Ireo Taona Voalohany eo Amin’ny Fiainana — Izay Afafinao Dieny Izao no Hojinjainao any Aoriana
NY ATIDOHAN’NY zazakely dia tahaka ny sponjy, mandray sy mitadidy izay manodidina azy. Ao anatin’ny roa taona monja dia mianatra fiteny be kojakojany iray izy amin’ny fihainoana izany fotsiny. Raha fiteny roa no ren’ny ankizikely dia mianatra an’izy roa izy. Tsy ny fiteny ihany fa ny fahaizana mozika sy zava-kanto koa, ny fampirindrana ny fihetsehana, ireo zavatra misy vidiny ara-pitondran-tena sy ny fieritreretana, ny finoana sy ny fitiavana ary hery manosika hanompo — ireo rehetra ireo dia mitsiry avy amin’ny fahaizana manao zavatra voalamina mialoha ao amin’ny atidohan’ny zazakely. Miandry fotsiny ny handraisany filazalazana avy amin’ny manodidina ireo mba hitomboany. Mba hahazoana ny vokatra tsara indrindra, dia eo koa ny fotoana mety mba handraisana izany filazalazana izany, ka izany dia mandritra ireo taona voalohany eo amin’ny fiainana.
Manomboka amin’ny fahaterahana ny fisehoan’ny fiasany. Antsoina hoe fiforonan’ny fifandraisana akaiky izany. Mibanjina amim-pitiavana ny mason’ilay zazakely ilay reny, miresaka aminy amin-tambitamby, mamihina sy manafosafo azy. Voaentana ny fihetseham-pon-dreny rehefa mibanjina azy ilay zazakely ka mahatsiaro tsy fananana ahiahy. Raha amin’izay voalohany izay no mitranga ny fampinonoana, dia hahasoa azy mianaka indrindra izany. Ny finonoan’ilay zazakely dia manaitra ny fahatongavan’ny nono. Ny fikasihana ny hodiny dia mamela ny fandehanan’ny hormonina izay mampihena ny fandehanan-dra manaraka ny fiterahana. Ny nonon-dreny dia misy mpisetra izay miaro ilay zazakely amin’ny famindrana aretina. Mitranga ny fifandraisana akaiky eo amin’ny reny sy ny zaza. Izany dia fiandohan’ny fifandraisana feno fitiavana. Nefa vao fiandohana fotsiny izany.
Tsy ela dia manjary telo mianaka izy mianaka teo, rehefa manjary voakasika amin’ilay raharaha koa ny ray, araka ny azo antoka fa tsy maintsy hataony. “Ny ankizy tsirairay dia mila (...) ray”, hoy ny nambaran’ny Dr. T. Berry Brazelton, “ary mandray anjara lehibe ny ataon’ny ray tsirairay. (...) Malemy fanahy sy mipetrapetraka kokoa ny reny. Etsy an-daniny kosa, ny ray dia tia misangy sy manitikitika ary manakotaba bebe kokoa ilay zazakely noho ny reniny”. Mamaly izany fihetsehana mahery izany amin’ny kiakiaka taitaitra sy antsoantsom-pahafinaretana ilay zazakely, mampiseho amim-pitabatabana ny fifaliany ka mitady bebe kokoa ihany. Fitohizan’ny fiforonan’ny fifandraisana akaiky natomboka teo amin’ny fahaterahana izany, ‘fifandraisana feno fitiavana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka izay miforona amin’ny fomba voajanahary na tsy hiforona mihitsy amin’ireo valo ambin’ny folo volana voalohany amin’ny fiainan’ilay zaza’, hoy ny nambaran’ny Dr. Magid, niara-nanoratra ilay boky hoe High Risk: Children Without a Conscience (Loza Mananontanona: Ankizy Tsy Misy Fieritreretana). Raha tsy miforona izany, hoy izy, ny ankizy toy izany dia mety hitombo ka hanjary tsy hahay hifandray amin’ny hafa ary tsy hahay hitia.
Mandray anjara amin’ny fiforonan’ny fifandraisana akaiky ny ray sy ny reny
Noho izany, dia tena zava-dehibe ny fiaraha-miasan’ny reny sy ny ray amin’ny fanamafisana izany fifandraisana feno fitiavana izany, izany fiforonan’ny fifandraisana akaiky sy fifikirana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka izany, mandritra ireo taona voalohany eo amin’ny fiainana, alohan’ny hidirany any amin’ny akanin-jaza! Aoka halala-tanana ny ray sy ny reny amin’ny fanorohana sy famihinana azy ireo. Eny, ny ray koa! Nilaza toy izao ny Men’s Health tamin’ny Jona 1992: “Araka ny fandinihana natao nandritra ny 36 taona ary navoaka tao amin’ny Journal of Personality and Social Psychology, ny fanehoan’ny ray aman-dreny fitiavana amin’ny fihetsika sy amin’ny famihinana ny zanany dia manambara mialoha amin’ny fomba hentitra fa hanana fisakaizana sy fanambadiana ary antom-pivelomana hahomby ilay zaza amin’ny hoavy. Fitopolo isan-jaton’ny ankizy nanana ray aman-dreny be fitiavana no nifandray tsara tamin’ny mpiara-monina, raha 30 isan-jato monja ny ankizy nanana ray aman-dreny mangatsiaka sy mihatakataka; ary zava-dehibe tahaka ny an’i Neny koa ny famihinan’i Dada.”
Hazony koa izy rehefa mipetraka eo amin’ny seza misavily (rocking-chair). Manaova vakiteny ho azy rehefa mipetraka tsy manana ahiahy eo am-pofoanao iny izy. Miresaha aminy ary henoy izy, ampianaro izay tsara sy izay ratsy izy, ary ataovy azo antoka fa fakan-tahaka ianao amin’ny fampiharan’ny tenanao ireny fotopoto-pitsipika ireny. Ary aza hadinoina na oviana na oviana ny taonan’ilay zaza. Ataovy tsotra izany, ataovy mahaliana sy mahafinaritra hatrany.
Ny ankizy dia manana fahalianana voajanahary hahafanta-javatra, faniriana hizaha sy hianatra ny zava-drehetra manodidina azy. Mba hanomezana fahafaham-po izany hetahetam-pahalalana izany, dia hampiasa anao amin’ny fanaovana fanontaniana tsy mety tapitra ilay ankizy. Inona no mahatonga ny rivotra? Nahoana no manga ny lanitra? Nahoana no manjary mena izy io rehefa mody ny masoandro? Valio ny fanontaniany. Tsy mora foana akory izany. Ireny fanontaniana ireny dia fanasana anao mba hampihatra fitaomana eo amin’ny sain’ny zanakao, handraisany filazalazana, angamba hampitsiry ao aminy ny fankasitrahana an’Andriamanitra sy ny zavatra noforoniny. Moa ve voanosy mandady eo amin’ny ravin-kazo iray no mahaliana azy? Sa ny endriky ny voninkazo kely iray? Sa ny hala iray manenona ny tranony? Sa ny fihadiana tany fotsiny? Aza atao tsirambina koa ny fanomezana fampianarana azy amin’ny alalan’ny tantara kely, araka ny nataon’i Jesosy tamin’ireo fanoharany. Izany dia hahatonga ny fianarana ho mahafinaritra.
Amin’ny toe-javatra maro dia voatery miasa ny ray sy ny reny mba hamelomana ny fianakaviana. Moa ve afaka manao fiezahana manokana izy ireo mba handaniana fotoana amin’ny takariva sy amin’ny faran’ny herinandro miaraka amin’ny zanany? Azon’ilay reny atao ve ny miasa tapak’andro mba hananana fotoana bebe kokoa iarahana amin’ny zanany? Misy ray na reny maro mitaiza irery ny zanany amin’izao andro izao, ary tsy maintsy miasa izy ireo mba hameloman-tena sy hamelomana ny zanany. Afaka manao fiezahana araka izay azo atao ve izy ireo mba hanokanana fotoana betsaka amin’ny takariva sy amin’ny faran’ny herinandro ho an’ny zanany? Voatery misaraka amin’ny zanany ny reny amin’ny toe-javatra maro. Na dia manana antony azo ekena aza izy amin’izany, ny ankizikely dia tsy mahatakatra an’izany ka mety hahatsiaro ho nilaozana. Tsy maintsy misy fiezahana manokana atao amin’izay mba hanararaotana ny fotoana mba hisy hatokana ho an’ny zanakao.
Inona moa no atao hoe “fotoana misy vidiny” izay rentsika matetika? Ny ray aman-dreny be zavatra atao dia mety handany 15 na 20 minitra miaraka amin’ny zanany indray mandeha isaky ny roa andro, angamba adiny iray amin’ny faran’ny herinandro, ary miantso izany hoe fotoana misy vidiny. Moa ve izany mahafa-po ny zavatra ilain’ilay zaza? Sa kosa izany atao mba hampanginana ny fieritreretan’ny ray aman-dreny? Sa mba hampilaminana ny sain’ny reny iray izay miasa mba hanomezana fahafaham-po ny tenany manokana, kanefa ny an’ny zanany tsy fenony akory? Nefa mety hilaza ianao hoe: ‘Tena sahirana marina tokoa aho ka tsy manana izany karazana fotoana izany’. Ratsy tokoa izany ary tena mampalahelo na ho anao na ho an’ny zanakao satria tsy misy zavatra azo asolo io fotoana io mihitsy. Mitadiava fotoana mandritra ireo taona voalohany eo amin’ny fiainan’ny zanakao, raha tsy izany, miomàna hahita hantsana hampisaraka anao aminy amin’ny taona maha-zatovo azy.
Tsy izany ihany no mety ho ratra atao amin’ny ankizy avela any amin’ny toerana fitaizan-jaza, fa hafoin’ny ray aman-dreny koa ny fifaliana hahita azy ireny hitombo. Tsy fantatr’ilay zaza foana ny antony hamelana azy ho irery; mety hahatsapa izy fa atao tsirambina, ariana, ilaozana ary tsy tiana. Rehefa tonga zatovo izy, dia mety ho efa namorona firaiketam-po tamin’ny namana mitovy taona aminy, izay naka ny toeran’ny ray aman-dreniny sahirana loatra ho azy. Angamba aza ilay ankizy manomboka manana fiainana roa sosona, ny iray mba tsy hananan’ny ray aman-dreny ahiahy ary ny iray hafa mba hanaovana izay mahafinaritra azy. Ny fitenenana, ny fanazavana, ny fialan-tsiny — tsy misy amin’ireo mahatototra ny hantsana. Ny lahateny ataon’ny ray aman-dreny momba ny fitiavana ankehitriny dia tsy tena izy amin’ny sofin’ilay ankizy izay natao tsirambina nandritra ireo taona nilany indrindra ny ray aman-dreniny. Ny firesahana fitiavana ankehitriny dia toa tsy marina, toa tsy misy fahatsorana. Tahaka ny finoana, ny filazana fa manana fitiavana ny tena dia maty raha tsy misy asa. — Jakoba 2:26.
Mety hijinja dieny izao izay nafafintsika isika
Amin’izao andron’ny “izaho aloha” izao, dia mitombo ny fitiavan-tena, ary miharihary indrindra izany amin’ny fandaozana ireo zanatsika. Mampahita masoandro azy ireo isika, ary aorian’izany dia apetratsika any amin’ny toerana fitaizan-jaza izy. Angamba ny toerana fitaizan-jaza sasany dia tsara ho an’ny ankizy, nefa ny ankamaroany dia manimba azy ireny, indrindra ho an’ny ankizikely. Ny sasany aza dia nanaovana famotorana noho ny fanimbana eo amin’ny lahy sy ny vavy natao tamin’ny ankizy. Hoy ny nolazain’ny mpikaroka iray: “Tsy isalasalana fa amin’ny hoavy isika dia hanan-java-manahirana, ka raha oharina amin’izany ny amin’izao andro izao dia hiseho ho tahaka ny fialam-boly.” Araka ny isa nasehon’ny Dr. David Elkind tamin’ny 1992, dia mampihoron-koditra sahady ny “fialam-boly” amin’izao andro izao:
“Nandritra ireo 20 taona lasa, dia nitombo ho 50 isan-jato ny ankizy sy tanora tratran’ny hatavezana. Tanora iray alina no namoy ny ainy tamin’ny loza nitranga teo ambanin’ny herin’ny zava-mahadomelina na alkaola tao anatin’ny herintaona monja, tsy ao anatin’izany ireo naratra sy ireo nitondra takaitra. Zatovo iray amin’ny efatra no misotro tafahoatra isan-tapa-bolana, ary zatovo roa tapitrisa no mpimamo.
“Any Etazonia, dia zatovovavy iray tapitrisa no bevohoka isan-taona, avo roa heny raha ampitahaina amin’ny tahan’ny tany tandrefana manaraka azy, dia Angletera. Nitombo avo telo heny ny famonoan-tena eo amin’ny zatovo tamin’ireo 20 taona lasa ka eo amin’ny dimy ka hatramin’ny enina arivo amin’izy ireo no namono tena isan-taona. Notombanana fa zatovovavy iray amin’ny efatra no mampiseho, fara fahakeliny iray amin’ny soritr’aretina ara-tsakafo, izany dia noho ny fampihenana henjana loatra ny sakafo hanina amin’ny ankapobeny. Ireo 14 ka hatramin’ny 19 taona no antokon’olona faharoa ahitana tahan’ny famonoan-tena be indrindra”.
Raha ampiana an’ireo isa mampitahotra ireo ny famonoana zazakely 50 tapitrisa izay mbola any am-bohoka dia tsy misy mihitsy azo ampitahaina amin’ny “fialam-boly” misy amin’izao andro izao. Raha ny amin’ny firodanan’ny fianakaviana dia nilaza toy izao ny Dr. Elkind: “Ny fiovana tampoka ara-tsosialy dia loza amin’antambo ho an’ny ankizy sy ny tanora, izay mila tsy fihilangilanana sy tsy fananana ahiahy mba hitomboana sy hivelarana tsara”. Nanohitra mafy toy izao ny fiheverana feno fitiavan-tena ny amin’ny “izaho aloha” ny mpanoratra boky iray: “Nefa ange tsy misy olona mety hilaza amin’ny mpivady hoe: ‘Tokony tsy hisaraka ianareo e. Raha manan-janaka ianareo dia aza misaraka!’ ”
Mila fotoana mba hitiavana ankizy iray. Taona maro lasa izay, i Robert Keeshan, mpanolotra fandaharana ho an’ny ankizy amin’ny televiziona, ary nantsoina hoe Kapiteny Kangourou dia nampitandrina ny amin’ny vokatry ny tsy fanokanana fotoana toy izany ho an’ny zanaka. Hoy izy:
“Tsindrian-daona erỳ ny ankizivavy kely iray minono ny ankibeny sady mitrotro ny saribakoliny, miandry ny hodian’ny dadany ao an-trano. Te hilaza amin’ny rainy tantara kely ny amin’ny zavatra hitany tamin’ny filalaovana fasika izy. Tsy andriny ny hizara aminy ny fientanam-pony tamin’io andro io. Iny fa tonga i Dada. Trotraka noho ny fanerena tany am-piasana izy, ka matetika no milaza amin’ilay zaza hoe: ‘Tsy amin’izao ry malala a! Sahirana aho, mandehana mijery televiziona.’ Ny teny lazaina matetika indrindra any amin’ny tokantrano amerikana maro dia ny hoe: ‘Sahirana aho, mandehana mijery televiziona.’ Raha tsy amin’izao dia rahoviana àry? ‘Aoriana.’ Nefa mahalana no tonga ny aoriana (...)
Lasa ny taona ary mitombo ilay zaza. Manolotra kilalao sy fitafiana ho azy isika. Manolotra fitafiana vitan’ny mpanjaitra malaza sy chaîne stéréo ho azy isika, nefa tsy manome izay tena tadiaviny indrindra: ny fotoanantsika. Efatra ambin’ny folo taona izao ilay ankizivavy, toy ny fitaratra ny masony, angamba eo ambany herin’ny zava-mahadomelina. ‘Ry malala, inona no mahazo anao? Lazao ahy, lazao ahy.’ Diso aoriana loatra. Diso aoriana loatra. Nidify antsika ny fitiavany. (...)
“Rehefa milaza amin’ny ankizy iray isika hoe: ‘Tsy amin’izao fa aoriana’. Rehefa milaza aminy isika hoe: ‘Mandehana mijery televiziona’. Rehefa milaza aminy isika hoe: ‘Aza be fanontaniana ianao’. Rehefa tsy manome ho an’ny tanorantsika ny hany zavatra ilainy avy amintsika dia ny fotoanantsika isika. Rehefa tsy maneho amin’ny ankizy iray ny fitiavantsika azy isika. Tsy te hikarakara azy isika. Sahirana loatra fotsiny isika ka tsy afaka ny ho tia ilay ankizy.”
Ilaina ny habetsahan’ny fotoana
Ny filamatra dia tsy hoe ny “fotoana misy vidiny” zaraina tsikelikely amin’ny fomba voalamina fotsiny; tsy maintsy tafiditra amin’izany koa ny “habetsahan’ny fotoana”. Ny Baiboly, izay mirakitra fahendrena lehibe lavitra noho izay mety ho hita ao amin’ny boky rehetra nosoratana momba ny psikolojia, dia manambara toy izao ao amin’ny Deoteronomia 6:6, 7: “Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha”. Ianao dia tsy maintsy mampiditra ao am-pon’ny zanakao ireo zavatra tena misy vidiny avy amin’ny Tenin’Andriamanitra izay efa ao am-ponao. Raha miaina mifanaraka amin’izy ireny ianao dia hanahaka anao ny zanakao.
Tadidinao ve ilay ohabolana voasoratra teo amin’ny fehintsoratra faharoa tao amin’ny lahatsoratra teo aloha? Indro averina eto indray izany: “Zaro amin’izay làlana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany”. (Ohabolana 22:6). Voamarina izany raha nampidirina tao an-tsainy ireo zavatra misy vidiny nampianarina azy, izany hoe, natao tao anatiny, anisan’ny fiheviny, ny fihetseham-pony lalina indrindra, izay maha-izy azy ao anatiny. Tsy hitranga anefa izany raha tsy efa nampianarin’ny ray aman-dreniny azy ireo zavatra misy vidiny ireo, nefa koa, raha tsy efa nampihatra azy ireo ny ray aman-dreny.
Mandray sy mitadidy azy ireo ho anisan’ny fomba fiaina izy. Nanjary fari-pitsipiny manokana izany, anisan’ny tenany. Ny fanaovana ny mifanohitra amin’izany ankehitriny dia tsy ho fanoherana izay nampianarin’ny ray aman-dreniny azy, fa ho fanoherana izay nanjary naha-izy azy. Hivadika amin’ny tenany izy. Ho fandavany ny tenany izany. (2 Timoty 2:13). Tsy misy olona maniry hanao izany amin’ny tenany mihitsy. Noho izany, dia ho sarotra ihany ny ‘hialany amin’izay lalana’ efa nampianarina azy tsikelikely. Aoka àry ny zanakao handray fitondran-tena tsara avy aminao. Ampianaro ny hatsaram-po izy amin’ny fanehoanao hatsaram-po, ny fahalalam-pomba amin’ny fanaovanao izany, fahalemem-panahy amin’ny fisehoanao ho malemy fanahy, ho marina sy mahatoky amin’ny fahatongavanao ho ohatra amin’ireo toetra ireo.
Fandaharana naorin’i Jehovah
Ny fianakaviana dia fandaharana naorin’i Jehovah ho an’ny olona hatramin’ny voalohany. (Genesisy 1:26-28; 2:18-24). Taorian’ny enina arivo taona nisian’ny tantaran’olombelona, dia mbola ekena ho toy ny rafitra tsara indrindra ho an’ny olon-dehibe sy ny ankizy izy io, araka ny nohamafisin’ilay boky hoe Secret of Strong Families (Tsiambaratelon’ny Fianakaviana Miray Saina) amin’izao teny izao:
“Angamba misy zavatra ao anatintsika lalina ao mahatsapa fa fototry ny sivilizasiona ny fianakaviana. Angamba haintsika ho azy rehefa mandinika ny fiainana isika amin’ny farany, fa tsy ny vola na ny anton-draharaha na ny laza na ny trano tsara tarehy na ny fananan-tany na fananana ara-nofo no zava-dehibe — fa ny olona akaiky antsika kosa, izay tia sady miahy antsika. Ny olona akaiky antsika izay mikarakara antsika ary azontsika ianteherana mba hahazoana fanohanana sy fanampiana no tena misy vidiny. Tsy hita na aiza na aiza bebe kokoa noho ny ao anatin’ny fianakaviana ny faniriana ananantsika rehetra hahatsapa fitiavana, fanohanana, fikarakarana ary fahafoizan-tena.”
Noho izany, dia zava-dehibe ny hanaovana fiezahana mafy mba ‘hamafazana’ fampianarana tsara dieny izao, mandritra ireo taona voalohany eo amin’ny fiainana, mba hijinjanao sy ny zanakao amin’ny hoavy, fiainam-pianakaviana sambatra. — Ampitahao amin’ny Ohabolana 3:1-7.
[Efajoro, pejy 10]
Ho Iza Amin’Ireo Ray na Reny Ireo moa Aho?
“Nahazo naoty tsara roa aho”, hoy ny kiakiakam-pifalian’ilay zazalahy kely. “Nahoana no tsy nahazo mihoatra noho ireo ianao?” hoy ny fanontaniana henjana nataon’ny rainy. “Neny a, vitako ny sasa vilia”, hoy ilay ankizivavy avy any an-dakozia. Mamaly tsy rototra ny reniny hoe: “Efa narianao ve ny fako?” “Efa notapahiko ny bozaka”, hoy ilay tovolahy, “ary efa nampirimiko amin’ny toerany ny fanapahana bozaka”. Sady nanainga soroka ny rainy no nanontany azy hoe: “Efa nohetezanao koa ve ny zavamaniry fanao fefy?”
Ny ankizy ao amin’ny trano mifanolo-bodirindrina dia toa sambatra sy miadana. Nitranga tao koa ny toe-javatra nitovy tamin’ireo, ary tahaka izao no fandehany:
“Nahazo naoty roa tsara aho”, hoy ny kiakiakam-pifalian’ilay zazalahy kely. “Tsara indrindra izany! Faly aho fa nianatra tsara toy izao ianao” hoy ny rainy mirehareha. “Neny a, vitako ny sasa vilia”, hoy ilay ankizivavy avy any an-dakozia. Mitsiky ny reniny ary mamaly malefaka hoe: “Tiako bebe kokoa foana isan’andro ianao.” “Efa notapahiko ny bozaka”, hoy ilay tovolahy, “ary efa nampirimiko amin’ny toerany ny fanapahana bozaka”. Mamaly azy amim-pifaliana ny rainy hoe: “Mirehareha ny aminao aho.”
Tokony hoderaina ny ankizy noho ny raharaha ataony isan’andro. Miankina betsaka aminao ny hananany fiainana sambatra.
[Sary, pejy 7]
Miaraka amin’ny reny ny ray amin’ ny famoronana fifandraisana akaiky eo amin’izy ireo sy ny zanany
[Sary, pejy 8]
Rehefa alefa ny fisainana, ny ankizilahy iray manipy ny sandriny mivelatra dia fiaramanidina miakatra eny amin’ny lanitra, manjary trano ilalaovana ny baoritra lehibe iray, manjary soavaly maditra ny tahon-kifafa iray, ny seza iray dia toeran’ny mpamily fiara fanaovana fifaninanana