Sigara — Ny fomba fijery Kristiana
MIHARIHARY fa tsy resahin’ny Baiboly na ny sigara na ny fifohana satria tsy fantatra tany Atsinanana Afovoany fahiny izany. Ny antony tsotra dia satria nipoitra avy tany Amerika Atsimo sy Meksika ary India Andrefana ny voly paraky, ary tsy tafiditra tao amin’ny sisa amin’ny tontolo raha tsy tany antenatenan’ny taonjato faha-16.
Midika ve izany fa tsy miresaka na inona na inona momba ny fifohana ny Baiboly? Tsy izany mihitsy. Manambara mazava fotopoto-pitsipika izay ampiharina maneran-tany sy mpitari-dalana ny fitondrantenantsika izy. Inona no sasantsasany amin’izany fotopoto-pitsipika fototra izany?
Fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana
Ny antony manosika fototra ho an’ny kristiana dia tsy maintsy ho izay nolazain’i Jesosy tamin’izao teny izao: “ ‘Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra’; ary, ‘Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.’ ” — Lioka 10:27.
Ahoana no ahafahan’ny olona iray ho tia an’Andriamanitra amin’ny fony, fanahiny, sainy ary heriny rehetra raha toa izy ka minia mikiky miandalana ny fahafahany manao zavatra amin’ny fanaranam-po amin’ny fahazarana na fanao ratsy iray mitarika ho amin’ny aretina sy fahafatesana aloha be? Ahoana no anehoan’ny olona iray fankasitrahana ny aina fanomezan’Andriamanitra rehefa mifoka zava-mahadomelina miteraka filana foana toy ny “nicotine” izy? Andriamanitra no nanome “ny olona rehetra aina sy fofonaina”. (Asan’ny Apostoly: 17:24, 25, MN) Tokony hosimbantsika ve izany fofonaina nomen’Andriamanitra izany? Araka ny fiheveran’Andriamanitra dia fanao ratsy marina tokoa izany, “faharatsiana, fietrena, na koa fanao na fahazarana maloto.” — The American Heritage Dictionary of the English Language.
Ahoana no anehoan’ny fifohana fitiava-namana rehefa mandoto ny fitafiana sy ny rivotra manodidina azy ny fofonaina sy setroka maimbon’ny mpifoka iray? Ahoana ny amin’ireo namana akaiky indrindra ny mpifoka, dia ny vady aman-janany? Fitiavana ve ny fanohizana manao zavatra iray mety hitarika ho amin’ny fahafatesana aloha be sy miadana ary mampanaintaina, izay voatery hojeren’izy ireo? Fanehoana fiheverana kristiana amin’ny hafa ve ny fanerena azy ho mpifoka tsy fidiny amin’ny fifohana ny fofonaina misy poizina mahafaty avy amin’ny mpifoka iray? Tsy mahagaga raha ao amin’ny faritry ny zavamaniriny misy poizina no nametrahan’ny toeram-pambolena ara-tsiansa any Blanes, any Espaina, ny voly paraky!
Inona no holazaina ny amin’ny fitiavana ny tena? Ara-dalàna ny hitiavanao ny tenanao ka hiahianao ny fahasalaman’ny vatanao sy ny sainao ary ny ara-panahinao. Nanambara ny apostoly Paoly fa “tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy.” Fanehoana fitiavana ny tena ve ny fanaranam-po amin’ny fahazarana iray manimba tsikelikely ny fahasalaman’ny tena? — Efesiana 5:28, 29.
Nampanantena i Jehovah Andriamanitra fa hisy ‘lanitra vaovao sy tany vaovao, izay hitoeran’ny fahamarinana’. (2 Petera 3:13) Izany dia ho tontolo vaovao iray madio, tsy misy fandotoana na inona na inona. Tsy havela hisy na hirina ho ao akory aza ny fifohana amin’izany, koa nahoana no mifoka amin’izao fotoana izao? Araka ny fandrindran-kevitra no iharan’ity torohevitr’i Paoly ity eto: “Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.” (2 Korintiana 7:1) Mandoto ny nofo ara-bakiteny tokoa ny “nicotine”. Ny fifohana dia tsy ahafahan’ny kristiana iray hanolotra ny tenany amin’Andriamanitra ‘ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra, dia fanompoana masina atao araka ny fandrindran-kevitra.’ (Romana 12:1, MN) Ny fandrindran-kevitra dia milaza fa manimba sy mifanohitra amin’ny fotopoto-pitsipika kristiana ny fifohana. Izany àry no antony manosika voalohany tsy hifoka intsony raha tian’ny olona iray ny hampifaly an’Andriamanitra.
Nahoana izy ireo no niala?
Olona an-tapitrisany maro maneran-tany no niala tamin’ny sigara. Mety ho vita izany. Nefa ahoana? Inona no ilaina? Antony manosika mahery iray. Ho an’ny ankamaroany, izany dia noho ny fahasalamana sy ny fanajana ny tena ary fitiavana ny mpianakavy. Nefa ny hafa koa manana antony ara-pivavahana, dia ny faniriana hampifaly an’Andriamanitra.
Ahoana àry ny amin’i Ray, Bill, Amy, ary Harley, noresahina tao amin’ny lahatsoratra faharoa? Nahoana izy ireo no niala tamin’ny sigara?
I Bill, izay be volombava sy mpanantalenta lava volo fahiny, dia nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanao ahoana avy eo? “Nanapa-kevitra ny haniry hampifaly an’Andriamanitra aho ary hanompo azy amin’ny vatana sy saina madio. Niala tsy nisy hataka andro aho. Tsy nanao fialana tsikelikely aho. Tamin’ny 1 janoary 1975 aho no nampipololotra sigara farany, ary avy eo dia nanary ny fonosan-tsigara. Nihatsara ny fahasalamako nanomboka teo. Mbola misy fivontosana kely amin’ny tenako. Nefa hatramin’ny fahaizako manavaka loko aza dia nihatsara taorian’ny nialako tamin’ny sigara.”
Manazava ny fomba nialany i Amy, ilay mpanampy ny mpandidy. “Nanatrika fandidiana fo misokatra aho, ary nahita ny karazana havokavoka rehetra — mavokely sady salama, maintimainty sady voapoizina. Na dia nahita izany havokavoka narary nampihoron-koditra izany aza aho, ka toy ny hoe feno dipoavatra mainty no fahitako azy, dia mbola tsy nitsahatra ny nifoka ihany aho. Namita-tena aho tamin’ny filazana hoe: ‘Mbola tanora ianao. Tsy hitranga aminao izany.’
“Avy eo, tamin’ny 1982, dia nahatsapa aho fa nila nandamina ny fiainako, ary nanomboka nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelona. Na dia niara-nipetraka tamin’ny Vavolombelona iray tao an-tranony aza aho dia fanaoko ny nitsaitsaika tany an-tafontrano mba hifoka! Noho izany dia tsy maintsy nanery tena aho. Nanao vavaka mafy sady naharitra aho. Nefa rehefa nanao ilay fanapahan-kevitra aho dia mora tamiko izany. Fisedrana ny roa andro voalohany, nefa ny fanalahidy ho ahy dia ny vavaka tsy tapaka.”
I Harley, ilay mpanamory fiaramanidin’ny tafika an-dranomasina taloha dia nisetra fotoan-tsarotra nialana tamin’ny fahazarana tamin’ny “nicotine”. “Nanandrana nampitsahatra miandalana ny fifohako aho, nefa tsy nety. Avy eo, rehefa nanapa-kevitra ny haniry ho vita batisa amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah aho dia niala tsy nisy hataka andro. Nijaly anefa aho nandritra ny roa na telo andro. Hendratrendratra sy taitaitra ary nihenjana mafy aho. Endrey izany faniriako sigara! Avy eo dia nisy Vavolombelona iray nanampy ahy tamin’ny torohevitra tsara. ‘Rehefa ta haka sigara iray ianao dia amin’izay indrindra ianao no tsy maintsy mangataka fanampiana amin’i Jehovah.’ Nety tamiko izany. Ny hevitra iray nanohina ahy mafy dia ny hoe ‘Afaka maka sary an-tsaina an’i Jesosy misy sigara eny am-bavany ve aho?’ Tsy azo saintsainina izany. Nefa tsapako fa mila antony manosika mahery ny mpifoka iray mba hialana amin’izany. Fanaoko ny niteny tamin’ny reniko hoe: ‘Ny tenako ihany no simbako, ry Neny, a.’ Raha ny marina anefa dia nanimba azy koa aho, tamin’ny fomba maro.”
I Ray, ilay manamboninahitra tao amin’ny tafika an-dranomasina taloha koa dia nahatsapa fa tsy mora ny miala amin’ny sigara. “Nanandrana imbetsaka aho talohan’ny nifankahitako tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, saingy tsy nety mihitsy izany. Nifanerasera mandrakariva tamin’olona mpifoka aho, ary sarotra ny nanda ilay sigara natolotra. Nefa rehefa nahalala ny fahamarinana avy ao amin’ny Baiboly aho dia naniry hanompo an’i Jehovah, toy izay nataon’i Jesosy. Noho izany, dia niala tao anatin’ny indray andro aho. Fadiranovana aho nandritra ny roa herinandro. Nitaky “nicotine” mafy ny tenako. Nefa toy inona ny fiovana nentin’izany! Nahazo hery be tsy nisy toy izany tampoka teo aho. Nanjary nanana fanajana ny tenako aho. Mavitrika indray aho.”
Mendrika ny hatao ve izany?
Ny fahendrena dia milaza fa izay rehetra fanao manimba dia tokony havela. Nefa raha ny amin’ny fifohana dia tsy noho izy manimba fotsiny no iresahantsika azy. Mahafaty izy io, ary mitondra fahafatesana. Misy poizina izy. Toy izao no nambaran’i Patrick Reynolds, ilay mpandova harena momba ny sigara, tamin’ny fanamarinana nataony teo anoloan’ny mpihevi-draharaha tao amin’ny Kongresy amerikana iray: “Inoako fa ny dokambarotra momba ny sigara dia fampiroboroboana ny vokatra manapoizina iray, ary koa fahendrena sy mety ary tsara ny hanafoanana ny dokambarotra momba ny sigara rehetra.”
Ho an’ny kristiana maniry ny hampifaly an’Andriamanitra dia fahendrena sy mety ary tsara ny hanafoanana, tsy ny dokambarotra momba ny sigara ihany fa ny sigara rehetra, tsy ho eo amin’ny fiainany. Ny sigarety (“maivana” na tsia), ny sigara, ny pipa, ary ny paraky — ireo rehetra ireo dia samy misy poizina iray ihany, dia ny “nicotine” avy amin’ny voly paraky. Ary tsy mila izany ianao mba hanaporofoana fa ‘Efa tafita ianao izao, ry Ikala’ na mba hahitana fahafinaretana sy tsirony tsara eo amin’ny fiainana. Tsy aseho amin’ny alalan’ny fanapoizinan-tena ny maha-miavaka anao, na inona na inona andraman’ny mpivarotra aretina sy fahafatesana lazaina anao.
[Efajoro, pejy 15]
Niala tamin’ny varotra Sigara
Tamin’ny 1875 i R. J. Reynolds dia nanorina fikambanam-barotra momba ny paraky tany Caroline Avaratra. Nanamboatra ny sigarany voalohany, dia ny marika Camel, izy ireo tamin’ny 1913. Hatramin’izay, ilay raharaham-barotra dia nandroso ka tonga faharoa manarakaraka ny Philip Morris eo amin’ny varotra sigara sy ny mpiray tombombarotra amin’izany any Etazonia. Ny zafiafin’ny mpanorina azy io dia i Patrick Reynolds, izay efa eo amin’ny faha-40 taonany izao. Noho izy efa mpifoka nandritra ny 15 taona, dia toy ny vara-datsaka teo amin’ny tontolon’ny sigara ny toerana notanany.
Tamin’ny 1986 izy dia niseho teo anatrehan’ny mpihevi-draharahan’ny Kongresy amerikana mba hanambara fanoherana ny fifohana sigara! Hatramin’io fotoana io izy dia nanjary mpampiely hevitra hanoherana ny fampiasana sigara. Inona no nanetsika ny fankahalany ilay zavatra nampanan-karena ny fianakaviany? Ny fahatsiarovana fa, fony izy mbola zaza, ny rainy, mpifoka be, dia maty niandalana noho ny fivontosana. Nanambara toy izao i Patrick: “Ny hany ahatsiarovako ny raiko dia lehilahy iray sempotra mandrakariva, ary nanisa ny andro sisa tavela hiainany.”
Nanapa-kevitra ny hampiasa ny fiainany amin’ny zavatra manorina i Patrick. “Hitako fa afaka ny tsy hitovy aminy aho ary hampiasa ny fiainako amin’ny zavatra hafa.” Nilaza izy fa ny fanohizana mampandroso izay “voaporofo fa mpamono” dia ho “ratsy tanteraka”.
“Raha ny taozava-baventy momba ny sigara no tanana namahana ahy fahiny, dia izany tanana izany koa no namono olona an-tapitrisany maro sy hanohy hamono olona an-tapitrisany maro hafa raha tsy hoe manomboka mahatsapa ny loza vokatry ny sigara angaha ny olona.” — The New York Times, 25 oktobra 1986.
I David Goerlitz no ilay “mannequin” tonga malaza tamin’ny naha-“M. Winston” azy tamin’ireo dokambarotra momba ny sigara Winston. Navelany ny dokambarony momba ny sigara, ary tonga solontenan’ny Fikambanana amerikana miady amin’ny homamiadana izy izao. Inona no nampiova azy? Nilaza toy izao izy tamin’ny fanadinadinana an-televiziona natao tamin’ny 29 desambra 1988: ‘Nitsidika ny rahalahiko tao amin’ny toeran’ny mararin’ny homamiadana tao amin’ny hôpitaly iray any Boston aho. Nitarika ahy hanatri-maso ny vokatry ny asako izany — ireo mararin’ny homamiadana, izay mijaly noho ny fifohana. Hitako ny vokatra manimban’ny fifohana teo amin’ireo niharam-pahavoazana noho ny sigara sy ireo voa noho ireo niharam-pahavoazana, dia ny fianakaviany. Nahita lehilahy maromaro teo amin’ny faha-40 taonany teo, sola, aho, ary nisy fantsona nankany an-tendany sy ny vavoniny. Nahatsapa tena ho meloka aho, ary nanapa-kevitra ny hamela ny dokambarotra momba ny sigara.’
[Sary, pejy 14]
“Nanatrika fandidiana fo misokatra aho, ary nahita ny karazana havokavoka rehetra”