22-28 JONA 2026
HIRA 90 Andao Isika Hifampahery
Tahafo Ilay “Andriamanitry ny Fampiononana Rehetra”
“Noho isika ampiononin’Andriamanitra, dia lasa haintsika koa ny mampionona an’izay miatrika fahoriana.”—2 KOR. 1:4.
HEVITRA HODINIHINA
Hahay hampionona ny hafa isika raha manaraka ny modelin’i Jehovah sy ireo niezaka nanahaka azy.
1. Nahoana isika no tokony hampionona ny hafa?
‘MIARITRA fitsapana samihafa’ isika dia mila fampaherezana sy fampiononana indraindray. (1 Pet. 1:6) Faly isika rehefa mampionona antsika ny hafa. Tokony ho mailaka koa àry isika hampionona an’izay miatrika zava-tsarotra. (Mat. 7:12) “Andriamanitry ny fampiononana rehetra” i Jehovah, dia atorony antsika hoe ahoana no ‘hampiononana an’izay miatrika fahoriana isan-karazany.’ Manahaka azy isika rehefa miezaka “hifampionona.” (2 Kor. 1:3, 4; 1 Tes. 4:18) Tsy an-tery no anaovantsika an’izany fa noho isika tia an’ireo rahalahy sy anabavy. Hodinihintsika ato hoe: 1) Inona no dikan’ny hoe mampionona ao amin’ny Baiboly? 2) Ahoana no hampiononantsika ny hafa? Ary 3) inona no azontsika atao rehefa mila fampiononana isika?
INONA NO DIKAN’NY HOE “MAMPIONONA” AO AMIN’NY BAIBOLY?
2. Inona avy ny hevitr’ilay teny nadika hoe “mampionona” ao amin’ny Baiboly?
2 Mety hanana heviny be dia be ilay teny grika nadika hoe “mampionona” ao amin’ny Baiboly. Mety hidika izy io hoe “mampahery”, “mampirisika”, na “miangavy.” (Rom. 12:8) Ny dikany ara-bakiteny indray mampahatsiahy antsika olona iray mijoro eo akaikin’ny namany mba hampahery azy. Hoatr’izao ilay izy raha alaina sary an-tsaina: Misy olona iray mihazakazaka manatona ny namany mijaly, dia manome azy an’izay fanampiana ilainy. N’inona n’inona fanampiana omeny dia tokony hahatonga an’ilay namany hahazo hery indray izany. Hoatr’izany mantsy ny tena fampiononana.
3. Inona no ianarantsika avy amin’i Barnabasy? (Jereo koa ny sary.)
3 Tena nahay nampahery sy nampionona ny hafa ny Kristianina iray atao hoe Josefa. Lasa nantsoin’ny apostoly hoe Barnabasy, izay midika hoe “Zanaky ny Fampiononana”, àry izy. (Asa. 4:36) Tena nety taminy io anarana io matoa tsy nantsoin’ny Baiboly hoe Josefa intsony izy taorian’izay. Imbetsaka i Barnabasy no nanampy ny mpiara-manompo taminy rehefa nila an’izany ry zareo. Rehefa tonga tany Jerosalema, ohatra, i Saoly dia te hihaona tamin’ireo mpianatra. Vao haingana izy tamin’izay no lasa kristianina. Natahotra azy anefa ry zareo satria nalaza hoe mpanenjika ny Kristianina izy. Na izany aza, dia natoky azy i Barnabasy ka nampahafantatra azy tamin’ny apostoly.—Asa. 9:26-28.
Hita tamin’ny zavatra nataon’i Barnabasy hoe nety tsara taminy ilay anarany (Fehintsoratra 3)
AHOANA NO HAMPIONONANA NY HAFA?
4. Inona no anisan’ny fomba tsara indrindra azontsika ampiononana ny hafa? (Romanina 1:11, 12)
4 Tsidiho ry zareo raha mety. Mampiasa ny mpanompony i Jehovah mba hampionona ny hafa. Rehefa kivy, ohatra, i Elia mpaminany dia nampiasa anjely i Jehovah mba hampahery azy. (1 Mpanj. 19:4-7) Niaiky koa ny apostoly Paoly fa misy vokany be amin’ny mpiara-manompo ilay isika mitsidika an-dry zareo mba hampahery azy. (Vakio ny Romanina 1:11, 12.) Rehefa manao an’izany ianao dia makà fotoana tsara hiresahana aminy. (1 Kor. 16:7) Raha tsy afaka mitsidika azy anefa ianao dia mbola afaka miantso azy, manoratra taratasy na karta kely, na mandefa SMS. Tena hampionona azy izany. Tianao ve ilay hoe ampiasain’i Jehovah mba hampionona ny hafa?
5. Nahoana no mety ho sarotra indraindray ny mampionona mpiara-manompo?
5 Mihasarotra ny fiainana amin’izao andro farany izao, ka mety ho sarotra kokoa amintsika ny hitsidika ny mpiara-manompo mba hampionona an-dry zareo. Modely ho antsika i Onesiforosy, avy any Efesosy. Tamin’i Paoly nigadra tany Roma dia te hampionona azy izy. Nitady an’i Paoly izy na dia nety ho nampigadra azy aza izany na namoizany ny ainy mihitsy. (2 Tim. 1:16-18) Hoatr’izany koa no ataon’ny Vavolombelona any Rosia rehefa enjehina noho ny finoany ny mpiara-manompo aminy. Tonga manohana ny mpiara-manompo aminy eny amin’ny fitsarana ry zareo na dia mety higadra koa aza vokatr’izany. Inona no azonao atao mba ho be herim-po hoatran-dry zareo ianao? Azonao ianarana, ohatra, hoe ahoana no nataon’ny mpanompon’i Jehovah taloha sy amin’izao mba hifampiononana, ary inona no nanampy azy ireo ho faly foana na dia nenjehina aza.
6. Ahoana no hanahafantsika an’i Jehovah rehefa mampionona ny hafa isika? (Jereo koa ny sary.)
6 Henoy ry zareo. Rehefa notandindomin-doza ny ain’i Elia mpaminany, dia namboraka ny tao am-pony tamin’i Jehovah izy. Rehefa nilaza an’izay nampanahy azy i Elia, dia nihaino azy ilay Andriamanitra be fitiavana na efa hainy aza hoe inona ny olan’io mpaminany io. Na dia niverimberina aza ny zavatra nolazain’i Elia dia mbola nanam-paharetana sy nihaino tsara azy ihany i Jehovah. (1 Mpanj. 19:9, 10, 14) Navelan’i Jehovah hilaza an’izay nampanahy sy nampisalasala azy koa i Habakoka mpaminany. Nanam-paharetana taminy izy sady tsy tezitra na dia hoatran’ny hoe tsy nanaja azy aza i Habakoka. (Hab. 1:2, 3) Mihaino tsara ny vavaka ataontsika koa i Jehovah na efa fantany aza izay ilaintsika. Afaka manahaka azy koa isika ka mihaino tsara sy manaja rehefa misy mpiara-manompo miresaka amintsika. Miezaha “ho vonona hihaino”, ary aza tapatapahina ny teniny. Aza tezitra koa na dia mahasosotra aza ny zavatra lazainy, na miverimberina.—Jak. 1:19; Mpito. 7:9.
Tahafo i Jehovah ka henoy tsara ireo rahalahy sy anabavy rehefa miresaka (Fehintsoratra 6)
7. Ahoana no hamantarantsika an’izay ilain’ny olona iray miatrika zava-tsarotra?
7 Fantaro hoe inona no ilainy. Tsy hoatran’i Jehovah isika ka hoe mahalala ny ao am-po. Mila mihaino tsara an’ilay olona àry isika vao hahalala hoe inona no hampionona azy. Aza manao hoe: ‘Izao ny ahy no ilaiko raha izaho no teo amin’ny toerany.’ Tsy mitovy mantsy ny olona tsirairay. Manàna faharetana, henoy tsara izy, ary mahaiza mametraka fanontaniana mba hahalalana ny any am-pony.—Ohab. 20:5.
8. Ahoana no nampiononan’i Jesosy an’i Marta sy Maria rehefa maty i Lazarosy? (Jereo koa ny sary.)
8 Diniho hoe ahoana no nampiononan’i Jesosy an’i Marta sy Maria rehefa maty i Lazarosy anadahin-dry zareo. Samy nalahelo be izy roa vavy nefa tsy nitovy ny fomba nampiononan’i Jesosy an-dry zareo. Ny marina momba ny fitsanganana amin’ny maty no noresahin’i Jesosy tamin’i Marta, ary nampiany izy mba hino kokoa azy io. Tsy niresaka momba ny fitsanganana amin’ny maty kosa i Jesosy rehefa tonga nitomany teo aminy i Maria. Niara-nitomany tamin’i Maria izy, dia nanontany hoe aiza no nametrahan-dry zareo an’i Lazarosy. (Jaona 11:20-35) Inona ny lesona? Rehefa misy olona mijaly dia mila fantarintsika aloha hoe inona no ilainy fa tsy hoe mitovy foana ny fomba ampiononantsika ny olona rehetra.
Rehefa mampionona ny hafa ianao, dia miezaha hamantatra an’izay ilainy (Fehintsoratra 8)a
9. Ahoana no azontsika ampiasana ny Baiboly mba hampiononana ny hafa? (Romanina 15:4, 5)
9 Ampiasao ny Baiboly. Afaka manampy an’ilay olona hanana fanantenana isika rehefa mizara ny ‘fampiononana omen’ny Soratra Masina.’ (Vakio ny Romanina 15:4, 5.) Vao mainka hampionona sy hampahery azy izany fanantenana izany. (Isaia 40:31) Ahoana no hahitanao andinin-teny hampaherezana olona? Misy izao manao lisitra-na andinin-teny, dia iny no ampiasainy rehefa hampionona ny hafa izy. Misy andinin-teny azo ampiasaina, ohatra, ao amin’ilay boky hoe Andinin-teny Manampy Amin’ny Fiainantsika Kristianina, eo ambanin’ilay lohateny hoe “Fampiononana.” Angataho i Jehovah hanampy anao hahay hampiasa tsara ny Teniny mba hampaherezana ny hafa. Afaka manampy anao ny fanahiny mba hitadidy andinin-teny hampiononana ny hafa.—Jaona 14:26.
10. Nahoana no ilaina ilay hoe tsara fanahy rehefa miezaka mampahery ny hafa isika?
10 Miezaha ho tsara fanahy. Azo adika hoe “mampirisika” na “miangavy” ilay teny tany am-boalohany nadika hoe “mampionona.” Mila miangavy, na mampirisika an’ilay olona hanitsy ny fomba fisainany isika indraindray rehefa mampionona azy. Raha izay, dia mieritrereta tsara alohan’ny hitenenana sao dia handratra ny teninao fa tsy hanasitrana. (Ohab. 12:18) Nanome ohatra tsara ho antsika i Jehovah rehefa niresaka tamin’i Elia. Nieritreritra i Elia hoe izy irery sisa no nanompo an’i Jehovah ary tsy nisy dikany ny asa nataony. Nahitsin’i Jehovah moramora izy. (1 Mpanj. 19:15-18) Afaka manahaka an’i Jehovah ianao raha tsara fanahy sy mieritreritra tsara an’izay holazainao. Rehefa manao lahateny na manome valin-teny ianao any am-pivoriana dia miezaha ho tsara fanahy sy hiresaka zavatra tsara foana. Hampahery sy hanatanjaka ny hafa ianao amin’izay.
11. Inona matetika no ilain’ny olona miatrika zava-tsarotra? (1 Jaona 3:18)
11 Miezaha hanome an’izay ilainy. Tsy teny fampiononana fotsiny matetika no ilain’ny olona miatrika zava-tsarotra. (Vakio ny 1 Jaona 3:18.) Ohatra tsara ho antsika i Barnabasy. Rehefa nila fanampiana ireo mpiara-manompo vao avy natao batisa dia namidiny ny taniny, ary nomeny hanohanana an-dry zareo ny vidiny. (Asa. 4:36, 37) Betsaka amin’ny mpiara-manompo amintsika no manahaka azy ka mandefa fanampiana ho an’izay mila an’izany. Diniho izay nitranga tamin’i Gabriela avy any Polonina. Kivy tanteraka io anabavy io satria simban’ny tondra-drano ny tranony. Hoy izy: “Natahotra be aho sady nanahy, dia hoatr’izany koa ny ray aman-dreniko niara-nipetraka tamiko. Lasa saina aho hoe ahoana no hiatrehako an’ilay izy. Tao anatin’ny iray andro fotsiny anefa dia tonga ny mpiara-manompo avy amin’ny fiangonana manodidina, sady nanamboatra ny tranonay. Vao mainka aho izao mino hoe mampiasa ny mpanompony i Jehovah mba hampionona an’izay mijaly.”
12. Nahoana no hoe mampahery ny mpiara-manompo ianao rehefa miaritra sy tsy mivadika?
12 Miezaha hiaritra. Nilaza tamin’ny Tesalonianina i Paoly hoe nahazo fampiononana izy sady velombelona indray rehefa naheno hoe niaritra sy tsy nivadika ry zareo. Hainy hoe tsy very maina ny ezaka nataony mba hanampiana an-dry zareo. (1 Tes. 3:5-8) Niady mafy koa i Paoly mba hahasoa an’ireo mpiara-manompo taminy. Nanantena izy hoe hampionona an-dry zareo izany, na ireo mbola tsy nahita azy aza. (Kol. 2:1, 2) Tena mampahery ny mpiara-manompo koa ny mahita antsika miaritra sy tsy mivadika rehefa misy olana. Hitan-dry zareo mantsy hoe manampy antsika i Jehovah.
13. Inona ny toetra mila ananantsika rehefa mampahery ny hafa isika?
13 Manàna faharetana. Tsy voatery hoe tonga dia velombelona ilay olona rehefa avy mampionona azy isika. Ampirisihin’ny Soratra Masina anefa isika mba ‘hifampahery foana.’ Mitaky fanaovan-javatra mitohy izany. (1 Tes. 5:11) Miezaha àry hanam-paharetana rehefa mampionona ny hafa. (1 Tes. 5:14) Mila fampiononana koa anefa isika indraindray. Ahoana no atao amin’izay?
AHOANA NO ATAO REHEFA MILA FAMPIONONANA?
14-15. Inona no tokony hataontsika rehefa malahelo na mitebiteby isika?
14 Mivavaha amin’i Jehovah. Angataho izy mba hampionona anao rehefa mitebiteby ianao na malahelo. (Sal. 94:19) Ataovy voafaritra tsara ny vavaka ataonao, dia aborahy aminy ny ao am-ponao. (Sal. 62:8) Marina aloha hoe efa fantatr’i Jehovah izay tsapanao na dia mbola tsy mivavaka akory aza ianao. Rehefa resahinao aminy anefa izay any am-ponao lalina any dia ho hitany hoe manam-pinoana ianao. Tsy maintsy hamaly ny vavaka atao amim-pinoana i Jehovah, na dia mety tsy ho araka ny noeritreretintsika aza ny fomba amaliany azy. (Mar. 11:24) Mampirisika antsika ny Filipianina 4:6, 7 hoe: “Ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo. ... Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra lavitra noho izay rehetra takatry ny sain’olombelona, no hiambina ny fonareo sy ny sainareo.”
15 Mangataha fanampiana. Resaho amin’ny namana matotra izay tsapanao, na miresaha amin’izay anti-panahy manavanana anao. Afaka mampionona anao ny mpiara-manompo. Tsy ho hain-dry zareo mihitsy anefa izay tsapanao na izay ilainao raha tsy miresaka aminy ianao. (Ohab. 14:10) Iangavio ry zareo mba hihaino tsara anao, na mba hanome andinin-teny na lahatsoratra afaka mampionona anao.
16. Inona no mety hitranga rehefa miezaka mampahery anao ny hafa, ary inona no tokony hotadidinao?
16 Miezaha hanam-paharetana sy hamela heloka. Inona no mety hitranga rehefa miezaka mampahery antsika ny mpiara-manompo? Mety hilaza na hanao zavatra tsy mety ry zareo ka vao mainka isika kivy fa tsy mahatsiaro ho velombelona. Manàna faharetana rehefa mitranga izany. (1 Kor. 13:4, 7) Tadidio koa izay lazain’ny Jakoba 3:2 hoe: “Raha misy tsy manao fahadisoana amin’izay lazainy, dia izy no olona lavorary.” Tadidio foana hoe te hanampy anao ry zareo. Milaza mantsy ny Matio 26:41 hoe “mazoto ihany ny saina, saingy ny nofo no malemy.”
17. Tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika?
17 Mila fampiononana sy fampaherezana daholo isika. Vao mainka hila an’izany isika satria hihasarotra foana ny fiainana mandritra ny andro farany ary hihamafy kokoa ny fanoherana. Dieny izao àry isika dia efa tokony hiezaka hifampionona.
HIRA 130 Andao Hifamela
a FANAZAVANA SARY: Anti-panahy mihaino tsara rahalahy iray maty vady vao haingana. Mitsidika rahalahy be taona anankiray ilay anti-panahy avy eo. Efa ela izy io no maty vady ary faly ry zareo miresaka ny fahatsiarovana tsara momba an’ilay vadiny.