Ny Soa sy ny Loza Mety Hoentin’ny Fampiasam-panafody Tsy Anatonana Dokotera
Avy amin’ny masoivohon’ny Mifohaza! any Brezila
“MANERAN-TANY, dia mihamiroborobo ny tsenan’ny fampiasam-panafody tsy anatonana dokotera [fanaovana dokotera tena]”, hoy ny talen’ny kompania lehibe iray, mpanamboatra fanafody. “Maniry hanapa-kevitra samirery momba ny fahasalaman’ny tenany ny olona.” Na dia mety ho marina aza izany, mety hisy loza izay tokony ho fantatrao ve?
Mazava ho azy fa afaka mitondra fanamaivanana ny fanafody, raha ampiasaina araka ny tokony ho izy. Ohatra, mamonjy aina tsy tambo isaina ny insuline sy ny antibiotika ary koa ny fitsaboana amin’ny fanafody tsotra sy mora vidy izay manarina ny fahaverezan-drano malia, mihitsy aza. Ny zava-tsarotra amin’ny fanaovana dokotera tena dia ny hahafantarana hoe rahoviana no betsaka kokoa noho ny loza ny soa mety hoentiny.
Ekena aloha fa, any amin’ny tany sasany, dia mety ho lavitra be vao ahitana fitsaboana tsara, na mety ho lafo loatra izy io. Noho izany, dia olona maro no miantehitra amin’ny hevitry ny havana aman-tsakaiza, na amin’ny boky fampianaran-tena, mba hahazoana fanazavana momba ny fitsaboana. Afa-tsy izany koa, “ny mpanao dokam-barotra dia mampita ilay hevitra hoe azo atao ny ho salama amin’ny fividianana pilina tsotra iray”, hoy i Fernando Lefèvre, profesora ao amin’ny Oniversiten’i São Paulo, eto Brezila.a Ho vokany, dia maro no mampiasa fanafody mba handresena ny vokatry ny fiasana tafahoatra, ny sakafo tsizarizary, ary na dia ny olana ara-pihetseham-po madinika aza. Manampy teny toy izao i Lefèvre: “Aleon’ny olona manandrana mamaha ny olana mahazo azy amin’ny fampiasana fanafody azo vidina amin’izao, toy izay hanatsara ny toe-piainany.” Ary mampiahiahy aza ny hoe mahafantatra marina ilay aretina ireo marary.
Ankoatra ny fampiasana fanafody mba hitsaboana aretina toy ny aretin’andoha, ny fiakaran’ny tosidra, ny aretim-bavony madinika, dia maro no mampiasa fanafody mba hiatrehana ny fanahiana sy ny tahotra ary ny fahatsapana ho manirery. “Mitady ny fanampian’ny dokotera ny olona satria heveriny fa hamaha ny olana ny pilina”, hoy ny Dr. André Feingold. “Na dia ny mpiasa ara-pahasalamana matihanina aza, dia mirona hanome taratasim-panafody ary mampirisika ny hanaovana fitiliana tsy tambo isaina. Tsy misy fiezahana hahalala ny karazam-pitsaboana efa narahin’ilay marary hatramin’izay. Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra anefa, ilay marary dia manana fomba fiaina misafotofoto sy feno fihenjanana ary tsy mahasalama.” Miaiky toy izao i Romildo Bueno, avy ao amin’ny Filan-kevitra Maneran-tany Misahana ny Fisakanana ny Fampiasana Tafahoatra Psychotropes (fanafody izay manova ny fahafahan’ny saina manava-javatra na manova ny fihetsika): “Fotoana voafetra no ahafahana mizaha marary, ka manilika haingana ilay olona ny dokotera, ary tsy mitsabo afa-tsy ny soritr’aretina.” “Fomba ara-pitsaboana [hamahana] ny olana sosialy” ny fampiasana fanafody. Mampitandrina anefa ny dokotera iray hafa, fa misy marary maro tena mila psychotropes. Ka amin’izay, dia tokony hodinihina tsara izay homena azy.
Rehefa avy niresaka momba ny “Lamaodin’ny Fihinanana Prozac” ilay gazety brezilianina mpiseho isan’andro hoe O Estado de S. Paulo, dia milaza toy izao: “Tena hafahafa izany hoe fanafody nanjary lamaody, tsy misy hafa amin’ny taovolo vaovao, izany.” Manonona ny tenin’ilay mpitsabo aretin-tsaina atao hoe Arthur Kaufman, izy ka milaza toy izao: “Ny tsy fahaiza-mijery zavatra sy ny tsy fananana zava-kendrena eo amin’ny fiainana dia miteraka ilay zava-misy hafahafa hoe manjary heverin’ny olona ho famonjena amin’ny aretina rehetra ny fanafody mandaitra iray.” Manampy teny toy izao i Kaufman: “Mihaliana hatrany amin’ny fanafody misy vokany eo no ho eo ny olona. Ary noho izany, satria izy tsy liana intsony amin’ny fitadiavana ireo anton’ny olana mahazo azy, dia aleony mitelina pilina mba hamahana ireo olana ireo.” Tsy misy atahorana ve anefa ny fanaovana dokotera tena?
Mety hampidi-doza ve ny fanaovana dokotera tena?
“Ny famokarana fanafody vaovao maro no iray amin’ireo zavatra nanaitra niavaka teo amin’ny sehatry ny fitsaboana, amin’ny taonjato faha-20”, hoy ny The New Encyclopædia Britannica. Milaza toy izao koa anefa izy io: “Tsy isalasalana fa be kokoa noho ny fahapoizinana avy amin’ny anton-javatra hafa ny fahapoizinana avy amin’ny fanafody.” Marina tokoa fa toy ny ahafahan’ny fanafody manasitrana no ahafahany manimba koa. Ny pilina mampahalain-komana dia “misy vokany eo amin’ny rafi-pitatitra, ka noho izany dia mety hampipoitra soritr’aretina ratsy, toy ny tsy fahitan-tory sy ny fiovan’ny fihetsika ary ny fahitana zavatra tsy misy mihitsy aza, amin’ny toe-javatra sasany”, hoy ny fanazavan’ilay mpanoratra atao hoe Cilene de Castro. Manampy teny toy izao izy: “Mamita-tena anefa ny olona izay mihevitra fa tsy manao afa-tsy ny mampahalain-komana ireny pilina ireny. Ny fihinanana pilina iray dia mety ho fanombohan’ny olana mifampidipiditra amin’ny fihinanam-panafody, ka ny fanafody tsirairay mampandamòka ny asan’ny iray hafa.”
Mety hiteraka famaivain’ny ambavafo ary mety hampisalebolebo sy hampandoa ary hampandeha ra mihitsy aza, ny fanafody maro fampiasan’ny besinimaro. Mety hiteraka fiankinan-doha aminy na fahavoazan’ny voa sy ny aty, ny fanafody sasany.
Mety hampiahiahy, na dia ny fanafody be mpampiasa aza. “Faran’izay mampidi-doza io lamaodin’ny fihinanana vitamina fanampiny io”, hoy ny fampitandreman’ny Dr. Efraim Olszewer, prezidàn’ny fikambanana ara-pitsaboana iray, eto Brezila. “Tsy vitan’ny hoe manao dokotera tena ny mponina fa misy koa dokotera sasany, izay tsy mahay tsara, manome fanafody mampiahiahy ka tsy mba mihevitra ny loza tafiditra amin’izany.” Misy dokotera iray hafa anefa milaza fa mety hilaina na hahasoa eo amin’ny fitsaboana aretina sasany sy ny tsy fahampiana vitamina sasany, ny fihinanana vitamina fanampiny, amin’ny fatra mifanentana amin’izany.
Inona no fomba tsy misy atahorana amantaranao ny aretinao?
Koa satria tsy afaka manatona dokotera isika isaky ny mahatsiaro ho tsy metimety, dia mety hahasoa ny fianakaviantsika ny fanabeazana ara-pahasalamana sy ny fanaovana dokotera tena amim-pahaiza-misaina. Kanefa, alohan’ny hihinanana fanafody na inona na inona, dia iankinan’ny aina ny amantarantsika marina sy amin’ny fomba mandaitra ny aretintsika. Raha tsy misy dokotera eny amin’ny manodidina anao, na tsy manam-bola handehanana any amin’ny dokotera ianao, dia mety hanampy anao ny fijerena boky ara-pitsaboana misy loharanon-kevitra ampy, mba hamantaranao marina ny aretina mahazo anao. Ohatra, mamoaka tari-dalana ara-pitsaboana ho an’ny fianakaviana ny Fikambanana Amerikanina Momba ny Fitsaboana. Misy tabilao mameno 183 pejy sy mirakitra soritr’aretina, ao amin’io tari-dalana ara-pitsaboana io. Ireo tabilao ireo dia mitarika ny marary ho amin’ny fitohitohizam-panontaniana azo valiana hoe eny na tsia. Matetika no azo fantarina ny olana iray amin’ny alalan’io fanilihana tsikelikely izay tsy izy, io.
Ahoana anefa ny amin’ny anjara asan’ny dokotera? Rahoviana isika no tokony hitady fanampian’ny matihanina? Ahoana no azontsika analavirana ny fanahiana tafahoatra momba ny fahasalamantsika na ny fanaovana tsirambina tafahoatra azy io? Eny tokoa, ao amin’ny tontolo ielezan’ny aretina sy ny tsy fahasalamana vokatry ny toe-tsaina, ahoana no hananantsika fahasalamana antonontonona?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tany amin’ny tany maro, dia nitombo be, tato ho ato, ny dokam-barotra “navantana tamin’ny mpividy”, momba ny fanafody tsy azo vidina raha tsy misy taratasim-panafody, na dia nanakiana izany fomba fanao izany aza ny dokotera sy ny fikambanana ara-pitsaboana maro.
[Teny notsongaina, pejy 4]
“Tsy misy fiezahana hahalala ny karazam-pitsaboana narahin’ilay marary hatramin’izay. Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra anefa, ilay marary dia manana fomba fiaina misafotofoto sy feno fihenjanana ary tsy mahasalama.” — Dr. André Feingold
[Efajoro, pejy 4]
Raokandro Azo Karakaraina ao An-trano
Efa hatramin’ny an’arivony taona maro ny olona ao amin’ny kolontsaina maro no nitsabo ny aretiny tamin’ny raokandro, ka nampiasa zavamaniry eny an-tsaha sy any an’ala. Avy amin’ny zavamaniry, toy ny digitale izay ampiasaina hitsaboana ny aretim-po, na dia ny fanafody maoderina maro aza. Araka izany, ao amin’ny bokiny i Penelope Ody, mpikambana ao amin’ny Ivon-toeram-pirenen’ny Mpitsabo Amin’ny Raokandro, any amin’ny Royaume-Uni, dia milaza fa “misy fomba fitsaboana tsy misy atahorana maherin’ny 250 manampy hanamaivanana ny aretina mahazatra — manomboka amin’ny kohaka tsotra, ny sery, ary ny aretin’andoha, ka hatramin’ny fomba manokana fitsaboana ny aretin-koditra sy ny olana ara-pandevonan-kanina, ary ny aretin’ankizy”.
Izao no nosoratany: “Ny fitsaboana amin’ny raokandro dia noheverina hatramin’izay ho ‘fitsaboan-tenan’ny vahoaka’ — fanafody tsotra izay azo ampiasaina ao an-trano hitsaboana tsy fahasalamana madinika, na mba hanampiana ny herin’ny fanafody mahery kokoa omen’ny matihanina hitsaboana aretina mitaiza sy mafy.” Manohy ny teniny toy izao izy: “Tokony hampiasaina amim-pandinihana tsara ireny raokandro ireny, na dia tsy misy atahorana mihitsy aza ny ankamaroany. Aza mihoatra ny fatra voalaza, na manohy mampiasa azy io, raha toa ka tsy misy fihatsarana ny fahasalamana, na miharatsy, na raha mbola tsy fantatra amin’ny fomba azo antoka ilay aretina.” — The Complete Medicinal Herbal.