Iza no mamono ny alan’ny tany mafana sady mando?
FANAMELOHANA ny olona mahantra eo amin’izao tontolo izao mazàna no avaly io fanontaniana io. Hatramin’ny taonjato maro tokoa ireo tantsaha any amin’ny tany mafana dia mamboly ny tany amin’ny fanaovana voly tavy (kapaina sy dorana ny ala hanaovana fambolena). Kapainy ny ampahana ala iray ary dorany, ka aloha na aorian’ny fandoroana indrindra, dia amafazany voa eo. Manome tsiron-tany ny voa ny lavenon’ny ala.
Izany fomba fambolena izany dia nampiharihary efa hatramin’ny ela be izao, toetra iray mahagaga mampiavaka ireo alan’ny tany mafana sady mando, dia ny hoe eo amin’ny 95% aminy no maniry eo amin’ny tany faran’izay kotra (lany tsiro). Ovan’ny ala haingana ny tsiron-tany ka hazonin’ireo hazo sy zavamaniry avo dia avo ny ankabeazany, ary voaro amin’ny ranonorana izay hipaoka azy hiala amin’ny tany. Mety tanteraka amin’ny manodidina azy àry ny alan’ny tany mando. Tsy mety loatra amin’ny tantsaha anefa izany.
Ny tarehin-javatra mampamoifo hitan’ny mahantra
Vetivety aoka izany dia paohin’ny ranonorana ny tsiron-tany ao amin’ny lavenon’ny ala may. Tsikelikely, dia manjary nofy ratsy sisa ny fambolena. Manazava izany toy izao ny tantsaha boliviana mahantra iray: “Tamin’ny taona voalohany, dia nokapaiko ny hazo ary nodorako. Ary nandrobona sy tsara ny katsaka tao anaty lavenona, ka nihevitra daholo izahay rehetra fa nahomby rehefa ela ny ela. (...) Hatramin’izay anefa dia tsy nisy na inona na inona nandeha intsony. Mihakarakaina ny tany, ary tsy ho ela dia ahidratsy sisa haniry eo. (...) Ary ny bibikely? Tsy mbola nahita karazany maro toy izany aho. (...) Very daholo ny zavatra rehetra.
Taloha ny tantsaha dia nianina tamin’ny fikapana ampahana ala vaovao ka navelany tamin’izao ireo sombin-tany lany tsiro. Raha vao miverina amin’ny laoniny indray izany, dia azo kapaina daholo indray. Mba hetezan’izany anefa dia tsy maintsy voahodidin’ny ala voalohany ireo ampahana ala notevezina, mba hahafahan’ny bibikely, ny vorona, ary ny biby hafa hanaparitaka ireo voa sy hamindra vovobony amin’ireo hazo tanora. Maka fotoana ny fanaovana izany.
Nanova zavatra koa ny fihoaran’ny isan’ny mponina. Koa satria miara-mitombo isa amin’izany ireo mpamboly, dia mihafohy ny fe-potoana ialan’ny tany sasatra. Matetika tokoa ireo mpamboly mpiavy no mandany tsiro fotsiny ny taniny mandritra ny taona vitsivitsy, avy eo dia miditra lavidavitra kokoa ao anaty ala izy ireny ka mandoro velarana lehibe aminy.
Misy antony hafa manasarotra ny tarehin-javatra. Ho an’ny androatokony eo ho eo amin’ny mponina any amin’ny tany eo an-dalam-pandrosoana, dia ny kitay no hany fampirehitra hahandroan-tsakafo sy hanafanana trano. Noho izany antony izany, dia olona maherin’ny arivo tapitrisa no mikapa hazo hataina ka tsy maharaka izany ny fanirian’ny hazo indray.
Antony lalina kokoa
Mora ny manome tsiny ireo mahantra. Nefa, araka ny lazain’i James D. Nations sy Daniel I. Komer, manam-pahaizana momba ny tontolo iainana, izany dia toy ny “fiampangana ny miaramila ho miteraka ny ady”, ary nampiany hoe: “Saribakoly afindrafindra fotsiny arakaraka izay ilaina amin’ny fitondrana tafika izy ireny. Mba hahatakarana ny anjara raisin’ny mpamboly mpiavy amin’ny fampihenana ny ala, dia ilaina aloha ny manontany tena hoe nahoana ireny fianakaviana ireny no tonga manorim-ponenana any an’alan’ny tany mafana. Tsotra ny valiny: satria tsy misy tany ho azy ireny any an-toeran-kafa.”
Any amin’ny tany mafana iray, dia eo amin’ny 72% amin’ny tany no tanan’ny 2% monja amin’ny tompon-tany, kanefa 83% amin’ny fianakaviana mpamboly no tsy afaka hivelona amin’ny taniny raha manana izany aza izy ireny. Hita amin’ny ambaratonga samihafa izany tarehin-javatara izany maneran-tany. Velaran-tanin’olona manokana midadasika no atokana, tsy hamokaran-tsakafo ho an’ny mponina eo an-toerana fa ho an’ny voly zavatra haondrana any amin’ireo tany manankarena any amin’ny faritra antonontonony ny hafanana.
Meloka iaraha-mahalala hafa koa ny taozava-baventy momba ny hazo. Tsy vitan’ny hoe efa manimba ny ala izy, fa mahatonga azy ho mora may koa — sy mora simban’ny olona. Amin’ny fanokafan-dalana any anaty ala velona amin’ny alalan’ny bildôzera mba hanamora ny fitaterana ny vatan-kazo voakapa, dia mampitombo ny firohotan’ny mpamboly mpiavy izy.
Ary rehefa tsy mahomby ny fambolena, araka ny mitranga matetika, dia vidin’ny mpiompy iray ny tany ka ovany ho tanimbilona hiraofan’ny biby. Izany indrindra no hita any Amerika Afovoany sy Atsimo. Aondrana mankany amin’ny tany manankarena ny ankamaroan’ny omby ompiana any. Amin’ny antsalany, ny isan’ny saka mihinana henan’omby any Etazonia ao anatin’ny taona iray dia betsaka kokoa noho ny an’ny mponina any Amerika afovoany.
Rehefa fakafakaina farany, dia ireo firenena be taozava-baventy no manohana ara-bola ny famonoana ny alan’ny tany mafana sady mando — mba hanomezana fahafahampo ny faniriany mihoa-pampana. Ny hazo avy any amin’ny tany hafa, ny vokatry ny tany sy ny henan’omby tiany hafarana avy any amin’ireo tany mafana, izany rehetra izany dia mitaky fanoloana na fandripahana ny ala mihitsy aza. Ny filana “cocaïne” tsy mety afapo any Amerika sy Eoropa dia milaza fanaovana sorona alan’ny tany mafana sady mando any Pérou ana hetsiny hektara maro, ho an’ny voly “coca” mampidi-bola be.
Vinavina tsy manjary
Maro ny fitondram-panjakana mazoto mampirisika hamono ny ala. Manome fanafoanan-ketra ny mpiompy sy ny fanjarianasa momba ny ala ary ny mpanondrana vokatry ny tany izy ireny. Ny firenena sasany dia hanome sombin-tany ny tantsaha iray raha toa izy io ka “manatsara” izany amin’ny fikapana ny hazo ao. Ny tany iray any Azia Atsimo Atsinanana dia nandefa mpamboly mpiavy an-tapitrisany maro ho any amin’ireo alany any lavitra.
Heverina ho fanampiana ny mahantra na hanatsarana ny toekarena mitotongana ny tetikasa toy izany. Nefa araka ny fahitan’ny manam-pahaizana manokana azy, na dia ireny tombony azo avy hatrany ireny aza dia hevi-dravina fotsiny. Ohatra, ny tany nanjary tsy azo volena dia mety tsy hanatsara kokoa ny fiompiana. Raha ny marina, amin’ny ankapobeny dia ilaozana ireo toeram-piompiana rehefa afaka folo taona.
Matetika no tsy mandeha tsara kokoa ny taozava-baventy momba ny hazo. Rehefa kapaina tsy misy fieritreretana ny hoavy ny hazo be ravina, dia mihasimba haingana ny ala. Tombanan’ny banky iraisam-pirenena fa 20 mahery amin’ireo tany 33 manondrana karazan-kazo fahita any an’alan’ny tany mafana ankehitriny, no tsy hanana izany intsony ato anatin’ny folo taona. Rehefa avy nikapa hazo be loatra i Thaïlande dia voatery nandrara izay rehetra mety ho fikapana hazo. Heverina fa any antenatenan’ireo taona 90 dia ho tapitra voakapa tanteraka ny alan’i Philippines.
Nefa ny tena hafahafa indrindra dia ity: Asehon’ny fandinihana natao fa afaka miteraka fidiram-bola misimisy kokoa ny sombin’alan’ny tany mafana sady mando iray raha toa avela amin’izao ka angonina ny vokatra azo avy aminy — ny voankazo sy ny fingotra — ohatra. Eny, ahazoana vola be kokoa noho ny fanaovana azy ho tany fambolena, tanimbilona, na fikapana hazo izany. Kanefa dia mitohy ny fandringanana ny ala.
Tsy afaka hiaritra izany fitondrana atao aminy izany mandrakizay ny planeta. Izao no lazain’ilay boky hoe: Famonjena ny alan’ny tany mafana (anglisy): “Raha mitohy araka ny fandehany ankehitriny ny fanimbana, ny fanontaniana dia tsy ny hahafantarana raha hanjavona ny alan’ny tany mafana sady mando, fa ny hoe rahoviana.” Nefa hijaly tokoa ve izao tontolo izao raha hanjavona avokoa ny alan’ny tany mafana sady mando?
[Sary, pejy 7]
Antony mahatonga fandringanana ala
Tondra-drano ateraky ny tohodrano
Voly tavy
Fikapana hazo
Fiompiana