FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g98 8/7 p. 5-8
  • Ahoana no Hanananao Fahasalamana Tsara?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Hanananao Fahasalamana Tsara?
  • Mifohaza!—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Rahoviana no tokony hitady fitsaboana
  • Inona no azonao atao mba hananana fahasalamana tsara?
  • Ny Soa sy ny Loza Mety Hoentin’ny Fampiasam-panafody Tsy Anatonana Dokotera
    Mifohaza!—1998
  • Ampiasao Amim-pahendrena ny Fanafody
    Mifohaza!—1996
  • Tandremo ny Fanafody
    Mifohaza!—2001
  • Azo Ampiasaina Araka Izay Tiana ve ny Fanafody?
    Mifohaza!—2009
Hijery Hafa
Mifohaza!—1998
g98 8/7 p. 5-8

Ahoana no Hanananao Fahasalamana Tsara?

FOTO-DRESAKY ny besinimaro ny fitsaboan-tena. Toa saika ny namana na ny mpiara-monina rehetra no manana vahaolana tiany manokana ho an’ny toe-javatra tsirairay ilana fitsaboana. Mora takatra àry raha mety ho tena mahery ny fampirisihana hanao dokotera tena. Kanefa, misy olona “tsy manatona dokotera raha tsy efa tandindomin-doza ny ainy”, hoy ny dokotera brezilianina iray. “Mety ho misy fery tsy mety sitrana eo amin’ny hodiny, na dia efa am-bolana maro aza no nanaovany dokotera tena. Rehefa manatona dokotera amin’izay izy ireo, dia hita fa efa voan’ny karazana kansera izay tokony ho notsaboina fony vao niandoha.”

Koa satria ny famantarana ny aretina vao miandoha matetika no mamonjy aina, dia mety hiteraka fahavoazana be ny fangatahana andro. “Tara ny fadimbolan’ny vehivavy iray 30 taona, sady nisy nahararirary azy teo amin’ny kibomaleminy. Nihinana fanafody betsaka mampitony fanaintainana sy firehetana izy, ka dia nihena ny fanaintainana”, hoy ny fitantaran’ny mpandidy iray. “Telo andro tatỳ aoriana anefa, dia reraka mafy noho ny fahaverezan-dra be izy, ka nentina haingana tatỳ amin’ny hôpitaly. Nandidy azy avy hatrany aho ka hita fa, hay, mitoe-jaza an-tsoson-koditra izy. Saika tsy voavonjy ny ainy!”

Nihevitra ny tenany ho tsy ampy ra ny vehivavy iray tany São Paulo, nefa ny voany tsy niasa tsara no aretina nitaiza azy. Koa satria izy nangataka andro fa tsy nitsabo azy io, dia tsy nisy vahaolana azo natao intsony afa-tsy ny famindrana taova. Izao no fanatsoahan-kevitr’ilay dokoterany: “Matetika ny marary no misalasala hitady fitsaboana, ka manao dokotera tena na mitady fomba hafa atoron’olona tsy nianatra momba ny fomba fitsaboana. Ary amin’ny farany, dia olana lehibe ara-pahasalamana no mahazo ilay marary.”

Azo antoka fa tsy irintsika ny hanamaivana ireo fambara alefan’ny vatantsika. Na dia izany aza, ahoana no azontsika analavirana ny fanahiana mihoa-pampana momba ny fitsaboan-tena, na ny fanaovana dokotera tena? Faritana hoe “ny tsy faharariana ara-batana, ara-tsaina, na ara-panahy” ny fahasalamana, na koa hoe “ny fahafahana amin’ny aretina na ny fanaintainana ara-batana”. Mahaliana izao: Ekena ny hoe azo sorohina, amin’ny ampahany kely na be, ny ankamaroan’ny aretina amin’izao andro izao. Araka ny voalazan’ny Dr. Lewis Thomas, dia “tsy hoe nataotao fotsiny velively isika. Mahagaga ny mahita fa, hay, mafy be sy natao hateza ary heniky ny fahasalamana isika”. Noho izany, toy izay ‘ho olona salama kanefa be ahiahy momba ny fahasalamany, ka hila ho fatin’ny fanahiana’, dia tokony hiara-miasa amin’ny vatantsika sy ny fahaizany mahagaga hanasitran-tena isika. Mety hanampy antsika koa ny dokotera na ny mpiasan’ny fahasalamana mahay iray.

Rahoviana no tokony hitady fitsaboana

Ny dokotera brezilianina iray dia manolo-kevitra ny hitadiavana fanampian’ny matihanina, “raha toa ka tsy mihena amin’ny alalan’ny fanafody mahazatra, fa miverina matetitetika, tsy misy antony mazava, ny soritr’aretina toy ny fiakaran’ny hafanana, ny aretin’andoha, ny fandoavana na ny fanaintainana ao amin’ny kibo, ny tratra na ny maoja, na raha toa ka mafy na mahery izaitsizy ny fanaintainana”. Ny dokotera iray hafa dia mampirisika ny hitadiavana fitsaboana isaky ny tsy azontsika antoka izay fomba iatrehana ny soritr’aretina hitantsika amin’ny tenantsika, na isaky ny tsapantsika fa hafahafa tsy toy ny mahazatra ny tenantsika. Hoy koa izy: “Rehefa marary ny zaza, amin’ny ankapobeny, dia aleon’ny ray aman-dreny mitady fanampian’ny matihanina toy izay hanome fanafody an’ilay zaza.”

Tena ilaina foana ve anefa ny fanafody? Hampisy vokany mifanohitra amin’izay kendrena ve ny fampiasana fanafody? Moa ve misy vokany hafa, toy ny famaivain’ny ambavafo, na ny fahavoazan’ny aty na ny voa? Ahoana ny amin’ny fampiarahana fanafody samy hafa? “Vitsy ny marary tsy mba be fihetseham-po eo anoloan’ireo olana mahazo azy, na ampy fahatakarana ireo olana ireo”, hoy ny The New Encyclopædia Britannica. Kanefa, ny dokotera tsy manao tsirambina dia afaka manampy antsika hahita fa mety hanimba avokoa ny fanafody rehetra, ary misy fanafody vitsivitsy, ampiasaina amin’izao andro izao, tsy mba misy vokany hafa. Vakio fotsiny ny taratasy kely misy ny fampitandremana momba ny vokany hafa mety hoentin’izay fanafody hovidinao amin’ny manaraka, rehefa mahazo taratasim-panafody ianao! Mety hanimba na hahafaty, na dia ny fanafody azo vidina tsy ilana taratasim-panafody aza, raha ampiasaina tsy araka ny tokony ho izy, na diso tafahoatra.

Manantitrantitra ny ilana fitandremana ny tatitra iray nataon’i Richard A. Knox, tao amin’ny The Boston Globe: “Mety handeha ra tampoka, ka mety ho fatin’izany, ireo olona an-tapitrisany maro marary vanin-taolana, ka mihinana fanafody mampitony fanaintainana isan’andro, araka ny tatitra nataon’ireo mpikaroka ao amin’ny Oniversiten’i Stanford.” Hoy koa izy: “Ambonin’izany, hoy ny fampitandreman’ireo mpikaroka, ny fampiarahana ny fanafody mampitony fanaintainana amin’ny pilina manala asidra, izay be mpampiasa, dia tsy miaro amin’ny fahazoana aretim-bavony lehibe, ary mety hampitombo ilay loza mihitsy aza.”

Ahoana ny amin’ny fanaovana dokotera tena, izay fanao mahazatra? Hoy ny dokotera iray any Ribeirão Prêto, eto Brezila: “Heveriko fa tena hahasoa ny rehetra ny fananana farmasia kely ao an-tranony (...). Kanefa, tokony hahay hitsara zavatra sy hahay hanavaka tsara rehefa mampiasa ireo fanafody ireo.” (Jereo ny faritra voafefy eo amin’ny pejy faha-7.) Afa-tsy izany koa, dia anisan’ny miteraka toe-piainana tsara kokoa ny fanabeazana fototra ara-pahasalamana. Tsy manoro hevitra ny hampiasana fanafody, fitsaboan-tena, na fanafody voajanahary toy izao na izao ny Mifohaza! satria tsy mitovy ny toe-pahasalaman’ny olona rehetra.

Inona no azonao atao mba hananana fahasalamana tsara?

