FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g96 8/3 p. 6-8
  • Tsy Fananana Asa — Nahoana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tsy Fananana Asa — Nahoana?
  • Mifohaza!—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ireo anton’ilay olana
  • Loza ara-tsosialy
  • Misy vahaolana ve manangasanga?
  • Ilay Loza: Ny Tsy Fananana Asa
    Mifohaza!—1996
  • Fanesorana mpiasa — Ilay nofy ratsy
    Mifohaza!—1992
  • Fahafahana Amin’ny Tsy Fananana Asa — Amin’ny Fomba Ahoana ary Rahoviana?
    Mifohaza!—1996
  • Tsy Handao Anao Mihitsy i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Hijery Hafa
Mifohaza!—1996
g96 8/3 p. 6-8

Tsy Fananana Asa — Nahoana?

ANY amin’ny tany maromaro, dia olona maro no voatery mamelon-tena amin’ny asa ara-batana mafy mandritra ny ora maro dia maro amin’ny hafainganam-piasana mahatorovana, angamba amin’ny fanaovana asa mampidi-doza mihitsy aza mba hahazoana karama kely. Hatramin’ny vao haingana izao, dia olona maro any an-tany hafa no natoky fa rehefa raisin’ny kompania lehibe iray na ny sampan-draharaha iray tantanan’ny fanjakana, hiasa ao aminy izy ireo, dia hanana asa azo antoka mandra-pahatongan’ny fisotroan-dronono. Amin’izao andro izao anefa, dia toa tsy misy intsony orinasa na fikambanana izay afaka manolotra asa sy tsy fananana ahiahy faniry, na amin’ny ambaratonga inona na amin’ny ambaratonga inona. Nahoana?

Ireo anton’ilay olana

Tanora an’arivony maro no tsy afaka mahita na dia ny asany voalohany aza — na manana diplaoman’ny sekoly ambony izy ireo na tsia. Eto Italia, ohatra, dia maherin’ny ampahatelon’ireo tsy an’asa no olona eo anelanelan’ny 15 sy 24 taona. Mitombo ny salan-taonan’ireo izay efa miasa sady miezaka hihazona ny asany ka, noho izany, dia sarotra kokoa ho an’ny tanora ny miditra ao amin’ny tsenan’ny asa. Na dia eo amin’ireo vehivavy aza — izay mihamaro hatrany eo amin’ny tsenan’ny asa — dia ambony ny tahan’ny tsy fananana asa. Noho izany, dia mpiasa vaovao maro sesehena amin’ny fomba maningana no miady mafy ankehitriny mba ho voaray.

Nanomboka tamin’ny fotoan’ireo milina voalohany tao amin’ny indostria, dia nampihena ny filana mpiasa ny fampidirana zava-baovao ara-teknika. Teo anatrehan’ny fotoam-piasana nandreraka sady lava be, dia nantenain’ireo mpiasa fa hampihena ny asa na hanafoana azy io mihitsy aza ireo milina. Nampitombo ny famokarana sady nanafoana loza maro ny fampiasana milina mandeha ho azy, kanefa nampihena ny asa koa izy io. Ireo izay nanjary tsy nilaina dia mety ho tratran’ny tsy fananana asa maharitra raha tsy hoe mianatra fahaizana vaovao angaha izy ireo.

Isika dia mety ho tototry ny fitobaham-bokatra ara-barotra mihoa-pampana. Mihevitra ny sasany fa efa nahatratra sahady ireo fetran’ny fitomboana isika. Fanampin’izany, satria vitsy kokoa no miasa, dia vitsy kokoa ny mpividy. Noho izany, ny tsena dia mamokatra mihoatra noho izay azo lanina. Noho izy ireo tsy azo ampiasaina intsony eo amin’ny lafiny ara-toe-karena, dia misy orinasa goavana, naorina mba hisahanana fitomboana nampoizina eo amin’ny famokarana, akatona na ovana. Mijinja olona iharam-pahavoazana — ireo izay manjary tsy an’asa — ny fironana tahaka izany. Ao anatin’ny fitotonganan’ny toe-karena, dia mihena ny fitadiavana mpiasa, ary ireo asa nafoy nandritra ilay fitotonganan’ny toe-karena dia zara raha miforona indray mandritra ny fotoam-piroboroboana. Miharihary fa misy antony mihoatra ny iray mahatonga ny tsy fananana asa.

Loza ara-tsosialy

Koa satria mety hamely na iza na iza ny tsy fananana asa, dia loza ara-tsosialy izy io. Manome teknika samihafa ny tany sasany mba hiarovana an’ireo izay mbola miasa — ohatra, ahena ny ora iasana isan-kerinandro sady ahena ny karama. Mety hanimba ny fanantenan’ireo hafa mitady asa anefa izany.

Samy milaza mihamatetika kokoa ny fanoherany momba ireo olana mifandray amin’ny asa, ireo miasa sy ireo tsy an’asa. Raha mbola mitaky asa vaovao anefa ireo tsy an’asa, ireo manana asa kosa dia miezaka hiaro ny tsy fananany ahiahy manokana — zava-kendrena roa izay tsy mifanaraka foana. “Ireo izay manana asa dia matetika no asaina hiasa ora maromaro fanampiny. Ireo izay any ivelany dia mijanona any ivelany. Mety hitranga ny hoe mety hizara roa ny fitambaran’olona (...) etsy an-daniny, ireo ampiasaina tafahoatra, ary etsy an-kilany, ireo tsy an’asa ailika, izay saika miankina tanteraka amin’ny hatsaram-panahin’ny hafa”, hoy ny gazety italiana Panorama. Eto Eoropa, hoy ireo manam-pahaizana, dia ireo efa miasa indrindra indrindra, fa tsy ireo tsy manana asa, no nioty ny vokatry ny fitomboana ara-toe-karena.

Ankoatra izany, ny tsy fananana asa dia mifandray amin’ny toetoetry ny toe-karena eo an-toerana, hany ka any amin’ny firenena sasany, toa an’i Alemaina sy i Italia ary i Espaina, dia misy fahasamihafana goavana eo amin’ireo zavatra ilain’ny faritra iray sy ireo an’ny faritra hafa. Moa ve ireo mpiasa vonona hianatra fahaizana vaovao na hifindra ho any amin’ny faritra hafa na ho any an-tany hafa mihitsy aza? Mety ho anton-javatra mahatapa-javatra izany matetika.

Misy vahaolana ve manangasanga?

Amin’ny ankabeazany, dia apetraka amin’ny fihatsarana ara-toe-karena ny fanantenana. Be fisalasalana anefa ny olona sasany ka mieritreritra fa tsy hitranga mandra-pahatongan’ny taona 2000 any ho any izany fihatsarana izany. Araka ny fiheveran’ny hafa, dia efa nanomboka ny fiarenana, saingy miadana ny vokatra aterany, araka ny porofoin’ny fihenan’ny asa vao haingana teto Italia. Tsy voatery hidika ho fihenan’ny tsy fananana asa ny fiarenan’ny toe-karena. Raha mbola antonintoniny ny fitomboana, dia aleon’ireo orinasa mampiasa tsara kokoa ireo mpiasa efa ananany toy izay mampiditra olon-kafa — izany hoe misy “fitomboana nefa tsy misy asa”. Ankoatra izany, ny isan’ireo tsy an’asa matetika dia mitombo haingana kokoa noho ny isan’ny asa vaovao miforona.

Amin’izao andro izao dia atao izay azo ampiharana maneran-tany ireo toe-karem-pirenena. Mieritreritra ny manam-pahaizana momba ny toe-karena sasany fa mety hanome aina vaovao ho an’ny toe-karena maneran-tany koa ny famoronana tsenam-barotra iraisam-pirenena vaovao sady goavana, toy ireo ao amin’ny North American Free Trade Agreement (NAFTA na Fifanarahana Ara-barotra Malalaka any Amerika Avaratra) sy ny Asia-Pacific Economic Cooperation (APEC na Fiaraha-miasa Ara-toe-karena any Azia sy Pasifika). Kanefa, mitaona an’ireo fikambanana lehibe hiorina any amin’ny toerana izay maha-mora kokoa ny karaman’ny mpiasa io fironana io, ka ny vokatr’izany dia mamoy asa ireo firenena be indostria. Mandritra izany fotoana izany, ireo mpiasa izay tsy tena be karama dia mahita ny karamany efa manify mihamihena. Tsy hoe fifanandrifian-javatra raha olona maro no naneho ny fanoherany, tamin-kerisetra mihitsy aza, an’ireny fifanarahana ara-barotra ireny, tany amin’ny tany maro.

Manolotra fomba maro hiadiana amin’ny tsy fananana asa ireo manam-pahaizana. Mifanohitra mihitsy aza ny sasany, miankina amin’ny hoe atolotr’ireo manam-pahaizana momba ny toe-karena, ireo mpanao politika, na ireo mpiasa ihany, izy ireny. Ao ireo manipy hevitra ny amin’ny fanolorana fandrisihana an’ireo kompania mba hampitomboana ny mpiasa, amin’ny alalan’ny fampihenana ny enta-mavesatry ny hetra. Manoro hevitra ny sasany mba hisalovana betsaka ny fanjakana. Manolo-kevitra ny amin’ny fizarana ny asa amin’ny fomba hafa sy ny fampihenana ny ora iasana ny hafa. Efa natao izany tany amin’ny kompania lehibe sasany, na dia nandritra ny taonjato lasa teo aza, ka nahena tamin’ny fomba maty paika ny ora niasana isan-kerinandro tany amin’ireo firenena be indostria rehetra, kanefa tsy nisy fihenana teo amin’ny tsy fananana asa. “Any aoriana any”, hoy ny fanantitranteran’i Renato Brunetta, manam-pahaizana momba ny toe-karena, “dia ho hita ho tsy mandaitra ny paik’ady rehetra, satria mihoatra ny tombony ny vidiny.”

“Tsy tokony hamita-tena isika”, hoy ny fanatsoahan-kevitry ny gazety L’Espresso, “satria sarotra ilay olana.” Sarotra loatra ve ka tsy azo vahana? Misy vahaolana ve ho an’ilay olana, dia ny tsy fananana asa?

[Efajoro, pejy 8]

Olana Fahiny

Olana tranainy ny tsy fananana asa. Nandritra ny taonjato maro, dia nisy olona nahita ny tenany ho tsy an’asa tsy fidiny indraindray. Rehefa vita ilay asa, dia mpiasa an’aliny maro nampiasaina tao amin’ny tetik’asa fanorenana lehibe no nanjary tsy an’asa tamin’izay — fara fahakeliny, mandra-pandray azy ireo tany an-toeran-kafa. Mandra-pahatongan’izany, dia nanana fiainana somary tsy azo antoka izy ireo, raha izay fotsiny no lazaina.

Nandritra ny Moyen Âge, “na dia mbola tsy nisy aza ilay olana, dia ny tsy fananana asa, amin’ny heviny maoderina”, dia efa nisy ireo tsy an’asa. (La disoccupazione nella storia [Ny Tsy Fananana Asa teo Amin’ny Tantara]). Tamin’izany andro izany anefa, na iza na iza tsy niasa dia noheverina indrindra indrindra ho olona tsy nisy nilana azy na mpirenireny. Tatỳ aoriana be, tamin’ny taonjato faha-19, dia mpandinika britanika maro no “nampifandray an’ireo tsy an’asa tamin’ireo olona ‘tsy nahalala fomba’ sy mpanjenjena indrindra indrindra, izay natory teny an-kalamanjana na nandehandeha teny amin’ny arabe tamin’ny alina”, hoy ny fanazavan’ny Profesora John Burnett. — Idle Hands.

Ny “fahatakarana voalohany ny atao hoe tsy fananana asa” dia nitranga tany akaikin’ny faran’ny taonjato faha-19 na tany am-piandohan’ny taonjato faha-20. Nisy vaomiera manokan’ny fitondram-panjakana naorina mba handinika sy hamaha ilay olana, toy ny Select Committee of the British House of Commons (Komity Voafantin’ny Antenimiera Britanika), momba ny hoe “Fahoriana avy Amin’ny Tsy Fahampian’ny Asa”, tamin’ny 1895. Nanjary loza ara-tsosialy ny tsy fananana asa.

Nitombo tamin’ny fomba nampivarahontsana io fahatakaran-javatra vaovao io, indrindra fa taorian’ny ady lehibe voalohany. Io ady io, niaraka tamin’ny famokarany fitaovam-piadiana tamim-pirehidrehetana fatratra, dia saika nanafoana ny tsy fananana asa. Teo am-piandohan’ireo taona 1920 anefa, ny tontolo tandrefana dia niatrika fitohitohizana fitotonganan’ny toe-karena nahatratra ny fara heriny tamin’ny Fitambotsorana Ara-toe-karena Lehibe, izay nanomboka tamin’ny 1929 ka namely ireo toe-karena rehetra be indostria teo amin’izao tontolo izao. Taorian’ny ady lehibe faharoa, dia tany maro no nahita firoboroboana ara-toe-karena vaovao, ka nihena ny tsy fananana asa. Kanefa, “azo faritana ho teo antenatenan’ireo taona 1960 ny fiandohan’ny olana ny amin’ny tsy fananana asa amin’izao andro izao”, hoy ny Fikambanana Misahana ny Fiaraha-miasa sy ny Fampandrosoana Ara-toe-karena. Ny tsenan’ny asa dia niharan’ny famelezana hafa nateraky ny krizin’ny solika tamin’ireo taona 1970 sy ny firongatry ny fampiasana ordinatera, nomban’ny fanesorana mpiasa ho vokatr’izany. Nanomboka niakatra tsy an-kiato ny tsy fananana asa, ka tafiditra hatrany amin’ireo mpiasa birao sy ireo seha-pamokarana momba ny fitantanan-draharaha mihitsy aza izay noheverina ho azo antoka teo aloha.

[Sary, pejy 7]

Tsy hamaha ilay olana ny amin’ny tsy fananana asa ny fitakiana asa maro kokoa

[Sary nahazoan-dalana]

Reuters/Bettmann

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara