OLONA AO AMIN’NY BAIBOLY
Menahema—Ny Fanompoana An’i Jehovah no Ataovy Zava-dehibe Indrindra
Anisan’ireo nitarika tao amin’ny fiangonan’i Antiokia i Menahema tamin’ny taonjato voalohany. “Niara-nianatra tamin’i Heroda lehibem-paritra” izy. (Asa. 13:1) Olona nahita fianarana àry i Menahema sady nety ho nanan-katao ny fianakaviany.
Na teo aza izany, dia nifidy ny ho lasa Kristianina i Menahema sady niasa mafy ho an’ny fiangonana. Nanam-pahaizana izy sady nahafantatra olona tao amin’ny fitondrana, dia azony nohararaotina izany mba hanatsarana ny fiainany. Naleony anefa nanompo an’ireo rahalahiny.
Hita avy amin’ny ohatr’i Menahema hoe ny fanompoana an’i Jehovah no zava-dehibe kokoa noho ny toerana ambony eo amin’izao tontolo izao. Ny zavatra ara-panahy no tokony hataontsika loha laharana eo amin’ny fiainana fa tsy ny laza na ny harena. (Mat. 6:33) Na dia sarobidy amintsika koa aza ny fianarana, dia ‘mamantatra an’izay zava-dehibe kokoa’ isika, ka tsy hisy zavatra avelantsika hanelingelina ny fanompoantsika an’i Jehovah.—Fil. 1:9, 10.