FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g91 8/1 p. 12-14
  • Manana hoavy ve ireo ala?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manana hoavy ve ireo ala?
  • Mifohaza!—1991
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Hahavita izay tsy vitan’ny hafa ve ireo mpiaro ny tontolo iainana?
  • Ny fototr’ilay zava-manahirana
  • Ho Lany Ripaka ve ny Alan’ny Tany Mafana?
    Mifohaza!—2003
  • Manjavona ao anatin’ny iray segondra!
    Mifohaza!—1991
  • Iza no Hiaro ny Alan’ny Tany Mafana?
    Mifohaza!—2003
  • Ny Soa Azo avy Amin’ny Ala Tropikaly
    Mifohaza!—1998
Hijery Hafa
Mifohaza!—1991
g91 8/1 p. 12-14

Manana hoavy ve ireo ala?

ANY amin’ny nosin’i Pâques, any amin’ny faritr’i Pasifika atsimo, dia misy loha ngeza vita tamin’ny vato, manangasanga avy eo ambonin’ireo ilan-kavoana rakotr’ahitra ary mitazana toa tsy misy fihetseham-po ny any amin’ny ranomasina. Tapitra nanjavona tsikelikely efa taonjato maro lasa izay ireo olona nanao azy ireo. Any amin’ny faritra andrefan’i Etazonia, ny sisan-trano tranainy simba any amin’ny tany foana tsy misy mponina no hany zavatra mampahatsiahy ireo mponina izay nanjavona ela be talohan’ny nahasahian’ireo fotsy hoditra nankany akory aza. Ny tany sasany nisy sivilizasiôna sy varotra niroborobo voalaza ao amin’ny Baiboly izao dia efitra andalovan’ny rivotra sisa. Nahoana?

Amin’ireo toe-javatra telo ireo, dia mety ho anisan’ny valin’izany ny fandringanana ireo ala. Misy manam-pahaizana sasany mihevitra fa voatery nandao ireny toerana ireny ny olona satria nofoanany tanteraka ireo ala tany. Rehefa tsy nisy hazo intsony dia nanjary ngazana ilay tany ary dia nifindra nankany an-toeran-kafa ny olona. Amin’izao andro izao anefa dia madiva hanao toy izany amin’ny planeta iray manontolo ny olona. Hanao izany tokoa ve izy? Tsy misy na inona na inona afaka misakana izany fitrangan-javatra izany ve?

Maro no miezaka manao izany. Tany Himalaya, dia toa hoe nisy vehivavy namihina hazo ho fara hery teo amin’ny fiezahany mba hanakana ireo mpikapa tsy hikapa ireo hazo. Tany Malezia, dia nisy foko iray mponina an’ala nanao filaharana mba hanakanana ny fiavian’ireo mpikapa hazo sy ny miliny lehibe.

Voakasik’io zava-tsarotra io akaiky mihitsy ny olona roanjato tapitrisa izay miankina amin’ny alan’ny tany mafana sady mando ny fivelomany. Arakaraka ny androsoan’ny sivilizasiôna, ireo foko teratany dia mihamitsofoka lalina kokoa hatrany ihany any anaty ala, indraindray mandra-pifanenany amin’ny mpanjana-tany manatona avy erỳ amin’ny ilany. Foko maro no ripaky ny aretina entin’ireo tsy tompon-toerana vao tonga. Ny hafa, voatery hampifanaraka ny fiainany amin’ny tontolo any ivelany, dia miafara eo anilan’ireo mponina mahantran’ny tanàn-dehibe — ailika ka tafalatsaka ao anatin’ny fitondrantena ratsy. Nefa mihamahatsikaritra ny fahoriana manjo azy ireo izao tontolo izao. Nanomboka nanetsiketsika ny tany manontolo ny fanentanana hiaro ny tontolo iainana.

Hahavita izay tsy vitan’ny hafa ve ireo mpiaro ny tontolo iainana?

“Ny fahalalana sy ny teknôlôjia dia samy eo mba hamonjena ireo alan’ny tany mafana eto amin’izao tontolo izao”, hoy ny fiandohan’ny boky hoe Ny famonjena ireo alan’ny tany mafana (anglisy). Efa noporofoina tany amin’ny saha maromaro maneran-tany izany. Natokana ho an’ny fambolena hazo amin’ny faritra midadasika ny Sahan’i Guacanase eo ambany fitantanan’ny fanjakana any Costa Rica. Hazo an-tapitrisany maro no nambolena any amin’ny tany toa an’i Kenya, India, Haiti ary Shina. Ny fambolena hazo anefa dia tsy mitovy tanteraka amin’ny famerenana ireo ala amin’ny laoniny.

Indraindray, ny hoe “volihazo” raha ny marina dia varotra fambolena karazan-kazo tokana natao hahazoana vokatra any aoriana. Tsy azo ampitahaina amin’ny fifampiankinam-pivelomana be kojakojan’ny alan’ny tany mafana sady mando izany. Ankoatra izany, dia misy milaza fa tsy azo averina amin’ny laoniny na oviana na oviana ny ala mandon’ny tany mafana mba hahazo indray ny toetrany be kojakojany tany am-boalohany. Tsy mahagaga raha manizingizina ny mpiaro ny tontolo iainana maro fa ny fiarovana tsy ho simba dia tsara kokoa noho ny famerenana amin’ny laoniny.

Kanefa tsy mora toy ny iheverana azy ny fiarovana tsy ho simba. Raha kely loatra ny faritra misy ny ala iray dia tsy ho ela velona izy. Misy mpiaro ny tontolo iainana manolotra hevitra fa 10 ka hatramin’ny 20 isan-jaton’ireo alan’ny tany mafana sady mando eo amin’izao tontolo izao fara faharatsiny no tokony hatokana tsy hokasihina, raha tiana ny hihazonany ny karazam-piainana maro dia maro ao aminy. Amin’izao fotoana izao anefa dia 3 isan-jaton’ny alan’ny tany mafana sady mando any Afrika monja no voaro. Any Azia atsimo atsinanana dia 2 isan-jato izany; any Amerika atsimo, 1 isan-jato.

Ary ny sasany amin’ireo faritra ireo dia voaro an-taratasy fotsiny. Tsy mahomby ny fikasana ny hisian’ny saha sy tany atokan’ny fanjakana rehefa tsy voaomana na voatantana tsara, na koa, rehefa atsofok’ireo mpiasam-panjakana mandray kolikoly any am-paosiny ny vola ho an’ireo saha. Ny sasany aza mitady ny hahazo vola amin’ny fanomezana lalana hikapa hazo an-kinafina. Vitsy dia vitsy ihany koa ny olona azo ampiasaina. Any Amazonia, dia mpiambina iray monja no notendrena hiaro ny faritra iray misy alan’ny tany mafana sady mando mitovy velarana amin’i Frantsa.

Mampirisika koa ny mpiaro ny tontolo iainana fa ireo mpamboly dia tokony hampianarina ny fomba famboly tsy mampiasa ny tany amin’ny fomba tafahoatra hany ka ho voatery hifindra toerana ary hikapa hazon’ny ala hafa izy ireo. Ny sasany dia nanandrana namboly karazam-bokatra maro samihafa teo amin’ny tany iray ihany, ka izany dia nampandositra bibikely manimba voasinton’ny karazana tokana ihany. Afaka miaro ny tany amin’ny oran’ny tany mafana ny hazo fihinam-boa. Ny hafa dia namelona indray ny fomba fambolena tranainy. Mihady lakandrano manodidina tany kely misy zaridaina maromaro izy ireo ary mandraoka fotaka sy ahidrano amin’ny angady avy amin’ireo lakandrano ho amin’ireo tany kely ho toy ny hanina ho an’ireo vokatra. Azo atao koa ny miompy trondro ao amin’ireny lakandrano ireny ho loharanon-tsakafo fanampiny. Efa nahita fahombiazana lehibe ireo fomba fanaovan-javatra ireo nandritra ny fanandramana.

Maka fotoana sady mitaky vola sy fahaizana anefa ny fampianarana ny olona izany “fomba” izany. Maro be loatra ny zava-manahirana ara-toekarena atrehin’ireo firenena any amin’ny tany mafana ka tsy afaka hanao izany fampiasam-bola tsy mitondra vokatra eo no ho eo izany izy. Na dia miely hatraiza hatraiza aza anefa ny fahaizana ara-teknika, dia tsy handamina ilay zava-manahirana izany. Izao no nilazan’i Michael H. Robinson izany: “Tsy noho ny tsy fahalalana na ny hakelezan-tsain’ny olona no maha-ringana ireo alan’ny tany mafana sady mando, fa noho ny fahantrana sy ny faniriana mihoa-pampana voalohany indrindra.”

Ny fototr’ilay zava-manahirana

Ny fahantrana sy ny faniriana mihoa-pampana. Toa hita fa mifototra lalim-paka ao amin’ny mahaforona ny fitambaran’olombelona mihitsy ny zava-manahirana momba ny fandringanana ny ala, lalina lavitra noho ny fidiran’ny fakan’ireo hazon’ny alan’ny tany mafana sady mando ao anatin’ny tany manify any amin’ny tany mafana. Afaka mamongotra io zava-manahirana io ve ny olombelona?

Nisy fivorian-dehibe natrehin’ny firenena 24 natao tamin’ny herintaona tany La Haye, any Holandy, izay nanolo-kevitra ny hamoronana sampana iray manana fahefana eo anivon’ny Firenena mikambana ka hantsoina hoe Globe. Araka ny gazety Financial Times any Londres, ny Globe dia hanana “fahefana tsy mbola nisy toy izany mba hanorenana sy hampanajana fari-pitondrantena momba ny tontolo iainana.” Na dia ho voatery hamoy ny sasany amin’ny fahefana ananany sy ankamaminy aza ny firenena sasany mba hahafahan’ny Globe hahazo hery marina tokoa, dia misy milaza fa tsy maintsy hipoitra ny fandaminana toy izany indray andro any. Ny fiasana tafaray sy iraisam-pirenena ihany no afaka hikarakara zava-manahirana iraisam-pirenena.

Toa mazava ho azy izany. Fitondram-panjakana na fiasana olombelona inona anefa no afaka hamongotra tanteraka ny faniriana mihoa-pampana sy ny fahantrana? Fitondram-panjakana iza no efa nahavita izany? Matetika loatra izy ireo dia mifototra amin’ny faniriana mihoa-pampana, ka mampaharitra ny fahantrana noho izany. Tsia, tsy hanana hoavy tokoa ireo ala, ary ny olombelona mihitsy koa aza, raha voatery hiandry fiasana olombelona iray isika mba handaminana ny zava-manahirana momba ny fandringanana ny ala.

Diniho anefa ity manaraka ity. Tsy manome porofo ve ireo ala fa noforonin’ny fisiana manan-tsaina be izy ireo? Izany tokoa! Hatreo amin’ny fakany ka hatramin’ny raviny, ireo alan’ny tany mafana sady mando dia manambara fa izy ireo dia asa tanan’ny Tompo-marika Fara tampony.

Hamela ny olona handripaka tanteraka ireo alan’ny tany mafana sady mando ka hanimba ny tanintsika àry ve io Tompo-marika Lehibe io? Mamaly io fanontaniana io mivantana ny faminaniana miavaka iray ao amin’ny Baiboly. Hoy ny vakina ao: “Ary tezitra ny firenena maro, ary tonga ny fahatezeranao [ny an’Andriamanitra] sy ny fotoana (...) hanimbanao izay manimba ny tany.” — Apokalypsy 11:18.

Misy zavatra manintona ny saina roa momba izany faminaniana izany. Voalohany aloha, izy io dia manondro ny fotoana hahafahan’ny olona tokoa hanimba ny tany manontolo. Rehefa nosoratana ireo teny ireo efa ho roa arivo taona izay, dia tsy afaka nanimba ny tany ny olona na nanidina nankany amin’ny volana. Amin’izao andro izao anefa izy dia mahavita ireo roa ireo. Faharoa manaraka izany, ilay faminaniana dia mamaly ilay fanontaniana hoe ho afaka ny hanimba ny tany manontolo ve ny olona — amin’ny hoe “tsia” manakoako!

Nanao ny olona mba hikarakara ny tany sy hamboly azy Andriamanitra, fa tsy hampangadihady azy tanteraka. Tany Isiraely fahiny izy dia nametra ny hoe hatraiza no azon’ny vahoakany nanitarana ny fandringanany ny ala fony izy ireo nandresy ny Tany nampanantenaina. (Deoteronomia 20:19, 20) Mampanantena izy fa ny taranak’olombelona rehetra amin’ny hoavy tsy ho ela dia hiaina hifanaraka tanteraka amin’ny tontolo hiainany. — 1 Jaona 2:17; Jeremia 10:10-12.

Manolotra fanantenana ny Baiboly, dia fanantenana ny amin’ny fotoana izay hambolen’ny olona ny tany ho tonga paradisa fa tsy hanovany azy ho efitra amin’ny fandringanana ireo hazo amin’ny bilidôzera, hanamboarany azy fa tsy hitondrany azy amin’ny fomba ratsy, hikarakarany azy amin’ny fahatsinjovana ny hoavy lavitra fa tsy hakany aminy amim-paniriana mihoa-pampana hatramin’ny hareny farany indrindra mba hahazoana tombony mihelina. Manana hoavy ireo ala. Ny fandehan-javatra maty eritreritra manimba azy sy ny tany rehetra no tsy manana hoavy velively.

[Sary, pejy 13]

Nety ho antony nahatonga ny fanjavonan’ny sivilizasiôna iray ny fandringanana ny ala teto amin’ny nosin’i Pâques

[Sary nahazoan-dalana]

H. Armstrong Roberts

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara