Nahoana no tokony hovonjena ny alan’ny tany mafana sady mando?
MISY vahoaka maro be mijery baolina kitra ary mitehaka mirefodrefotra amin-kafanam-po. Irin’izy ireo haharitra tsy hisy farany ny lalao. Nefa ataony izay hampianjera ireo mpilalao. Entina mivoaka tsirairay any ivelan’ny kianja ny maty. Manjary misafoaka ireo vahoaka nony injay mihamiadana ny lalao.
Toy izany no mitranga amin’ny fandringanana ny ala. Tian’ny olombelona ny ala; miankina amin’izany mihitsy aza izy ireo, raha ny marina. Nefa ataony izay hahafaty ireo mifanitsy amin’ny mpilalao, dia ireo karazan-javamaniry sy biby, izay ny asa mifampiankina maro loha ataony no mahavelona ny ala. Tsy lalao fotsiny anefa izany. Mahakasika anao ny fandringanana ny ala. Voakasik’izany ny hatsaran’ny fiainanao na dia tsy mbola nahita alan’ny tany mafana sady mando mihitsy aza ianao.
Ny fahamaroan-karazana mahatalanjon’ny zavamiaina, antsoin’ny mpahay siansa hoe “biodiversité”, izay iadian-kevitra, no harena sarobidy indrindran’ny alan’ny tany mafana sady mando. Ny ala maleziana 50 hektara dia mety hahitana karazan-kazo eo amin’ny 835, mihoatra noho ny any amin’ireo alan’i Etazonia sy Kanada mitambatra.
Nefa marefo izany fitambaram-piainana mandrobona izany. Nisy mpahay siansa iray nampitaha ireo karazan-javatra tsirairay ireo tamin’ireo hombo (rivets) amin’ny fiaramanidina iray. Arakaraka ny hamaroan’ny hombo tsy mitana intsony no itomboan’ny fanerena eo amin’ireo sisa tavela ka mahatonga azy ireo hihamarefo. Raha azo ampiharina io fanoharana io, dia “fiaramanidina” iray latsaka an-katerena ny planetantsika. Koa satria mihena ny alan’ny tany mafana sady mando, dia tombanan’ny sasany fa karazan-javamaniry sy biby iray alina no manjavona isan-taona, ary avo 400 heny noho ny tamin’ny fotoana hafa rehetra teo amin’ny tantaran’ny planeta ankehitriny ny hafainganan’ny fanafoanana.
Mitaraina ireo mpahay siansa noho ny fahaverezam-pahalalana be dia be entin’izany fihenan’ny karazana haingana izany. Milaza izy ireo fa izany dia mitovy amin’ny fandoroana trano famakiam-boky iray alohan’ny hamakiana ireo boky ao. Nefa mbola misy fatiantoka azo tsapain-tanana bebe kokoa. Ohatra, ny 25 isan-jato eo ho eo amin’ireo fanafody asaina ampiasaina any Etazonia dia avy amin’ireo zavamanirin’ny alan’ny tany mafana. Ny iray tamin’ny fanafody toy izany dia nampiakatra ny taham-pihenan’ny karazana “leucémie” mpahazo ny ankizy izay 20% tamin’ireo taona 1960, ho 80% tamin’ny 1985. Noho izany, araka ny voalazan’ny W. W. F. (Famoriam-bola maneran-tany ho fiarovana ny zavaboary), ny alan’ny tany mafana sady mando dia “mahaforona farmasia midadasika iray”. Ary zavamaniry tsy tambo isaina no mbola tsy fantatra, ka tokony hodinihina mba hahafantarana izay mety ho fampiasa azy ho fanafody.
Afa-tsy izany koa, dia vitsy amintsika no mahafantatra hoe firy amin’ny zavatra ambolentsika hatao sakafo no niandoha avy tamin’ny zavamaniry hita tany amin’ny alan’ny tany mafana sady mando. (Jereo ny faritra voafefy ao amin’ny pejy faha-11). Amin’izao andro izao, ny mpahay siansa dia mifantina fototarazo (gènes) avy amin’ireny karazana matanjaka avy any an’ala ireny ka manindrona amin’izany ireo zanakazo afindra marefo kokoa, dia ireo hazo famboly, mba hampitomboana ny fahatoherany ny aretina. Nahatsitsy vola an’arivo tapitrisany ariary maro tamin’ny famonjena ny vokatra ny mpahay siansa tamin’izany fomba izany.
Ambonin’izany, dia tsy fantatsika izay zavamaniry fihinana mety mbola homen’ny alan’ny tany mafana ho an’izao tontolo izao. Tsy fantatry ny ankamaroan’ny Amerikana Tavaratra akory fa taonjato iray lasa monja izay, ireo ray aman-drenin’ny raibe aman-drenibeny dia nihevitra ny akondro ho toy ny hafahafa, voankazo avy any amin’ny tany hafa, ary nividy roa dôlara ny akondro iray nofonosina taratasy.
Ny tarehin-javatra amin’ny ambaratonga maneran-tany
Ny tenan’ny olombelona mihitsy no iharam-pahavoazana farany amin’ny fandringanana ny ala. Ny fiantraikany eo amin’ny tontolo iainana dia mihanaka mandra-pihodidiny an’izao tontolo izao. Ahoana izany? Aoka hodinihintsika ny endriny hafa iray mampiavaka ny alan’ny tany mafana sady mando. Araka ny asehon’ny anarany, dia ny orana no foto-javatra lehibe indrindra aminy. Maherin’ny 20 santimetatra no mety hirotsaka isan’andro, ary maherin’ny 9 metatra ao anatin’ny herintaona! Mifanentana tanteraka amin’izany ranonorana mivatravatra izany ny alan’ny tany mafana sady mando.
Aparasaky ny andohalambon-kazo ny ranonorana mandriaka mahery, hany ka tsy lasany ny tany lonaka. Ravinkazo maro no marani-doha na mampitete rano, ka mampiparasaka ny ranonoram-baventy. Amin’izany no mahatonga ny riam-be ho orana madinika mitovy tantana milatsaka amin’ny tany, tsy manimba zavatra. Ny bikany maranitra koa dia mahatonga ny ravinkazo handefa haingana ny rano mba hahafahany hamoaka hatsembohana indray ka hiantoka amin’izany ny fanamandoana ny atmôsfera. Ny sampantsampam-paka dia mitroka ny 95% amin’ny rano tonga eo amin’ny fanambanin’ny ala. Raha fintinina, ny ala dia mifoka ranonorana tahaka ny spaonjy goavana iray ary avy eo dia mamoaka izany moramora.
Nefa rehefa manjavona ny ala, dia miantonta mafy eo amin’ny tany mangadihady ny ranonorana mivatravatra, ka mipaoka an-taoniny maro amin’izany. Ohatra, any Côte d’Ivoire, any Afrika Andrefana, ny alan’ny tany mando iray hektara eo amin’ny tany solampilampy dia tsy mamoy afa-tsy tany eo amin’ny 30 kilao eo ho eo isan-taona. Ny tany iray nofoanana ny ala taminy ka novolena, mitovy velarana amin’io, dia mamoy tany 90 taonina isan-taona; ny an’ny tany mangadihady 138 taonina.
Izany karazana fahaverezana tany izany dia tsy hoe manimba ny tany fanaovana fiompiana sy fambolena fotsiny. Ny hafahafa aminy dia ny tohodrano izay miteraka fanimbana ala goavana mihitsy no simban’izany koa. Rehefa tototry ny fotaka entin’ny renirano avy any amin’ny faritra tsy misy hazo ireo tohodrano dia tampina haingana ka manjary tsy misy ilàna azy. Voaloton’ny fotaka miavosa koa ny faritra amoron-tsiraka sy ny toerana fanatodizan’ny hazandrano.
Mbola mampidi-doza kokoa ihany ireo vokany eo amin’ny orana sy ny toetr’andro. Ireo renirano mipoitra avy any anaty alan’ny tany mafana sady mando, amin’ny ankapobeny, dia feno mandavantaona. Nefa rehefa tsy misy ala mahatonga ho ara-dalàna ny fivarinan’ny rano any amin’ireo renirano, dia ho tondraky ny ranonorana mivatravatra tampoka izy ireny, ary ritra avy eo. Hitranga ny fifandimbiasan’ny tondra-drano sy ny fahamainana. Ny fomba firotsaky ny orana eo amin’ny an’arivony kilaometatra maromaro manodidina dia mety ho voakasik’izany, satria ny ala, amin’ny alalan’ny fitsemboka, dia mandray anjara tapany amin’ny hamandoan’ny rivotra eo akaiky eo. Tamin’izany no nety ho nandraisan’ny fandringanana ny ala anjara tamin’ireo tondra-drano tany Bangladesy sy ireo haintany tany Etiopia, izay nahafaty olona maro be tato anatin’izao folo taona farany izao.
Nefa misy fiantraikany eo amin’ny toetany manerana ny planeta manontolo koa ny fandringanana ny ala. Omena anarana hoe havokavoka maitson’ny tany ny alan’ny tany mafana sady mando, satria mifoka ny eton’arina (gaz carbonique) avy amin’ny rivotra izy, ary mampiasa ny dionarina (carbone) hanamboarana vatana sy rantsana ary hodi-kazo. Rehefa levona tanteraka ny ala iray, dia miely any amin’ny atmôsfera izany dionarina rehetra izany. Ny olana dia hoe manary eton’arina be loatra any amin’ny atmôsfera ny olombelona (amin’ny fandoroana angôvo avy amin’ny tany sy amin’ny fandringanana ny ala), izay mety ho efa nandefasany fanafainganana ny fanafanana ny planeta, antsoina hoe “effet de serre”, izay miteraka fiempoan’ny ranomandry any amin’ny tendrontany sy mampiakatra ny haavon’ny ranomasina, ary hanafotra ny faritra amoron-tsiraka.a
Tsy tokony hahagaga àry raha tafiditra ao anatin’ny fahasahiranana lehibe ny mponina rehetra maneran-tany. Manolotra fanampiana ve izy ireo? Moa ve nisy vahaolana naroso? Inona no fanantenana manoloana izao toe-javatra mampalahelo izao?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo Réveillez-vous! tamin’ny 8 Septambra 1989.
[Efajoro, pejy 11]
Ireo fanomezana avy amin’ny alan’ny tany mafana
Moa ve misy sombin’alan’ny tany mafana sady mando any akaikin’ny fonenanao izao? Hevero ny sasany amin’ireo zavamaniry fihinana avy any amin’ireo alan’ny tany mafana sady mando manerana an’izao tontolo izao: vary, katsaka, vomanga, mangahazo (“cassave” na “tapioca”), fary, akondro, laoranjy, kafe, voatabiha, sokolà, mananasy, zavokà, lavanila, voasarihangibe, mbamin’ireo karazana voankazo mafy hoditra (toy ny voaniho), zava-manitra fanao amin’ny sakafo, ary dite. Ny antsasaky ny zavamaniry fihinana ambolena maneran-tany amin’izao andro izao dia mifototra amin’ny zavamaniry avy any amin’ireo alan’ny tany mafana sady mando! Ary vitsivitsy monja amin’ny zava-pihinana raketin’ny ala ireo.
Hevero ny amin’ireo fanafody: ireo alkalôida avy amin’ny zavamaniry mandady dia ampiasaina ho fanalefahana ny siraka (muscles) mialoha ny fandidiana; ireo izay mahaforona ny “hydrocortisone” hisakanana ny fahateramena, ny kininina hiadiana amin’ny tazo, ny “digitaline” hitsaboana ny aretin’ny fo, ny “diosgénine” ao amin’ny pilina tsy mampiteraka, ary ny “ipéca” fampandoavana, dia samy avy amin’ireo zavamanirin’ny alan’ny tany mafana sady mando avokoa. Misy zavamaniry hafa nanome vokany mahabe fanantenana eo amin’ny fitsaboana ny SIDA sy ny homamiadana, ary koa ny aretin-kibo mampivalana, ny fanaviana, ny kaikitry ny bibilava, ary ny “conjonctivite” mbamin’ny areti-maso hafa. Tsy fantatra izay fanafody vaovao mbola mety ho hita. Latsaka ny iray isan-jaton’ireo karazan-javamaniry any amin’ny alan’ny tany mafana sady mando no nodinihin’ireo mpahay siansa. Nitaraina toy izao ny mpandinika ny zavamaniry iray: “Manafoana zavatra tsy fantatsika na dia ny fisiany akory aza isika”.
Mbola misy zavatra maro hafa avy any amin’ireny ala mihalany ireny: rononon-kazo (latex), ramy (résine), savoka, asidra, alikaola, ranomanitra, fanatsatsoan-javatra, fandokoana, tady toy ireo ampiasaina amin’ny salotra famonjena aina, ny gaoma anaovana siligaoma, volotsangana, ary tsontsoraka (rotin) — fototry ny varotra malaza maneran-tany.
[Kisary/Sary, pejy 9]
(Jereo ny gazety)
Ny anjara asan’ny ala
Manampy hamandoana sy ôksizenina amin’ny atmôsfera ny ala
Miaro ny tany amin’ny ranonorana mivatravatra ny andohalambon-kazo
Mifoka sy mitahiry dionarina ny zavamaniry
Manampy amin’ny fampandehanana ny fivarinan’ny rano any amin’ny renirano ireo fakan-kazo
[Sary, pejy 10]
Vokatry ny fandringanana ala
Milaza haintany betsaka kokoa ny fihenan’ny hamandoana eny amin’ny atmôsfera
Mikaoka ny tany tsy voaro ny ranonorana. Mitombo ny tondra-drano
Mampiely dionarina sy mampitombo ny fanafanana ny planeta ny fandoroana hazo