“Ny dokotera tsara indrindra eto amin’izao tontolo izao, dia ny Dokotera Sakafo sy ny Dokotera Fahatoniana ary ny Dokotera Falifaly”, hoy ny nosoratan’i Jonathan Swift, mpanoratra iray tamin’ny taonjato faha-18. Marina tokoa fa lafiny lehibe hahazoana fahasalamana tsara ny sakafo voalanjalanja sy ny fialan-tsasatra ampy ary ny fahafaham-po. Mifanohitra amin’izany fa tsy afaka mividy fahasalamana isika, amin’ny fihinanam-panafody fotsiny, na dia eo aza ny filazan’ny dokam-barotra feno hakingana. Mety hampahalemy ny rafi-kery fanefitra ny “fampiasana fanafody tsy ilaina akory, na fampiasana fanafody mety hampidi-doza mihitsy aza”. — Dicionário Terapêutico Guanabara.

Kanefa, raha mandray andraikitra isika momba ny fomba fiainantsika, ka manalavitra ny fidorohana zava-mahadomelina, ny fifohana sigara, ny fisotroana tafahoatra ary ny fihenjanana be loatra, dia afaka manatsara be ny fahasalamantsika. Hoy i Marian, izay efa eo amin’ny 60 taona mahery eo, ary misionera hatramin’ny ela eto Brezila: “Azo lazaina hoe salama tsara foana aho noho ny fanaovako zavatra araka ny antonona sy ny fihinanako sakafo mahasalama isan-karazany.” Manazava toy izao koa izy: “Tiako ny mifoha aloha amin’ny ankapobeny, koa tena ilaina àry ny hatoriako aloha.” Tsy tokony hohamaivanina ny fahaiza-manavaka sy ny fananana fahazarana tsara, na koa ny maha zava-dehibe ny fanaovana fitiliana ara-pahasalamana tsy tapaka, sy ny fifampiresahana tsara amin’ny dokoteram-pianakaviana mahay iray.

Na dia maniry hitoetra ho salama aza i Marian, dia mitandrina mba tsy hanao tsirambina ny fahasalamany na hanahy tafahoatra ny amin’izy io. Hoy izy: “Mivavaka koa aho mba hahazoako tari-dalana avy amin’i Jehovah rehefa misy fanapahan-kevitra ilaiko horaisina momba ny fahasalamako, mba izay hahasoa indrindra ahy maharitra no hataoko, fa tsy ny handany fotoana sy vola tafahoatra hanandramana hanatsara ny fahasalamako.” Hoy koa izy: “Koa satria iankinan’ny aina ny ho marisidrisika foana, dia mivavaka aho mba hanampian’Andriamanitra ahy hahalala ny antonona raha ny amin’ny fomba fampiasako ny fotoanako sy ny heriko, mba tsy hikenakena tena tsy amin’ny antony aho, no sady tsy hanao zavatra mihoatra ny fetran’ny mety ho vitako, etsy an-danin’izany.”

Mba hahasambatra marina antsika, dia tsy azontsika odian-tsy hita ny hoavy. Na dia manana tombontsoa manokana aza isika ankehitriny manana fahasalamana antonintoniny, dia mbola eo ihany ny aretina, ny fanaintainana, ny fijaliana ary ny fahafatesana, amin’ny farany. Misy fanantenana ve fa indray andro any dia hanana fahasalamana tonga lafatra isika?

[Efajoro, pejy 6]

Ny Soa Raisinao Amin’ny Fandanjalanjanao ny Fiahianao ny Tenanao

Miankina be dia be amin’izay haninao sy izay sotroinao ny fahasalamanao. Raha manandrana mampandeha fiarakodia amin’ny lasantsy mitapo-drano na misy siramamy ianao, tsy ho ela, dia ho simba ny maoteranao. Toy izany koa fa raha manandrana mivelona amin’ny sakafo tsy manjary sy zava-pisotro tsy manjary ianao, dia hizaka ny vokany amin’ny farany, satria ho simba ny fahasalamanao. Izany dia antsoin’ireo manam-pahaizana manokana momba ny ordinatera hoe GIGO (garbage in, garbage out), izay midika hoe “fanazavana diso no ampidirina, fanazavana diso no mivoaka”.

Manazava toy izao ny Dr. Melanie Mintzer, profesora mpitsabo aretina ankapobe: “Misy karazany telo ny marary: ireo izay manatona dokotera amin’ny zavatra azon’ny tenany tsaboina mora foana ao an-tranony, sy ireo izay mampiasa araka ny mety ny rafitra momba ny fikarakarana ara-pahasalamana, ary ireo izay tsy manatona dokotera na dia tokony hanao izany aza. Matetika no mandanilany foana ny fotoanan’ny dokotera ireo izay ao amin’ilay antokon’olona voalohany, no sady mandanilany foana ny fotoanany sy ny volany manokana. Manao izay hahatandindomin-doza ny ainy ireo izay ao amin’ilay antokon’olona fahatelo, amin’ny fangatahana andro fa tsy mitady fitsaboana mifanentana amin’ny mahazo azy. Irin’ny dokotera raha betsaka kokoa ny olona ao amin’ilay antokon’olona anelanelany.”

“Indreto ny fanalahidy fiton’ny fahasalamana faran’izay mahafa-po: mihinàna sy misotroa zavatra mahasoa, manaova fampiasan-tena tsy tapaka, aza mifoka sigara, mialà sasatra tsara, mahaiza mizaka ny fihenjanana, manàna hatrany fifandraisana akaiky sy feno firaiketam-po amin’ny hafa, ary miarova tena mialoha amin’ny aretina na ny loza.” — Before You Call the Doctor—Safe, Effective Self-Care for Over 300 Medical Problems, nataon’i Anne Simons, dokotera, sy i Bobbie Hasselbring ary i Michael Castleman.

[Efajoro, pejy 7]

Fitoeram-panafody ao An-trano

“Araka ny fanombanana, dia tokony ho 90 isan-jaton’ny soritr’aretina — fanaintainana sy fahamanganana ary fambara hafa milaza tsy metimety na aretina — tsapan’ny olon-dehibe salama no hamaivanina fotsiny, ka tsy nambara na tamin’iza na tamin’iza mihitsy. (...) Matetika ny olona no mampiasa fanafody mahasitrana haingana, toy ny pilina aspirinina 2 ho an’ny aretin’andoha.”

“Ny fitoeram-panafody ao an-trano matetika no ahafahana manao izany. Misoroka ny fandehanana tsy ilaina akory sady andaniam-bola be any amin’ny dokotera, na any amin’ny klinika izy io.” — Complete Home Medical Guide, Ny Fitambaran’ny Dokotera sy ny Mpandidy ao amin’ny Oniversiten’i Columbia.

Io boky io ihany no manoro hevitra ny hananana, ao an-trano ao, fitoeram-panafody izay misy fonofery miraikitra, kompresy madio, vohavohan-dandihazo, famehezana fery, fanafody fanosotra isan-karazany, alkaola 90 degre fanadiovana fery, hety, fitsapana hafanana fanao am-bava, ary zavatra hafa mahasoa.

Raha ny amin’ny fanafody, ilay boky dia manoro hevitra ny hananana pilina mampidina hafanana sy mampitony fanaintainana, fanafody manala asidra, ody kohaka, fanafody fampiasa rehefa misy tsy fahazakan-javatra sy rehefa tsentsina ny orona, fanafody fampivalanana malefaka, fanafody fampitsaharana ny aretim-pivalanana.

[Efajoro, pejy 8]

Teny Fampitandremana

“Na dia azo vidina tsy ilana taratasin’ny dokotera aza ny fanafody sasany, dia tena fanafody izy ireny. Tahaka ny fanafody tsy azo vidina raha tsy misy taratasin’ny dokotera, ny sasany amin’izy ireny dia tsy tokony hampiarahina amin’ny hafa, na amin’ny sakafo sasany na zava-pisotro misy alkaola. Tahaka ny fanafody hafa, ny sasany amin’ireo azo vidina amin’izao, dia mety hiteraka olana tena lehibe na fiankinan-doha aminy. Ary indraindray, ny fanafody azo vidina amin’izao, dia tsy azo atao fotsiny ho solon’ny fandehanana any amin’ny dokotera.

“Na dia izany aza, dia tsy misy atahorana nefa mandaitra ny ankamaroany (...). Manome tsara ny vokatra tadiavina aminy izy ireo.” — Using Medicines Wisely.

[Sary, pejy 7]

Tadidio fa tsy misy izany raokandro na fanafody tena tsy manimba mihitsy izany

1. Fitoeram-panafodin’ny mpivarotra

2. Mpivaro-panafody an-kalamanjana

3. Harona feno raokandro

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara