FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w26 Mey p. 26-31
  • Hajao ny Fanapahan-kevitry ny Hafa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hajao ny Fanapahan-kevitry ny Hafa
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2026
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • INONA NY FANAPAHAN-KEVITRA METY HAHATONGA ANTSIKA HITSARATSARA NY HAFA?
  • NAHOANA ISIKA NO TOKONY HANAJA NY FANAPAHAN-KEVITRY NY HAFA?
  • AHOANA NO HAMPISEHOANTSIKA HOE MANAJA NY HEVITRY NY HAFA ISIKA?
  • Ataovy Mampifaly An’i Jehovah ny Fanapahan-kevitrao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
  • Miantehera Amin’i Jehovah Rehefa Hanapa-kevitra
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2023
  • Manàna Finoana ary Mahaiza Manapa-kevitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
  • Omeo Voninahitra i Jehovah Rehefa Manapa-kevitra Ianao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2026
w26 Mey p. 26-31

3-9 AOGOSITRA 2026

HIRA 113 Ny Fiadanantsika

Hajao ny Fanapahan-kevitry ny Hafa

“Aza tsaratsaraina izy raha tsy mitovy hevitra aminao.”​—ROM. 14:1.

HEVITRA HODINIHINA

Ahoana no hanajantsika ny mpiara-manompo amintsika na dia tsy mety amintsika aza ny fanapahan-kevitra raisiny?

1-2. Nahoana no tsy mitovy amin’ny an’ny Kristianina hafa ny fanapahan-kevitra raisintsika indraindray?

EFA nisy nitsaratsara anao ve tamin’ny fanapahan-kevitra noraisinao? Ary ianao ve efa nitsaratsara olona tamin’ny fanapahan-kevitra noraisiny? Eny daholo angamba ny valin’ireo.

2 Tsy tokony ho gaga isika raha tsy mitovy amin’ny an’ny Kristianina matotra hafa ny fanapahan-kevitra raisintsika indraindray. Tsy mitovy daholo mantsy isika. Samy manana ny fomba fijeriny ny tsirairay. Misy vokany amin’ny fomba fisainantsika ny kolontsaintsika sy ny fomba nitaizana antsika ary ny zavatra niainantsika. Tsy tokony havelantsika hampisaratsaraka ny fiangonana anefa ny hevitra tsy mitovy.​—Efes. 4:3.

3. Nahoana isika no mety hitsaratsara ny Kristianina iray noho ny fanapahan-keviny?

3 Rehefa tsy mety amintsika ny fanapahan-kevitra raisin’ny Kristianina iray, dia mety ho te handresy lahatra azy isika mba hiova hevitra na resadresahintsika amin’ny hafa ilay izy. Isika akory tsy hoe ratsy saina raha manao an’izany. Tiantsika kosa ny rahalahy sy anabavintsika, dia mitady an’izay hahasoa an-dry zareo isika. (Ohab. 17:17) Tsy tiantsika àry hoe hanenenany ny fanapahan-kevitra raisiny na hanimba ny fifandraisany amin’i Jehovah.

4-5. Inona no tokony hataontsika raha tsy mitovy amin’izay eritreretintsika ny fanapahan-kevitra raisin’ny Kristianina iray?

4 Raha mieritreritra isika hoe tsy mety ny fanapahan-kevitra raisin’ny Kristianina iray, dia tokony hiresaka an’izany aminy ve isika? Arakaraka ny zava-misy. Raha hitantsika hoe tsy mifanaraka amin’ny fitsipiky ny Baiboly ilay zavatra tiany hatao, dia tokony hiezaka hanitsy azy isika satria tiantsika izy. (Ohab. 27:5, 6) Ahoana indray anefa raha tsy mandika ny fitsipik’Andriamanitra ilay izy fa tsy mety amintsika fotsiny? Ao amin’ilay andinin-teny fototra ny valiny: “Aza tsaratsaraina izy raha tsy mitovy hevitra aminao.”​—Rom. 14:1.

5 Mety mbola ho sarotra amintsika ihany anefa ny hanaja ny fanapahan-keviny. Hojerentsika ato hoe nahoana isika no tokony hanaja ny fanapahan-kevitry ny hafa, ary ahoana no hanaovantsika an’izany. Fa inona moa no mety hahatonga antsika hitsaratsara ny fanapahan-kevitry ny mpiara-manompo? Andao isika hijery ohatra vitsivitsy.

INONA NY FANAPAHAN-KEVITRA METY HAHATONGA ANTSIKA HITSARATSARA NY HAFA?

6-7. Rehefa inona, ohatra, isika no mety hitsaratsara ny hafa noho ny fanapahan-kevitra noraisiny?

6 Efa noresahintsika teo aloha hoe mety hisy vokany be amin’ny fiheverantsika ny zavatra sasany ny fomba nitaizana antsika na ny zavatra niainantsika. Mety hieritreritra isika hoe hitovy fomba fijery amintsika ny hafa. Tsy voatery ho izany anefa. Andao isika handinika ohatra vitsivitsy. Ohatra 1: Mpisotro toaka be ny dadan’ny rahalahy iray. Izany no niainan’io rahalahy io talohan’ny nianarany ny fahamarinana. Namonjy fiarahana izy indray andro, dia nahita Kristianina hafa nisotro toaka. Tafintohina izy dia niteny hoe tsy mety ny ataon-dry zareo. Ohatra 2: Narary mafy ny anabavy iray fa sitrana ihany. Fantany tatỳ aoriana hoe voan’ilay aretina nahazo azy koa ny anabavy iray hafa. Te hanampy an’io anabavy io izy dia manery azy hanaraka an’ilay fitsaboana narahiny. Misy sakafo manokana na fanafody asainy hohanina angamba. Ohatra 3: Tany amin’ny fivavahan-diso ny rahalahy iray taloha. Tena tsy tiany ilay tany. Tafintohina àry izy rehefa nahalala hoe niditra am-piangonana ny Kristianina iray fa nisy maty.a

7 Ireto koa mbola misy ohatra hafa. Ohatra 4: Tsy neken’ny sain’ny olona tamin’ny andron’ny rahalahy iray ilay hoe lehilahy manao volombava na vehivavy manao pataloa rehefa fotoan-dehibe. Na dia efa naheno an’ilay Vaovao Farany aza ilay rahalahy, dia mbola miteny amin’ny mpiara-manompo ihany hoe tsy tokony hanao volombava ny rahalahy ary tsy tokony hanao pataloa ny vehivavy rehefa manompo na mivory. Ohatra 5: Misy anti-panahy nahafantatra rahalahy iray nianatra teny amin’ny oniversite dia avy eo niala tamin’ny fahamarinana. Naheno indray anefa io anti-panahy io fa misy rahalahy tanora mikasa hanao fianarana ambony ao amin’ny fiangonan-dry zareo. Matahotra ilay anti-panahy dia reseny lahatra ilay rahalahy tanora sy ny ray aman-dreniny mba hiova hevitra.

8. a) Inona no mety hahatonga ny olona iray hitsaratsara ny hafa noho ny fomba itaizany ny zanany? b) Inona no mety ho vokany eo amin’ny fiangonana raha tia manakiana ny hafa isika?

8 Intỳ indray misy ohatra mahakasika ny ray aman-dreny. Ohatra 6: Ray na reny tokan-tena angamba ianao dia miezaka mitaiza ny zanakao “araka izay anatra omen’i Jehovah sy izay atorony.” (Efes. 6:4) Hoatran’ny hoe hentitra kokoa anefa ianao raha oharina amin’ny ray aman-dreny kristianina hafa. Ry zareo, ohatra, mamela ny zanany hody hariva kokoa, hanao lalao video tsy misy herisetra, na hampiasa telefaonina na dia mbola kely aza. Mieritreritra àry ny zanakao hoe hentitra loatra ianao. Izao no lazainy aminao: “Ianareo koa sarotiny be fa tsy hoatran’ny ray aman-drenin’i Ianona!” Dia iny ianao fa lasa manakiana ny ray aman-drenin’ilay ankizy. Mazava ho azy hoe mety ho sosotra amin’ny olona iray ianao rehefa tsy mitovy amin’ny anao ny fanapahan-keviny. Mety tsy ho azoazonao ohatra ny fomba andaniany ny volany, ny fialam-boly fidiny, na ilay izy mandeha vakansy matetika. Izay hampiray saina ny fiangonana anefa no tokony ho zava-dehibe kokoa amintsika fa tsy izay tiatiantsika.

9. Nahoana isika no tsy tokony hitsaratsara ny hafa amin’ny fanapahan-kevitra raisiny? (Jereo koa ny sary.)

9 Mety tsy hitovy ny fanapahan-kevitra raisin’ny Kristianina. Tsy midika anefa izany hoe ny an’ny anankiray mety fa ny an’ny anankiray tsy mety. (Rom. 14:5) Ilay hoe ‘mifanara-tsaina’ mantsy midika hoe mila manaraka ny fitsipik’i Jehovah isika, fa tsy hoe mitovy hevitra foana isika na amin’inona na amin’inona. (2 Kor. 13:11) Azo oharina amin’ny olona maromaro handeha ho any amin’ny toerana iray isika. Mety ho samihafa ny lalana arahintsika, fa ny toerana haleha iray ihany. Isika no mifidy an’izay lalana tiantsika handehanana sy mety amintsika. Mety tsy hitovy koa ny fanapahan-kevitra raisin’ny Kristianina amin’ny toe-javatra miankina amin’ny safidin’ny tsirairay. Mitovy ihany anefa ny tanjontsika: Samy te hampifaly an’i Jehovah isika. Tsy mitsaratsara ny hafa amin’ny fanapahan-kevitra raisiny àry isika.​—Mat. 7:1; 1 Tes. 4:11.

Sarintany eo amin’ny telefaonina mampiseho lalana sy fitaterana samy hafa mankany amin’ny toerana iray.

Mety ho lalana samy hafa no hofidin’ny olona mba hahatongavana any amin’ny toerana iray. Mety tsy hitovy koa ny fanapahan-kevitra raisin’ny Kristianina amin’ny zavatra miankina amin’ny tsirairay (Fehintsoratra 9)


NAHOANA ISIKA NO TOKONY HANAJA NY FANAPAHAN-KEVITRY NY HAFA?

10. Araka ny Jakoba 4:12, tsy manan-jo hanao inona isika, ary nahoana?

10 Tokony hanaja ny fanapahan-kevitry ny hafa isika. Nahoana? Misy antony maromaro resahin’ny Baiboly. Andao isika handinika sasany amin’izany. Tsy manan-jo hitsara ny hafa isika amin’ny fanapahan-kevitra miankina amin’ny tsirairay. (Vakio ny Jakoba 4:12.) I Jehovah no Mpanao Lalàna sy Mpitsara, ary manao ny marina foana izy. Izy irery no manan-jo hametraka fitsipika sy lalàna tokony harahintsika eo amin’ny fiainana. Eo anatrehan’i Jehovah àry no hampamoahina ireo rahalahy sy anabavy fa tsy eo anatrehantsika. (Rom. 14:10) Tsy manan-jo hitsara ny fanapahan-kevitry ny hafa isika satria fotsiny hoe tsy mety amintsika ilay izy.b

11. Inona no azontsika atao mba hiray saina ny fiangonana? (Jereo koa ny sary.)

11 Tian’i Jehovah hiray saina ny mpanompony, fa tsy hoe tiany hitovy tanteraka. Tia zavatra isan-karazany mantsy izy. Hitantsika amin’ny zavatra noforoniny izany. Tsy misy ravinkazo mitovy tanteraka, ohatra. Eritrereto koa ange ny olombelona e! Efa misy valo arivo tapitrisa mahery izao ny olona eto an-tany nefa tsy misy olona roa mitovy tanteraka, na amin’ny bika aman’endrika izany na amin’ny toetra. Nataon’i Jehovah samy manana ny maha izy azy isika fa tsy hoe mitovy daholo. Tiany hiray saina anefa isika. Raha misy zavatra tsy mampitovy antsika amin’ny hafa àry dia miezaka mitandro fihavanana isika fa tsy avelantsika hampisaratsaraka antsika izany. Izay hampisy firaisan-tsaina eo anivon’ny fiangonana no zava-dehibe kokoa amintsika noho ny hevitsika manokana sy izay tiatiantsika.​—Rom. 14:19.

Vavolombelona vitsivitsy miara-misakafo. Tanora sy efa be taona ry zareo ary samy hafa fiaviana. Misy amin’izy ireo misotro zava-pisotro misy alkaola, fa ny hafa tsy misotro. Manao volombava ny rahalahy sasany, fa ny hafa tsy manao.

Nataon’i Jehovah isan-karazany isika nefa tiany hiray saina (Fehintsoratra 11)


AHOANA NO HAMPISEHOANTSIKA HOE MANAJA NY HEVITRY NY HAFA ISIKA?

12-13. Inona no tokony hosaintsainintsika raha mieritreritra isika hoe ‘nanao zavatra tsy mety’ ny olona iray? (Galatianina 6:1; jereo koa ilay hoe “Rehefa Tsy Ekenao Ilay Izy.”)

12 Rehefa mandray fanapahan-kevitra ny hafa. Saintsaino izao: ‘Mitady hanao “zavatra tsy mety” ve izy sa tsy mitovy amin’ny eritreretiko fotsiny ny tiany hatao?’ Raha mitady hanao zavatra tsy mety izy, izany hoe mandika ny fitsipiky ny Baiboly, dia saintsaino hoe: ‘Mahafeno fepetra hanitsy azy ve aho sa misy olon-kafa tsara toerana kokoa?’ Raha mahafeno fepetra hanitsy azy ianao, dia miezaha hanao an’izany amim-pahalemem-panahy. (Vakio ny Galatianina 6:1.) Matetika anefa no tsy mitovy amin’izay eritreretinao fotsiny ny safidiny. Raha izany dia aza manakiana azy amin’ny fanapahan-keviny. Manana zo hanapa-kevitra izy, dia hajao izany fa aza mitsaratsara azy.​—Rom. 14:2-4.

13 Ahoana, ohatra, raha miditra hotely miaraka amin’ny namanao ianao? Hoterenao hihinana sakafo mitovy amin’ny anao ve izy? Mazava ho azy fa tsia. Manan-jo hifidy an’izay sakafo tiany hohanina izy, ary hanaja an’izany ianao. Tsy hisy vokany aminao rahateo izay sakafo fidiny eo. Azo antoka fa tsy ho tianao koa raha teren’ilay namanao hihinana an’izay sakafo tiatiany ianao. Asehontsika hoe manaja ny hafa isika rehefa mamela an-dry zareo hanapa-kevitra fa tsy manery an-dry zareo hanaraka ny hevitsika.

Rehefa Tsy Ekenao Ilay Izy

Raha tsy eken’ny sainao ny fanapahan-kevitra raisin’ny Kristianina iray dia saintsaino ireo fanontaniana eo ambany ireo. Mety ho hitanao hoe tsy mila miady saina momba an’ilay izy akory ianao.​—Gal. 6:5.

  • Tsy mifanaraka amin’ny fitsipiky ny Baiboly ve ilay fanapahan-keviny?

  • Misy vokany amin’ny fanapahan-keviny ve ny zavatra niainany?

  • Tena hisy vokany ratsy aminy ve ilay fanapahan-kevitra sa ny saiko no lasa lavitra loatra?

  • Mety hisy vokany tsara ve ilay fanapahan-keviny?

  • Mitady hanao “zavatra tsy mety” ve izy sa tsy mitovy fomba fijery fotsiny izahay?

  • Raha mitady hanao zavatra tsy mety tokoa izy, dia mahafeno fepetra hanitsy ny fomba fisainany ve aho?

14. Rehefa handray fanapahan-kevitra isika, dia inona no azontsika atao mba hiray saina foana ny fiangonana? (1 Korintianina 8:12, 13)

14 Rehefa mandray fanapahan-kevitra ianao. Hampisy firaisan-tsaina eo anivon’ny fiangonana ianao raha miezaka mafy mba tsy hanafintohina ny hafa. (Vakio ny 1 Korintianina 8:12, 13.) Mety ho hitanao indraindray hoe “azo atao” ilay zavatra eritreretinao. ‘Hahasoa’ anefa ve ilay izy raha manafintohina ny rahalahinao?c (1 Kor. 10:23, 24) Tsara kokoa amin’izay raha tsy izay tianao fotsiny no atao fa mba jerena koa ny hafa. (Rom. 15:1) Fa tsy vao teo angaha moa isika no niresaka hoe tokony hanaja ny safidintsika ny hafa amin’ny zavatra miankina amin’ny tsirairay? Izay aloha e! Tokony hanaja ny safidintsika ry zareo, dia isika koa tokony hanaja ny safidiny. Mila tadidintsika koa anefa ilay torohevitra ao amin’ny Romanina 12:18 hoe: ‘Raha mbola miankina aminareo koa, dia mihavàna amin’ny olona rehetra.’ Ataontsika àry izay rehetra azo atao mba hihavana foana amin’ny hafa isika, ary tsy hanafintohina an-dry zareo tsy amin’antony.

15. Inona no azon’ny anti-panahy atao mba hiray saina foana ny fiangonana? (1 Korintianina 4:6)

15 Manaja ny fanapahan-kevitry ny hafa ny anti-panahy. Manampy ny fiangonana hiray saina ny anti-panahy raha tsy mamorona lalàna amin’ny zavatra miankina amin’ny tsirairay. Miezaka koa ry zareo mba tsy ‘hihoatra an’izay voasoratra’ ao amin’ny Baiboly. (Vakio ny 1 Korintianina 4:6.) Midika koa izany hoe tsy tokony hilaza zavatra tsy mifanaraka amin’izay voasoratra ao amin’ny boky sy gazetintsika ry zareo. Ankoatra izay, rehefa misy Kristianina mangataka fanampiana aminy, dia mitandrina tsara ry zareo mba tsy izay heveriny fa mety fotsiny no holazainy rehefa manome torohevitra izy. Ataony miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra kosa izany.​—Isaia 48:17, 18.

16. Ahoana no hampisehoan’ny anti-panahy iray hoe manaja ny fanapahan-kevitry ny anti-panahy rehetra izy?

16 Manaja ny fanapahan-kevitra noraisin’ny anti-panahy rehetra koa ny anti-panahy tsirairay. Ireto avy no ataon’ny anti-panahy rehetra alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra: Mangataka ny fanampian’ny fanahy masina ry zareo, mijery ny tari-dalan’ny Soratra Masina, ary mampihatra an’izany. Na tsy lanin’ny anti-panahy rehetra aza ny hevitra naroson’ny anti-panahy iray, dia tokony hanaja an’izay fanapahan-kevitra tapaka eo izy. (Efes. 5:17) Mitandrina koa ry zareo mba hanaraka tsara ny tari-dalana ao amin’ny Baiboly sy ao amin’ny boky sy gazetintsika, fa tsy hoe amboamboariny hifanaraka amin’ny heviny izay voalaza ao. Tsy mety, ohatra, ny ataon’ny anti-panahy raha maka fehezanteny iray avy ao amin’ny lahatsoratra iray izy mba hanohanana ny heviny, nefa tsy mifanaraka amin’ny hevitra resahin’ilay lahatsoratra akory ilay izy.

17. Inona ny soa ho azo raha manaja ny fanapahan-kevitry ny hafa isika?

17 Hitantsika teo hoe samy manana ny mampiavaka azy ny mpanompon’i Jehovah. Samy manana ny heviny sy ny zavatra tiany ny tsirairay. Misy mahatsara azy anefa izany. Lasa mahafinaritra mantsy ny ao amin’ny fiangonana satria samy manana ny fiaviany sy ny maha izy azy ny olona ao. Tsy avelantsika hampisaratsaraka antsika ny tsy fitoviana, fa miezaka kosa isika mba hihavana foana. Mitandrina isika mba tsy hanafintohina ny hafa. Hajaintsika ny fanapahan-keviny amin’ny zavatra miankina amin’ny tsirairay. Inona ny vokany raha miezaka manao an’izany isika? Hiray saina sy ho falifaly ny fiangonantsika.​—Sal. 133:1; Mat. 5:9.

NAHOANA IRETO ANDININ-TENY IRETO NO HANAMPY ANTSIKA HANAJA NY HEVITRY NY HAFA SY NY FANAPAHAN-KEVINY?

  • Jakoba 4:12

  • Galatianina 6:1

  • 1 Korintianina 4:6; 8:12, 13

HIRA 89 Izay Mihaino sy Mankatò dia Hotahina Tokoa

a Betsaka ny zavatra mila dinihin’ny Kristianina iray alohan’ny hanapahany hevitra raha hanatrika fotoam-pivavahana any am-piangonana izy rehefa misy maty na misy mariazy. Jereo ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Mey 2002.

b Mila mitsara an’izay nandika ny fitsipiky ny Baiboly ny anti-panahy indraindray. Ataon-dry zareo ao an-tsaina anefa hoe mitsara ho an’i Jehovah ry zareo, ary tokony hiorina amin’ny Baiboly ny didim-pitsarany fa tsy hiorina amin’ny hevitr’izy ireo manokana.​—Ampitahao amin’ny 2 Tantara 19:6.

c Jereo, ohatra, ny boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!, lesona 35, hevitra 5.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara