Zava-nisongadina teo Amin’ny Fanompoana
Tena niavaka ny volana Martsa 2014, satria nahazo tampon’isa vaovao isika. Lasa 29 368 ny mpitory, izany hoe nitombo 6 isan-jato. Nahazo tampon’isa vaovao koa isika eo amin’ny gazety voapetraka sy ny fiverenana mitsidika ary ny fampianarana Baiboly. Tena ankasitrahana ny asa mafy nataonareo nandritra iny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana iny.