Pejy Faharoa
Famonoana An-tapitrisany Maro mba Hahazoana An-tapitrisany Maro 3-13
I Vincent van Gogh, mpanao hosodoko holandey sy mpifoka pipa raindahiny, no namoaka io asa tanana io, izay mitondra ny lohateny hoe “Karandoha Miaraka Amin’ny Sigara”. Asehon’itỳ fitohitohizan-dahatsoratra itỳ ireo ain’olona jinjain’ny sigara amin’izao andro izao, indrindra fa any amin’ireo firenena an-dalam-pandrosoana, ary ny famoizana aina eo amin’ny vehivavy sy ny zatovo.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]
Fonony sy pejy faha-2 farany ambony: Skull With Cigarette: Collectie Vincent van Goghstichting; Van Goghmuseum, Amsterdam
Efa mba Nanontany Tena ve Ianao Hoe? 20
Eo am-piatrehana fivavahana sy antokom-pivavahana ary antokom-pinoana madinika an-jatony maro, ahoana no ahafahanao mahita ilay fivavahana manana ny fankasitrahan’Andriamanitra? Hanampy anao itỳ fomba fanilihana izay tsy izy itỳ.
Ilay Fianakaviana Tia Ahy Marina Tokoa 22
Indroa aho no noroahina niala tsy ho ao aminay, kanefa noraisin’ny fianakaviana — ray aman-dreny, rahalahy, anabavy, zanaka — ara-panahy iray aho.