Ireo Taona Voalohany eo Amin’ny Fiainana — Fotoana Tena Ilana Izay Tsara Indrindra avy Aminao
VOALAZA fa “lova avy amin’i Jehovah” ny zanaka. Voalaza fa izy ireny dia “tahaka ny zanak’oliva manodidina ny latabatrao”. (Salamo 127:3; 128:3). Nahazo baiko ny ray aman-dreny ‘hitaiza hatrany azy ireny amin’ny lalàm-pifehezana sy ny fanabeazan-tsaina avy amin’i Jehovah’. — Efesiana 6:4, NW.
Raha ta hanome endrika ka handrantsana ny hazo oliva ianao mba hamoazany voa tsara, dia rehefa izy mbola ‘zanak’oliva manodidina ny latabatrao’ iny no fotoana anaovana izany. Ny zaza toy ny rano am-pasika: izay amiliana azy no alehany. Raha tianao hanaraka ny lalan’Andriamanitra ny zanakao, dia izy mbola kely dia kely iny no fotoana mety indrindra hampianarana azy izany. “Zaro amin’izay làlana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.” (Ohabolana 22:6; 2 Timoty 3:15). Amin’ny fotoana maha-kely dia kely azy dia mandray sy mitadidy fanazavana haingana dia haingana ny atidoha, haingana kokoa tsy hisy toy izany intsony. Fotoana mety izany mba hanaovanao izay rehetra azonao atao ho an’ireo zanakao.
Ilay namorona ny Fikambanana Sony, i Masaru Ibuka, dia nanoratra boky iray mitondra ny lohateny hoe Kindergarten Is Too Late! (Diso Aoriana Loatra any Amin’ny Akanin-jaza!). Eo amin’ny fonony dia ahitana ireto teny ireto: “Mandritra ny roa na telo taona voalohany amin’ny fiainany no lehibe indrindra ny fahaizan’ny zanakao miana-javatra. Noho izany, aza miandry (...) Ho Diso Aoriana Loatra any Amin’ny Akanin-Jaza!”
Ao amin’ny sasin-teniny, i Glenn Doman, lehiben’ny Fikambanana Misahana ny Zava-bitan’Olombelona, dia milaza izao manaraka izao: “Ny boky tsara dia tsara sy miavaka nosoratan’Atoa Ibuka dia tsy ahitana karazana fanambarana miezinezina. Mampiseho tsotra fotsiny izy fa ny ankizikely dia manana ao aminy fahaizana mianatra saika ny zava-drehetra raha mbola kely dia kely. Mampiseho izy fa izay ianaran’izy ireo mora foana eo amin’ny faharoa, fahatelo, na fahefa-taonany dia hianarana amin’ny fiezahana mafy, na mety tsy hianarana mihitsy aza, amin’ny fiainana any aoriana. Mampiseho izy fa izay sarotra amin’ny olon-dehibe ny mianatra azy, dia ianaran’ny ankizy amim-pifaliana kosa. Mampiseho izy fa izay ianaran’ny olon-dehibe miadana erỳ, dia saika hain’ny ankizikely vetivety. Mampiseho izy fa indraindray ny olon-dehibe dia manalavitra ny fianarana, kanefa aleon’ny ankizikely kosa mianatra toy izay misakafo.”
Ny fianarana omen’i Ibuka amin’ny filazana fa diso aoriana loatra any amin’ny akanin-jaza dia ny hoe amin’izay fotoana izay dia ho efa lasa ireo taona tsara indrindra ianaran’ilay zaza zavatra. Nefa misy antony hafa koa. Amin’izao andro izao dia miely hatrany amin’ny akanin-jaza ny fikororosian’ny fitondran-tena, ary alohan’ny hidiran’ilay zaza any, ny ray aman-dreny dia mila ny hampiditra ao an-tsain’ny zanany lalàm-pitondran-tena mafy orina mba hiarovana azy tsy ho voaloton’izany.
Ny ilana hanaovana izany dia asehon’ny filazan’ny ray aman-drenin’ny ankizilahy iray enin-taona izay vao niditra tany amin’ny akanin-jaza. “Nandritra ny herinandro voalohany, ny zanakay lahy dia nohatonin’ny ankizilahy hafa iray ka niresahany zavatra momba ny lahy sy ny vavy nandritra ny ampahefatr’adiny nitaingenany ny fiara fitateran’ny sekoly. Nitohy nandritra ny andro maromaro izany. Tsy kilalaon-jaza tsotra fotsiny na filalaovana dokotera izany fa fitondran-tena tsy ara-dalàna miharihary.
“Maro amin’ny ankizy iray kilasy amin’ny zanakay lahy no mijery sarimihetsika natokana ho an’ny olon-dehibe, mampiseho miharihary ny firaisan’ny lahy sy ny vavy na ny herisetra, miaraka amin’ny ray aman-dreniny. Angamba mihevitra ny ray aman-dreny fa izany dia azo antoka kokoa noho ny famelana azy ireo amin’ny fikarakarana mampiahiahin’ny mpiandry zaza iray. Ny sasany amin’ireo ankizy ireo dia mijery sarimihetsika tsy azon’ny ankizy jerena na nalahatra ho X na amin’ny alalan’ny fandaharan’ny televiziona raisina amin’ny câble na amin’ny alalan’ny horonan-tsary tahirizin’ny ray aman-dreniny ao an-trano.
“Ny hasarobidin’ny nampidirana tao an-tsain’ny zanakay lahy ireo fotopoto-pitsipika ara-pitondran-tena nandritra ireo taonany voalohany eo amin’ny fiainany, izany hoe hatry ny fony izy kely dia kely, dia voasoritra lalina tao an-tsainay noho ny fisehoan-javatra iray nanafintohina nitranga tao an-tokantranonay. Niaraka tamin’ny olona sasany nasainay, dia nisy ankizivavy kely efa-taona. Izy sy ny zanakay lahy, izay nampianarinay tamim-pitandremana fa ny firaisan’ny lahy sy ny vavy dia natao ho an’ny olon-dehibe manambady ihany, dia tao amin’ny efitrano filalaovany. Te hilalao ankizilahy sy ankizivavy mifamotoana ilay ankizivavy kely ka nanazava izy fa tokony handry ny zanakay lahy. Rehefa nanao izany tamim-pahatsorana tokoa izy, dia nandry teo amboniny ilay ankizivavy kely. Nanomboka natahotra ny zanakay lahy ka niteny mafy hoe: ‘Ho an’ny olona manambady ihany izany!’ Rehefa nitsangana izy ka nihazakazaka nivoaka ilay efitrano, dia nihiakiaka ilay ankizivavy kely hoe: ‘Aza lazalazaina amin’ny olona!’ ” — Ampitahao amin’ny Genesisy 39:12.
Ireto manaraka ireto ny sasantsasany amin’ireo toe-javatra izay mitranga amin’ny faritra be mponina sy eny amin’ny manodidina ny tanàn-dehibe — toe-javatra izay tokony hiarovana ny zanakao hatramin’ny mbola maha-zazakely azy.
Nampangaina ho nanimba zazavavy kely enin-taona tao amin’ny efitrano fivoahana sy fidiovan’ny sekolim-bahoaka iray ny ankizy lahy roa fito taona. Nanimba ankizivavy enin-taona ny ankizilahy telo, enina sy fito ary sivy taona. Nanery zazalahy kely mianatra amin’ny akanin-jaza hanana firaisana taminy ny ankizilahy iray valo taona. Nampangaina ho nanimba zazavavy kely 2 taona ny ankizilahy iray 11 taona. Misy manam-pahaizana sasany amin’ny fitsaboana milaza fa matetika ny mpanao zava-dratsy toy ireny dia niharan’ny fanimbana teo amin’ny lahy sy ny vavy fony izy mbola kely.
Izany dia voamarina tamin’izay niseho tamin’ny zazalahy iray. Fony izy mbola kely, ny nenitoany izay 20 taona dia zatra ny nanao firaisana tamin’ny vava taminy. Nanomboka tamin’izy herintaona sy tapany ka hatramin’izy roa taona sy tapany dia niharan’izany fanimbana teo amin’ny lahy sy ny vavy izany izy. Roa na telo taona tatỳ aoriana dia nanadala ankizivavy kely izy. Rehefa nanomboka nianatra izy dia nanohy izany fanaony izany, ka noroahina tao amin’ny sekoly fanabeazana fototra ny taona voalohany ary toy izany indray ny taona faharoa.
Ny ilana hampianarana azy aloha be
Ny tsy fanomezan’ny ray aman-dreny fampianarana mety mandritra ny taona voalohany eo amin’ny fiainany dia manamora ny fitomboan’ny ditran’ny ankizy, izay manokatra ny lalana ho amin’ny heloka bevava mbola lehibe kokoa: fanimbasimbana foana fananan’olona, ny fandrobana ary ny famonoana olona. Santionany vitsivitsy ny amin’ny zavatra tahaka izany ireto manaraka ireto.
Nandroba tao an-tranon’ny ankizilahy mpiara-milalao taminy ny ankizilahy telo, enin-taona, nanimba saika ny fananana rehetra tao amin’ny efitrano tsirairay tao. Nampangaina ho nanao asa voararan’ny lalàna ny zazalahy sivy taona, ankoatra ny fandrobana sy ny fandrahonana zazalahy iray hafa tamin’ny antsy, ary ny fandrehetana ny volon’ny ankizivavy iray. Ny ankizilahy roa, 11 taona dia nanesika basy poleta mirefy sivy milimetatra tao am-bavan’ny ankizilahy 10 taona ary nangalatra ny famantaranandrony. Nitifitra ka nahafaty ankizivavy kely fito taona ny ankizilahy folo taona noho ny fifamaliana momba ny kilalao vidéo. Nitifitra ny ankizilahy mpiara-milalao taminy ny ankizilahy iray hafa folo taona ary nanafina ny fatiny tao ambany trano. Ny zazalahy kely iray dimy taona dia nanosika ny zazalahy kely vao miana-mandeha avy eny amin’ny tohotry ny rihana fahefatra ka nahafaty azy. Niaraka tamin’ny tanora roa, ny ankizilahy iray 13 taona tamin’ny fakana an-keriny ankizilahy kely 7 taona mba hahazoana vola avy tamin’ny fianakaviany, nefa na dia mbola tsy niantso an-telefaonina ilay fianakaviana aza izy ireo mba hangataka ny vidin’ny fanavotana azy, dia naleviny velona ilay ankizilahy kely.
Ary farany, dia ao ny horohoro aterak’ireo andian-tanora jiolahy mirongo basy, mirenireny eny amin’ny arabe, mifampitifitra ka ny bala misidina dia tsy vitan’ny hoe mamono an’izy samy izy fotsiny, fa mamono ankizy sy olon-dehibe tsy manan-tsiny tratra ao anatin’ny fifampitifirana koa. Mampihorohoro faritanàna maro any an-tanàn-dehibe izy ireo — any amin’ny faritanin’i Los Angeles fotsiny, any Etazonia, dia “ahitana mpikambana maherin’ny 100 000 ao amin’ny andian-tanora jiolahy 800 fantatra”. (Seventeen, Aogositra 1991). Maro amin’izy ireny no avy amin’ny tokantrano rava. Manjary fianakaviany ny andian-tanora jiolahy. Maro no lasa any an-tranomaizina amin’ny farany. Maro no maty. Ireto teny ireto, nalaina avy tamin’ny taratasy telo nosoratana tany an-tranomaizina dia santionany amin’ny karazan’izany.
Fanambarana voalohany: ‘Ato amin’ny toby fanarenana aho noho ny fanandramana nangalatra. Efatra izahay. Tamin’izay dia tonga ny polisy. Ny roa tamin’ireo namako dia nandositra tamin’ny lalana iray, izaho sy ilay namako hafa kosa tamin’ny lalan-kafa, nefa tsy haingana noho ireo bergers allemands (karazana alika masiaka), izay nahatratra anay, izahay. Rehefa hivoaka avy eto aho, dia antenaiko ny mba ho tonga olona miavaka indray andro any. Sarotra foana tamiko ny fandehanana tany an-tsekoly sy ny fahazoana diplaoma. Nefa, mbola tsy nahita zavatra mafy noho ny atỳ an-tranomaizina aho ry zalahy a!’
Fanambarana faharoa: ‘Valo taona monja aho fony vao tonga avy tany Meksika. Rehefa 12 taona aho dia tonga anisan’ny andian-tanora jiolahy iray. Rehefa 15 taona aho dia tena mpikambana narisika tao. Nahazatra ahy ny nandray anjara tamin’ny fitifirana olona avy eny amin’ny fiarakodia. Nanana basy poleta teny amiko foana aho. Rehefa 16 taona aho dia nisy nitifitra ka saika maty. Misaotra ny Tompo aho fa mbola tsy nila ahy izy satria tsy vonona hankany aminy aho. Ankehitriny dia feno fery noho ireo bala ny ranjoko. Koa ny torohevitra omeko dia ny hoe aza mba mikambana amin’ireny andian-tanora jiolahy ireny!!! raha tsy izany dia hanjary ho irery tahaka ahy ianareo, kilemaina ato an-tranomaizina!’
Fanambarana fahatelo: ‘Anisan’ny andian-tanora jiolahy fantatr’olona aho hatramin’ny faha-11 taonako. Voatomboka antsy inefatra aho, voatifitra intelo, naiditra an-tranomaizina ary voavono matetika erỳ, hany ka sarotra ny mitadidy ny isany. Ny hany zavatra sisa ho ahy dia ny ho faty, nefa efa vonona amin’izany isan’andro aho hatry ny fony 13 taona, ary 16 taona aho izao. Voaheloka valo volana an-tranomaizina aho izao, ary any amin’ny roa taona any dia ho faty aho, nefa azonareo atao ny manalavitra izany zavatra rehetra izany amin’ny tsy fikambanana amin’ny andian-tanora jiolahy.’
Manararaota ny fotoana mety
Tsy te hilaza akory izahay fa ny tsy fanomezana fampianarana ny ankizy mandritra ireo taona voalohany eo amin’ny fiainany dia tsy maintsy hiafara amin’ny fanaovany ireo heloka bevava mahatsiravina ireo. Nefa ny tsy fanaovana izany kosa dia mety hitarika ho amin’ny fitondran-tena mibirioka, izay mety hiitatra ho ditra, ary raha tsy voafehy hatrany dia mety hipoaka ka hanjary ho fanaovana heloka bevava, ny tranomaizina ary ny fahafatesana.
Ary mora kokoa ny misakana izay rehetra mety ho fironana ao amin’ny zanakao, alohan’ireo taona maha-zatovo azy, toy izay hiandry rehefa zatovo izy. Raha ny marina, dia alohan’ny hidirany any amin’ny akanin-jaza no fotoana tokony hanombohana izany, rehefa mandany ny ankabeazan’ny fotoanany miaraka aminao izy mandritra ireo taona voalohany eo amin’ny fiainany, ka mbola tsy manintona mafy ny fitandremany ny fitaomana ivelany. Raha tsy akaiky azy ianao amin’izy mbola kely dia kely iny, dia mety tsy hamela anao ho akaiky azy izy rehefa tonga zatovo. Mety ho hitanao fa ny namany no naka ny toeranao. Noho izany, ny torohevitra ho an’ny ray aman-dreny dia ny hoe, aza atao tsirambina ny zanakareo mandritra ireo taona voalohany amin’ny fiainany ireo, satria ny fanomezanareo izay tsara indrindra ho azy dia hahavokatra soa, ho fitahiana ho anareo sy ho azy ireo. — Ampitahao amin’ny Matio 7:16-20.