Fomba folo hialana amin’ny sigara
1. Aoka ianao mba hanana antony manosika tokoa. Manàna antony tsara mafy orina itiavana hiala, dia ny fanajan-tena; ny fiahiana ny amin’ny fahasalamanao ankehitriny sy hoavy; ny fiahiana ny amin’ireo olon-tianao voa noho ny fahazaranao mampidi-doza; ny faniriana hadio ara-batana sy ara-tsaina, eo anatrehan’ny tena sy Andriamanitra.
2. Fero ny fotoana hialana, ka hajao. Mialà tsy misy hataka andro; ho tonga haingana ny fijaliana, nefa ho haingana koa ny fahasitranana.
3. Manaova dingana hentitra mba hanapahana ny fahazarana. Poteho izay sigara rehetra ao an-trano, ka raraho rano. Sasao avokoa ny fitafianao misy fofon-tsigara rehetra. Manomboha fiainam-baovao, tsapao ny fahamaivamaivana!
4. Ialao ny faritra misy fofon-tsigara sy ny namana mpifoka rehefa manao ny fialana tanteraka amin’ny “nicotine” ianao. Mitsidiha toerana andrarana ny fifohana, toy ny fitahirizana ny rakitry ny ela sy ny famakiam-boky.
5. Tahirizo ny vola ho nolaninao tamin’ny sigara, ary isao izany rehefa afaka iray volana! Ividiano zavatra tena ilainao izany. Na mividiana fanomezana ho an’ny olon-tiana iray izay ho faly koa noho ny fandresenao.
6. Manaova na mandraisa zavatra amin’izay fotoana fahatsapanao ho mila sigara. Mitsakoa siligaoma (tsy misy “nicotine”) na mitsentsefa paperimanitra rehefa mikiky anao ny faniriana hifoka. Toy izay hifoka aorian’ny sakafo, dia diovy ny nify. Mandehandehana kely, manorata taratasy, manjaira, manaova zaridaina, manamboara zavatra simba, sasao ny fiara, sns....
7. Rehefa mahatsapa ho hendratrendratra ianao na eo ambany fihenjanana dia mifoha rivotra lalina sady miadana. Misotroa rano na ranom-boankazo betsaka, toy izay handray sigara. Manadio mantsy ny ranoka.
8. Mampiasà tena araka izay fetran’ny vatanao. Jereo any amin’ny dokoteranao aloha izay mety. Hampahery anao ny fihatsaran’ny toe-batanao.
9. Tapaho ny fisotroana zavatra misy alikaola. Mazàna no “miaraka” ny alikaola sy ny sigara satria manetsika ny faniriana hifoka ny alikaola. Aza mankany amin’ny fivorivoriana mety hahitana izany. Jereo amim-panakianana ny dokambarotra momba ny sigara — fantaro ny maha-tsy voadinika tsara sy mamitaka azy. Aza manaiky ho voafitaka indray.
10. Raha mikasa ny ho tonga iray amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah ianao dia mivavaha amin’Andriamanitra amin’ny fo mahitsy mba hahazo fanampiana, ary avy eo dia manaova zavatra mifanaraka amin’ny vavaka ataonao. Aza manantena fahagagana fa ataovy fotsiny ny anjaranao.