Ny sigara sy ny fahasalamanao — Misy ifandraisany tokoa ve?
“Misaotra anao tsy mifoka” — Famantarana ny vanim-potoana misy antsika.
“Misaotra anao mifoka” — Valinteny fanoherana navoakan’ny fikambanam-barotra momba ny sigara
VOASORITRA ny drafitry ny ady, miditra an-tsehatra ny penina sy ny ôrdinatera fanaovana fampielezan-kevitra. Avoakan’ny masoivohon’ny dokambarotra ny fanoherany. Rafitra ny ady eo amin’ny tontolon’ny varotra. Adin’ny sigara izany, ary midangana be ny loka. An’aliny tapitrisa ariary maro isan-taona. Na mifoka ianao na tsy mifoka dia voakasik’izany.
Ady ifamelezana eo amin’ny ambaratonga roa lehibe izany — ara-toekarena sy ara-pahasalamana. Ho an’ireo manohitra ny fifohana, dia ny fahasalamana no eo amin’ny laharam-pahamehana. Ho an’ireo kalazalahy amin’ny paraky sy sigara, sy ireo izay mifandray amin’io taozava-baventy io, dia voakasika ny toekarena, ny tombom-barotra, ary ny asa. Miakatra dia miakatra ny fihetseham-po sy ny fihetsiky ny olona. Nanontany afo tamin’ny mpitazana iray tao amin’ny seranam-piaramanidina ny mpifoka iray. “Tsy mifoka aho, aza fady”, hoy ny navalin’ilay olona tamim-pahatsorana. “Tsy nanontany anao aho raha mifoka ianao!” hoy ny fitreron’ilay mpifoka.
Inona anefa no fototr’izany tsy fifanarahana izany? Tena ratsy tokoa ve ny fifohana ho an’ny fahasalamanao? Tokony hiala amin’izany ve ianao?
Fampitandreman’ny Fitondrana
Efa am-polony taona maro izao no niadiana momba ny sigara sy ny homamiadana tany Etazonia. Nanao fanomezana an-tapitrisany dôlara maro ny taozava-baventin’ny sigara, tany amin’ireo taona 1960, mba hanampiana eo amin’ny fikarohana ny fifandraisana misy eo amin’ny homamiadana sy ny sigara, hono, ka hitadiavana fomba hamokarana sigara tsy miteraka homamiadana. Nisy vokany anankiray izay angamba tsy nampoizin’ny mpanamboatra sigara izany.
Namoaka ny tatitra voalohany nataony mampitandrina amin’ny loza ateraky ny sigara ny ministeran’ny fahasalamana any Etazonia tamin’ny 1964. Hatramin’ny 1965, ny mpanamboatra sigara any Etazonia no efa voafehin’ny lalàna mba hanoratra fampitandremana eo amin’ny fonon-tsigarany. Tamin’ny voalohany dia natao malefaka toy izao ilay filazana: “Fampitandremana: Mampandre ny Ministeran’ny Fahasalamana fa Mampidi-doza ny Fahasalamanao ny Fifohana Sigara.” Avy eo dia notakina tamin’ny fikambanam-barotra momba ny sigara, tamin’ny 1985, ny hampifandimbasany filazana efatra ao amin’ny dokambarony sy eo amin’ny fonon-tsigarany. Manomboka amin’izao teny izao ny tsirairay amin’izany: “FAMPITANDREMAN’NY MINISTERAN’NY FAHASALAMANA.” Ary toy izao ireo filazana samy hafa: “Miteraka Homamiadan’ny Havokavoka sy Aretim-po ary Fivontosana ny Fifohana, ary mety Hanasarotra ny Fitondrana Zaza am-bohoka.” (Jereo ny faritra voafefy, pejy faha-4.) “Mety Hiteraka Fahasimban’ny Zaza ao Am-bohoka, Fiterahana Tsy tonga volana, ary Fahakelezan’ny Zaza Ateraka ny Fifohan’ny Vehivavy Bevohoka Sigara.” “Ny Fialana Amin’ny Sigara Izao dia Mampihena Betsaka Ireo Antony Lehibe Mety Hanimba ny Fahasalamanao.” “Misy eton’arina ny setro-tsigara.”a
Manome fampitandremana momba ny sigara koa ny tany hafa sasany, ankoatra an’i Etazonia. Misy dokambarotra ahitana izao teny izao ao amin’ny gazety India Today: “FAMPITANDREMANA NOFERAN’NY LALÀNA: MANIMBA NY FAHASALAMANA NY FIFOHANA SIGARA.” Tany Kanada, dia tamin’ny sora-madinika toy izao no nanaovany azy: “Fampitandremana: Manoro hevitra ny Fahasalamana sy ny Fanaovana asa soa eto Kanada fa arakaraka ny ifohana betsaka no itomboan’ny loza ho an’ny fahasalamana — aza atelina ny setroka.” Nanomboka tamin’ny 31 may 1988, dia voarara ny fanaovana dokambarotra momba ny sigara any Kanada. Any Grande-Bretagne, dia ahitana ny teny toy izao ny dokambarotra momba ny sigara: “MISY TARA (GOUDRON) ANTONONTONONY [na MISY TARA KELY]. Araka ny fameran’ny Fitondram-panjakana britanika, MAMPIDI-DOZA: FAMPITANDREMAN’NY Ministeran’ny Fahasalamana: NY SIGARA DIA METY HAMPIDI-DOZA NY FAHASALAMANAO TOKOA.” Norarana ny fanaovana dokambarotra momba ny sigara tany Italia nanomboka tamin’ny 1962. (Kanefa nitombo avo roa heny ny fifohan’ny Italiana sigara tato anatin’ny 20 taona farany!) Raha jerena ireo fampitandremana maro be miorina amin’ny porofo ara-tsiansa be dia be aoka izany — fandinihana mihoatra ny 50 000 natao nandritra ny taona maro — dia tsy azo ihodivirana ny fanatsoahan-kevitra hoe: mampidi-doza ny fahasalamanao ny fifohana sigara!
Na dia fisehoan-javatra fahita maneran-tany aza ny fifohana sigara, dia tsy ny firenena rehetra no mangataka ny hanasiana fampitandremana eo amin’ny sigara vitany. Ary raha mihakely ny varotra ataony ao amin’ny faritra iray dia lasa ireo kalazalahy amin’ny sigara, miaraka amin’ny dokambarony feno fanerena, manokatra varotra any amin’ny tany hafa. Anjakan’ny dokambarotra maherin’ny sigara ve ny tany misy anao? Atao manintona kokoa ve ny endrik’ireo sigara vita avy any ivelany? Inona marina no tena zava-misy ao ambadik’io “varotra hosoka goavana io”?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny eton’arina, etona iray tsy misy fofona, dia mahaforona 1 ka hatramin’ny 5 isan-jaton’ny setro-tsigara, ary mora mifangaro tokoa amin’ny hemôglôbinina, môlekiola mpitatitra ôksizenina ao amin’ny ra. Mampihena ny ôksizenina mahavelona tokony hikoriana ao amin’ny ra izy io. Mety hampidi-doza izy io ho an’ny olona iray izay efa voan’ny aretim-po.
[Efajoro/Sary, pejy 4, 5]
NY SIGARA sy ny vehivavy bevohoka
Vao haingana ny gazety Sovietika Nauka I Zhizn (Siansa sy fiainana) no namoaka lahatsoratra iray nataon’ny Dr. Victor Kazmin, izay nilazany tamin’ny antsipiriany ireo loza manjo ny reny sy ny zaza raha mifoka ilay reny mandritra ny fitondrany zaza am-bohoka. Hoy ny nambarany: “Ny fifohana dia manimba be ny tenan’ilay vehivavy, noho ny toetrany ara-biôlôjia mahatonga azy ho mora andairan’ny fanapoizinana. Rehefa dinihina tokoa, dia misy taharo mahatandindomin-doza lehibe ny fahasalamana ny setro-tsigara.”
Ambarany fa mety hanapoizina ny zanany tokoa ireo reny mifoka. “Nasehon’ny fandinihana natao tamin’ny labôratoara ny fisiana poizina, “nicotine” sy ny “cotinine” avy aminy, ao anatin’ny ranondoha ao amin’ny vehivavy voa toy izany. Nefa ny tena mampahatahotra, araka ny hitan’ny fandinihana tamin’ny fanehojoriry (microscope) elektirônika, na dia ny rafitry ny tadim-poitra mihitsy aza dia miova eo amin’ny vehivavy mifoka mandritra ny maha-bevohoka azy; ary anefa amin’ny alalan’izany tadim-poitra izany no andraisan’ilay zaza ao am-bohoka avy amin’ny reniny izay rehetra ilainy mba hahavelona. (...)
“Raha toa ilay reny ka mifoka mandritra ny roa na ny telo herinandro voalohany aorian’ny fitsaihana, araka ny fahita, dia ny rafi-pitatitra foiben’ilay zaza ao am-bohoka no voa mafy indrindra (...) Mandritra ny herinandro fahefatra na fahadimy maha-bevohoka no mitombo ny rafitry ny lalandran’ny fo. Amin’izay dia izy io no ho voapoizina voalohany.”
Inona no fanatsoahan-kevitry ny Dr. Kazmin? “Mampidi-doza lavitra ny zaza ao am-bohoka noho ny tenan’ny reniny ny setro-tsigara.” Mendrika ny hatao ve izany? Tadidio ny fampitandreman’ny ministeran’ny fahasalamana any Etazonia: “Ny fifohana sigara dia (...) Mety Hanasarotra ny Fitondrana Zaza am-bohoka.” Ary filazana azy amin’ny fomba malefaka dia malefaka izany.
[Sary nahazoan-dalana]
OMS/American Cancer Society
[Efajoro, pejy 5]
NY SIGARA sy ny fivontosana
Ny fivontosana (emphysème) dia aretina iray mitarika ho amin’ny fihenjanan’ny havokavoka tsikelikely, ka mahatonga azy tsy ho afaka hamoaka tsara ny rivotra avy niasa, amin’ny farany. Manazava toy izao ny Torolalana feno ara-pitsaboana ho an’ny mpianakavy, nataon’ireo mpitsabo sy mpandidy ao amin’ny Oniversiten’i Kolombia, Etazonia: “Toy izao ny momba ireo olona voan’ny fivontosana any [Etazonia]: Lehilahy izy ireo, voalohany indrindra, eo anelanelan’ny 50 ka hatramin’ny 70 taona, ka mpifoka be an-taonany maro. Teo aloha, dia tsy voan’ny fivontosana toy ny lehilahy ireo vehivavy, nefa miova izany fisehoan-javatra izany, satria mihamanjary mpifoka be hatrany ny vehivavy.”
Manampy toy izao io boky io ihany: “Mety hiseho ho toy ny zavatra hafa ny fivontosana mandritra ny taona maro. Mety ho voan’ny sery be matetika ny olona voan’ny fivontosana isaky ny ririnina, mandritra ny taona vitsivitsy, ka arahin’ny kohaka mahery hatrany izany, ary angamba aza braonsita maharitra. Mitarazoka ny kohaka mazàna, ary tonga aretina mitaiza.” Inona ireo famantarana fivontosana hafa?
“Mitombo tsikelikely ny fivontosana. Ny fahasarotana kely eo amin’ny fisefo amin’ny maraina sy ny takariva indraindray dia mety harahin’ny fiandohan’ny fanakantsakanana eo amin’ny fanaovana zavatra atỳ aoriana. Ny fandehanana an-tongotra kely dia mety ho ampy hahasempotra, ary sarotra ny fiakarana amin’ny tohatra. Farany, noho ny havokavoka mihamanjary tsy afaka mampiditra sy mamoaka rivotra, ary manolo rivotra, dia mety ho tonga hatramin’ny fanaovana fiezahana lehibe vao afaka miaina, ka mihaosa ilay marary sady tsy afaka manao ny asa fanaony andavanandro.”
Manampy io torolalana ara-pitsaboana io ihany fa mety hitarika aretin’ny fo sy ny lalandra ny fivontosana. Mendrika ny hatao tokoa ve izany? Nahoana no hamoy ny aina, izay fanomezana sarobidy, amin’ny fanakalozana azy amin’ny fahafinaretana mihelin’ny “nicotine”?