FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g95 8/10 p. 3-7
  • Aina An-tapitrisany Maro Manjavona Amin’ny Setroka

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aina An-tapitrisany Maro Manjavona Amin’ny Setroka
  • Mifohaza!—1995
  • Mitovitovy Aminy
  • Sigara — Lavinao ve Izy Io?
    Mifohaza!—1996
  • Mpivarotra fahafatesana — Mpividy ve ianao?
    Mifohaza!—1990
  • Mandefa ny Balaoniny Feno Hevitra Rivotra Ireo Mpiaro ny Sigara
    Mifohaza!—1995
  • Sigara sy fitsipi-pitondrantena
    Mifohaza!—1991
Hijery Hafa
Mifohaza!—1995
g95 8/10 p. 3-7

Aina An-tapitrisany Maro Manjavona Amin’ny Setroka

IZY io no iray amin’ireo entam-barotra be mpividy indrindra eo amin’izao tontolo izao. Manana mpividy maro be tsy mivadika aminy izy io sady mitana tsena mihamiitatra haingana. Mirehareha ny amin’ireo tombom-barotra goavana azony sy ny heriny ara-politika ary ny lazany, ireo kompaniany ravoravo. Ny hany olana fotsiny dia mihalany ritra ireo mpividy azy mahafatra-po!

Hoy ny fanamarihan’ny The Economist: “Ny sigara no anisan’ny entam-barotra ahazoan-tombony be indrindra eo amin’izao tontolo izao. Izy io koa no hany (entam-barotra ara-dalàna) manova ny ankamaroan’ny mpampiasa azy ho andevony ary matetika dia mamono azy ireny, rehefa ampiasaina araka ny nikendrena azy.” Izany dia midika ho tombom-barotra goavana ho an’ireo kompanian-tsigara, saingy fatiantoka goavana kosa ho an’ireo mpividy ao aminy. Araka ny U.S. Centers for Disease Control and Prevention (Foibe Amerikana Momba ny Fanaraha-maso sy ny Fisorohana ny Aretina), dia mihena dimy tapitrisa taona eo ho eo amin’ny fitambarany ny androm-piainan’ireo mpifoka amerikana isan-taona, sahabo ho iray minitra amin’ny androm-piainany isaky ny minitra tsirairay lany ifohana sigara. “Mamono Amerikana 420 000 isan-taona ny fifohana sigara”, hoy ny tatitra ataon’ny gazetiboky Newsweek. “Izany dia avo 50 heny noho ny matin’ny zava-mahadomelina tsy ara-dalàna.”

Maneran-tany, dia olona telo tapitrisa isan-taona — olona enina isa-minitra — no maty noho ny fifohana sigara, araka ny voalazan’ny boky Mortality From Smoking in Developed Countries 1950-2000, navoakan’ny Imperial Cancer Research Fund (Tahirim-bolam-panjakana ho An’ny Fikarohana Momba ny Kansera) any Grande-Bretagne sy ny OMS (Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana) ary ny American Cancer Society (Fikambanana Amerikana Momba ny Kansera). Io famakafakana ny fironana maneran-tany ho amin’ny fifohana sigara io, izay famakafakana feno indrindra hatramin’izao, dia mahafaoka tany 45. “Any amin’ny ankamaroan’ireo tany”, hoy ny fampitandreman’i Richard Peto ao amin’ny Imperial Cancer Research Fund, “dia mbola hiharatsy kokoa ny tarehin-javatra. Raha mitohy izao fironana ankehitriny ho amin’ny fifohana sigara izao, dia hisy olona tokony ho 10 tapitrisa no ho faty noho ny sigara — olona iray isaky ny telo segondra — rehefa hanjary ho lazondazony na antitra ireo mpifoka tanora amin’izao andro izao.”

“Ny fifohana sigara dia tsy tahaka ny loza hafa”, hoy ny Dr. Alan Lopez ao amin’ny OMS. “Hamono mpifoka iray amin’ny roa izy io amin’ny farany.” Nilaza toy izany koa i Martin Vessey ao amin’ny Department of Public Health (Sampan-draharahan’ny Fahasalamam-bahoaka) ao amin’ny Oniversiten’i Oxford: “Ireo vokatry ny famotopotorana nandritra ny 40 taona ireo dia mitarika ho amin’ny fanatsoahan-kevitra mahatsiravina hoe ho fatin’ny fahazarany amin’ny farany ny antsasaky ny mpifoka rehetra — zavatra mahatahotra marina tokoa rehefa eritreretina.” Nanomboka tamin’ireo taona 1950, dia olona 60 tapitrisa no maty noho ny fifohana sigara.

Izany koa dia zavatra mahatahotra marina tokoa rehefa eritreretina, araka ny fahitan’ireo kompanian-tsigara azy. Raha olona telo tapitrisa isan-taona maneran-tany no maty ankehitriny noho ny antony mifandray amin’ny fifohana sigara ary olona maro hafa no miala amin’ny sigara, dia tsy maintsy atao izay ahitana mpifoka vaovao mihoatra ny telo tapitrisa isan-taona.

Ny loharano iray dia nipoitra avy tamin’izay antsointsoin’ireo kompanian-tsigara hoe fanafahana ny vehivavy. Zava-misy tsy azo lavina hatramin’ny taona maromaro any amin’ireo tany tandrefana ny fifohan’ny vehivavy sigara ary ankehitriny izy io dia mihamitsofoka any amin’ireo toerana izay niheverana azy io taloha ho zava-nahamenatra. Mikendry ny hanova izany rehetra izany ireo kompanian-tsigara. Iriny ny hanampy an’ireo vehivavy hankalaza ny fahatondrahan-tsigara sy ny fahafahana hitany vao haingana. Ireo marika sigara manokana izay milaza fa kely kokoa ny tara (goudron) sy ny nicotine ao anatiny dia manodoka an’ireo vehivavy izay mifoka sy izay mahita ny setrok’izy ireny ho tsy dia mahery. Atao manimanitra ny sigara hafa na atao lava manifinify — ilay bika mety hantenain’ny vehivavy fa ho tratrany amin’ny alalan’ny fifohana sigara. Mampiseho mannequins aziatika tanora mianjaika, mitafy amin’ny fomba manintona araka ny fahaiza-mihaingo tandrefana, ireo dokam-barotra momba ny sigara any Azia.

Miara-mandroso amin’ny “fanafahana” ny vehivavy anefa ny taham-pahafatesana mifandray amin’ny fifohana sigara. Nitombo avo roa heny ny isan’ny matin’ny kanseran’ny havokavoka teo amin’ny vehivavy nandritra ireo 20 taona lasa tany Grande-Bretagne, Japon, Norvezy, Polonina, sy Soeda. Tany Etazonia sy Kanada, dia nitombo 300 isan-jato ny taham-pahafatesana. “Efa tafita ianao izao, ry Kala a!” hoy ny filazan’ny dokam-barotra iray momba ny sigara.

Manana tetika maty paika azy manokana ny orinasan-tsigara sasany. Nizara maimaim-poana kalandrie misy sarin’i Maria Virjiny sy ny teny faneva mampiavaka ny sigarany, napetraka tamim-pahasahisahian-dratsy teo ambanin’ilay sary, ny kompania iray any Philippines, tany iray be Katolika. “Mbola tsy nahita zavatra tahaka izany mihitsy aho teo aloha”, hoy ny Dr. Rosmarie Erben, mpanolo-tsaina aziatika momba ny fahasalamana ho an’ny OMS. “Nitady hampifandray ilay sary masina tamin’ny sigara izy ireo, mba hampilamin-tsaina ny vehivavy any Philippines amin’ilay hevitra hoe mifoka sigara.”

Any Sina, dia tombanana ho ny 61 isan-jaton’ny lehilahy lehibe no mifoka sigara, raha 7 isan-jato monja amin’ny vehivavy no manao izany. Ireo kompanian-tsigara tandrefana dia mifantoka amin’ilay hoe “fanafahana” ireo vehivavy tatsinanana mahafatifaty ireo, izay an-tapitrisany maro aminy no tsy navela efa hatramin’ny ela be aoka izany, hahazo ireo “fahafinaretana” hitan’ireo rahavaviny tandrefana manintona. Intỳ anefa misy zavatra lehibe iray manelingelina: Ny kompanian-tsigara an’ny fitondram-panjakana no mamatsy ny ankamaroan’ireo sigara.

Manomboka manokatra miandalana ilay varavarana anefa ireo kompania tandrefana. Koa satria voafetra ny fahafahany manao dokam-barotra, dia misy kompanian-tsigara sasany mitady hanomana amin’ny fomba an-kolaka ireo mpividy ao aminy amin’ny hoavy. Manafatra sarimihetsika avy any Hong-Kong i Sina, ary ao amin’ny maro amin’izy ireny, dia karamaina hifoka ireo mpilalao — varotra fanambatambazana re izany!

Koa satria mihamitombo ny fanoherana ao amin’ny taniny, dia manakisaka ny fangiazany ireo kompanian-tsigara amerikana miroborobo mba hahazoana olona asiana vaovao. Asehon’ny zava-misy fa natefany tamin’ireo firenena an-dalam-pandrosoana ny fikendreny mahafaty.

Mampaneno ny fanairana ireo manam-pahefana ao amin’ny fahasalamana maneran-tany. Hoy ny ambaran’ireo matoam-baovao: “I Afrika dia Miady Amin’ny Areti-mifindra Vaovao Iray — Ny Fifohana Sigara”. “Mivadika ho Afo Mandoro ny Fifohana Sigara any Azia Arakaraka ny Androsoan’ny Tsenan’ny Sigara”. “Hitarika ho Amin’ny Fihanahan’ny Kansera ny Tahan’ny Fifohana Sigara any Azia”. “Ny Zavatra Vaovao Iadian’ny Tany Madinika dia ny Sigara”.

Nasian’ny hain-tany sy ny ady an-trano ary ny valanaretina SIDA imbetsaka ny kontinentan’i Afrika. Kanefa, hoy ny Dr. Keith Ball, kardiology britanika: “Ankoatra ny ady niokleary na ny mosary, dia ny fifohana sigara no hany fandrahonana lehibe indrindra ho an’ny fahasalaman’i Afrika amin’ny hoavy.”

Manakarama mpamboly eo an-toerana hamboly paraky ireo ngezalahy iraisam-pirenena. Tapahin’ireo mpamboly ireo hazo ilaina indrindra amin’ny fandrahoan-tsakafo sy ny fahazoana hafanana ary ny fanaovan-trano, ka ampiasainy ho fitaina mba hikarakarana paraky. Manao voly paraky ahazoan-tombony be izy ireo, fa tsy voly atao sakafo ahazoan-tombony kely kokoa. Mazàna ny Afrikana nampahantraina dia mandany ny ankabetsahan’ny fidiram-bolany kely amin’ny sigara. Koa mipozipozy noho ny tsy fahampian-tsakafo ny fianakaviana afrikana, raha mbola mihamanankarena avy amin’ny tombom-barotra azony ireo kompanian-tsigara tandrefana.

Samy lasibatry ny kompanian-tsigara tandrefana, izay mihevitra ny tany an-dalam-pandrosoana ho fahafahana goavana hanaovana fandraharahana, i Afrika sy i Amerika Latina ary i Eoropa Atsinanana. Kanefa i Azia be mponina no loharanon-karena lehibe indrindra amin’izy rehetra. I Sina fotsiny ankehitriny dia manana mpifoka sigara maro kokoa noho ny mponin’i Etazonia manontolo — 300 tapitrisa. Mahazendana fa mifoka sigara 1,6 tapitrisa tapitrisa isan-taona izy ireo, ny ampahatelon’ny fitambaran’ny sigara fohina eo amin’izao tontolo izao!

“Milaza ireo dokotera fa tena mahatahotra tokoa ny vokatry ny fandrosoana haingan’ny varotra sigara eo amin’ny fahasalamana any Azia”, hoy ny tatitra ataon’ny The New York Times. Tombanan’i Richard Peto fa amin’ireo folo tapitrisa ampoizina ho faty noho ny fifohana sigara isan-taona, mandritra ny roapolo na telopolo taona manaraka, dia ho ny an’i Sina fotsiny ny roa tapitrisa. Ankizy sinoa dimampolo tapitrisa velona amin’izao andro izao no mety ho faty noho ny aretina mifandray amin’ny fifohana sigara, hoy i Peto.

Namintina izany toy izao ny Dr. Nigel Gray: “Ny tantaran’ny fifohana sigara nandritra ireo dimampolo taona lasa tany Sina sy Eoropa Atsinanana dia mametra ho anjaran’ireo tany ireo ny fihanahan’ny aretina lehibe avy amin’ny sigara.”

“Ahoana no mahatonga ny entam-barotra iray izay miteraka fahafatesana aloha ho an’ny olona 400 000 isan-taona any Etazonia, entam-barotra iray izay iezahan’ny Fitondram-panjakana Amerikana mafy hanampiana ireo olom-pireneny mba hialana, hanjary ho hafa tampoka any ivelan’ny sisin-tany amerikana?” hoy ny fanontanian’ny Dr. Prakit Vateesatokit ao amin’ny Fampielezan-kevitra Iadiana Amin’ny Sigara any Thaïlande. “Moa ve manjary tsy misy idiran’ny fahasalamana rehefa aondrana any amin’ny tany hafa io entam-barotra io ihany?”

Manana mpanampy mahery ao amin’ny fitondram-panjakana amerikana ireo kompanian-tsigara mihamandroso. Niara-niady izy ireo mba hahazoana toeram-pamaharana any ivelan’i Etazonia, indrindra fa eo amin’ireo tsena aziatika. Nandritra ny taona maro dia tsy navela hiditra tany Japon, Taïwan, Thaïlande sy ny tany hafa, ny sigara amerikana, satria ny sasany tamin’ireo fitondram-panjakan’ireo tany ireo dia nanao ampihi-mamba ny entam-barotra sigara. Nanohitra ny fanafarana sigara amerikana ireo antokon’olona miady amin’ny sigara, kanefa nanambana fiadiana nandresy lahatra — sazy eo amin’ny fadintseranana — ny fitantanan-draharaha amerikana.

Nanomboka tamin’ny 1985, teo ambanin’ny fanerena mafy avy tamin’ny fitondram-panjakana amerikana, dia tany aziatika maro no nanokatra ny vavahadiny ka nitobaka ny sigara amerikana. Tafakatra ho 75 isan-jato ny fanondranana sigara amerikana nankany Azia tamin’ny 1988.

Angamba ny olona voa mafy indrindra amin’ilay adin’ny sigara dia ny ankizy. Lazain’ny fandinihana voatatitra ao amin’ny The Journal of the American Medical Association fa “ny ankizy sy ny zatovo dia mahaforona ny 90 %-n’ireo mpifoka vaovao rehetra”.

Tombanan’ny lahatsoratra iray ao amin’ny U.S.News & World Report ho 3,1 tapitrisa ny isan’ny mpifoka mbola zatovo any Etazonia. Isan’andro dia olona vaovao 3 000 no manomboka mifoka — 1 000 000 isan-taona.

Manao sarina rameva mampihomehy, rameva iray tia milalao, mitady fahafinaretana, matetika misy sigara mikivilivily eo amin’ny molony, ny dokam-barotra iray momba ny sigara. Ampangaina ho nanangoly tanora maro ho amin’ny fanandevozan’ny nicotine io dokam-barotra momba ny sigara io, alohan’ny ahatakaran’ireo tanora ny loza ara-pahasalamana. Tao anatin’ny telo taona nandefasana io dokam-barotra io, dia nahita fitomboana 64 isan-jato tamin’ny fivarotana sigara tamin’ny tanora ilay kompanian-tsigara. Hitan’ny fandinihana iray tao amin’ny Medical College of Georgia (Sekoly Ara-pitsaboana any Georgia) (Etazonia) fa ny 91 isan-jaton’ny ankizy enin-taona nadinadinina dia nanaiky fa nahafantatra an’io sarina rameva mampihomehy izay mifoka sigara io.

Marika hafa iray be mpitia ny an’ny cowboy kevo-dahy iray mikarenjy, izay toy izao ny hafatra ampitainy, araka ny filazan’ny zatovo iray azy: “Rehefa mifoka ianao, dia tsy azon’iza na iza sakanana.” Voalaza fa ny entam-barotra be mpividy indrindra eo amin’izao tontolo izao dia ny sigara iray izay mitana ny 69 isan-jaton’ny tsena eo amin’ireo mpifoka mbola zatovo sy manana ny marika anaovana dokam-barotra be indrindra. Ho fandrisihana fanampiny, dia misy tapakila miaraka amin’ny fonosana tsirairay, mba hatakalo amin’ny jeans sy satroka ary akanjo fanaovana spaoro, izay be mpitia eo amin’ny tanora.

Noho ny fiekena ny hery goavan’ny fanaovana dokam-barotra, dia nisy antokon’olona miady amin’ny sigara nahomby tamin’ny fanaovana izay hahavoarara ny dokam-barotra momba ny sigara tsy ho ao amin’ny televiziona sy ny radio tany amin’ny tany maro. Ny fomba iray ihodiviran’ny mpanao dokam-barotra momba ny sigara mahay an’io fandaharana io anefa dia ny fametrahana amin’ny fomba maty paika, takelaka lehibe misy dokam-barotra, any amin’ireo fifaninanana amin’ny spaoro. Noho izany, ny lalao baolina iray alefa amin’ny televiziona, izay misy mpijery tanora maro, dia mety hampiseho eo amin’ny toerana aloha, ilay mpilalao tian’izy ireo miomana hanao zavatra, ary manangasanga erỳ aoriana, takelaka goavana iray misy dokam-barotra momba ny sigara.

Any amin’ireo toerana afovoan-tanàna na eo anoloan’ny sekoly, dia misy vehivavy, mampiseho fahakingan-tsaina, manao zipo fohy na akanjo-na cowboy na akanjo fitondra amin’ny safari, manolotra sigara maimaim-poana amin’ireo tanora dodona ny hahazo na liana ta hahafanta-javatra. Any amin’ireo foibe fialam-boly misy vidéo sy discos ary rindran-kira rock, dia ampitampitaina maimaim-poana ireo santionan-tsigara. Nasehon’ny planina fampiasan’ny kompania iray amin’ny varotra, planina nampitaina an-tsokosoko tamin’ny gazety, fa nataon’ny marika sigara manokana iray any Kanada ho lasibatra ireo lehilahy miteny frantsay 12 ka hatramin’ny 17 taona.

Ilay hafatra mibaribary fa diso dia hoe mitondra fahafinaretana, fahatsiarovan-tena ho metimety, herim-pon-dehilahy, sy fahamamian-koditra, ny fifohana sigara. “Tany amin’ny toerana niasako”, hoy ny mpanolo-tsaina iray amin’ny dokam-barotra, “dia niezaka faran’izay mafy hitaona ireo ankizy 14 taona hanomboka hifoka izahay.” Mampiseho an-tsary atleta tanora tandrefana, tomady, izay miriaria eny amin’ny torapasika sy ny toerana fanaovam-baolina — sady mifoka sigara, mazava ho azy — ireo dokam-barotra any Azia. “Mamorona fari-piainana manintona mba hotahafina ireo mannequins sy fomba fiaina tandrefana”, hoy ny fanamarihan’ny gazety ara-barotra iray, “ary tsy mety leo mihitsy ireo mpifoka aziatika.”

Rehefa avy nandany an’arivony tapitrisa dolara tamin’ny dokam-barotra ireo mpivarotra sigara dia nahita fahombiazana goavana. Nasehon’ny tatitra manokana ao amin’ny Reader’s Digest fa mahatahotra ny fitomboan’ny isan’ny mpifoka tanora. “Any Philippines”, hoy ilay tatitra, “dia ny 22,7 isan-jaton’ny olona latsaka ny 18 taona no mifoka ankehitriny. Any amin’ny tanàn-dehibe sasany any Amerika Latina, dia mahatalanjona fa 50 isan-jato ny isan’ny zatovo mifoka. Any Hong-Kong, dia misy ankizy hatramin’ny fito taona mifoka”.

Kanefa, toy ny ankalazan’ny sigara ny fandreseny any ampitan-dranomasina, no ahatsapan’ny kompanian-tsigara amin’ny fomba mampanaintaina fa misy rahom-be mitatao any amin’ny taniny. Ho tafavoaka amin’ilay oram-batravatra ve ny sigara?

[Teny notsongaina, pejy 3]

Mihalany ritra ireo mpividy azy mahafatra-po

[Teny notsongaina, pejy 5]

Azia, saham-pamonoana vao haingana indrindra ho an’ny sigara

[Teny notsongaina, pejy 6]

Ny 90 isan-jaton’ireo mpifoka vaovao rehetra — ankizy sy zatovo avokoa!

[Efajoro, pejy 4]

Ilay Fangaro Mahafaty — Inona no ao Anatin’ny Setroka?

Raha simika ampifanampiana hatramin’ny 700 samy hafa no azon’ny mpanamboatra sigara ampiasaina, kanefa manome lalana an’ireo kompania hihazona ny lisitr’izy ireo ho tsiambaratelo ny lalàna. Anisan’ny ao anaty lisitra anefa ny metaly be hakitroka (densité) sy ny fanafody fiadiana amin’ny pesta ary ny fanafody famonoana bibikely. Misy taharo sasany be poizina aoka izany, hany ka raran’ny lalàna ny manary azy ireny eny amin’ny fandevenam-pako. Iny setro-tsigara miolikolika mahafinaritra iny dia mitondra miaraka aminy raha 4 000 eo ho eo, anisan’izany ny asetonina, ny arsenika, ny biotanina, ny tokanoksida-na karibonina, sy ny cyanure. Iharan’ny zavatra fantatra ho miteraka kansera, zavatra miisa 43 fara fahakeliny, ny havokavok’ireo mpifoka sy ny an’ireo olona eo akaikiny.

[Efajoro, pejy 5]

Tandindomin-doza Ireo Tsy Mifoka

Moa ve ianao miara-miaina, miara-miasa, na miara-manao dia amin’ny mpifoka raindahiny? Raha izany no izy, dia mitombo ny mety hahavoan’ny kanseran’ny havokavoka sy ny aretim-po anao. Ny fandinihana iray tamin’ny 1993 nataon’ny U.S. Environmental Protection Agency (EPA, na Sampana Amerikana Momba ny Fiarovana ny Tontolo Iainana) dia nanatsoaka hevitra fa ny setro-tsigara mameno ny manodidina dia miteraka kansera amin’ny Sokajy A, ny mampidi-doza indrindra. Namakafaka ny vokatra azo tamin’ny fandinihana 30 nahafaoka ny setroka miolakolaka avy amin’ny baoroka sigara ary koa ny setroka avoaka amin’ny fofon’aina, ilay tatitra matevim-be.

Manome tsiny ny setro-tsigara fohina tsy fidiny ho mahatonga ny fahafatesan’ny olona 3 000 voan’ny kanseran’ny havokavoka isan-taona any Etazonia, ny EPA. Ny American Medical Association (Fikambanana Amerikana Momba ny Fitsaboana) tamin’ny Jona 1994 dia nanamafy ny fanatsoahan-kevitra tamin’ny fandinihana iray navoakany, izay nampiseho fa manan-tombo 30 isan-jato amin’ny olona mbola tsy nifoka mihitsy, ny mety hahavoan’ny kanseran’ny havokavoka an’ireo vehivavy mbola tsy nifoka mihitsy kanefa iharan’ny setro-tsigara mameno ny manodidina.

Ho an’ny ankizy kely, ny fahazoany ny setro-tsigara dia miteraka fisehoan’ny braonsita sy pnemonia 150 000 ka hatramin’ny 300 000 isan-taona. Mampihombo ny fisehoan’ny asthme amin’ny ankizy 200 000 ka hatramin’ny 1 000 000 isan-taona ny setro-tsigara, any Etazonia.

Tombanan’ny American Heart Association (Fikambanana Amerikana Miady Amin’ny Aretim-po) fa olona hatramin’ny 40 000 no maty isan-taona noho ny aretim-po sy ny aretina eo amin’ny lalan-dra ateraky ny setro-tsigara mameno ny manodidina.

[Sary, pejy 7]

“Mannequin” aziatika iray manintona sy ny lasibatra

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara