FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w26 Martsa p. 20-25
  • Mahaiza Mandinika dia “Hahomby” Ianao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mahaiza Mandinika dia “Hahomby” Ianao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2026
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • MIEZAHA HANETRY TENA FA AZA MANAMBONY TENA
  • MIEZAHA HO TONY FA AZA TEZITRA
  • MATOKIA AN’I JEHOVAH FA AZA MATAHOTRA
  • MIEZAHA FOANA HAHAY HANDINIKA
  • Sahy Niteny Ilay Zazavavikely
    Manehoa Herim-po ho An’Andriamanitra
  • Ilay Miaramila sy Ilay Ankizivavikely
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Zazavavikely Te Hanampy Olona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Namàna
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2026
w26 Martsa p. 20-25

25-31 MEY 2026

HIRA 135 Miangavy Anao i Jehovah hoe: “Hendre, Anaka”

Mahaiza Mandinika dia “Hahomby” Ianao

“Hahomby ny olona mandinika tsara an’izay ataony.”​—OHAB. 16:20.

HEVITRA HODINIHINA

Hahavita hiatrika zava-tsarotra isika raha mahay mandinika.

1-2. Inona no atao hoe mahay mandinika, ary nahoana io toetra io no mahasoa antsika?

EFA nisy fotoana ve ianao nahatsapa hoe tsy nohajain’ny olona? Sa ve ianao efa niharan’ny tsy rariny na nisy nitsaratsara? Efa niatrika toe-javatra nampahatahotra ve ianao? Tsy mora ny miatrika zavatra hoatr’izany. Soa fa eo ny Baiboly. Voalaza ao fa misy toetra iray afaka manampy antsika hiatrika an’ireo sy ny toe-javatra maro hafa. Tsy inona izany fa ilay hoe mahay mandinika.

2 Mahay mandinika isika raha mahatakatra tsara ny tena zava-misy fa tsy mijery ivelany fotsiny. Lasa takatsika àry hoe maninona ny zavatra iray no mitranga na inona no nahatonga an’ilay olona nanao an’iny fihetsika iny. Manampy antsika hanao zavatra amim-pahendrena izany. Hahavita ‘hifehy ny vavantsika’, ohatra, isika sady hahafantatra hoe rahoviana isika no tokony “hangina.” (Ohab. 10:19; Sal. 4:4) Lasa mahafehy ny hatezerantsika isika sady mahavita mamela heloka. Mora manaiky torohevitra sy fanitsiana koa isika rehefa mahay mandinika. (Ohab. 19:20) Tsy vitan’ny hoe mampifaly an’i Jehovah ny tenintsika sy ny ataontsika amin’izay, fa samy mandray soa koa na isika na ny olon-kafa. Dia rehefa misy toe-javatra mety hampahatezitra antsika, dia tsy hanaonao foana isika satria voafehintsika ny fihetseham-pontsika. Andao isika handinika tantara telo ao amin’ny Baiboly, izay mampiseho hoe raha mahay mandinika isika dia hanetry tena foana sy ho tony ary hiantehitra tanteraka amin’i Jehovah.

MIEZAHA HANETRY TENA FA AZA MANAMBONY TENA

3. Iza moa i Namàna?

3 Mila manetry tena isika raha tena te hahomby. (1 Pet. 5:5) Hahavita an’izany isika raha mahay mandinika. Manasongadina an’izany ny tantaran’i Namàna. Nipetraka tany Syria, firenena tany avaratr’i Israely, izy. Olona ambony izy satria lehiben’ny tafika syrianina. Boka anefa izy.​—2 Mpanj. 5:1.

4. Nahoana i Namàna no azo lazaina hoe nahay nandinika?

4 Nanana mpanompovavikely israelita ny vadin’i Namàna. Noresahin’io mpanompovavy io taminy fa misy mpaminany afaka manasitrana ny vadiny any Israely. (2 Mpanj. 5:2, 3) Afaka nilaza i Namàna hoe: ‘Izay tenina mpanompovavikely io koa ve dia hahasoa ahy, sady amin’izay fahavalonay ny firenena niaviany?’ Azo lazaina hoe nahay nandinika anefa i Namàna. Tsy nanambony tena izy fa nohenoiny ny tenin’ilay zaza dia narahiny tsara. Niera tamin’ny mpanjakan’i Syria àry izy, dia nankany Israely mba hitady fitsaboana.​—2 Mpanj. 5:4, 5.

5. Inona no nitranga rehefa tonga tany Israely i Namàna?

5 Tonga tao an-dapan’i Jorama mpanjakan’ny Israely i Namàna, ary nanantena hoe hositranina amin’ny habokany. Nieritreritra anefa i Jorama hoe nila ady taminy ny mpanjakan’i Syria. Raha vao naheno an’izany i Elisa mpaminany, dia nasainy nalefan’i Jorama tany aminy i Namàna. (2 Mpanj. 5:6-9) Tsy araka ny nieritreretan’i Namàna azy anefa ny zava-nitranga. Tsy nitsena azy akory i Elisa na hoe niresaka taminy. Olona no nirahiny hilaza tamin’i Namàna an’izay tokony hataony mba ho sitrana izy.​—2 Mpanj. 5:10.

6. a) Inona no nety ho nahatonga an’i Namàna tsy hanaraka ny toromarika nomena azy? b) Ahoana no ahitana hoe nahay nandinika ny mpanompon’i Namàna, dia inona no vokany? (2 Mpanjaka 5:13, 14)

6 Tsy faly tamin’ilay iraka na tamin’ilay zavatra nasaina nataony i Namàna tamin’ny voalohany. “Tezitra” izy ka “lasa nandeha sady romotry ny hatezerana.” (2 Mpanj. 5:11, 12) Fa nahoana? Nieritreritra angamba izy hoe tsy mba nohajaina, nefa izy mba olona ambony tao amin’ny tafika ihany. Nieritreritra koa angamba izy hoe fanaovana tsinontsinona an’i Syria ilay toromarika nomen’i Elisa. Na ahoana na ahoana, dia nanapa-kevitra i Namàna hoe handeha hody na dia tsy ho sitrana aza. Nahay nandinika anefa ny mpanompony, dia niangavy azy handinika indray an’ilay fanapahan-keviny. Nampandeferin’i Namàna àry ny hambom-pony ka nanetry tena izy, dia nanaraka ny tenin’i Elisa. Dia inona no vokany? Sitrana izy!​—Vakio ny 2 Mpanjaka 5:13, 14.

7. Inona no ianarantsika avy amin’izay nitranga tamin’i Namàna? (Ohabolana 22:4) (Jereo koa ny sary.)

7 Lesona. Mahay mandinika isika raha mahatakatra tsara ny tena zava-misy fa tsy mijery ivelany fotsiny. Tsy hanaiky hobaikoin’ny fihetseham-po koa isika fa hanetry tena. Hiaiky isika hoe tsy mahalala ny zava-misy rehetra. Mety hila ny fanampian’ny hafa isika, indrindra fa ny fanampian’i Jehovah. Mbola tsy mpanompon’i Jehovah i Namàna tamin’izany nefa nahay nandinika ihany izy, ka nanetry tena ary nihaino ny torohevitry ny hafa. Nohenoiny ilay ankizivavikely israelita mpanompon’ny vadiny sy ny mpanompony ary indrindra fa i Elisa, ilay solontenan’i Jehovah. Nahavita nampandefitra ny hambom-pony i Namàna ka nahay nanapa-kevitra. Nahomby àry izy. Ahoana raha mahazo torohevitra isika nefa tsy eken’ny saintsika ilay izy, na misy toromarika voaraintsika nefa tsy tena azontsika? Tsy tokony hiato kely ve isika, dia handinika an’izay holazaintsika na hataontsika? Ho hita amin’izany mantsy raha manambony tena isika na manetry tena.​—Vakio ny Ohabolana 22:4.

Sary: Mahay mandinika ny rahalahy iray dia manetry tena ka mihaino tsara ny hafa. 1) Manome torohevitra azy ao amin’ilay bokikely hoe “Miezaha Hahay Hamaky Teny sy Hampianatra” ny rahalahy tanora iray, dia mihaino tsara izy. 2) Miresaka aminy momba ny fandaharana fanaovana fampirantiana ny anabavy be taona iray, dia mihaino tsara izy. 3) Mijery fandaharana Tele JW amin’ny tablette-ny izy, dia mihaino tsara.

Tokony hanao hoatran’i Namàna isika ka hanetry tena sy hihaino rehefa manome torohevitra antsika ny hafa, na miresaka olana, na misy tari-dalana omen’ny fandaminan’i Jehovah (Fehintsoratra 7)


MIEZAHA HO TONY FA AZA TEZITRA

8. Rehefa inona no sarotra amintsika ny hoe ho tony foana?

8 Raha mahay mandinika isika dia ho tony foana fa tsy ho tezitra na dia misy zavatra mahasosotra aza. Tsy mora foana aloha izany e! Mety ho rariny mantsy isika raha tezitra, rehefa iharan’ny tsy rariny na nisy ratsy fanahy tamintsika. (Efes. 4:26) Nahay nandinika i Davida sy Abigaila rehefa niatrika toe-javatra sarotra hoatr’izany. Andao hojerentsika izay nataony.

9. Ahoana no nanaovan’i Nabala an’i Davida?

9 Eritrereto izay nitranga: Nitsoaka an’i Saoly i Davida sy ny miaramilany tamin’izany, dia nipetraka tany an-tany efitr’i Parana. (1 Sam. 25:1) Tsara fanahy ry zareo tany, dia narovany ny mpiandry ondry sy ny andian’ondrin’ilay lehilahy mpanankarena atao hoe Nabala. (1 Sam. 25:15, 16) Rehefa tonga àry ny fotoana fanetezana ondry, dia nandefa iraka tany amin’i Nabala i Davida. Nanao fety be sy nalala-tanana mantsy ny olona rehefa fety hoatran’io. Nirahiny ireo miaramilany ireo mba hangataka sakafo, ary ho tsara fanahy sy hanaja rehefa manao an’izany. (1 Sam. 25:6-8) Tsy nankasitraka an’izay nataon’i Davida sy ny miaramilany anefa i Nabala na dia kely aza. Tena tsy nasiany vidiny ny fangatahan-dry Davida, ary nambanimbaniny mihitsy aza ry zareo.​—1 Sam. 25:10, 11.

10. Ahoana no nampisehoan’i Davida sy Abigaila fa nahay nandinika ry zareo? (1 Samoela 25:32, 33) (Jereo koa ny sary.)

10 Ahoana raha ianao no teo amin’ny toeran’i Davida? Inona no ho tsapanao? Tsy mahagaga raha tezitra be i Davida. Olona be fihetseham-po mantsy izy. Tamin’io aza izy tena tezitra be, ka tiany hovonoina mihitsy i Nabala. (1 Sam. 25:13, 21, 22) Efa teny an-dalana ho any amin’i Nabala izy no nifanena tamin’i Abigaila, vadin’i Nabala. Vehivavy nahay nandinika izy io. Ahoana no ahitana an’izany? Azon’i Abigaila tsara hoe naninona i Davida no tezitra. Fantany koa anefa hoe olona tsara i Davida, dia nanao izay azony natao izy mba hanampiana azy hifehy ny hatezerany. Nitondra fanomezana be dia be i Abigaila, dia nanome azy torohevitra tsara. (1 Sam. 25:18, 23-31) Nahay nandinika i Davida, ka nihaino an’izay nolazain’i Abigaila. Takany hoe nifanaraka tamin’ny fomba fihevitr’i Jehovah an’ilay raharaha ny zavatra nolazainy. Lasa tony àry i Davida ka tsy nanao fahadisoana lehibe.​—Vakio ny 1 Samoela 25:32, 33.

Mandohalika eo amin’ny tany i Abigaila sady miangavy an’i Davida. Mihaino tsara azy i Davida, ary mijoro eo akaiky eo ny miaramilany. Ny mpanompon’i Abigaila kosa mijoro ao aorianany sady mitondra fanomezana be dia be.

Nahay nandinika i Davida sy Abigaila tao anatin’ny toe-javatra sarotra, ka nahavita nisoroka olana lehibe (Fehintsoratra 10)


11. Nahoana no mahasoa antsika ny mahay mandinika rehefa misy mampahatezitra antsika? (Ohabolana 19:11)

11 Lesona. Ara-dalàna angamba isika raha tezitra. Tsy hoentinkentim-po fotsiny anefa isika raha mahay mandinika. Hanampy antsika handinika ny ho vokatry ny tenintsika sy ny ataontsika io toetra io. (Vakio ny Ohabolana 19:11.) Nahafehy ny hatezerany i Davida rehefa nisy nampahatsiahy azy ny fomba fihevitr’i Jehovah. Raha misy mampahatezitra anao àry, dia mitandrema mba tsy hanao zavatra tsy amim-piheverana. (Jak. 1:19) Mivavaha kosa amin’i Jehovah, dia makà fotoana hisaintsainana hoe ahoana no fahitany an’ilay zava-mitranga. Mety hanampy anao ho tony izany.

12. Nahoana no afaka manampy antsika hahay handinika sy ho tony foana ny hafa?

12 Nampiasa an’i Abigaila i Jehovah mba hanampy an’i Davida hahatakatra tsara ny tena zava-misy. Afaka mampiasa olon-kafa koa izy mba hanampy antsika hahay handinika hoatr’izany. Raha misy zavatra mahasosotra anao àry, dia maninona raha miresaka amin’ny Kristianina matotra aloha? Hanampy anao hahita ny tena zava-misy mantsy izy. (Ohab. 12:15; 20:18) Ahoana indray raha misy olona hitanao hoe mila fanampiana? Afaka manao hoatran’i Abigaila ve ianao? Azonao ampiana ve izy mba hahazo hoe ahoana no fahitan’i Jehovah an’ilay zava-mitranga? Azo antoka fa hotahin’i Jehovah ny ezaka ataonao mba hanampiana ny hafa hahay handinika sy ho tony foana.

MATOKIA AN’I JEHOVAH FA AZA MATAHOTRA

13. Nahoana isika no tsy hatahotra be raha mahay mandinika?

13 Mety hisy toe-javatra mampahatahotra antsika indraindray. Raha mahay mandinika anefa isika dia hahatadidy hoe tsy misy mahery noho i Jehovah na inona na inona ary na iza na iza. Hanampy antsika hatoky azy izany na eo aza ny tahotra. (Sal. 27:1) Afaka manampy antsika foana i Jehovah na dia hoatran’ny hoe tapi-dalan-kaleha aza isika. Manasongadina an’izany ny tantaran’i Jona mpaminany. Nanam-pinoana izy nefa nila niezaka hahay handinika kokoa mba hahavitany ny asa sarotra nanendrena azy.

14. Inona no nety ho nahatonga an’i Jona hisalasala hanao an’ilay fanendrena nomen’i Jehovah azy?

14 Nirahin’i Jehovah ho any Ninive i Jona mba hilaza didim-pitsarana tamin’ny mponina tao. (Jona 1:1, 2) Tena nampahatahotra izany. Ahoana no ho tsapanao raha ianao no teo amin’ny toerany? Dia an-tongotra iray volana teo ho eo vao tonga tany Ninive. Nalaza ho tia ady sy nahery setra be koa ny Asyrianina. Nantsoina mihitsy hoe “tanàna mpandatsa-dra” aza i Ninive. (Nah. 3:1, 7) Naleon’i Jona àry nandositra toy izay hanao ny asa nanendrena azy.​—Jona 1:3.

15. Inona no nanampy an’i Jona hatoky kokoa an’i Jehovah? (Jona 2:6-9)

15 Rehefa nandositra i Jona, dia namonjy azy tamin’ny fomba mahagaga i Jehovah. Izany no nampahatsiahy azy hoe tena mahery io Andriamaniny io. (Jona 1:15, 17) Nandray lesona i Jona. Hitany hoe tsy tokony hatahotra ny ho any Ninive izy, satria i Jehovah afaka miaro azy na inona na inona loza mety hitranga any. (Vakio ny Jona 2:6-9.) Nanaiky àry i Jona rehefa naniraka azy indray i Jehovah. Nandeha tany Ninive izy ary tena nahomby ny fanompoana nataony tany.​—Jona 3:5.

16. Inona no hanampy antsika rehefa matahotra isika? (Ohabolana 29:25) (Jereo koa ny sary.)

16 Lesona. Tsy misy na inona na inona avelantsika hisakana antsika tsy hanompo an’i Jehovah, indrindra moa fa ny tahotra olona. (Vakio ny Ohabolana 29:25.) Nahay nandinika i Jona dia tsy nanahy be intsony momba an’izay mety hanjo azy fa nitadidy hoe hanohana azy i Jehovah. Hoatr’izany koa fa tsy hifantoka be amin’izay zavatra mampahatahotra antsika isika fa hitadidy hoe efa nanampy sy niaro antsika i Jehovah tamin’ny lasa. Azontsika atao koa ny misaintsaina ny ohatr’ireo rahalahy sy anabavy nahavita niatrika toe-javatra nampahatahotra na nahavita fanendrena sarotra be satria niantehitra tamin’i Jehovah.a (Heb. 13:6) Enga anie isika hiezaka hahay handinika ka hiantehitra tanteraka amin’i Jehovah sady hanampy ny hafa hanao hoatr’izany koa.

Sary: 1) Manatona ny vavahadin’ny tanànan’i Ninive i Jona mpaminany. 2) Mandeha eo amin’ny lalantsara ao am-pianarana ny rahalahy tanora iray. Manao zavatra tsy tian’i Jehovah ny olona manodidina azy. Feno saina famantarana ny lehilahy miray amin’ny lehilahy ilay lalantsara. Misy ankizilahy iray mampijaly ankizilahy hafa koa eo.

Ianarantsika avy amin’ny ohatr’i Jona hoe hahavita hanaraka ny tari-dalan’Andriamanitra isika sady hahavita hiatrika toe-javatra sarotra raha mahay mandinika (Fehintsoratra 16)


MIEZAHA FOANA HAHAY HANDINIKA

17. Inona no hanampy antsika hahay handinika kokoa?

17 Hitantsika teo hoe hahavita hiatrika toe-javatra sarotra isika raha mahay mandinika. Inona no hanampy antsika hahay handinika kokoa? I Jehovah no mahay mandinika indrindra, dia omeny antsika ny Baiboly sy ny fanahiny masina mba hanampiana antsika hanana an’io toetra io. (Neh. 9:20; Sal. 32:8) Hanampy antsika handray fanapahan-kevitra tsara sy hifehy ny fihetseham-pontsika ny torohevitra ao. (Sal. 119:97-101) Hahay handinika isika raha misaintsaina tsara an’izay lazain’ny Baiboly sady miangavy an’i Jehovah mba hanome antsika ny fanahiny masina. Hanampy antsika hahazo kokoa ny tena zava-misy izany, sady hanampy antsika hahita ny fomba tsara indrindra handaminana an’ilay izy. Hifanaraka amin’ny fomba fisainan’i Jehovah izay ataontsika sy lazaintsika amin’izay.​—Ohab. 21:11, f.a.p.

18. Tapa-kevitra ny hanao inona ianao?

18 Enga anie isika hiezaka hahay handinika, sady hihevitra an’io toetra avy amin’i Jehovah io ho sarobidy foana. (Sal. 14:2) Tsy hiala “amin’ny lalan’ny fahiratan-tsaina” isika amin’izay. (Ohab. 21:16) Vao mainka kosa isika ho tapa-kevitra ny hahay handinika na inona na inona mitranga, ary na rahoviana na rahoviana. Hanampy antsika “hahomby” izany.

AHOANA NO AMPISEHOANTSIKA FA MAHAY MANDINIKA ISIKA, HOATRAN’NY NATAON’I...

  • Namàna?

  • Davida sy Abigaila?

  • Jona?

HIRA 42 Vavaky ny Mpanompon’Andriamanitra

a Diniho, ohatra, ny tantaran’i Georgiy Porchulyan ao amin’ilay andian-dahatsoratra hoe “Tantaram-piainan’ny Vavolombelon’i Jehovah”, ao amin’ny JW Library® na ao amin’ny jw.org.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara