FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w26 Aprily p. 26-31
  • Ataovy Foana Izay Hahatonga Anareo Mivady ho Mpinamana Be

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ataovy Foana Izay Hahatonga Anareo Mivady ho Mpinamana Be
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2026
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • AHOANA NO HIFIDIANANA AN’ILAY HO NAMANAO MANDRAKIZAY?
  • MANOKÀNA FOTOANA HIARAHANA
  • MIEZAHA HO MPINAMANA FOANA NA MISY AZA NY OLANA
  • Ahoana no Atao Raha Te Hitady Vady?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2024
  • Fanomezan’Andriamanitra ny Fanambadiana
    “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
  • Miantehera Amin’Andriamanitra
    Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?
  • Ahoana no Hananana Tokantrano Sambatra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2026
w26 Aprily p. 26-31

29 JONA–5 JOLAY 2026

HIRA 131 “Nampiraisin’Andriamanitra” ny Mpivady

Ataovy Foana Izay Hahatonga Anareo Mivady ho Mpinamana Be

‘Misy namana mifikitra noho ny rahalahy.’​—OHAB. 18:24.

HEVITRA HODINIHINA

Ho sambatra ny tokantrano raha mpinamana be ny mpivady sady samy tia an’i Jehovah.

1. Nahoana no hoe fanomezana avy amin’i Jehovah ny namana tsara?

FANOMEZANA avy amin’i Jehovah ny namana tsara. (Jak. 1:17) Tia an’Andriamanitra ry zareo sady tia antsika. Miara-paly amintsika ry zareo rehefa misy mahafaly antsika, mampionona antsika rehefa kivy isika, ary manome torohevitra antsika rehefa mila an’izany isika. Tsy mivadika ry zareo dia atokisantsika. “Mahatonga ny fo ho falifaly” ny namana hoatr’izany.​—Ohab. 27:9.

2. Nahoana no tena ilain’ny mpivady ilay hoe miezaka ny ho mpinamana be foana? (Matio 19:6)

2 Raha manambady ny olona iray, dia ny vadiny no tokony ho namany akaiky indrindra. Tokony hotadidin-dry zareo hoe mila miezaka ry zareo mba ho mpinamana be foana. Raha tsy izany mantsy, dia mety hanirery ry zareo, tsy ho sambatra, na hifampimonjomonjo mihitsy. Raha miezaka ny ho mpinamana foana kosa ry zareo, dia tena hifandray akaiky. (Vakio ny Matio 19:6.) Hodinihintsika ato hoe inona no azon’ny mpivady atao mba hahatonga an-dry zareo ho mpinamana be foana. Fa andao aloha hojerentsika hoe inona no hanampy ny Kristianina mpitovo hahay hifidy vady. Ny vadiny mantsy no ho lasa namany akaiky mandrakizay.

AHOANA NO HIFIDIANANA AN’ILAY HO NAMANAO MANDRAKIZAY?

3-4. Inona no hanampy ny olona iray hahita vady tsara? (Ohabolana 18:22)

3 Alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra lehibe, dia tokony hoeritreretintsika ny lafy tsara sy ny lafy ratsin’ilay izy. Mety hisy vokany maharitra eo amin’ny fiainantsika mantsy izany, ka tena tokony hodinihina tsara.

4 Anisan’ny fanapahan-kevitra lehibe indrindra eo amin’ny fiainana ilay hoe hifidy vady. Ny vadiny mantsy no ho naman’ny olona iray mandrakizay. I Jehovah no namorona ny fanambadiana, dia tena tsara raha any aminy isika no mangataka torohevitra. Tiany raha mahita vady tsara ny olona iray, ary hainy foana izay tena mahasoa antsika. (Vakio ny Ohabolana 18:22; Isaia 48:17, 18) Afaka manampy ny Kristianina hahita an’izay olona tena mety aminy ny torolalan’ny Baiboly.

5. Nahoana no zava-dehibe ny hoe manambady olona vita batisa?

5 Lasa naman’Andriamanitra isika rehefa vita batisa. (Sal. 25:14) Raha te hanambady ianao dia olona naman’i Jehovah no tokony hofidinao. (1 Kor. 7:39) Asehonao amin’izany hoe tianao ny fitsipik’i Jehovah ary ho hitanao fa tena fitahiana avy amin’i Jehovah ny vadinao. (Ohab. 19:14) Ho voaro amin’ny olana atrehin’ireo ‘miray zioga’ amin’ny tsy mpino koa ianao. (2 Kor. 6:14) Tsy fahendrena ny manambady tsy mpino satria hoe tsy mahita mpanompon’i Jehovah mety aminao ianao. Aza mieritreritra koa hoe mety hianatra ny fahamarinana izy raha miaraka aminy ianao.

6-7. Inona avy ny fanontaniana mila saintsainina mandritra ny fiarahana alohan’ny fanambadiana?

6 Tsy hoe izay rehetra vita batisa akory dia vady tsara daholo. Diniho tsara ilay olona eritreretinao.a Saintsaino ireto: ‘Ahoana no itondrany ny fianakaviany? Tsara fanahy sy manaja olona ve izy? Iza avy no namany? Ahoana no ataony rehefa misy tsy fifanarahana? Miziriziry amin’ny heviny ve izy sa mandefitra rehefa tsy misy torolalan’ny Baiboly voadika? Ahoana no fiheverany ny vola?’

7 Ireto koa misy fanontaniana azonao saintsainina: ‘Hita hoe tena tia an’i Jehovah ve izy? Mitafy “ny toetra vaovao” ve izy? Hanampy ahy hanompo an’i Jehovah bebe kokoa ve izy? Mitovy ve ny tanjonay? Mety ho afaka ny ho mpinamana akaiky ve izahay, fa tsy ho mpinamana tsotra fotsiny?’ (Kol. 3:9, 10) Raha anabavy ianao, dia eritrereto hoe ho namana tsara ve izy sady ho loham-pianakaviana hahay hitondra ny ankohonany. (1 Kor. 11:3) Raha rahalahy indray ianao, dia eritrereto hoe ho vonona hanaja ny fahefanao ve izy, na dia mety hanao diso aza ianao indraindray. Mila fotoana ny hamantarana an’izany. Hararaoty àry ilay fotoana iarahanareo mba hahalalanao tsara azy.

8-9. Inona no hanampy ny olon-droa mampiaraka handray fanapahan-kevitra tsara? (Jereo koa ny sary.)

8 Hahavita handray fanapahan-kevitra tsara ianao, raha miezaka mamantatra tsara an’ilay olona mandritra ny fiarahana alohan’ny fanambadiana. Fantaro hoe ahoana no fahitan’ny olona azy. Mety ho azonao anontaniana ny lazany sy ny toetrany. Malaza ho manetry tena sy tsara fanahy ary mahay mandanjalanja ve, ohatra, izy? Hoy i Sarah, avy any Guyane, momba an’i Daniel vadiny: “Nanontany momba an’i Daniel tamin’ilay mpiray efitra taminy sady niara-nanao mpisava lalana taminy aho. Nanontaniako koa ny anti-panahy iray tao amin’ny fiangonany sy ny namanay ary ireo rahavavy tao amin’ny fiangonany.” Azonao anontaniana koa ilay olona miaraka aminao hoe: “Inona ny olana efa natrehinao?” “Nisy fahadisoana nataonao ve ka tokony ho fantatro?” Mety hiteraka olana be ao an-tokantrano mantsy ny zavatra sasany. Miezaha ho tsara fanahy anefa rehefa manontany azy.

9 Aza odiana tsy hita izay zavatra mampisalasala anao, na ny fanamarihan’ny namana matotra. Ireny mantsy no hahitanao raha hotohizina na hajanona ilay fiarahana.b Andao hojerentsika amin’izay ny momba an’ireo Kristianina efa manambady.

Olon-droa mampiaraka. Falifaly ry zareo miresaka mandritra ny fiarahana iray miaraka amin’ny namana vitsivitsy.

Fantaro tsara ilay olona mandritra ny fiarahana alohan’ny fanambadiana (Fehintsoratra 8-9)


MANOKÀNA FOTOANA HIARAHANA

10. Nahoana no ilain’ny mpivady ny manokana fotoana hiarahana?

10 Raha manokana fotoana hiarahana ny mpivady na dia be atao aza, dia hihamafy ny fifandraisan-dry zareo. Ho afaka hiresaka an’izay nitranga nandritra ny andro ry zareo amin’izay, hifamboraka an’izay any an-tsaina sy any am-po lalina any, hifaneho fitiavana, ary hiara-miala voly.

11. Inona no mety hahatonga ny mpivady tsy ho mpinamana be intsony?

11 Raha tena mpinamana akaiky ny mpivady, dia satrin-dry zareo hiaraka foana toy izay hifanalavitra. Mazava ho azy fa mety ho tafasaraka mandritra ny fotoana fohy ry zareo indraindray. Raha ela loatra anefa izany dia mety hampidi-doza. Misy, ohatra, lasa miasa any an-tany hafa, dia tafasaraka amin’ny fianakaviany mandritra ny fotoana ela be. Mety tsy ho sahirana ara-bola aloha ry zareo amin’izay e! Mety hanimba ny tokantranony anefa izany.

12-13. a) Inona no nataon’ny mpivady kristianina sasany mba hahitana fotoana hiarahana? (Jereo koa ny sary.) b) Hoatran’ny ahoana ny tokony ho toeran’ny vadinao eo amin’ny fiainanao? (Jereo ilay hoe “Ny Tokony ho Toeran’ny Vadinao eo Amin’ny Fiainanao.”)

12 Mariho hoe inona no nataon’ny mpivady sasany mba ho tafaraka matetitetika ry zareo. Hoy i Leah, avy any Guam: “Tia miara-manao zavatra isan-karazany izahay mivady. Mahalana izahay vao tsy miara-mandeha any amina fiarahana na fitsangantsanganana.” Izao indray no nolazain’i Roxanne, avy any Etazonia: “Lasa be atao be izahay, dia atsofokay ao amin’ny fandaharam-potoananay hoe rahoviana izahay no hanao zavatra miaraka, hoatran’ny ataonay amin’ny zava-dehibe hafa ihany.” (Ampitahao amin’ny Amosa 3:3.) Izao koa no nolazain’i Damien, avy any Frantsa: “Samy miezaka izahay mba hamantatra an’izay mahaliana ny andaniny sy ho tia an’izany mihitsy.” (Mat. 7:12) Hoy koa i Katie, avy any Etazonia: “Apetrakay mihitsy ny telefaoninay indraindray mba tsy hanelingelina anay.”

13 Ny zava-dehibe indrindra dia hoe miara-manao zavatra ara-panahy ny mpivady. Izao no nolazain’i Myriam, avy any Frantsa: “Samy mamaky Baiboly izahay roa amin’ny maraina, dia mifampiresaka an’izay tianay tamin’ilay izy sy izay azonay ampiharina eo amin’ny fiainanay. Tena tiako ireny fotoana ireny.” Hoy koa izy: “Tiako koa ilay izahay miara-mivavaka. Mahatsapa aho amin’ireny hoe tena lalina ny fitiavan’ny vadiko an’i Jehovah.” Hoy koa i Katie, ilay voaresaka teo aloha: “Ilay miara-manompo no tena tianay. Samy miresaka ny finoanay izahay amin’iny, dia mampahery anay izany sady lasa mifampiana-javatra izahay.”​—Ohab. 27:17.

Ilay olon-droa tao amin’ny sary teo aloha, fa efa lasa mpivady. Any am-pilasiana ry zareo, dia mankafy ny fiarahany.

Manokàna fotoana hiarahana matetika mba ho mafy orina ny tokantranonareo (Fehintsoratra 12-13)


Ny Tokony ho Toeran’ny Vadinao eo Amin’ny Fiainanao

Manana namana be dia be isika sady manana andraikitra maro. Iza na inona anefa no tokony ho zava-dehibe indrindra amintsika?​—Fil. 1:10.

  1. 1. Jehovah. Ny fifandraisantsika amin’i Jehovah no zava-dehibe indrindra amintsika. (Mat. 6:33; Mar. 12:30) Tsy hanaiky hivadika aminy mihitsy isika, satria fotsiny hoe te hampifaly ny vadintsika.​—Asa. 5:29; ampitahao amin’ny Genesisy 2:16, 17; 3:6.

  2. 2. Ny vady. “Nofo iray” ihany ny mpivady. Tokony ho tian’ny olona iray hoatran’ny tenany ny vadiny.​—Gen. 2:24; Efes. 5:28, 29, 33.

  3. 3. Olon-kafa sy ny andraikitra. Te hikarakara ny ray aman-drenintsika, ny havantsika, ary ny rahalahy sy anabavintsika isika. Te hamita ny andraikitsika eo amin’ny fanompoana koa isika. Ankoatra an’i Jehovah anefa, dia tsy tokony hisy olona na zavatra ho lasa zava-dehibe kokoa amintsika noho ny fikarakarana ny vadintsika.​—1 Tim. 5:8.

MIEZAHA HO MPINAMANA FOANA NA MISY AZA NY OLANA

14-15. Nahoana no tokony hanao izay tsara indrindra vitany ny mpivady mba hiatrehana ny olana mitranga ao an-tokantrano? Hazavao amin’ny ohatra.

14 Samy tsy lavorary ny mpivady, dia tsy maintsy hisy olana ao an-tokantrano. Milaza ny Baiboly fa “hanam-pahoriana amin’ny nofony” ireo manambady. (1 Kor. 7:28) Ny olana atrehin’ny ankamaroan’ny mpivady no tiana horesahina eo. Rehefa mitranga ny hoatr’izany, dia tokony hiezaka mafy izy roa mba ho mpinamana be foana sady handamina an’ilay olana. Nahoana?

15 Diniho ity ohatra ity: Andao hatao hoe simba ny trano tsara tarehy iray, na ny zavakanto iray. Azo antoka hoe te hanamboatra an’ilay izy ny tompony. Vonona hanao an’izany izy na dia mety handany vola be aza izany ary mety an-taonany maro vao ho vita. Nahoana? Satria sarobidy aminy ilay izy. Sarobidy hoatr’izany koa ny fanambadiana. Na ny olona sambatra am-panambadiana indrindra aza mba miatrika olana koa. Mitovy amin’ilay trano na zavakanto teo anefa ny fanambadiana, satria azo avotana raha simba. Marina hoe mitaky fotoana sy ezaka be izany, kanefa faly i Jehovah raha manao izay azony atao ny mpivady mba hanamafy orina ny tokantranony sy tsy hisaraka mihitsy. (Mal. 2:16) Asehon-dry zareo amin’izany hoe mifankatia sy mifanaja ry zareo sady samy tia an’i Jehovah sy manaja azy. Izy mantsy no namorona ny fanambadiana.

16. Inona no tokony hataon’ny mpivady raha miatrika olana lehibe ry zareo, araka ny 1 Korintianina 13:4-8a? (Jereo koa ny sary sy ilay hoe “Inona no Hanampy Anareo ho Mpinamana Be Foana?”)

16 Raha misy olana ny tokantranonareo dia aza maika hisaraka. (1 Kor. 7:10, 11) Izao kosa eritreretina: ‘Inona no mbola mila ataoko mba hahatonga anay ho mpinamana be foana?’ Avereno jerena izay resahin’ny Baiboly momba ny hoe mampiseho fitiavana. Saintsaino hoe misy azonao hatsaraina ve amin’ireo toetra resahin’ny 1 Korintianina 13:4-8a. (Vakio.) Aleo mitady fomba hanampy anareo hifankatia be indray, toy izay hitady fomba hisarahana. Mifantoha amin’izay azonao atao mba hamerenana amin’ny laoniny ny fifandraisanareo. Mangataha koa tari-dalana amin’i Jehovah. Mikaroha hevitra mety hanampy anao ao amin’ireo boky sy gazety ary video. Mangataha koa torohevitra amin’ny anti-panahy na Kristianina matotra. Ho hoatran’ny ‘tady randran-telo tsy mora tapahina’ ny tokantranonareo rehefa miantehitra amin’i Jehovah ianareo. Izy mantsy ilay tady fahatelo sady mafy indrindra.​—Mpito. 4:12.

Ilay mpivady tao amin’ny sary teo aloha ihany. Mifamboraka ny ao am-pony ry zareo. Mitomany ilay vehivavy sady milaza an’izay tsapany amin’ilay vadiny. Mihaino tsara azy ny vadiny sady ataony eo amin’ny sorok’ilay vehivavy ny tanany. Misy Baiboly misokatra eo amin’ilay latabatra eo alohan-dry zareo, dia misy an’ilay bokikely hoe “Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?”

Aza misaraka mihitsy na dia misy olana aza (Fehintsoratra 16)


Inona no Hanampy Anareo ho Mpinamana Be Foana?

Misy fitaovana navoakan’ny fandaminana afaka manampy ny mpivady ho mpinamana be foana sy hamerina amin’ny laoniny ny fifandraisan-dry zareo. Efa nandramanao ve ny soso-kevitra ao amin’ireto?

  • Ilay bokikely hoe Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?

  • Ilay video mifampitohy hoe Tianao ve Raha Sambatra ny Tokantranonao?

  • Ilay andian-dahatsoratra hoe “Ho An’ny Fianakaviana”

  • Ilay fizarana ao amin’ny jw.org hoe “Tokantrano sy Fitaizana”

17. Inona no hanampy an’izay mieritreritra ny hanambady sy izay efa manana tokantrano ho sambatra?

17 Tian’i Jehovah ho sambatra ny mpanompony rehetra, anisan’izany ireo mieritreritra ny hanambady sy ireo efa manana tokantrano. Raha mpitovo àry ianao ary mieritreritra ny hanambady, dia fidio tsara ilay ho namanao mandrakizay. Raha efa manambady indray ianao, dia miezaha ho mpinamana be foana amin’ny vadinao. Miezaha mba handresy an’ireo olana mitranga ao an-tokantrano, ary miantehera amin’ny fanampian’i Jehovah. Raha manao an’ireo ianao, dia ‘hankafy ny fiainana’ miaraka amin’ny vady malalanao.​—Mpito. 9:9.

AHOANA NO HAMALIANAO AN’IRETO?

  • Inona no hanampy ny Kristianina mpitovo hifidy an’izay ho vadiny?

  • Inona no hanampy ny mpivady ho mpinamana be foana?

  • Inona no hanampy ny mpivady tsy hisaraka mihitsy na dia misy olana aza?

HIRA 132 Iray Isika Izao

a Mihatra amin’ny lehilahy sy vehivavy ireo fanontaniana manaraka ireo.

b Misy soso-kevitra hafa hanampy anareo hifankahafantatra tsara ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Mey 2024 ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Tianareo Hahomby ve ny Fiarahanareo”, eo ambanin’ilay lohatenikely hoe “Miezaha hifankahafantatra tsara.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara