FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g95 8/7 p. 32
  • Andro Iray Nanova ny Fiainany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Andro Iray Nanova ny Fiainany
  • Mifohaza!—1995
Mifohaza!—1995
g95 8/7 p. 32

Andro Iray Nanova ny Fiainany

NILAZA ny vehivavy tanora iray avy any Arizona, any Etazonia, fa mpiangona izy taloha, saingy nanjary diso fanantenana tamin’ny fivavahana. Nilaza tamin’Andriamanitra tao amin’ny vavaka toy izao izy tamin’ny farany: “Tsy hankany amim-piangonana hafa na inona na inona aho. Hitondra ny fiainako amin’ny fomba tsara indrindra fantatro aho, ary hiezaka ny ho olona tsara.”

Nanazava izay nitranga tatỳ aoriana ilay ramatoa: “Niantso an-telefaonina ny rahavavin-dreniko ka nilaza fa ho atỳ izy mba hanatrika andro fivoriambe manokana alamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanontany izy raha ho afaka handany ny alina tao an-tranoko izy sy ireo zanany. Ary nanontany izy hoe: ‘Ho tianao ve ny hiaraka aminay?’ Tadidiko ny valin-teniko hoe: ‘Nahoana moa? Tsy manan-javatra tsara kokoa hatao aho.’ Efa ho faty ny fahalianako tamin’ny fivavahana.

“Nilazana foana aho mba ho malina raha ny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Koa nandritra ilay fivoriambe, dia tadidiko fa tena nandinika aho. Na dia izany aza, dia tsy nisy zava-miafina mikasika izay nolazaina momba ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany hampisy tany iray zary paradisa sy ny hoe tsy niova ny fikasan’Andriamanitra. Nipetraka teo aho nanana izany fihetseham-po nafana izany raha mbola nandinika ireo fianakaviana niara-nipetraka sy naneho toe-tsain’ny firaisan-kina aoka izany. Nanondrika ny lohako aho ka nanontany mangina an’Andriamanitra hoe: ‘Itỳ ve no fahamarinana? Itỳ ve izay notadiaviko?’

“Rehefa niainga tamin’io andro io aho, dia nahatazana olona nifamihina sy nifanoroka nifanao veloma tamin’ny endrika feno tsiky. Hitako teo amin’ny endrik’izy ireo fa tsy nisy fisalasalana tao an-tsainy na tao am-pony momba ny zavatra inoany sy momba ny hoe iza moa i Jehovah ary inona no nataony ho azy ireo. Hatramin’io andro io, dia nanomboka tonga tany amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah aho ary tsy nitsahatra hatramin’izay. Ny andro fivoriambe manokana nanaraka, tamin’ny 1988, dia nampiseho ampahibemaso ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah tamin’ny alalan’ny batisa tao anaty rano aho ary tonga anisan’io fianakaviana mahafinaritra io.”

Raha tianao ny hahafantatra bebe kokoa momba ny zavatra inoana sy ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia mifandraisa amin’izy ireo any amin’ny Efitrano Fanjakanany eo an-toerana, aza fady, na manorata amin’ny adiresy akaiky indrindra anao voatanisa eo amin’ny pejy faha-5.

[Sary, pejy 32]

Misy fihetseham-po mafanan’ny mpianakavy mameno ireo fivoriana lehiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, araka ny hita eto tany Rosia

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara