABURRA
Aostralia
VOROMBOLA
Maneran-tany
AOTIRISY
Afrika
BOLOKIN’I PENNANT
Aostralia
[Sary nahazoan-dalana]
U.S. Fish and Wildlife Service, Washington, D.C./Glen Smart
Courtesy of Green Chimney’s Farm
Courtesy of San Diego Wild Animal Park
Sarintany: The Complete Encyclopedia of Illustration/ J. G. Heck
Courtesy of San Diego Wild Animal Park