Mpivarotra fahafatesana — Mpividy ve ianao?
“Ilay mpifoka dia nomena izao karazana fampitandremana rehetra izao fa hamono azy izany, ary mino izany aho. Mino aho fa hamono anao izany. Mino aho fa na iza na iza adala hanisy setroka ao anaty kibony dia hijaly. Tsy mbola nifoka sigara mihitsy aho teo amin’ny fiainako. Nampanan-karena ahy izany. (...) Ny fomba tokana nanorenantsika ity firenena ity dia ny fivarotana sigara amin’ny sisa amin’ny adala hafa rehetra manerana ny tany.” — James Sharp, mpamboly paraky efa hatry ny ela any Kentucky, ao amin’ilay boky hoe “Mpivarotra fahafatesana — Ny taozava-baventy Amerikana momba ny Sigara”, (anglisy), nosoratan’i Larry C. White.
MANAMBARA zavatra maro dia maro io fanamarihana amim-pahatsorana io, nefa kosa mamela fanontaniana maromaro tsy voavaly. Nahoana no olona maherin’ny arivo tapitrisa maneran-tany no mifoka? Inona no manosika azy hanohy hanana fahazarana izay fantatra izao fa mitondra ho amin’ny fahafatesana? Rehefa dinihina tokoa, dia mitovy amin’ny an’ny zava-mahadomelina io raharaha momba ny sigara io, amin’ny fotony — lalànan’ny famatsiana sy ny tinady. Raha tsy ahazoan-tombony ny varotra dia mihena ny famatsiana. Nahoana àry ny olona no mifoka?
Ny filana foana no teny fototra. Raha vao mahazo faka ao amin’ny tena ny “nicotine”, dia misy filana “nicotine” tsy tapaka isan’andro. Tsy misaraka amin’ny filana foana ny fahazarana. Misy tarehin-javatra sasany, ateraky ny fahazarana, izay manetsika ny faniriana sigara. Izany dia mety ho raha vao mifoha ny olona iray na miaraka amin’ny tasin-kafe voalohany sotroiny ny maraina, na ilay zava-pisotro sotroiny ho fandevonan-kanina ny antoandro, na noho ny fihenjanana sy ny fifandraisana any am-piasana, na amin’ny fotoana fialam-boly. Misy fahazarana am-polony maro toa tsy dia manao ahoana loatra mety ho “fanombohan’ny” fifohana.
Nahoana izy ireny no nifoka?
Nanontany mpifoka taloha vitsivitsy ny Mifohaza! mba hanandramana hahatakatra ny antony manosika ao ambadiky ny fifohana. Anisan’izany, ohatra, i Ray, 50 taona mahery, manamboninahitra taloha tao amin’ny tafika an-dranomasina amerikana. Nanazava toy izao izy: “9 taona tany ho any aho rehefa nanomboka nifoka voalohany, nefa tena tonga mpifoka aho rehefa feno 12 taona. Tsaroako fa voaroaka tsy ho anisan’ny Tily aho satria nifoka.”
Mifohaza!: “Inona no nahatonga anao ho liana ny hifoka?”
Ray: “Zavatra fanaon’ny tena lehilahy izany. Hitanao, fisehoana ho tena lehilahy ny mifoka. Tadidiko fa nampiseho mpamono afo sy pôlisy mifoka sigara ny dokambarotra tamin’izany andro izany. Taorian’izay, nony tao amin’ny tafika an-dranomasina aho, dia nanao asa feno fanerena tao amin’ny sambo, ary tsapako fa ny fifohana sigara no nanampy ahy hifehy ny fihenjanana.
“Nahalany iray fonosana sy tapany isan’andro (sigara 30) aho ary tsy nanomboka ny andro raha tsy nifoka. Mazava ho azy fa nitelina setro-tsigara aho. Tsy misy antony hifohanao raha tsy atelinao ny setro-tsigara.”
Nanao fitantarana mitovy amin’izany i Bill, mpanakanto iray avy any New York, 50 taona ihany koa: “Mbola boay kely 13 taona aho no nanomboka nifoka. Te hitovy tamin’ireo olon-dehibe aho. Raha vao voarain’izany aho dia tsy afaka nijanona intsony. Toy ny hoe nanana namana ny nanana sigara. Raha ny tena izy aza, raha handeha hatory aho ka nahatsikaritra fa tsy nisy sigara tao an-trano, dia niakanjo indray, ary tsy niraharaha izay toetr’andro, fa nivoaka nividy fonosan-tsigara anankiray ho an’ny ampitso. Teo amin’ny iray ka hatramin’ny roa fonosana no nofohiko isan’andro. Miaiky aho fa tonga mpila sigara foana. Sady mpisotro raindahiny koa aho tamin’izany. Toa niaraka foana ireo zavatra roa ireo, indrindra fa tany amin’ny trano fisotroan-toaka izay nandaniako ny ankamaroan’ny fotoanako.”
I Amy, zazavavy tanora sady nivelatra, dia nanomboka nifoka tamin’izy 12 taona. “Fitiavana hitovy amin’ny hafa izany tamin’ny voalohany. Avy eo dia maty ny raiko fony aho 15 taona, ary nanosika ahy hifoka misimisy kokoa ny fihenjanana avy amin’izany. Arakaraka ny nitomboako anefa dia nanan-kery tamiko ireo dokambarotra, indrindra fa ilay iray manao hoe: ‘Efa tafita ianao izao, ry Ikala a!’ Zazavavy nanao izay hahatanteraka ny faniriako ho tonga mpanampy ny mpitsabo mpandidy aho. Tsy ela aho dia nifoka telo fonosana isan’andro. Taorian’ny sakafo hariva no tena fotoana fifohako sy isaky ny niresaka an-telefaonina, izay matetika tokoa.” Nahita vokatra ratsy ve izy? “Nikohaka sy narary andoha aho ny maraina, ary tsy nanana toe-batana tsara intsony. Ny fiakarana ny tohatra mankany an-tranoko fotsiny dia nahasempotra ahy. Ary vao 19 taona monja aho!”
I Harley, mpanamory fiaramanidin’ny tafika an-dranomasina taloha, izay eo amin’ny fahenimpolo taonany izao, dia nanomboka nifoka nandritra ny Fitambotsorana ara-toekarena tamin’ny 1929, teo amin’ny fahadimy taonany! Nahoana izy no nanao izany? “Nifoka daholo ny boay kely tao Aberdeen, any Dakota Atsimo, toerana niaviako. Raha nifoka ianao dia tena lehilahy natanjaka tamin’izany.”
Tsy nisy nafenin’i Harley ny amin’ny antony nifohany. “Tena fahafinaretana ho ahy izany. Nateliko hatrany amin’ny havokavoko ny setro-tsigara, ary notazoniko tao. Avy eo dia nahafinaritra be ahy ny namoaka setroka miendrika faribolana. Tonga hatramin’ny hoe tsy velona ny tenako raha tsy nisy sigara, aho. Nanomboka sy namarana ny andro tamin’ny fifohana sigara aho. Tao amin’ny tafika an-dranomasina, dia sigarety roa ka hatramin’ny telo fonosana isan’andro no nofohiko, ary boatin-tsigara iray isam-bolana.”
Niala tamin’ny sigara i Bill, Ray, Amy, ary Harley. Nanao toy izany koa ireo an-tapitrisany maro hafa — maherin’ny 43 tapitrisa, any Etazonia fotsiny. Tsy kivy anefa ireo mpivaro-tsigara. Mitady mpividy vaovao foana izy ireo hatao lasibatra.
Lasibatra ve IANAO?
Noho ireo lehilahy mpifoka maro be any amin’ny firenena mandroso niala tamin’ny sigara, miampy ny famoizana mpividy noho ny fahafatesana araka ny natiora sy avy amin’ny fifohana sigara, dia voatery nitady mpividy hafa indray ireo fikambanam-barotra momba ny sigara. Nisy toe-javatra sasany nanovany ny tetika fanaovany dokambarotra, mba hiezahana hanohana ny varony. Ny fanohanana ara-bola ny fisehoan-javatra ara-panatanjahan-tena, toy ny fifaninanana amin’ny tenisy sy “golf”, no fomba iray mahomby hanomezana endriny madio ny fifohana sigara. Ny hahazo mpividy vaovao hatao lasibatra no tetika fanarenana hafa iray. Anisan’ireo mpividiny ve ianao?
Ny lasibatra voalohany: Ny vehivavy. Vehivavy vitsy dia vitsy no nifoka nandritra ny am-polony taona maro, natosika sy nampirisihin’ny modelin’ireo mpanan-talenta amin’ny sarimihetsika toa an’i Gloria Swanson izay, tany amin’ny 1917, fony izy 18 taona, dia efa nifoka. Raha ny marina, ny antony nahazoany ny iray tamin’ireo anjarany voalohany tamin’ny sarimihetsika nolalaoviny, dia satria araka ny nohazavain’ilay mpandahatra taminy hoe: “Ny volonao, ny endrikao, ny fomba fipetrakao, ny fomba fifohanao sigara (...) Ianao mihitsy ilay iriko.”
Tao anatin’ireo taona 1940, i Lauren Bacall, izay nitana ny toerana lehibe indrindra tamin’ny sarimihetsika nolalaoviny, niaraka tamin’i Humphrey Bogart vadiny, mpifoka raindahiny, dia nanao fitarihana manintona ho amin’ny fifohana. Kanefa ny vehivavy mpividy sigara mandrakariva dia voasongon’ny lehilahy mpividy sigara. Toy izany koa ny antontan’isa eo amin’ny homamiadana ho an’ny vehivavy. Amin’izao fotoana izao dia mihatratrany haingana na ny fifohana na ny homamiadana amin’ny havokavoka.
Nisy fironana vaovao amin’ny dokambarotra nitombo tao anatin’ireo taona faramparany, ka ny antony sasany dia noho ny toerana mampiseho fifaninanana kokoa tanan’ny vehivavy eo anivon’ny fiaraha-monina, miampy ny fitaomana miafina avy amin’ny dokambarotra momba ny sigara. Inona no hafatra ampitaina amin’ny vehivavy? Ny fikambanam-barotra Philip Morris, izay manamboatra karazana sigara samy hafa, dia mamoaka ny “Virginia Slims”, nokendrena ho an’ny vehivavy amin’ny andro ankehitriny. Ny teny fanevany dia ilay nanintona an’i Amy manao hoe: “Efa tafita ianao izao, ry Ikala a!” Ny dokambarotra dia mampiseho sarina vehivavy amin’ny andro ankehitriny manara-damaody be, mitana sigara eo anelanelan’ny rantsantanany. Mety hanontany tena anefa ny vehivavy sasany hoe tafita aiza ho aiza izy izao. Nandritra ireo roa taona farany, dia nihoaran’ny homamiadan’ny havokavoka ny homamiadan’ny nono raha eo amin’ny taham-pahafatesan’ny vehivavy.
Misy karazana amin’ny sigara hafa iray manolotra fihenam-bidy toy izao ho an’ny vehivavy: “5 isaky ny fonosana no omena maimaimpoana!” “50 isaky ny boaty no omena maimaimpoana!” Misy aza gazety sasany ho an’ny vehivavy ahitana tapakila hahazoana fonosana maimaimpoana!
Fomba hafa iray mora hanaovana ny sigara ho toa manintona koa ny momba ny lahy sy ny vavy. Toy izao no fanasana ataon’ny karazana sigara iray: “Mahità Fahafinaretana Misimisy kokoa.” Mirakitra filazana fitadiavana toy izao ilay soratra: “MITADY — Olona hafa firenena ranjanana, maintimainty, hiarahana maharitra. Tsy maintsy tsara sy mahay mifidy zavatra. Sonia: Mikatsaka fatratra fahafahampo amin’ny sigara.” Ilay sigara aseho amin’izay dia “matsoraka” sady voafono taratasy maintimainty. Fifandraisana misy hafetsena ve?
Fanjonoana hafa iray ampiasaina eo amin’ny vehivavy koa ny fifandraisana amin’ny lamaody. Ny karazany iray dia antsoina ho toy ny “Fankalazana fahaiza-mihaingo sy fahaiza-mifidy zavatra nataon’i YVES SAINT LAURENT.” Ampiasaina ny fandrika hafa iray ho an’ireo vehivavy miahy ny amin’ny habeny. Mampiseho sarina “mannequin” mahia ilay dokambarotra, ary ilay sigara dia lazaina fa “Faran’izay Maivana — Ny fahaiza-mihaingo maivana indrindra.”
Nahoana ireo mpanamboatra sigara no manao ny vehivavy eo amin’izao tontolo izao ho lasibatra? Ny Fandaminana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana dia manome antony miharihary rehefa manombana izy fa “50 isan-jato amin’ny lehilahy, nefa dimy isan-jato monja amin’ny vehivavy any amin’ny tany eo an-dalam-pandrosoana no mifoka sigara, nefa kosa samy 30 isan-jato eo ho eo ny lehilahy sy vehivavy mifoka any amin’ny tany mandroso.” Misy loharanom-barotra goavana mbola tsy voakasika any amin’ireny tany ireny, mba hahazoana tombony eo amin’ny sigara, na inona na inona mety ho vokany farany eo amin’ny fahasalamana. Ary mahomby ny mpivarotra sigara. Araka ny voalazan’ny New York Times, dia nambaran’ny tatitra nataon’ny ministeran’ny fahasalamana any Etazonia, tamin’ny janoary 1989, fa ‘mihakely kokoa ny taonan’ireo ankizy, indrindra fa ny ankizivavy, mifoka’, ary tafiditra amin’izany ireo ankizy any amin’ny sekoly fanabeazana fototra. Voalazan’ny loharanom-panazavana hafa iray fa niakatra ho 40 isan-jato ny isan’ireo ankizivavy mpifoka any Etazonia nandritra ireo taona faramparany. Tsy ny vehivavy ihany anefa no lasibatry ny mpivarotra fahafatesana sy aretina.
Lasibatra ara-bolon-koditra
Toy izao no ambaran’i Larry C. White, ao amin’ilay bokiny hoe Mpivarotra fahafatesana — Ny taozava-baventy Amerikana momba ny sigara: “Ny mainty hoditra no mpividy mahafatra-po ho an’ny mpanao sigara. Nasehon’ny Foibem-pirenena ny amin’ny Antontan’isa momba ny Fahasalamana fa tamin’ny taona 1986 dia nisy fianjatoana ambony kokoa teo amin’ny mainty hoditra nifoka noho ny teo amin’ny fotsy hoditra [tany Etazonia] (...) Tsy mahagaga raha maro an’isa ny mainty hoditra mifoka noho ny fotsy hoditra, satria izy ireo no lasibatra manokan’ny varotra sigara.” Nahoana izy ireo no lasibatra manokana? Araka ny voalazan’ny The Wall Street Journal, izy ireo dia “antokon’olona tratra aorian’ny ankamaroan’ny olona amin’ny fialana amin’ny sigara.” Noho izany dia matetika ny mpividy mainty hoditra iray no mpividy “mahatoky”, ‘mandra-panasaraky ny fahafatesana antsika.’
Ahoana no ifantohan’ny fikambanam-barotra momba ny sigara amin’ny mponina mainty hoditra? Manambara toy izao i White mpanoratra: “Hindrahindraina fatratra ao anatin’ireo gazetiboky natao ho an’ny mainty hoditra toy ny Ebony sy Jet ary Essence ny sigara. Tamin’ny 1985 dia 3,3 tapitrisa dôlara no lanin’ny fikambanam-barotra momba ny sigara tamin’ny dokambarotra tao amin’ny Ebony fotsiny.” Misy fikambanam-barotra iray momba ny sigara mampandroso koa ny fampisehoana lamaody isan-taona natao ho an’ny vehivavy mainty hoditra mpividy. Nisy sigara nozaraina maimaimpoana. Nisy fikambanam-barotra hafa iray nanohana ara-bola tsy tapaka ny lanonana momba ny “jazz” iray teo aloha, ary manohy manohana lanonana momba ny mozika tian’ireo mainty hoditra. Amin’ny ahoana moa no manokana ny mainty hoditra atao lasibatra? Nanambara toy izao ny mpitondra tenin’ny Philip Morris iray: “Tena lehibe ny mpividy mainty hoditra. Tena matanjaka izany.”
Mbola misy mpividy matanjaka kokoa ho an’ireo kalazalahy amin’ny sigara anefa — tsy antokon’olona na firazanana fotsiny fa firenena manontolo maro!
[Teny notsongaina, pejy 7]
“Toy ny hoe nanana namana ny nanana sigara”
[Efajoro, pejy 9]
NY SIGARA sy ny Aretin’i Buerger
Ny zava-nitranga vao haingana tany Kanada, notantaraina tao amin’ny gazetiboky Maclean’s, dia mbola mampiharihary aretina iray hafa avy amin’ny fifohana. Nanomboka nifoka sigara i Roger Perron teo amin’ny fahatelo ambin’ny folo taonany. Teo amin’ny fahafito amby roapolo taonany izy dia voan’ny aretin’i Buerger, ary voatery notapahina hatreo ambany lohaliny ny tongony anankiray. Nampitandremana izy fa raha manohy mifoka dia hamely azy indray ilay aretina. Mitantara toy izao ny Maclean’s: “Tsy niraharaha ilay fampitandremana anefa i Perron, ary tamin’ny 1983, dia tsy maintsy notapahin’ny dokotera ny tongony ilany. Taorian’izay, i Perron (...) rehefa ela ny ela dia niala tamin’ny sigara.” Mitaky onitra amin’ny fikambanam-barotra momba ny sigara izy izao.
Inona moa no atao hoe aretin’i Buerger? Izy io dia “mitranga matetika indrindra eo amin’ireo lehilahy mifoka. Miseho amin’ny alalan’ny firehetana any anatin’ny mpanelira (artères) sy ny mpamerindra (veines) ary ny fitatitra (nerfs), izay mitarika ho amin’ny fihatevenan’ny rindrin’ny lalandra noho ny fitsihan’ny liofotsy izy io. Ny fisehoan’aretina voalohany mazàna dia ny fisian’ny mangana eo amin’ny rantsantongotra na ny rantsantanana iray, ary ny fahatsapana hatsiaka foana eo amin’ilay rantsana voa. Koa satria mirehitra koa ny fitatitra dia mety hampanaintaina mafy ary hiteraka fikainkon’ny lalandra madinika feheziny izany. Ny fiasan’ny fitatitra sempatika be loatra koa dia mety hahatonga ny tongotra ho tsemboka be, na dia mahatsiaro mangatsiaka aza izy ireo. (...) Zava-manahirana fahita amin’io aretin’i Buerger io, izay tsy mitsaha-mitombo ao amin’ilay olona voa, ny “ulcères” sy “gangrène ischémiques” (dridra sy fery mihady tsy ikorianan’ny ra).
“Tsy fantatra izay mahatonga ny aretin’i Buerger, nefa kosa noho izy io mpitranga indrindra eo amin’ny tovolahy mpifoka dia inoana fa avy amin’ny zavatra ao amin’ny sigara. Ny fomba fitsaboana lehibe indrindra dia ny fialana amin’ny sigara.” (Izahay no manipika.) — Torolalana feno ara-pitsaboana ho an’ny mpianakavy, nataon’ireo mpitsabo sy mpandidy ao amin’ny Oniversiten’i Columbia (Etazonia).
[Efajoro, pejy 9]
NY SIGARA sy ny Aretim-po
“Na dia ny ankamaroan’ny olona aza no mahafantatra tsara ny fifandraisana misy eo amin’ny fifohana sigara sy ny homamiadan’ny havokavoka, ary koa ireo aretin’ny havokavoka hafa, dia betsaka no mbola tsy mahatakatra fa antony lehibe mahatonga fihetsehan’ny aretim-po koa ny fifohana sigara. Raha ny marina, ny (...) tatitra nataon’ny Ministeran’ny Fahasalamana momba ny Sigara sy ny Fahasalamana dia manombana fa ny 225 000 amin’ireo Amerikana maty isan-taona noho ny aretin’ny fo sy ny lalandra dia mifandray mivantana amin’ny fifohana — maro lavitra noho ny fitambaran’ny fahafatesana amin’ny homamiadana sy ny aretin’ny havokavoka avy amin’ny fifohana sigara.
“Ireo mpifoka matetika dia manontany raha mampihena ny mety ho fahavoazan’ny fo sy ny lalandra ny sigara tsy dia misy tara na “nicotine”. Toa ‘tsia’ no valiny. Raha ny marina, ny sasany amin’ireo sigara misy tantavana (filtre) dia mampitombo ny habetsahan’ny ôksida-na karbônina fohina, ary mahatonga izany ho ratsy kokoa ho an’ny fo aza noho ny sigara tsy misy tantavana.” (Izahay no manipika.) — Torolalana feno ara-pitsaboana ho an’ny mpianakavy, nataon’ireo mpitsabo sy mpandidy ao amin’ny Oniversiten’i Columbia (Etazonia).
[Sary, pejy 8]
Mikendry ny vehivavy ireo dokambarotra momba ny sigara ary mandresy