FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w26 Jona p. 26-30
  • Efa ho 70 Taona Izay no Nanompoako An’i Jehovah Teto Cuba

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Efa ho 70 Taona Izay no Nanompoako An’i Jehovah Teto Cuba
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2026
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • NIATRIKA FOTOAN-TSAROTRA
  • NANAO MPISAVA LALANA SADY NITAIZA
  • NANAO NY ASAN’NY FARITRA NANDRITRA NY FANDRARANA
  • FALY FOANA NA TEO AZA NY FANOVANA
  • “Tanteraka ny Nofinofiko!”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Vaovao Teokratika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
  • Nihaino Tsara ny Vavaka Nataoko i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2024
  • “Tsara Noho ny Aina ny Hatsaram-panahinao Miharo Fitiavana”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2026
w26 Jona p. 26-30
Gustavo sy Emilia vadiny.

TANTARAM-PIAINANA

Efa ho 70 Taona Izay no Nanompoako An’i Jehovah Teto Cuba

NOTANTARAIN’I GUSTAVO JOSEPH

TERAKA teto Cuba aho tamin’ny 1947. Nosy tsara kely eto Karaiba izy io, ary eo amin’ny fihaonan’ny Ranomasina Karaiba sy ny Oseana Atlantika no misy azy. Manana zandry vavy anankiroa aho. Tao amin’ny tanàna kelin’i Esmeralda izahay dimy mianaka no nipetraka.

Nilamina ny fiainanay tamin’izany. Nipetraka teny akaikinay teny koa ny havanay sasany, anisan’izany ry Dadatoa sy Nenitoa, ary ry Dadabe sy Bebe. Sambatra izahay ary nanana sakafo ampy.

Nianatra Baiboly tamin’i Walton Jones i Dada sy Neny, tamin’izaho dimy taona teo ho eo. Tena nazoto nitory io rahalahy io. Nandeha an-tongotra adiny folo teo ho eo izy mba hahatongavana tao an-tanànanay. Isaky ny tonga izy, dia nitangorona tao amin-dry Dadabe sy Bebe ny ankamaroan’ny fianakavianay, dia niresadresaka momba ny Baiboly nandritra ny ora maro. Tia an’ilay zavatra nianarany i Dada sy Neny, sy Dadatoa Pedro, ary Nenitoa Ela. Tsy ela ry zareo dia natao batisa ary lasa Vavolombelon’i Jehovah. Efa ho 100 taona izao i Nenitoa Ela, ary mbola mpisava lalana eto Cuba izy hatramin’izao.

Mbola nalalaka ny fitoriana teto Cuba tamin’izany. Ilay izahay nitory isan-trano no tena nahafantaran’ny olona anay, dia ilay izahay nitondra valizy kely sy kitapo feno boky ara-baiboly. Nandeha an-tongotra be koa izahay. Mbola kely aho tamin’izany dia tadidiko tsara hoe nahafinaritra ireny fotoana ireny. Mbola “mora” mantsy ny nanao fanompoana. Nananontanona anefa ny fotoan-tsarotra.​—2 Tim. 4:2.

NIATRIKA FOTOAN-TSAROTRA

Nandeha namonjy fivoriambe tany amin’ny faritra hafa tao amin’ilay nosy i Dada sy Dadatoa Pedro, tamin’izaho dimy taona teo ho eo. Nampalahelo fa voan’ny tefoedra ry zareo satria tsy nadio tsara ny rano nosotroiny tany. Nihitsam-bolo be i Dadatoa rehefa niverina avy any, fa velona ihany. Tsy tana kosa ny ain’i Dada. Izy anefa vao 32 taona fotsiny.

Rehefa maty i Dada, dia nanapa-kevitra i Neny hoe hifindra any amin’ny zokiny lahy any amin’ny tanànan’i Lombillo izahay. Tsy maintsy nilaozanay àry ny fianakavianay, anisan’izany i Dadabe sy Bebe, nefa ry zareo tena tianay be. Mbola nanompo an’i Jehovah foana anefa izahay mianakavy.

Natao batisa tao amin’ny dobo kely iray teny akaikin’i Lombillo aho tamin’ny 26 Aogositra 1957. Folo taona aho tamin’izany. Tsy haiko akory tamin’izay hoe hiova be ny fiainan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Cuba, tsy ampy roa taona taorian’izay. Niongana ny fitondrana tamin’ny 1959, dia ny Kominista indray no nandray ny fahefana.

Te hanana tafika matanjaka ilay fitondrana vaovao. Nisy vokany tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izany, satria ry zareo tsy miditra amin’ny politika sy ny ady na aiza na aiza firenena misy azy. Very tsikelikely ilay fahalalahana nanananay. Voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa nandeha ny fotoana, dia rahalahy an-jatony no nogadraina. Voadaroka matetika ny sasany sady tsy nomena sakafo. Indraindray sakafo nisy ra no naroson-dry zareo, nefa raran’ny Baiboly izany.

Nivory foana anefa izahay na teo aza izany rehetra izany. (Heb. 10:25) Nanao fivoriambe mihitsy aza izahay fa natao tany amin’ny toeram-pambolena sy fiompiana, na tany an-toeran-kafa eran’i Cuba. Nisy fotoana izahay navelan’ny rahalahy iray nanao fivoriambe tao amin’ny trano fasiany ondry. Tsy nahavita nanadio an’ilay toerana mialoha izahay sady tsy vitanay akory aza ny namoaka an’ireo ondry avy tao. Niaraka namonjy fivoriambe àry ny ondrin’ilay rahalahy sy ny ondrin’i Jehovah!​—Mika 2:12.

Tena nankasitrahanay tamin’izany ny asa mafy nataon’ireo rahalahy mba hahazoanay sakafo ara-panahy. Noraisina feo mialoha tamin’ny kasety, ohatra, ny fandaharan’ny fivoriambe dia nozaraina eran’i Cuba. Rahalahy roa fotsiny indraindray no voatendry hanomana sy hanao ny lahateny rehetra ary handray feo an’izany. Toerana niafina no nanaovana an’ilay fandraisam-peo, dia indraindray nisy feon’akoho naneno sy feo nampihomehy hafa tao anatin’ilay raki-peo. Raha tsy nisy jiro ny toerana nanaovana fivoriambe dia fitaovana mpamokatra herinaratra atao hoe dynamo no nampiasaina, ary napetaka tamin’ny bisikileta iray. Nisy rahalahy iray namoy an’ilay bisikileta mba hahazoana herinaratra. Afaka naheno an’ilay fandaharana tamin’ny radio kasety àry ny rehetra. Marina hoe tsy nanana fahalalahana izahay sady tsy nanana ny boky sy gazety rehetra nananan’ireo rahalahy tany an-tany hafa. Tsy ory sakafo ara-panahy mihitsy anefa izahay. Tena nankafizinay koa ilay hoe niara-nanompo an’i Jehovah.​—Neh. 8:10.

NANAO MPISAVA LALANA SADY NITAIZA

Nanao mpisava lalana maharitra tao amin’ny tanànan’i Florida aho rehefa feno 18 taona. Voatendry ho mpisava lalana manokana tao amin’ilay tanàn-dehibe atao hoe Camagüey aho, herintaona teo ho eo taorian’izay. Tany no nihaonako tamin’i Emilia, anabavy iray manjakely avy any Santiago de Cuba. Niaraka izahay ary nivady rehefa afaka herintaona teo ho eo.

Sary: 1. Gustavo sy ny mpiara-mianatra aminy miara-maka sary. 2. Gustavo sy Emilia mitsikitsiky tamin’ny mariazin-dry zareo.

(Havia) Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana ho an’ny anti-panahy​—Camagüey, Cuba, 1966

(Havanana) Tamin’ny mariazinay, 1967

Nanomboka niasa manontolo andro tao amin’ny orinasa mpamokatra siramamy aho, fa nanana betsaka an’ireny ny fanjakana tamin’izany. Tsy afaka nanao mpisava lalana intsony izahay mivady, kanefa te hanompo betsaka araka izay azonay natao. Nifandimby isaky ny adiny valo ny mpiasa tao amin’ilay orinasa. Tsy tia mifoha maraina aho nefa naleoko nifidy hiasa nanomboka tamin’ny 3:00 maraina ka hatramin’ny 11:00 antoandro. Amin’izay mantsy aho mba afaka ny ho be atao eo amin’ny fanompoana sady ho afaka hanatrika ny fivoriana rehetra niaraka tamin’i Emilia.

Niteraka an’i Gustavo lahimatoanay izahay tamin’ny 1969. Nasaina hanompo manontolo andro indray aho ary hanao ny asan’ny faritra. Fahita teto Cuba ny mpiandraikitra ny faritra namelom-bady aman-janaka tamin’izany. Nanomboka pejy vaovao indray izahay. Be atao be izahay nefa faly. Tombontsoa be ho anay mivady ny nanompo an’ireo rahalahy sy anabavy tamin’izahay nanao ny asan’ny faritra. Tamin’izany no teraka i Obed, dia avy eo i Abner, ary taona vitsivitsy taorian’izay no teraka i Mahely zanakay vavy.

Rehefa manao jery todika an’ireo taona maro nanaovanay ny asan’ny faritra aho, dia faly aho mahita hoe tena notahin’i Jehovah ny vahoakany eto Cuba. Tena notahiny koa ny ezaka nataonay mivady mba hanampiana ny zanakay ho tia azy. Fa hoatran’ny ahoana aloha ilay hoe nanao ny asan’ny faritra tamin’izany fotoana izany e? Aleo fa hohazavaiko.

NANAO NY ASAN’NY FARITRA NANDRITRA NY FANDRARANA

Tena mafy ny vokatry ny fandrarana teo anelanelan’ny 1960 sy 1980. Nakatona ny Efitrano Fanjakana, noroahina ny misionera, ary be dia be ny rahalahy tanora nosamborina sy nogadraina. Nakatona koa ny biraon’ny sampana teto La Havane.

Gustavo sy Emilia mitazona gazety “Mifohaza!” amin’ny teny espaniola.

Nanao ny asan’ny faritra, 1990 tany ho any

Tsy afaka nitsidika fiangonana izahay raha tsy faran’ny herinandro, noho ny fandrarana. Nitsidika fiangonana iray izahay tao anatin’ny tapa-bolana fa rehefa faran’ny herinandro ihany izahay no nankany. Entana kely ihany no nentinay, dia matetika izahay no nampiasa bisikileta mba tsy hisarika mason’olona. Mazava ho azy fa tsy natao fampandrenesana hoe ho avy izahay. Natao hoatran’ireny hoe mitsidika fianakaviana ireny izahay. Tsotra kely ny nanao an’izany. Tena hoatr’ireny nitsidika fianakaviana ireny mihitsy aza izahay, ka hadinonay indraindray hoe ny hitsidika fiangonana anie no tena anton-dianay. (Mar. 10:29, 30) Na izany aza dia nila mailo foana izahay. Matetika izahay no nisy nanaraka dia nadinadinin’ny polisy. Na ny olona nampiantrano anay aza nety ho voasambotra raha araky ny polisy ny zavatra nataonay.​—Rom. 16:4.

Be dia be ny rahalahy sy anabavy nalala-tanana tamin’izany na dia tsy nanam-bola firy aza. Be moka be ny toerana sasany dia nampindramin-dry zareo anay ny lainy, amin’izay izahay mba afaka matory tsara amin’ny alina. Iny lay iray iny ihany anefa no mba nananany. Nisy indray vonona hampiantrano anay na dia tsy nanana sakafo firy homena anay aza. Nisy fotoana aza izahay ihany no nitondra ny sakafonay, dia iny no nifampizarana tamin’ny tompon-trano.

Tsy afaka nitondra ny zanakay rehetra izahay rehefa nitsidika. Zaza iray ihany àry no nentinay, dia ny mamako sy ny anabaviko no nitaiza ny ambiny. Tena niaro aloha ilay nitondra zazakely e! Nisy fotoana izahay nosavan’ny polisy fa efa nafeninay tao anaty harona nisy lamban-jaza maloto ny boky sy ny gazety nentinay. Fantatray mantsy hoe tsy hisava ao mihitsy ry zareo.

Nahavita be mihitsy i Emilia nikarakara ny zanakay sady nanohana ahy nandritra an’izay taona maro nanaovanay fanompoana manontolo andro izay. Izaho koa nahavita nampifanaraka ny asako tamin’ny asan’ny faritra. Nisy fotoana aho niasa adiny 16 indray mandeha na indroa isan-kerinandro, amin’izay mba tsy niasa ny faran’ny herinandro. Niova anefa ny asako tatỳ aoriana. Lasa sefona ekipa aho, dia tokony ho niasa ny alatsinainy ka hatramin’ny alahady. Tsy afaka nanda an’izany aho. Nomeko asa ampy hataony mandritra ny faran’ny herinandro fotsiny ny ekipako rehefa nitsidika fiangonana aho. Toa tsy fantatry ny lehibenay mihitsy tamin’ireny hoe tsy teo aho rehefa faran’ny herinandro.

FALY FOANA NA TEO AZA NY FANOVANA

Gustavo manao lahateny amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra, 1994.

Fivoriamben’ny vondrom-paritra voalohany taorian’ny fandrarana, 1994

Nandamina fivoriana manokana ireo rahalahy nitarika ny asa teto Cuba, tamin’ny 1994, ary teto La Havane no nanaovana azy. Nasaina hanatrika azy io ny mpiandraikitra mpitety faritany rehetra. Nisy 80 izahay. Faly erỳ izahay rehetra fa tafahaona ihany taorian’izay taona maro izay. Ny fanovana teo anivon’ny fandaminana no noresahina voalohany tamin’ilay fivoriana. Taitra be izahay avy eo rehefa nilaza ireo rahalahy fa hampahafantarin’izy ireo ny manam-pahefana, hono, ny anaranay rehetra. Fa ahoana koa izany?

Efa nihaona tamin’ny manam-pahefana, hono, ry zareo satria tian-dry zareo hohatsaraina ny fifandraisan’ny fanjakana sy ny Vavolombelon’i Jehovah. Notakin’ny manam-pahefana, hono, ny anaran’ny mpiandraikitra mpitety faritany rehetra. Nanaiky àry izahay rehetra hoe homena any ny anaranay. Nanomboka tamin’izay, dia nisy vokany tsara ny fifampiraharahana tamin’ny fanjakana.

Afaka nanompo sy nivory an-kalalahana izahay rehefa nandeha ny fotoana, na dia mbola tsy nekena ho ara-dalàna aza ny fivavahantsika. Hainay, tatỳ aoriana, hoe efa fantatry ny manam-pahefana ihany ny anaran’ny mpiandraikitra mpitety faritany sasany, fa tiany hohamarinina fotsiny.

Navelan’ny fanjakana hanokatra biraon’ny sampana indray izahay tamin’ny Septambra 1994. Azonay nampiasaina mihitsy aza ilay tranon’ny sampana efa nampiasaina 20 taona talohan’izay.

Nisy niantso tamin’ny telefaonina izahay mivady tamin’ny 1996, dia nanontaniana raha afaka manompo ao amin’ny Betela. Tsy nampoizinay mihitsy izany. Nilazako ireo rahalahy hoe mbola nanana zanaka roa nila nokarakaraina aho tao an-trano. Mbola tian-dry zareo hanompo teto amin’ny Betela ihany anefa izahay. Nekenay àry ilay fanasana dia niomankomana hifindra teto La Havane izahay mianakavy.

Sary: 1. Emilia sy ny anabavy hafa miasa ao amin’ny fanjairana ao amin’ny Betela. 2. Gustavo manao lahateny ao amin’ny Efitrano Fivoriambe.

(Havia) Emilia tao amin’ny fanjairana, Sampan’i Cuba, taoriana kelin’ny taona 2000

(Havanana) Fitokanana Efitrano Fivoriambe, 2012

Tsy tiako mihitsy ny nanompo teto amin’ny Betela tamin’ny voalohany. Efa an-taonany maro aho mantsy no nanao ny asan’ny faritra dia teny amin’ny saha foana ny foko sy ny saiko. Sarotra tamiko ilay hoe hiasa ao amin’ny birao. Nanampy ahy hanitsy ny toe-tsaiko anefa ny Betelita hafa, indrindra fa i Emilia. Lasa faly ihany aho, tatỳ aoriana, dia tena ankafiziko izao ny fanompoana eto amin’ny Betela.

Sary: 1. Gustavo eny amin’ny lampihazo mitodika any amin’ireo nahazo diplaoma tamin’ny Sekoly Ara-baiboly ho An’ny Mpivady Kristianina, sady miresaka amin-dry zareo. 2. Gustavo miaraka amin’ny Komitin’ny Sampana efatra hafa.

(Havia) Sekoly Ara-baiboly ho An’ny Mpivady Kristianina, 2013

(Havanana) Komitin’ny Sampan’i Cuba, 2013

Gustavo sy Emilia miara-maka sary amin’ny zanany vavy sy ny vinantolahiny.

Miaraka amin’ny zanakay vavy sy ny vadiny tamin’ny fivoriamben’ny faritra iray

Efa antitra izao izahay mivady. Faly be anefa izahay rehefa misaintsaina an’ireo rahalahy sy anabavy rehetra lasa fantatray sy niara-nanompo taminay nandritra an’izay taona maro izay. Tena mahafaly anay koa ny mahita ny zanakay sy ny zafikelinay manompo an’i Jehovah. Miombom-pihetseham-po amin’ny apostoly Jaona izahay, tamin’izy nilaza hoe: “Tsy misy mahafaly ahy noho ny maheno hoe tsy miala amin’ny fahamarinana mihitsy ny zanako.”​—3 Jaona 4.

Efa ho 30 taona izay no nanompoanay sy Emilia teto amin’ny Betela. Manao izay tsara indrindra vitanay izahay na dia miady amin’ny kansera sy ny fahanterana aza isan’andro. Be dia be ny olana natrehinay nandritra an’izay taona maro nanompoanay an’i Jehovah izay. Faly anefa izahay fa afaka nanompo an’ilay “Andriamanitra falifaly” tao anatin’ny 70 taona teo ho eo, teto amin’ny nosin’i Cuba.​—1 Tim. 1:11; Sal. 97:1.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara