FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g90 8/10 p. 11-12
  • Sigara sy fanasivanana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Sigara sy fanasivanana
  • Mifohaza!—1990
  • Mitovitovy Aminy
  • Aina An-tapitrisany Maro Manjavona Amin’ny Setroka
    Mifohaza!—1995
  • Moa ve ny tany misy anao lasibatra voalohany?
    Mifohaza!—1990
  • Sigara sy fitsipi-pitondrantena
    Mifohaza!—1991
  • Mandefa ny Balaoniny Feno Hevitra Rivotra Ireo Mpiaro ny Sigara
    Mifohaza!—1995
Hijery Hafa
Mifohaza!—1990
g90 8/10 p. 11-12

Sigara sy fanasivanana

“Aoka izay ny Fanasivanana! Ny fahafahana milaza hevitra — anisan’izany ny fahafahana manao dokambarotra — dia zo tsy maintsy harovantsika. Tsy manohana ny fandrarana ny fanaovana dokambarotra momba ny sigara ny ankamaroan’ny Amerikana.” — Dokambarotra an-gazety, janoary 1989, miorina amin’ny “fitsapan-kevitra an-telefaonina natao tamin’olon-dehibe 1500 manerana ny firenena.” Nefa moa ve ny 1500 mahasolo tena “ny ankamaroan’ny Amerikana”?

MILAZA ireo mpanao dokambarotra momba ny sigara fa tsy mitarika ny olona hifoka ny dookambarotra ataony. Mamaritra fotsiny ny fizarana ny raharaham-barotra eo amin’ireo famantarana sigara samy hafa izy ireo. Na dia izany aza, ny fitomboan’ny isan’ny vehivavy mpifoka dia mahatonga izany filazana izany ho azo iadian-kevitra. Misy anefa hery mitaona manimba hafa ateraky ny fahefana ampiharin’ireo mpanao dokambarotra momba ny sigara.

Nandritra ireo taona faramparany, ny fikambanam-barotra amerikana momba ny sigara dia nividy fahamendrehana ho an’ny tenany tamin’ny fividianana fikambanam-barotra momba ny sakafo sy tamin’ny fanesorana ny teny hoe sigara tamin’ny anaran’ny fikambanany. Ny American Tobacco Company àry dia nanjary American Brands; vao haingana ny R. J. Reynolds Tobacco Company no nanjary RJR/Nabisco; ny Brown and Williamson Tobacco Corporation nanjary Brown and Williamson Industries. Nefa inona ny anankiray amin’ireo vokatr’izany fanovana izany? Fanerena misimisy kokoa eo amin’ny dokambarotra. Ahoana izany?

Na dia ireo gazetiboky tsy mampisongadina dokambarotra momba ny sigara mihitsy aza dia tsy maintsy mieritreritra alohan’ny hamoahana lahatsoratra manakiana ny fifohana sy ny sigara. Marina fa mety tsy ho very ny tamberim-bidin’ny dokambarotra momba ny sigara. Nefa, ahoana ny amin’ny fikambanam-barotra hafa izay anisan’ny kalazalahy amin’ny sigara amin’izao fotoana izao sady manao dokambarotra momba ny sakafo na zavatra hafa? Ary ahoana ny amin’ireo lahatsoratra na filazana izay mety hanaratsy ny fifohana? Io no fototra ho an’ny fanasivanan-tena miafina iray mila tsy ho voamariky ny saina.

Ny nomerao tamin’ny 6 jona 1983 amin’ny Newsweek no ohatra iray mahaliana eto. Ireo nomerao taloha sy tatỳ aorian’ny 6 jona dia nisy dokambarotra momba ny sigara eo amin’ny fito ka hatramin’ny folo pejy. Ny Newsweek tamin’ny 6 jona anefa dia nisy pejy 4,3 momba ny lahatsoratra misesy azo iadian-kevitra nitondra ny lohateny hoe: “Fampiharihariana ny Fifohana.” Pejy firy momba ny dokambarotra sigara no tao amin’io nomerao io? Tsy nisy. Manambara toy izao i White mpanoratra: “Rehefa fantatr’ireo fikambanam-barotra momba ny sigara fa havoaka ilay lahatsoratra dia nangataka ny hanafoanana ireo dokambarony izy. Ilay gazety dia mety ho namoy tany amin’ny 1 tapitrisa dôlara tany tamin’ny famoahana izany lahatsoratra izany.”

Ny vola miditra amin’ny dokambarotra no fototry ny fahaveloman’ny gazetiboky sy ny gazety. Miharihary fa mieritreritra amim-pitandremana tsara ireo mpampanonta ny amin’izay zavatra havoaka momba ny fanakianana ny taozava-baventy momba ny sigara, raha misy. Nanambara toy izao ny mpanoratra lahatsoratra ara-pahasalamana iray: “Raha mametraka ny fifohana eo amin’ny lisitry ny antony miteraka aretim-po aho, ohatra, dia na hanao izany eo amin’ny faran’ny lisitra ny mpampanonta ny gazetiko na tsy hamoaka izany mihitsy aza izy.” Araka ilay fomba fiteny, dia “Zon’izay lany vola ny mifantina.” Nanjary fanao ankehitriny ny fanasivanan-tena.

Notantarain’ny The Wall Street Journal tamin’ny fomba mahaliana fa nandritra ny enin-taona mahery nampisehoan’ny gazetiboky anankiroa natao ho an’ny mainty hoditra dokambarotra momba ny sigara, dia tsy nisy taminy namoaka lahatsoratra momba ny fifohana sy ny fahasalamana mivantana. Fifanandrifian-javatra fotsiny ve izany? Miharihary fa sarotra amin’ny gazetiboky manao dokambarotra momba ny sigara ny manaikitra ny tanana mpamahana azy. Noho izany dia mitandrina izy mba tsy hampiseho ireo loza ateraky ny fifohana.

Izany fandinihana ny amin’ny sigara sy ny fifohana ary ny dokambarotra izany dia manampy antsika hahita fa tombontsoa maro no voakasika. Ho an’ireo mpamboly paraky dia ny fahaveloman’izy ireo no voakasika. Ho an’ireo mpivarotra, kalazalahy amin’ny sigara dia ny tombombarony lehibe dia lehibe no voakasika. Ho an’ny fitondram-panjakana indray dia ny hetrany no voakasika. Ary ho an’ireo mpifoka an-tapitrisany maro dia ny fahasalamany sy ny ainy no voakasika.

Raha mpifoka ianao na eo am-pikasana ny hanomboka hifoka, dia anao ny safidy. Tian’ireo kalazalahy amin’ny sigara any Amerika ny hampahatsiahy anao fa omen’ny lalàm-panorenana zo hifoka ianao. Nefa tsarovy fa midika koa izany fa omen’ny lalàm-panorenana zo koa ianao ho fatin’ny homamiadan’ny havokavoka na tenda, na ny aretin’ny fo sy ny lalandra, na fivontosana na ny aretin’i Buerger (jereo ny ao anaty faritra voafefy, pejy faha-9), sy ireo aretina hafa maro be. Etsy an-danin’izany, raha te hiala amin’ny sigara ianao, ahoana no hahafahanao hanao izany? Inona no ilaina? Antony manosika!

[Sary, pejy 12]

Nampitandrina hatrany ny amin’ny loza azo amin’ny fampiasana sigara ny dokotera Koop, filohan’ny sampandraharaha momba ny fahasalamana any Etazonia

[Sary nahazoan-dalana]

Public Health Service photo

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara