31 AOGOSITRA–6 SEPTAMBRA 2026
HIRA 89 Izay Mihaino sy Mankatò dia Hotahina Tokoa
Tandremo ny Fomba Fihainoanareo
“Tandremo ny fomba fihainoanareo.”—LIOKA 8:18.
HEVITRA HODINIHINA
Nahoana isika no mila mihaino tsara foana mandritra ny fivoriana sy ny fandaharana ara-panahy hafa, ary inona no hanampy antsika hahavita an’izany?
1-2. a) Inona no ataon’i Jehovah ho an’ny vahoakany amin’izao? (Salamo 23:1, 2, 5) b) Inona no hodinihintsika ato?
OMEN’I Jehovah sakafo ara-panahy be dia be isika amin’izao. Mitovy hevitra amin’i Davida isika rehefa nihira izy hoe: “I Jehovah no Mpiandry ahy. Tsy ho ory na inona na inona aho.”—Vakio ny Salamo 23:1, 2, 5.
2 Ny fivoriana no anisan’ny fomba anomezan’i Jehovah sakafo ara-panahy antsika. Matetika no zavatra efa fantatsika no resahina any am-pivoriana. Mila an’ireny fampahatsiahivana ireny isika na dia “efa miorina tsara amin’ny fahamarinana” aza. (2 Pet. 1:12) Sarotra aminao ve anefa ny mifantoka rehefa zavatra efa noresahina imbetsaka no hazavaina any am-pivoriana? Raha izany, dia afaka manampy anao ity lahatsoratra ity. Hodinihintsika hoe nahoana isika no tokony hihaino tsara any am-pivoriana. Hojerentsika koa hoe inona no azon’ny rahalahy atao mba ho mora kokoa amin’ny mpihaino ny hifantoka amin’ny lahateniny. Ankoatra izay, dia hahita soso-kevitra vitsivitsy hanampy antsika hahay hihaino kokoa isika. Hojerentsika anefa aloha hoe iza marina moa no miresaka amintsika.
TADIDIO HOE I JEHOVAH NO MIRESAKA AMINTSIKA
3. Ahoana no iresahan’i Jehovah amintsika, ary ahoana no ahitana hoe mampiasa tsara ny Tenin’Andriamanitra ny mpanompony?
3 Miresaka amintsika amin’ny alalan’ny Teniny i Jehovah. (2 Tim. 3:16, 17) Nahafantatra tsara an’izany i Jesosy. Tena nahay nampiasa ny Tenin’Andriamanitra izy, ka tafateny mihitsy ireo nihaino azy hoe: “Fa ahoana koa no nahaizan’io lehilahy io ny Soratra Masina hoatr’izany, nefa izy aza tsy nianatra tany amin’ny sekolintsika akory?” (Jaona 7:15) Faly ny olona tso-po rehefa naheno an’i Jesosy nanazava ny Tenin’Andriamanitra. Matetika koa ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany no nampiasa ny Soratra Masina rehefa nandresy lahatra olona. Nanao an’izany, ohatra, ny apostoly Paoly sy Apolosy. (Asa. 17:2, 3; 18:24, 28) Fantatsika hoe miorina amin’ny Baiboly ny lahatsoratra, ny fandaharana ao amin’ny Tele JW, ny lahateny, ary ny video avoakantsika Vavolombelon’i Jehovah. Mampiaiky an’ireo sambany vao mivory koa ny mahita hoe ampiasaina be mihitsy ny Baiboly mandritra ny fivoriantsika. Miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra mantsy ny zavatra resahin’izay manana anjara. Tsy vakiny fotsiny ilay andinin-teny fa hazavainy amin’ny mpanatrika koa hoe ahoana no hampiharana an’ilay izy.—Lioka 24:32.
4. Inona no dikan’ilay hoe “maheno” sy “mihaino”?
4 Matetika ilay teny hoe “maheno” sy “mihaino” ao amin’ny Baiboly no midika hoe mankatò. Rehefa miresaka amintsika amin’ny alalan’ny Teniny àry i Jehovah any am-pivoriana, dia lasa azontsika ny sitrapony ka lasa mora kokoa amintsika ny mankatò azy. Afaka matoky isika hoe faly i Jehovah rehefa mihaino azy isika sady mampihatra an’izay ianarantsika.—Ohab. 27:11.
NAHOANA ISIKA NO TOKONY HIHAINO TSARA ANY AM-PIVORIANA?
5. Mandrisika antsika hanao inona ny fitiavantsika an’i Jehovah? (Jaona 4:23, 24; 1 Jaona 5:3)
5 Mihaino tsara isika any am-pivoriana satria tiantsika i Jehovah. (Mat. 22:37) Vao mainka isika tia an’i Jehovah arakaraka ny ahafantarantsika azy. Izany fitiavana izany no mahatonga antsika te hihaino sy hankatò azy, ary hanompo azy araka ny atorony ao amin’ny Teniny.—Vakio ny Jaona 4:23, 24; 1 Jaona 5:3.
6. Inona no ampianarin’i Jehovah antsika any am-pivoriana?
6 Mihaino tsara isika any am-pivoriana satria tiantsika ny olona. (Mat. 22:39) Ampianarin’i Jehovah antsika any am-pivoriana hoe ahoana ny hanampiana ny mpiara-manompo sy ireo mbola tsy mahafantatra azy. Manampy antsika hanana ny toetra ilaina eny amin’ny fanompoana, ohatra, ilay bokikely hoe Tiavo ny Olona ka Ampianaro. Ianarantsika amin’ny fivoriana andavanandro hoe ahoana no hampiharana ny soso-kevitra ao amin’io bokikely io. Sarotra aminao ve ny manombo-dresaka? Raha izay, dia jereo tsara ny fomba anaovan’ireo rahalahy sy anabavy an’izany rehefa manao anjara ry zareo amin’ny fivoriana andavanandro.
7. Nahoana no zava-dehibe ny mihaino an’i Jehovah foana?
7 Mihaino tsara isika any am-pivoriana satria mamy amintsika ny miaina. Iankinan’ny aintsika ny mankatò ny Tenin’Andriamanitra, hoatran’ireo mpanompon’i Jehovah tamin’ny lasa ihany. (Deot. 32:44-47) Mahazo fampaherezana isika rehefa mihaino tsara any am-pivoriana, ka lasa vonona hiaritra sy hiandry an’ilay tontolo vaovao ho avy. (Rom. 8:25) Zava-dehibe ny mihaino an’i Jehovah amin’izao, satria miaina amin’ny andro farany isika ka tsy maintsy mifoha ara-panahy foana.—Mat. 24:42-44; Apok. 1:3.
AHOANA NO HANAMPIANA NY MPIHAINO HIFANTOKA ANY AM-PIVORIANA?
8. Nahoana ireo rahalahy no tokony hanatsara ny fahaizany mandaha-teny foana?
8 Mila manatsara ny fahaizany mandaha-teny foana ireo rahalahy manana anjara, indrindra ireo manao lahateny ho an’ny besinimaro. Raha voaomana tsara sady miorina amin’ny Baiboly ny lahateniny, dia mety hanampy ny olona hanaiky ny fahamarinana sy hanampy ny mpiara-manompo tsy hiala amin’izany. Aza hamaivanina mihitsy àry ny anjaranao. Raha manana an’izany tombontsoa izany ianao, dia diniho hoe ahoana no azonao ampiharana an’ireo soso-kevitra eo ambany ireo. Marina hoe natao manokana ho an’izay manao lahateny ho an’ny besinimaro ireo, nefa mahasoa an’izay manana anjara rehetra koa.—2 Tim. 4:2; Tit. 1:9.
9. Nahoana ny lahateny no tokony hirindra tsara?
9 Ataovy mirindra tsara ny hevitra. Ataovy mora amin’ny mpihaino ny manaraka ny fanazavanao. Mety ho very ry zareo raha be pitsiny loatra ilay izy. Inona àry no azonao atao mba hirindra tsara ny lahateninao? Andramo ireto: 1) Ataovy mazava tsara avy any am-piandohana hoe inona avy ny hevi-dehibe. 2) Velabelaro tsirairay ny hevi-dehibe. Miatoa kely rehefa vita ny hevi-dehibe iray, dia resaho mazava tsara hoe inona ny hevi-dehibe manaraka. 3) Avereno indray ireo hevi-dehibe any amin’ny farany.
10. Nahoana ianao no tokony ho tia an’ilay hevitra horesahinao?
10 Ataovy izay hitiavanao an’ilay hevitra horesahina. Hafana fo ianao rehefa miresaka zavatra tianao. (Ohab. 2:4, 5; Asa. 4:20) Inona no hanampy anao ho tia ny hevitra velabelarina amin’ilay lahateny? Saintsaino mialoha izy ireny sy ny andinin-teny miaraka aminy. Efa 70 taona mahery ny rahalahy iray any Etazonia, nefa mbola tadidiny foana ny lahateny iray henony tamin’izy mbola tanora. Hoy izy: “Tsy hadinoko mihitsy ny fomba nanaovan’ilay rahalahy an’ilay lahateny. Nampirisihiny ny mpanatrika mba hisaintsaina rehefa mamaky ny Tenin’Andriamanitra. Tena nafana fo izy, ary nohazavainy tsara ny fomba hanaovana an’izany. Nanova ny fiainako iny lahateny iny. Nanatsara ny famakiako Baiboly sy ny fifandraisako amin’i Jehovah ilay izy.”
11. Inona no tokony hataon’ny mpandahateny mba handray soa ny mpihaino? (1 Timoty 4:13-16)
11 Eritrereto hoe inona no ilain’ny mpanatrika ary manomeza torohevitra azo ampiharina. Aza miresaka hevitra amin’ny ankapobeny fotsiny, fa ampiasao ny Soratra Masina mba hanomezana fampaherezana sy torohevitra voafaritra tsara. Nomen’ny apostoly Paoly torohevitra voafaritra tsara, ohatra, i Timoty mba hahatonga azy hatanjaka ara-panahy foana tamin’izy tany Efesosy. (Vakio ny 1 Timoty 4:13-16.) Eritrereto hoe inona no ilain’ireo mihaino anao, ary ampio ry zareo mba hahita ny fomba hampiharana an’ireo hevitra resahina ao amin’ilay lahateny.
12. Nahoana no tsara ilay hoe miresaka hoatran’ny andavanandro rehefa mandaha-teny?
12 Averimbereno amin’ny feo avo ilay lahateny mba ho hoatran’ny hoe miresaka andavanandro ianao. Ho mora azo sady hampifantoka ny lahateninao raha hoatran’ny miresaka andavanandro ianao rehefa manao an’ilay izy, fa tsy mamaky be fotsiny. Hoy ilay bokikely hoe Miezaha Hahay Hamaky Teny sy Hampianatra: “Aza amboamboarina ny teninao fa ataovy hoatran’ny rehefa miresaka andavanandro, ary ataovy vokatry ny fo. ... Eritrereto hoe nahoana no mila mihaino an’izay lazainao ny olona.” Raha ataonao amin’ny fo ny lahateninao, dia ho hitan’ny mpanatrika hoe velombelona ilay izy sady mahaliana, ary mandrisika an-dry zareo hanao zavatra.
13. Nahoana ianao no tokony hangataka torohevitra amin’ny mpandahateny mahay rehefa manomana lahateny? (Jereo koa ny sary.)
13 Mangataha torohevitra amin’ny mpandahateny mahay. Ahoana no hanaovanao an’izany? Azonao aseho azy ny fanomananao alohan’ny hanaovanao an’ilay lahateny, dia raiso avy eo ny soso-kevitra omeny. Iangavio koa izy mba hihaino anao mamerina an’ilay lahateny, amin’izay izy afaka manoro anao an’izay azonao hatsaraina. (Ohab. 1:5) Tsy hitantsika indraindray izay zavatra tsy mety, dia ny olon-kafa no afaka milaza amintsika hoe inona no azo atao mba ho mora azo sy ho azo ampiharina ny hevitra resahintsika. Hatsarao àry ny fahaizanao mandaha-teny sy mampianatra, mba handray soa amin’ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny mpihaino.a
Iangavio ny mpandahateny mahay iray mba hanampy anao hanatsara ny fahaizanao mampianatra (Fehintsoratra 13)
INONA NO HANAMPY ANTSIKA HAHAY HIHAINO KOKOA?
14. Nahoana isika no tokony hanahaka ny toe-tsain’ny mpanoratra ny Salamo faha- 119? (Salamo 119:24, 111, 167)
14 Hahay hihaino kokoa isika raha mitadidy hoe tena zava-dehibe ny fampahatsiahivan’i Jehovah. Mila ny fampahatsiahivan’Andriamanitra isika mba hiatrehana ny olana fahita amin’izao “fotoan-tsarotra tsy mora atrehina” izao. (2 Tim. 3:1) Ahoana anefa raha efa nianarantsika imbetsaka ny loha hevitra iray? Mila manahaka ny toe-tsain’ny mpanoratra ny Salamo faha- 119 isika. Izy mantsy tena tia ny fampahatsiahivan’Andriamanitra.—Vakio ny Salamo 119:24, 111, 167.
15. Inona no hanampy antsika hankasitraka foana ny sakafo ara-panahy azontsika?
15 Tokony hoheverintsika hoe fanomezana avy amin’i Jehovah foana ny sakafo ara-panahy azontsika. Hoatr’izany mihitsy no tokony ho nataon’ny Israelita tany an-tany efitra, rehefa nanome mana ho an-dry zareo i Jehovah. (Eks. 16:15, 31) Azo antoka hoe tian-dry zareo ny mana tamin’ny voalohany. Avy amin’i Jehovah tsinona ilay izy sady natsiro ary nila an’io ry zareo raha te ho velona. Rehefa nandeha anefa ny fotoana, dia leo mana ny Israelita sasany. (Nom. 21:5) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tsy mety raha mieritreritra isika hoe tsy zava-dehibe ny sakafo ara-panahy satria hoe efa imbetsaka isika no naheno an’ilay izy, na hoe ny taloha ihany no miverina. Tokony horaisintsika ho fanomezana avy amin’i Jehovah kosa izy ireny. Tsy maintsy tadidintsika hoe efa nomanin’ny fandaminan’i Jehovah tsara ireny sakafo ara-panahy ireny. Manampy antsika ho hendry sy ho afaka hiaina mandrakizay koa izy ireny.—Ohab. 3:13, 16-18; Jaona 17:3.
16. Inona no nanampy an’ireo nanompo an’i Jehovah efa ela mba hihaino tsara foana any am-pivoriana? (Jereo koa ilay hoe “Soso-kevitra Hanampy Anao Hihaino Tsara.”)
16 Hahay hihaino kokoa isika raha mampihatra ny soso-kevitra omena antsika. Mariho hoe inona no nanampy an’ireo olona nanompo an’i Jehovah efa ela mba hihaino tsara foana any am-pivoriana. Efa 30 taona mahery izay i Ashley no nanompo an’i Jehovah. Hoy izy: “Zava-dehibe ny fanomanana raha te hifantoka. Raha tsy nanomana aho, dia lasa sarotra amiko ny manome valin-teny sady miriorio ny saiko.” I József indray efa 52 taona nanompoana an’i Jehovah. Hoy izy: “Na efa niverimberina aza ny foto-kevitra iray, dia miana-javatra vaovao foana aho rehefa maheno lahateny samihafa miresaka momba an’ilay izy.” Hoy koa izy: “Raha tsy dia mahay mandaha-teny ilay rahalahy, dia miezaka mifantoka amin’ny hevitra resahiny aho fa tsy amin’ny fomba ilazany azy. Avy ao amin’ny Baiboly mantsy ny zavatra resahiny.”
17. Inona no azonao atao mba hifantoka tsara ianao any am-pivoriana? (Jereo koa ny sary.)
17 Misy soso-kevitra hafa hanampy anao hihaino tsara koa ireto. 1) Aza manao voky loatra rehefa alohan’ny hivory. 2) Miezaha ho tonga aloha, ary mitadiava toerana hipetrahana alohan’ny hanombohan’ny fandaharana. 3) Aza asiana feo ny fitaovana elektronika ampiasainao ary aza avela hanelingelina anao mandritra ny fivoriana. 4) Eritrereto mialoha hoe inona ny hevitra mety horesahina. 5) Mifantoha any amin’ilay mpandahateny. 6) Mandraisa naoty kely na manaova sary tsotsotra mba hitadidiana ny hevi-dehibe. 7) Saintsaino ireo andinin-teny ary jereo hoe inona no ifandraisan’izy ireo. 8) Eritrereto hoe: ‘Ahoana no azoko ampiasana an’izany hevitra izany mba hanampiana olona iray ao amin’ny fiangonana na eny amin’ny faritany?’ 9) Rehefa mamonjy fivoriambe ianao, dia jereo mialoha ny foto-kevitra ho an’ny andro sy ny loha hevitra horesahina ary ny andinin-teny iorenan’ny lahateny tsirairay. 10) Omano ny fonao. Mila mipetraka sy mifantoka tsara ianao rehefa mandeha ny mozika sy video fanokafana.
Henoy foana ny fampahatsiahivan’Andriamanitra fa aza avela hanelingelina anao ny fitaovana elektronika (Fehintsoratra 17)
HENOY FOANA I JEHOVAH
18. Nahoana isika no tokony hihaino tsara foana any am-pivoriana?
18 Tokony hihaino tsara foana isika rehefa any am-pivoriana. Avelantsika hitarika antsika amin’ny “lalan’ny fahamarinana” i Jehovah amin’izay. (Sal. 23:3; 31:3) Ilaintsika ny fanitsiana azontsika any mba tsy hivily lalana hoatran’ny sambo entin’ny rivotra isika. Miezaha àry ‘hitandrina ny fomba fihainoanao’, dia ampiharo ny tari-dalana azonao any am-pivoriana. (Lioka 8:18) Raha mihaino an’i Jehovah isika, dia ho sambatra dieny izao ary hiaina mandrakizay amin’ny hoavy.—Sal. 119:2, 14.
HIRA 87 Andao Haka Fampaherezana
a Raha te hanatsara ny fahaizanao mandaha-teny sy mampianatra ianao, dia misy soso-kevitra hafa ao amin’ilay bokikely hoe Miezaha Hahay Hamaky Teny sy Hampianatra sy ilay boky hoe Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana.