Pejy Faharoa
Ny Zanakao—Omeo Izay Tsara Indrindra Izy Ireo 3-10
Ireo taona manapa-javatra amin’ny fampianarana ny zanakao dia manomboka amin’izy herintaona ka hatramin’ny fahadimy taonany. Izany dia fotoana handraisan’ny sainy ka hitadidiany fanazavana toy ny ataon’ny sponjy. Izany dia fotoana ahafahanao mampiditra ao an-tsainy lalàm-pitondran-tena izay ahafahany manohitra ny fanimbana avy amin’ny manodidina maloto fitondran-tena.
Moa ve Andriamanitra Mamaly ny Vavaka Ataoko? 14
Manao ahoana ny fahatsoran’ny vavaka ataonao? Moa ve ianao tena manana fifandraisana amin’Andriamanitra? Ny fihetsitsika sy ny fitondran-tenantsika dia mety hisakana ny vavaka ataontsika.
Inona no Mahatonga Ireny Ranomaso Rehetra Ireny? 25
Antony samy hafa no mahatonga ny ranomaso ary samy hafa ny zava-kendreny. Ny zavatra simika ao anatiny koa dia samy hafa.