Ilay Loza: Ny Tsy Fananana Asa
AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY ITALIA
Toe-javatra ilana fikarakarana maika izy io any amin’ny tany mandroso maromaro — kanefa mampitebiteby ireo firenena an-dalam-pandrosoana koa izy io. Namely tany amin’ny toerana izay toa tsy nisy azy teo aloha, izy io. Misy fiantraikany eo amin’ny olona an-jato tapitrisany maro — izay reny sy ray ny maro aminy — izy io. Ho an’ny androatokon’ny Italiana, dia izy io no “zava-mandrahona voalohany indrindra”. Miteraka aretina ara-tsosialy vaovao izy io. Amin’ny ampahany, dia izy io no fototr’ireo olana mahazo ny tanora maro izay manjary voasingotra amin’ny zava-mahadomelina. Manelingelina ny torimason’ny olona an-tapitrisany maro izy io, ary ho an’ny olona an-tapitrisany maro hafa, dia mety ho efa am-poto-moty izy io (...)
“AZO inoana fa ny tsy fananana asa no fisehoan-javatra atahorana miely patrana indrindra amin’izao androntsika izao”, hoy ny hamafisin’ny Organisation de Coopération et de Développement Économiques (OCDE na Fikambanana Misahana ny Fiaraha-miasa sy ny Fampandrosoana Ara-toe-karena). “Fantatra ny halehibe sy ireo vokatr’io fisehoan-javatra io”, hoy ny nosoratan’ny Vaomieran’ny Vondrona Eoropeana, saingy “sarotra ny miatrika azy io.” “Zavatra manelohelo” izy io, izay “miverina mitsidika matetika an’ireo araben’i Eoropa”, hoy ny manam-pahaizana iray. Ao amin’ny Vondrona Eoropeana, dia miisa tokony ho 20 tapitrisa ankehitriny ireo tsy an’asa, ary tamin’ny Oktobra 1994, teto Italia fotsiny dia 2 726 000 ny isa ofisialin’izy ireo. Araka ny fiheveran’i Padraig Flynn, mpikambana ao amin’ny Vaomieran’ny Vondrona Eoropeana, dia “ny famahana ilay olana, dia ny tsy fananana asa, no zava-tsarotra ara-tsosialy sy ara-toe-karena lehibe indrindra atrehintsika”. Raha tsy an’asa ianao na tandindomin’ny famoizana ny asanao, dia fantatrao ilay tahotra aterak’izany.
Tsy olana eto Eoropa fotsiny anefa ny tsy fananana asa. Mampahory ny tany rehetra any Amerika izy io. Tsy mitsimbina an’i Afrika, i Azia, na i Oseania, izy io. Voatery niatrika ilay olana, dia ny tsy fananana asa, ireo firenena any Eoropa Atsinanana tato anatin’ireo taona faramparany. Marina fa tsy mamely hatraiza hatraiza amin’ny fomba mitovy izy io. Araka ny filazan’ny manam-pahaizana momba ny toe-karena sasany anefa, ny tahan’ny tsy fananana asa eto Eoropa sy any Amerika Avaratra dia hitoetra ela ho ambony lavitra noho ny tamin’ireo am-polony taona teo aloha.a Ary ny tarehin-javatra dia “miharatsy, noho ny fitomboan’ny asa tsizarizary sy noho ny fikororosiana ankapobe eo amin’ny hatsaran’ny asa misy”, hoy ny fanazavan’i Renato Brunetta, manam-pahaizana momba ny toe-karena.
Fandrosoana tsy hay tohaina
Nifandimby nasian’ny tsy fananana asa ny seha-pamokarana rehetra amin’ny toe-karena: voalohany ny fambolena, izay itomboan’ny fampiasana milina, ka mahatonga ny olona ho tsy an’asa; avy eo ny indostria, izay niantraikàn’ny krizin’angôvo nanomboka tamin’ireo taona 1970; ary ankehitriny, ny seha-pamokarana ambaratonga fahatelo — varotra sy fampianarana — seha-pamokarana iray izay noheverina ho tsy mety ho voa teo aloha. Roapolo taona lasa izay, ny tahan’ny tsy fananana asa mihoatra ny 2 na 3 isan-jato dia ho niteraka tebiteby lehibe. Amin’izao andro izao, ny firenena be indostria iray dia mihevi-tena ho mahomby raha voatana ho latsaka ny 5 na 6 isan-jato ny tahan’ny tsy fananana asa, ary firenena mandroso maro no manana taha ambony lavitra.
Araka ny Organisation Internationale du Travail (OIT na Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Asa), ny olona iray tsy an’asa dia olona izay tsy manana asa sy voaomana hiasa ary mihetsiketsika mitady asa. Ahoana anefa ny amin’ny olona iray izay tsy manana asa manontolo andro raikitra na izay mahavita miasa ora vitsivitsy monja isan-kerinandro? Samy hafa ny fiheverana ny asa tapa-potoana arakaraka ny tany. Any amin’ny firenena sasany, ny olona sasany, izay, raha ny marina, dia tsy an’asa, dia isaina amin’ny fomba ofisialy ho miasa. Manasarotra ny fahafantarana ny hoe iza marina no tsy an’asa, ny tarehin-javatra tsy voafaritra tsara eo amin’ny hoe fananana asa sy tsy fananana asa, ary noho io antony io dia tsy milazalaza afa-tsy ny ampahany amin’ny zava-misy ireo antontan’isa. “Na dia ilay isa ofisialy hoe olona tsy an’asa 35 tapitrisa [ao amin’ireo tanin’ny OCDE] aza dia tsy mampiseho taratra ny tena halehiben’ny tsy fananana asa”, hoy ny tatitra navoakan’ny fandinihana iray teto Eoropa.
Ny halafon’ny tsy fananana asa
Tsy milaza ny zava-misy rehetra anefa ireo tarehimarika. “Ny vidin’ny tsy fananana asa eo amin’ny lafiny ara-toe-karena sy ara-tsosialy dia goavana”, hoy ny Vaomieran’ny Vondrona Eoropeana, ary izy ireo dia vokatry ny, “tsy ny fandaniana mivantana amin’ny fanampiana ara-bola an’ireo tsy an’asa fotsiny, fa [vokatry] ny fatiantoka eo amin’ny fidiran’ny hetra koa, izay ho nandraisan’ireo tsy an’asa anjara raha toa ka nanana asa izy ireo.” Ary manjary enta-mavesatra bebe kokoa hatrany ny fanampiana ara-bola an’ireo tsy an’asa, tsy ho an’ny fitondram-panjakana ihany, fa ho an’ireo miasa koa, izay iharan’ny hetra mitombo.
Tsy raharaha momba ny antontan’isa sy ny tarehimarika fotsiny akory ny tsy fananana asa. Toe-javatra mampangitakitaka ny isam-batan’olona no vokany, satria mamely ny olona — lehilahy sy vehivavy ary tanora avy amin’ny kilasy ara-tsosialy rehetra — io loza io. Rehefa mitambatra amin’ny olana hafa rehetra amin’izao “andro farany” izao ny tsy fananana asa, dia hita ho enta-mavesatra makadiry izy io. (2 Timoty 3:1-5, NW; Apokalypsy 6:5, 6). Indrindra indrindra raha nasian’ny “tsy fananana asa maharitra” ilay olona izay tsy niasa nandritra ny fotoana ela, ary tsy nisy zavatra hafa ankoatra izany, dia ho hitany ho vao mainka sarotra kokoa ny mahita asa. Mampalahelo fa mety tsy hahazo asa intsony mihitsy ny olona sasany.b
Hitan’ireo psikology fa eo amin’ireo tsy an’asa amin’izao andro izao, dia mihamitombo ireo olana mifandray amin’ny aretin-tsaina sy ireo olana ara-psikolojia, ary koa ny fikorontanan’ny fihetseham-po, ny tsy fahafaham-po, ny tsy firaharahana mitombo, sy ny famoizana ny fananana ny hajan’ny tena. Rehefa olona iray manan-janaka hokarakaraina no mamoy asa, dia loza mihatra amin’ny tena mahatsiravina, ilay izy. Nirodana ny tontolo nanodidina azy. Nanjavona ny tsy fananana ahiahy. Amin’izao andro izao, raha ny marina, ny manam-pahaizana sasany dia manamarika ny fipoiran’ny “tebiteby amin’ny fanampoizan-javatra” mifandray amin’ny mety hamoizana ny asan’ny tena. Mety hisy fiantraikany lehibe eo amin’ny fifandraisan’ny mpianakavy io tebiteby io ary mety hisy vokany mampahonena kokoa mihitsy aza, araka ny mety hotondroin’ny famonoan-tenan’olona tsy an’asa niseho vao haingana. Ankoatra izany, ny maha-sarotra ny fahitana asa voalohany dia anisan’ireo antony azo inoana fa mahatonga herisetra sy fihatakatahan’ny tanora amin’ny fiaraha-monina.
“Gadran’ny rafitra simba iray”
Nanadinadina olona maromaro izay namoy ny asany ny Mifohaza! Nilaza i Armando, 55 taona, fa ho azy izany dia nidika ho “fahitana ireo fiezahany tao anatin’ny 30 taona niasana ho nandiso fanantenana, ka voatery hanomboka indray”, sy fahatsapana ho “tahaka ny gadran’ny rafitra simba iray”. I Francesco dia ‘nahita ny tontolo nirodana teo ambany masony’. I Stefano dia “nahatsapa fahadisoam-panantenana lalina tamin’ny rafi-piainana ankehitriny”.
Etsy an-danin’izany, i Luciano, voaroaka taorian’ny niasana nandritra ny efa ho 30 taona tao amin’ny fitantanan-draharaha ara-teknikan’ny indostrian’aotomobilina italiana lehibe iray, dia “nahatsapa fahatezerana sy fitaka bevava tamin’ny fahitana fa noheverina ho tsinontsinona ireo fiezahany sy ny fanaovany ny marina ary ny maha-mendri-pitokiana azy nandritra ny taona maro be niasana”.
Filazana mialoha sy fahadisoam-panantenana
Nanampo fisehoan-javatra hafa dia hafa ny manam-pahaizana momba ny toe-karena sasany. Tamin’ny 1930, i John Maynard Keynes, manam-pahaizana momba ny toe-karena, dia nilaza mialoha tamim-panantenana be fa hisy “asa ho an’ny rehetra” ao anatin’ireo 50 taona manaraka, ary nandritra ny am-polony taona maro, dia noheverina ho zava-kendrena azo tratrarina ny fananan’ny rehetra asa. Tamin’ny 1945, ny Satan’ny Firenena Mikambana dia nametra ho tanjona ny fanatanterahana haingana ny fananan’ny rehetra asa. Hatramin’ny vao haingana kely, dia ninoana fa hidika ho asa sy ora kely kokoa hiasana ho an’ny rehetra, ny fandrosoana. Tsy izany anefa no niafarany. Ny fitotonganan’ny toe-karena izaitsizy tamin’ireo folo taona lasa dia niteraka ny “krizy ratsy indrindra maneran-tany teo amin’ny asa, nanomboka tamin’ilay Fitambotsorana Ara-toe-karena Lehibe tamin’ireo taona 30”, hoy ny OIT. Any Afrika Atsimo, dia olona 3,6 tapitrisa fara fahakeliny no tsy an’asa, anisan’izany ireo Afrikanina mainty hoditra 3 tapitrisa eo ho eo. Na dia i Japon aza — nisy maherin’ny roa tapitrisa no tsy an’asa tamin’ny taon-dasa — dia mandalo krizy.
Nahoana no loza miely patrana toy izany ny tsy fananana asa? Vahaolana inona avy no natolotra mba hiatrehana azy io?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny tahan’ny tsy fananana asa dia ny ampahany isan-jato tsy an’asa ao amin’ny fitambaran’ny olona afa-miasa.
b Ireo “tsy an’asa maharitra” dia ireo izay tsy niasa nandritra ny 12 volana mahery. Ao amin’ny Vondrona Eoropeana dia tokony ho ny antsasak’ireo tsy an’asa no tafiditra ao anatin’io sokajy io.
[Sarintany, pejy 2, 3]
(Jereo ny gazety)
Kanada — 9,6 isan-jato
Etazonia — 5,7 isan-jato
Kolombia — 9 isan-jato
Irlandy — 15,9 isan-jato
Espaina — 23,9 isan-jato
Failandy — 18,9 isan-jato
Albania — 32,5 isan-jato
Afrika Atsimo — 43 isan-jato
Japon — 3,2 isan-jato
Philippines — 9,8 isan-jato
Aostralia — 8,9 isan-jato
[Sary nahazoan-dalana]
Mountain High Maps™ copyright © 1993 Digital Wisdom, Inc.